miomana ra Malagasy ,hividy vary 15 000 fmg/kg

1. patrick2002 ( 29/01/2009 02:15)
Araky ny vaovao hita t@ Midi-Madagasikara dia nisy sambo 2 nitondra vary tao @ port Tamatave fa naverina ,Tsy hay inona no hamerenana azy ,iza no nanome baiko .
Fa amiko izany dia bizna avo lent hoy Tsiafo izay ,haverina ny vary amin'izay tsy misy dia hiakatra lafo ny vidiny , dia efa zatra mividy vary lafo ra-malagasy 1 mois eo ho eo dia hasaina tonga amin'izay ny vary haidina kely ny vidiny ,amin'izay benefice bobaka be ,miverina ny volany MAGRO. Mampalahelo ny madinika.
2. sitlo ( 29/01/2009 02:43)
Mahafinaritra anao mihitsy ilay mandatsa ny mahantra an. Fandalovana ange ny fiainana eh.
3. Ralitta ( 29/01/2009 04:02)
Ho andRa Patrick
Ny fankahalana sy ny fialonana tsy mankaiza fa misy Andriamanitra. Fa tsy zakan'iTGV sy ianareo mpomba azy ny alahelon'ireo olona marobe very asa sy fitadiavana.
Misy sambo any Toamasina naverina. Ny tsaho toa izany ihany no nandrehetanareo afo ary mbola tohizanareo hatrany.
Tompon'andraikitra i TGV fa tsy afa-miala na inona na inona lainga lazainy etsy sy eroa
4. xxx ( 29/01/2009 04:12)
Rompon'andraikitra izy kon' tsy samborina? Fa maninona no tsy sahy manambotra azy?

Io RaPatrick2002 na 25.000 aza ialahy tsy eto dia mangina fa aza mamendrofendro an
5. ainaheri ( 29/01/2009 04:20)
mazava ho azy kosa amiko raha averina ilay vary e,raha noraisina ary d atao aiza,iza no hiditra fatiantoka @ iny?? ny tany mbola tsy milamina,riska be iany zany zama aaa
6. klitika ( 29/01/2009 04:28)
Fa iza no nahita fa vary no tao anaty sambo eh? Aiza ny sary?
7. Ryhana ( 29/01/2009 04:32)
Ekena Ralitta ah
Andraikitra tsy afa miala eo antampon-dohan'i TGV sy ireo mpanao politika te handrombaka fahefana ireo ny fahavoazan'ny firenena amin'izao fotoana.
Tsy raharahan-dry zalahy ny olona maty sy ny olona tsy an'asa marobe fa ny seza ihany no ao andohany.

Amiko ny tena demokrasia dia izao : Teneninao ny tsy mety ataon'ilay olona tsy tianao . Anjaran'ny olona no manala azy rehefa tonga ny fifidianana.
TSY DEMOKRASIA io ataon' i Andry io.

Raha hiakatra 15 000 Fmgny vary diai Andry no tompon'andraikitra.

8. ainaheri ( 29/01/2009 04:46)
Ryhana:
Amiko ny tena demokrasia dia izao : Teneninao ny tsy mety ataon'ilay olona tsy tianao . Anjaran'ny olona no manala azy rehefa tonga ny fifidianana.
TSY DEMOKRASIA io ataon' i Andry io
.

Samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay,@ fomba aona no itenenanao olona raha manao be marenina izy,moa ve ilay olona tenenina koa @ zay manaja ilay atao hoe demokrasia sy nitsinjo ny fiainam-bahoaka???
9. bezoky ( 29/01/2009 05:07)
Aza miditra amin'io isika zalahy ah! Aleo hifamotika eo ny samy ambaniandro.

Ny anajarantsika mitazana


10. yvonKEL ( 29/01/2009 06:23)
sitrapo nenareo ry tana oooooo!
zany refa maivan-doha.tsy misy idirako alou na 100000 aza eeeee!
zakao f'zay angah no nandoro sy nanimba. ze miasa ihany no mihinana
11. mion ( 29/01/2009 06:34)
Tokana ny dikan'ny demokrasia fa tsy samy manana ny fijeriny izany.
Ny demokrasia de tsy mandrombaka fahefana fa miandry fifidianana , ary tsy mi manipuler ny vahoaka hanao sorona ny tenany @ ady tsy azy.
Adalan'ze hijapy TGV rehatra fa hi - deraille io afaka fotoana fohy.
Nareo mpitolona pour vous ne savez même pas quoi no mandrora mintsilany mahantra fadiranovana nanao ze tsy hampisy ny PPN eto @ tanàna fa na 500 000 mille FMG aza ny kapoaka - mbary zakan'ny tsenanay zany . Ar tandremo sao tonga any @ tanàana handroba refa sty misy ohanina fa omeko ny alika ny faty aveo
12. sitlo ( 29/01/2009 06:34)
Rehefa vita moa izany ny fanimbana dia aiditra indray ny fampisaraham-bazana.
13. rixes ( 29/01/2009 07:01)
aza asina resaka ambaniandro izany rabezoky fa zany ihany no mampitatra zavatra hafa 8) sa zay ndray no tanjona .
14. sitlo ( 29/01/2009 07:06)
azonao ilay izy ry rixes ah
15. xxx ( 29/01/2009 07:51)
Olo ndraty areo bezoky sy yvonkely ,fairo agny vava areo ! olo jiaby mitady ny marigny, ny demokrasia, areo manopa lasa korazambe , areo koa fositra be isa atonga raha ty kara zao dé , areo koa fahavalo piregneina ,tsa matahotsa gny avo , tsa misy loha ,tsa misy fo ,areo fototra aingany vandy ,vonoa olon ,olondraty areo ,olondraty .Poouuaahhh.
16. tsiafoi1 ( 29/01/2009 07:57)
Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra....
Ary ny tsy fankatoavana ny tenin'Andriamanitra no fototry ny fikorontanana :

Romains 13
13.1
Que toute personne soit soumise aux autorités supérieures; car il n'y a point d'autorité qui ne vienne de Dieu, et les autorités qui existent ont été instituées de Dieu.
13.2
C'est pourquoi celui qui s'oppose à l'autorité résiste à l'ordre que Dieu a établi, et ceux qui résistent attireront une condamnation sur eux-mêmes.

Mivavaha fa ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra
17. Noue ( 29/01/2009 08:21)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
18. xxx ( 29/01/2009 08:37)
Ny vary dia efa voazara tamin'ny madinika tamin'ny alàlan'ny fankana azy an-keriny eraky ny Magro.

Tsy ny famerenana ny vary tany amin'ny port no ahakely ny vary eto, ny vary Tompoko, dia efa nagonin'ny Fanampy rice an'ny filoha , izay no tsy mahampy azy;

Tena mafy loha nareo an ! tsy diso mihitsy io Filoha mpanagon-karena sy mpametsifetsy hanodina ho an'ny tombontsoan'ny orinasany io ? Orinsa izay iangarana amin'ny rehetra satria arakaraky ny filan'ny orinasany no hanovanovana ny lalàna, mahereza mitampi-maso e !

Aminay TGV dia mpitarika anay hamongotra ny fetsy rehetra eo am-panitsahana ny malagasy.

Ary raha mbola te-hitondra eo i Ra8 dia tokony hanova fihetsika fa tsy hosaronana foana ny ratsy ataony rehetra. Fanagonan-karena amin'ny alàlan'ny famitahana sy mody fanaovana ny tsara. Ny ratsy tompoko tsy voasaron'ny ratsy atao raha eo anatrehan4Andriamanitra, tsy misy dikany ireny tsara kely mody ataonao ireny raha mbola mialokaloka amin'ny fanaovan-dratsy ianao, sy ny fanadiovana ny vola maloto.
19. bozimanga ( 29/01/2009 10:49)
patrick2002:

Araky ny vaovao hita t@ Midi-Madagasikara dia nisy sambo 2 nitondra vary tao @ port Tamatave fa naverina ,Tsy hay inona no hamerenana azy ,iza no nanome baiko .
Fa amiko izany dia bizna avo lent hoy Tsiafo izay ,haverina ny vary amin'izay tsy misy dia hiakatra lafo ny vidiny , dia efa zatra mividy vary lafo ra-malagasy 1 mois eo ho eo dia hasaina tonga amin'izay ny vary haidina kely ny vidiny ,amin'izay benefice bobaka be ,miverina ny volany MAGRO. Mampalahelo ny madinika.




AIZA A!!!!!!!

:-D :* :^) :-D :lol: :°) :-P ;-) :roll:
20. patrick2002 ( 29/01/2009 11:57)
sitlo:

Mahafinaritra anao mihitsy ilay mandatsa ny mahantra an. Fandalovana ange ny fiainana eh.

Miala tsiny aminao izaho ra sitlo fa izay mihntsy no hijanonako eto hanarahako vaovao mba te hanala ny mahantra @ fahantrany ,izaho ary izay no nitsimbadihako t@ ra-8 satria tsy mitsinjo ny mahantra izy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0744