Ahoana no ahafantarana fa niteny tamiko na taminao Atra?
21. ikaretsaka
(
19/02/2009 14:49)
Ka I coopsal ange izany devoly mpaka fanahy an'i jesoa e..
Ny devoly no mpanao io " raha misy enao de ataovy zao" io
Tsy "il faut" mihitsy.... raha "il faut" dia tsy libre ianao fa na nanery tena na misy manery. Tsy izany koa Atra :hoe terenao @ sitrapony hoe " mon dieu,il faut"
Nifampisafidy ianareo mianaka ary nifanaiky ho azy fa tsy nifanery na noterena

22. Mirananirina
(
19/02/2009 14:54)
Mahafantatra ny hatsarana ho anao Andriamanitra. Raha mibitsika aminao izy hoe "Ndeha torio ny teniko" dia aza manahy akory na hanontany fanindroany na fanintelony hoe ho mety amiko ve ity sa tsia. Izy dia mahalala ny mety aminao. Izy no hanome sakafo mahavelona anao sy ny fianakavianao. Izy no hiahy ny olanao. Vitao fotsiny ny adidy napetrany aminao. Afaka hitsangana vavolombelona ny amin'izany aho raha ilaina.[/quote]
Soanja:Amiko Andriamanitra dia marina ,lehibe,tia antsika,nahary antsika.
Ka tsy hiteny mihitsy izy hoe MIALA AMIN'NY ASANAO dia torio ny teniko.
Ity angama no teniny dia marina.
AVELAO NY ANDRO ALAHADY HO AHY fa asa miasa dia marina izany.
Tsy velombelompoana ny olona amin'izao fa ny mitady asa aza efa tsy mahita koa ny hiala.
Afaka mitory ny tenin'Andriamanitra izy rehefa tsy miasa
Momba an'io 100% aho.
Tsy mitovy hevitra isika fa samy manana ny heviny.
Tsy marina avokoa ny olona taloha an???????????
Tsy marina avokoa ireo razambe tsika taloha tsy nisy izany Kristy izany an?????????

dia misy teny gasy izay koa manao hoe Atra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany!
Momba an'io 100% aho.
- Jesosy no Fahamarinana ... tout ce qui n'est pas Jesus izany dia tsy marina avokoa.
Tsy mitovy hevitra isika fa samy manana ny heviny.
Tsy marina avokoa ny olona taloha an???????????
Tsy marina avokoa ireo razambe tsika taloha tsy nisy izany Kristy izany an?????????
23. Mirananirina
(
19/02/2009 15:02)
==> Dia inona no critères itenenana fa ratsy ilay izy ?
Isika izao mahalala fa ratsy ny mamono olona, rats ny ady. Ny zanak'Israely koa nahalala fa ratsy izany, kanefa izy ireo no nasain' Andriamanitra nandringana olona maro. Dia ahoana izany ? Raha mijery fotsiny ilay mamono olona ianao dia ratsy izany no nataon'ireo Zanak'Israely ireo. Andriamanitra izany izao teto nampanao ratsy ny Zanak' Israely ?
Amiko tsy Andriamanitra no naniraka an'ireo nanao ratsy sy namono olona fa ny lehibeny,ny tompony tamin'izany.
Andriamanitra izany amiko dia tsara,tsy manao ny ratsy ,fa ny ratsy dia avy amin'ny devoly.
Izay anie no nitenenako hoe tsy Andriamanitra no niteny taminy ho AZA MIASA intsony.
farany ireo zanak'Israel ireo anie ka Juif no akamaroany,ary vitsy ny Kristianina tomponao ao e.
24. ikaretsaka
(
19/02/2009 15:10)
mba tiako hotsipihina kely ity "fanilihana an'Atra ho manao ny tsara sy ny ratsy ity"
Ilay tsara sy ratsy amiko dia ianao sy ny fiaraha monina no nametraka an'io rehefa misy raha iray ahitanao (sy ny fiaraha monina) tombotsoa avy amin'iny!
donc io dia arbitraire @ tsirairay
ho an'ny Tsy silamo ohatra izao dia ratsy izay tsy silamo satria ao anatin'ny silamo sy ny societe silamo no nahitany tombotsoa, fa hasoavy ange ny olona avy any @ ireny ka raha mahatsapa hoe misy tombontsoa hafa milay ko kay ivelan'io, de tsy hanao intsony koa ireo hoe ratsy anie ny any ivelan'io faribolana io

25. Mirananirina
(
19/02/2009 16:26)
mba tiako hotsipihina kely ity "fanilihana an'Atra ho manao ny tsara sy ny ratsy ity"
Amiko tsotra fotsiny:ny tsara foana no ataon'Andriamanitra fa tsy misy ratsy.
27. coopsal
(
20/02/2009 09:08)
Ikaretsaka:
Ny devoly no mpanao io " raha misy enao de ataovy zao" io
==> Tsy dia nandalina manokana momba ny devoly aho no sady tsy ùanana tanjona hahafantatra azy. Izay ambaran'i Kristy momba azy no fantatro ary inoako fa ampy izay.
Voasoratra hoe : ny devoly koa mba mino ary mangovitra (fa misy Andriamanitra), ary mahafantatra an'i KRISTY izy sy ny anjeliny matoa nisy ireo fanahy maloto niteny hoe "fantatray fa ianao no zanak' Andriamanitra".
Izaho kosa raha nanontany an'i Jesosy dia tamin'ny foko tsy nahafantatra na misy marina izy na tsia! Ary tsy hoe rehefa niresaka tamiko sy ny sisa izy dia mbola nijanona nanontany sy nikaroka ihany aho na misy izy na tsia! T@ io Alakamisy alina io no tapitra ny doute-ko momba ny fisian'i KRISTY!
28. coopsal
(
20/02/2009 14:53)
Mirananirina:
Tsy marina avokoa ny olona taloha an???????????
Tsy marina avokoa ireo razambe tsika taloha tsy nisy izany Kristy izany an?????????
==> Raha ny vakiako ao amin'ny Baiboly dia izao : Kristy nisy talohan'izao rehetra izao, saingy tsy nipoitra Izy raha tsy tamin'ny fotoana voatendrin'ny Rainy, ary efa voaomana izany.
Donc ny olona taloha, jiosy voalohany, dia efa niandry ny fihavian'ny KRISTY! Rehefa tonga Kristy dia tonga ilay nandrasany.
Izaho koa mino, rehefa mijery ny ohabolana sy ny finoana Malagasy nentim-paharazana, fa ny Ntaolo Malagasy dia niandry KRISTY Mpamonjy!
Ary indro tonga teto amin'ny Malagasy ilay Kristy, notoriana.
Ireto misy porofo anakiroa ahafahako milaza an'izany :
1- "Alefa aiza ny tsiny ?" Zavatra tsapan'ny ntaolo Malagasy ny fisian'izany tsiny izany, ary mbola tsapan'ny sasany ankehitriny koa aza. Nikaroka izay handefasana ny tsiny ny Malagasy. Izany no ahenoana izany isaka ny kabary. Tsy amin'ny kabary ihany anefa, fa hitako amin'ny fiainako mihitsy fa rehefa misy ny olana dia ny mitady hialana tsy hilanja ny tsiny no isan'ny ato anatiko voalohany. I Kristy ilay nitondra ny tsiny teo ambony hazo fijaliana. Izy izany no nandrasan'ny Malagasy mba hiainana miadana.
2- Manan-jandry afaka olan'entana, manan-joky afaka olan-teny : Ataoko fa tsy dia misy sens io teny io raha amin'ny lafiny materialy satria matetika ny zandry no somary keliray sy tsy mahazaka entana! Eritrereto anie hoe ilay zandry 4 taona d le zoky 8 taona e! Ahoana no haha possible anzany ? Faharoa, tsy dia voatery ho malama vava na mahay miteny aby rehefa zokiolona, tena betsaka ny zoky saro-kenatra ary tsy mety handray fitenenana. Noho izany, tsy dia zavatry ny nofo no noresahin'io ohabolana io fa tena zava-panahy, sady ny Malagasy rahateo nanana foto-pinoana hoe : ny fanahy no olona.
Ny entana izay nilana mpitondra dia ny tsiny ihany! Ary KRISTY no natao zandriny indrindra, nitondra ny tsinin' ny olona rehetra (izany hoe anatiny ny Malagasy rehetra) ... à son compte.
Ny teny izay nila mpitondra dia tsy teny amin'olombelona loatra fa ilay fifampiresahana amin' Andriamanitra. Ary Indro Kristy no mpisolovava ho an'izay manaiky, izay miaiky fa tsy manan-kalahatra eo anatrehan' Andriamanitra.
Io ohabolana io raha ny finoako, dia manambara ny fitsaran' Andriamanitra.
Tsy hiresaka ny finoana hafa aho! Fa inoako, fa raha misy olona tena mino ao am-pony izay inoany (na boudism na hindouism na inona), dia hahita izy fa mila an'i KRISTY ho Mpamonjy sy Tompony! Sambatra lavitra ny olona toy izany noho ny Kristiana kanefa mandà an'i KRISTY sy ny teniny!
29. coopsal
(
20/02/2009 15:01)
Mirananirina:
Amiko tsotra fotsiny:ny tsara foana no ataon'Andriamanitra fa tsy misy ratsy.
==> Tsy haiko na mitovy na tsia ny source nahatonga antsika sy ianao samy hanaiky fa tsara foana ny ataon' Andriamanitra.
Ho ahy manokana dia Kristy Jesoa izay niteny hoe : "Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany : dia Andriamanitra" no mampijoro ahy amin'izay hevitra izay.
Ny fanontaniako tetsy ambony indray dia hoe : fantatro fa tsara ny ataon' Andriamanitra ... fa fantatro ve hoe inona no tsara ? Ahoana no ahasahiako miteny fa ratsy ny hoe "miala amin'io asanao io" ? Tsy azo antsoina hoe asa ve ny "tueur professionnel" ohatra ? Ka raha mpamono olona izy, ka itenenan' Andriamanitra hoe "mialà @izany", nahoana no tsy hiala ?
Hoy ny Apostoly Paoly hoe "izay nangalatra fahiny dia aoka tsy hanao izany intsony" ==> "izay mpanao pirate fahiny dia aoka tsy hanao pirate intsony", satria ny fahalalako an, ny halatra @zao fotoana anie tsy dia voatery ilay tratran'ny olona etsy an-tsena foana, fa ny fanodikodinam-bola halatra, ny piratage halatra ...
Ohatra iray iny ahitako fa mety ho tsara mihitsy ny ibaikoan' Andriamanitra ny olona iray hoe "mialà @ asanao".
Ny tenin'i Mirananirina koa anie dia manambara fa tsy ilay teny akory no ratsy na tsara, fa ny ataon' Andriamanitra no tsara foana! Koa raha Andriamanitra no manao an'izany, moa ve tsy tsara izany ?
Tsetsatsetsa tsy aritra @ le ohatra noraisiko mikasika ny zanak'Israely : tsy mino ve izany ianao fa Andriamanitra no niteny tamin'ireo Zanak'Israely ireo hoe aringano ny Amalekita (ohatra) ? Izany anefa voasoratra ao @ [I samoela 14]. Raha izany no tsy inoanao dia izay soratan'ny Baiboly izany no tsy inoanao, ary raha tsy inoanao izay soratan'ny Baiboly dia misalasala be aho hoe mino marina an'i KRISTY ve ianao.
30. ikaretsaka
(
20/02/2009 16:32)
coopsal:
Ny devoly no mpanao io " raha misy enao de ataovy zao" io
==> Tsy dia nandalina manokana momba ny devoly aho no sady tsy ùanana tanjona hahafantatra azy. Izay ambaran'i Kristy momba azy no fantatro ary inoako fa ampy izay.
Voasoratra hoe : ny devoly koa mba mino ary mangovitra (fa misy Andriamanitra), ary mahafantatra an'i KRISTY izy sy ny anjeliny matoa nisy ireo fanahy maloto niteny hoe "fantatray fa ianao no zanak' Andriamanitra".
Izaho kosa raha nanontany an'i Jesosy dia tamin'ny foko tsy nahafantatra na misy marina izy na tsia! Ary tsy hoe rehefa niresaka tamiko sy ny sisa izy dia mbola nijanona nanontany sy nikaroka ihany aho na misy izy na tsia! T@ io Alakamisy alina io no tapitra ny doute-ko momba ny fisian'i KRISTY!
Ka voasoratra koa ange io e mampatsiahy anao aho handalina misimisy kokoa!
ary contradictoire ange ianao e.. eo mandalina sy mikaroka de mbetika tsy mandalina sy tsy mikaroka
Izaho kosa raha nanontany an'i Jesosy dia tamin'ny foko tsy nahafantatra na misy marina izy na tsia!
de ivereno vakiana ny boky iondananao fa tsy izany no fataon'ny tena olony!
31. Mirananirina
(
20/02/2009 17:24)
Donc ny olona taloha, jiosy voalohany, dia efa niandry ny fihavian'ny KRISTY! Rehefa tonga Kristy dia tonga ilay nandrasany
Sao adinonao ary f ny vazaha no nitondra voalohany ny Kristianina teto.
Dia nanaraka daholo isika mianakavy,nefa tsy nisy nahalala na ny 1 aza.
Mino ve ianao fa nahita an'i masina Marie i Rapatrice?
Nahoana ny Kristianina ivelan'i Madagasikara no tsy mino sy mihomehy antsika gasy.Nefa ry zareo nitondra an'i Kristy teto nino isika,,,
32. Mirananirina
(
20/02/2009 17:33)
Tsetsatsetsa tsy aritra @ le ohatra noraisiko mikasika ny zanak'Israely : tsy mino ve izany ianao fa Andriamanitra no niteny tamin'ireo Zanak'Israely ireo hoe aringano ny Amalekita (ohatra) ? Izany anefa voasoratra ao @ [I samoela 14]. Raha izany no tsy inoanao dia izay soratan'ny Baiboly izany no tsy inoanao, ary raha tsy inoanao izay soratan'ny Baiboly dia misalasala be aho hoe mino marina an'i KRISTY ve ianao.
sarotra be ny hamaly hoe mino na tsy mino,fa tsoriko aloha fa misy ny hinoako ary betsaka koa ny zavatra tsy hinoako.
Izaho koa aza misalalala hoe mino an'i Kristy ve aho?
Andriamanitra aloha dia hinoako 200% fa misy sy mitahy antsika rehetra.
33. soanja
(
22/02/2009 19:26)
coopsal:
Tsy hiresaka ny finoana hafa aho! Fa inoako, fa raha misy olona tena mino ao am-pony izay inoany (na boudism na hindouism na inona), dia hahita izy fa mila an'i KRISTY ho Mpamonjy sy Tompony! Sambatra lavitra ny olona toy izany noho ny Kristiana kanefa mandà an'i KRISTY sy ny teniny!
Hazavao anie raha possible ny fomba ahitan'ireo olona hafa finoana ireo an'i Kristy ho mpamonjy sy Tompony? Ahoana no ahatogavany amin'izany stady izany raha hisy tokoa io? Misaotra mialoha.
35. klitika
(
23/02/2009 05:03)
Izaho moa izany tsy silamo tsy kristianina.
Dia ho ahy dia tsotra ny fiainana, fa ny razana no elanelam-panahy eo amin'ny velona sy zanahary. Dia hajaiko ireo razana ireo mba hitahy anay zanahary.
Ny hoe voavonjy na tsia? Tsy any ny olana fa rehefa hainao ny mifaly sy miara-miaina amin'ny tontolonao dia izay, fandalovana no eto.

36. soanja
(
23/02/2009 05:16)
klitika:
Izaho moa izany tsy silamo tsy kristianina.
Dia ho ahy dia tsotra ny fiainana, fa ny razana no elanelam-panahy eo amin'ny velona sy zanahary. Dia hajaiko ireo razana ireo mba hitahy anay zanahary.
Ny hoe voavonjy na tsia? Tsy any ny olana fa rehefa hainao ny mifaly sy miara-miaina amin'ny tontolonao dia izay, fandalovana no eto.
WOOOWWW!!! Miaiky anao aho ry Klitika. Namaste tompoko o!!!!!!
(l) (l) (l)
37. xxx
(
23/02/2009 05:36)
Misy olona eto akaikiko, nilaza fa niteny taminy hono Atra fa tsy tokony hanohy ny asa ataony intsony izy fa hitory ny tenin'Atra am'zay.
Dia tena talanjona aho hoe, diso dozy ve razoky sa naninona? Ahoana no ahafantarana fa niteny taminy Atra?
Dia tena talanjona aho hoe, diso dozy ve razoky sa naninona? Ahoana no ahafantarana fa niteny taminy Atra?
38. xxx
(
23/02/2009 06:17)
Misy olona eto akaikiko, nilaza fa niteny taminy hono Atra fa tsy tokony hanohy ny asa ataony intsony izy fa hitory ny tenin\'Atra am\'zay.
Dia tena talanjona aho hoe, diso dozy ve razoky sa naninona? Ahoana no ahafantarana fa niteny taminy Atra?
Eny, misy ny Fanahy Masina izay mibitsika @ olona, ary tena toy ny miresaka mihintsy, zà nieritreritra toy izany anareo izany hoe cinglé aho fa réel io! Ary nisy olona nanazava tamiko toy ny cas nao ry Coopsal ary de miaiky aho!
Ity misy zvt iray réel ary vao haingana, raha nivavaka aho ary nametraka hoe raha tena olom-boafidinao sy antso avy aminao, ny asabotsy teo @ 07 ora h@ 08 ora teo, de nangataka aho mba handrotsahan\'Andriamanitr\'Israely an\'izy roalahy mianaka ireo ny Fanahy Masina mba hifanatonany sy hifandeferany ho an\'ny vahoaka! @ mahaolombelona ahy de efa nieritreritra an\'izany hoe impossible nefa gaga aho nahare ny après-midi fa nihaona izy mianaka!
Hasard fotsiny araka ny eritreritro saingy efa im-betsaka ny seho toy izany teo @ fiainako ary t@ toriteny no ni-confirme ahy an\'io fa misy io! Andriamanitra no mifidy ny olony ary manana choix fona ny olona saingy rhf sitrapon\'Andriamanitra de tanteraka foana!
39. coopsal
(
23/02/2009 15:18)
Ikaretsaka:
Ka voasoratra koa ange io e mampatsiahy anao aho handalina misimisy kokoa!
ary contradictoire ange ianao e.. eo mandalina sy mikaroka de mbetika tsy mandalina sy tsy mikaroka
==> Inona moa ilay voasoratra? Hoy KRISTY t@ Jiosy (mpivavaka tamin' Andriamanitra) izay nifampiresaka taminy hoe "nahoana no tsy azonareo izay lazaiko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo".
Misy suite chronologique ilay resako, asa raha tsy nahay nampita tsara aho : misy hoe : fahiny aho ...., ankehitriny aho (hatramin'ny ninoako an'i KRISTY).
Ikaretsaka:
de ivereno vakiana ny boky iondananao fa tsy izany no fataon'ny tena olony!
==> Tsy haiko hoe ahoana aminao no fanaon'ny tena olony. Hitako voasoratra kosa fa ireo mpianatra izay niara-nitakosona tamiNy nandritra ny 3 taona sy tapany, nahita ny fahagagana nataony sy nandre Azy t@ sofina sy nahita t@ masony ireo aza tsy nahafantatra Azy rehefa nitsangana Izy, raha tsy tamin'ny teniNy, ary tsy nino ny Soratra Masina raha tsy Izy efa nitsangana no nanazava ka nampahiratra ny sain'izy ireo. Ahoana no hahafahan'izay olona mamaky boky isan-karazany ary mandalina hahafantatra Azy sy ny fombaNy? Hoy i Joany hoe : "Raha ny zavatra rehetra nataon'i KRISTY teo anatrehan'ny mpianaNy no soratana boky dia na izao tontolo izao aza tsy ho omby velively ny boky voasoratra ...". Izany hoe, ny fifaneraseran'ireo mpianatra t@ KRISTY mialoha ny nitsanganany dia tahaka ny olona namaky boky be dia be izay, na izao tontolo izao aza tsy omby azy. Firy ny boky novakianao mba hahafantaranao Azy sy hinoanao ny Soratra Masina, na hahafantaranao izay ambaran'ny Soratra Masina?
40. coopsal
(
23/02/2009 15:28)
soanja, Ikaretsaka:
Hazavao anie raha possible ny fomba ahitan'ireo olona hafa finoana ireo an'i Kristy ho mpamonjy sy Tompony?
==> Tahaka ny nahitan'ny olona fa Kay ny tany no miodina amin'ny masoandro fa tsy izao tontolo izao no miodina @ Tany. Nikaroka tamin'ny zotom-po izy ireo ka nahita, araka ny voasoratra hoe "izay mitady dia hahita". Niainga tamin'ny fahafantarana tsy marina no nikatsaka ary nahita ny marina, izay kay tena mifanohitra be amin'ilay noheveriny. Amin'izay fotoana izay, raha efa hitany ny marina kanefa izy mizingizina mitazona ny tsifahamarinana dia inona no ho azy moa?
Tahaka izany, fa @ ara-panahy, samy nanana sy manana ny conception-ny momba an' Andriamanitra ny olona tsirairay, izay no nambaran'i Paoly hoe "navelan' Andriamanitra hitsapatsapa ny olona hitady Azy". Fa izay mitady an' Andriamanitra amin'ny fony dia hahita Azy marina.
Mamelà ahy hanao ity fanoharana ity :
- Ny tany dia mi représenter ny olona. Ka ny vision géocentrique fahiny dia azo oharina amin'ny vision égocentrique ny olombelona (vieil homme hoy ny Apostoly Paoly)
- Ny Masoandro izay ihodinan'ny tany, dia azo hoarina amin'i KRISTY ivon'ny fiainan'ireo mino. Ka toy izany ho an'izay nino an'i KRISTY, sa vie tourne autour du CHRIST à jamais.