Gadrao Andry Rajoelina

1. hery ( 28/01/2009 08:06)
Efa niaiky i Andry Rajoelina fa olony no nandeha teny amin'ny MBS. Nolazainy ho fatam-poko ho fanta-pirenena, hatr@ mpanao gazety vahiny fa mpitolona tao aminy ilay maty voatifitra teny @ MBS.

Andry Rajoelina, izay niantso désobéissance civile, no tomponandraikitra voalohany tamin'ny zavaniseho teto Antananarivo hatramin'ny alatsinainy. Miantso ny vahoaka hikomy izy kanefa mbola tsy eo am-pelatanany akory ny fahefana. Mbola tsy nanana drafitra akory izy hiarovana ny vahoaka sy ny fananam-panjakana raha sendra misy ny mihoa-pefy. Koa tompon'andraikitra voalohany amin'izany fikomiana nitranga izany Andry Rajoelina ka tokony hotsaraina sy hogadraina.

Raha niantso désobéissance Ravalomanana tamin'ny 2002 vokatry ny tsy nanekena ny fanaovana fampitahana ny PV tamin'ny fifidianana dia satria fantany fa voafehiny tsara ny vahoaka raha sendra mikomy. Tsy nihetsika tanteraka izy raha tsy efa azony antoka fa hisy avy amin'ny tafika hiaro ny vahoaka.

Na dia nataon'ny mpanohitra fitaovana aza i Andry Rajoelina dia tompon'andraikitra voalohany satria avy aminy ny baiko hisian'ny fikomiana.

Mbola betsaka koa ny olona mendrika hogadraina fa sambory aloha i Andry Rajoelina.
2. penguin ( 28/01/2009 08:15)
Aza gadraina izy fa aleo ho lasa FILOHA satria izay no tiany sady hainy ny manala ny fahantran'ny olona izay tofoky ny fitondrana ankehitriny. Miezaka ny mpitondra nefa tsisy vokany aminy ka aleo hiseho ny fahaizany ary efa io samy mitaona io ny tsy manana kalé. Hita fa samy ahazaka izany ny Malagasy ka aleo ho lasa Filoha ny TGV ary.
3. akamatiana ( 28/01/2009 08:16)
ka tsy haiko kou oe maninn i andry tsy omen'i Filoha baiko ho samborina e, fa ireo mpanome loha ratsy sy mpibaiko an'i andry iany alou hatramizao no ho samborina .
4. tsiafoi1 ( 28/01/2009 08:17)
Niteny ny Filoha Ravalomanana teny @'ny Magro teo, rehefa avy nanao visite de lieu teny, fa hosamborina i Roland Ratsiraka sy zany Jeneraly miaraka aminy izany, izay fototr'ireny fandorona sy fandrobana ireny
5. tsiafoi1 ( 28/01/2009 08:21)
Tsy hay koa anie we maninona marina no tsy samborina mihitsy i TGV, nefa de efa hita fa mihoa-pefy be io???. Sao de mba kakanjila kosa ary??? Raha izay tokoa mantsy de tsy ratsy, fa tena manaikitra be ny trondro...

Tsy ratsy ny sarinady raha izay marina tokoa!
6. mia ( 28/01/2009 08:22)
Dia tena tsy nisy fomba hafahafa kokoa ve nentina nanehoana hevitra ry TGV A?tsy maintsy ny vahoaka foana no atao lasibatra sy mifafa ny kihoany EFA MAHANTRA mbola ampigrevena ihany, bordel be, fangalarana sy fandrobana ??
7. rabingogilabanga ( 28/01/2009 08:27)
aza malaky manome hevitra , fa alao samy hifandinika, avy eo mamantatra ny marina, dia saziana izay diso.
8. akamatiana ( 28/01/2009 08:28)
ka oe iala am fahantrana nge ry mia e , zao vo maika minana ny tadiny doly
9. xxx ( 28/01/2009 08:28)
Ka izay no nampaianarin'ireo ZOKY BE toa an'i Zafy sy Ra8 azy ko!!!!
10. ngoiha ( 28/01/2009 08:33)
Mbola hendry zalah ty FILOHA-TSIKA TY A,tena mbola manana soupless matanjaka b izy,marina ny azy fa hiady am'ADALA ve.Tokony ho tonga saina ingah DJ fa olona karamaina daholo kay ireto mba manaraka azy ireto fa tsy olona tena mba manaraka ze STRATEGI-NY akory.Mba menatra atsaharo ny fandrobana izay erahinareo sy ry BEMIRANGA avanareo
Zay e
11. Nandra1 ( 28/01/2009 08:40)
Koa omaly izao tsy nisy ny grevy nefa kosa nahoana no mbola misy ny mpandroba? olon'iza ireny?
Matoa miparitaka be manerana an'i dago ny zava-misy de sûr fa efa bien planifiés io, ary misy manararaotra an'i Filoha sy Andry fotsiny!
Mitombona ireo trop voalazan'i Andry nefa betsaka koa ny zava-bita ny Filoha @ izao, tsy misy ny olona tonga lafatra izany!!!! Rhf vita ny transition, de Iza le ho fidiana ho Filoha raha toa tsy anaty antoko i Andry sady tsy ampy taona? IZA ary le tena miketrika e!!!!!!!!!!
Tokony izy roa ireo ny hahay hifampiresaka sy hifampandefitra raha tiany tokoa ny tanindrazana, ary hampandroso fa tsy hampihemotra antsika!!!!!
Ny ahy zao no solution mba proposéko de Ravalo ihany no Président, de Mba i Andry no PM, rhf tsy mifankahazo izy mianaka de mba samy miwawa eo ambony latabatra sady tsy misy mahita no tsy misy mandre e! fa tsy mamory vah ohatran'io! na tonga de eny Mahamasina ny iray sy iray e! =)) =)) =)) =))




12. blue ( 28/01/2009 08:52)
Débat d'idée ny antsika !

Ny olana ange dia tsotra e ! tsy hain'izay mpitondra nifandimby teo ny manavaka ny argent des contribualbes sy ny karamany e !
Ary quand l'argent te montes a la tête dia reny no mitranga , ny olona maty noana , elà mbola mistyle be hoe ilaiko io avion io e , mbola betsaka n tany hototorana e , betsaka ny tany ho amidy e , hotel 5 étoiles e , nahita elà zay , mbola havadika université koa arany izao ny lapan'nyiavoloha satria be loatra ny zandrikely tsy tafiditra eny @ université noho ny hateren'ny toerana ary ngeza loatra io raha honenan'i filoha fotsiny.Ho hitanlah koa ny hamadihana an'ireo magro manerana ny nosy ho lasa Gymnase couvert .
Aleonay tsy zatra mitaingina avion , toy izay maso be tsy mahita sy sofina be tsy mandre
13. Ritsoka ( 28/01/2009 08:55)
Raha ny fahitako ny tantara sy ny teny nataon'i rolland ratsirak tao @ antsiva t@ alatsinainy maraina, dia mazava be tsy mila hazavaina akory fa izy no ao ambad'ireo vandalismes sy pillages ireo.

Fa ny mampalahelo dia ny vahoaka madinika sy ny tanora izay tsy dia afaka mandalina loatra no lasibatra amin'ireo hetsika ireo. Mampalaelo ny teo-tsain'ny mpanao politika gasy raha tahaka izao zava-mitranga izao. efa misy moa ny fepetra noraisin'ny fanjakana momba ny fampisamborana azy, fa na izany aza dia tsy ampy handaminana izao korontana izao izany fepetra izany satria tena tsy nasian'ny Filoha dikany mihitsy ny momba ny hetsika ataon'ny vahoaka na ny momba an'i Andry TGV.

Samy mbola miandry izay ho tohin'ny tantara moa isika rehetra hatramin'izao.
14. tsikivy01 ( 28/01/2009 09:03)
Aleo Hery no gadraina voalohany e ! Dia avoka i Rafidison sy ry Pety ary ny maro hafa koa :-D :-D :-D
15. jiimm ( 28/01/2009 09:04)
10 000 no very asa zao! Mbola hitombo io tarehimarika io. Ho aiza ny zank'ireo olona ireo, inona no hoahaniny. Hahita vahaolona ao antin'ny fotoana fohy ve ny TGV. Ravalomanana no fahavalonao fa tsy ny mpiasan'ny Magro, rnm, tvm ,citic supreme center,... vahoaka koa anie ireo e.
16. andrywui ( 28/01/2009 09:23)
raha mba nahay nihaino ny hafa manko ianao Prezida ka tsy nanilikilika sy nanao teny mahery sy feno anavona ny vahoaka sy ireo zay mba mangataka firesahana na fihaonana taminao de tsy ho very asa ireo tao amin'ny magro, rnm, tvm , citic ,supreme center ,.....fa vahoaka koa ane ireo e.
17. tsikivy01 ( 28/01/2009 09:47)
Mamorona asa indray raha very teo. Lasa mamboly katsaka amin'ny Daewoo Logistic daholo ireo ! :-D :-D
18. rakaroka ( 28/01/2009 10:06)
:^) :^) :^) 8O 8O 8O
"Andry" izany "pilier" . Aleo misy "presence" toa azy ka.
=> Tsy gadraina ´zany izy ! Ary tsy mety ny fanamelohana fa izy no rangory fototry ny afo . Io lay antsoina hoe "hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha...".
Misy fandinihina lalina kokoa izay tena fototry ny zava-misy mba tsy hitsarana sy hanamelohana fahatany, indrindra moa hisamborana olona izany!


19. ngoiha ( 28/01/2009 10:07)
Mora fotsiny ny fanafodiny e,gadrao i Andry ,isao toerana any TSIAFAHY any mba haka saina kely mba hanafarany ny fara amandimbiny fa tsy hanao famoriam-bahoaka befahatany intsony am'manaraka,tsy nisy ny korontana sy ny fandrobana raha mba nanaja ny DEMOKRASIA mba nodradradradraina teo Ambohijatovo.Ny zavatra tsy fantatry Andry anie dia le ol mpibizina sy tsy mana-katao daholo ireo nanaraka azy ireo e,mba tsy hitenenako hoe ireo ihany no takatry ny volany,ny tsara ho fantany anefa dia ny hoe:Raha ny fanana-Dr8 no simba mbola argent de poche reny zalah,tsy kivy am'reny izy ny manetsa b mbola ho avy,vizana eo foana fa ny any an-tsaha mbola hiakatra :-@ :-@ :-@ :-@
20. andrywui ( 28/01/2009 10:19)
tonga soa lety ry ngoiha a! ary elaela elà tsy tazana tato à!! naka saina ve? le penguin akamanla ko vao teo vao tazako! fa niafina tany ony lery !
ary vo tonga elah de be vava be an!!
----raha argent de poche nPrezida letsy reny de tokony sokafany ny sompitra sy ny bankiny ho amboarina fa tena tsy ampy ny malagasy tokoa ane le azo taminireo magro, sy tiko ireo e!! volambahoak mbola bobaka be zao no mbola aleviny any ka atao aona ary no ahitana anzay klé
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2137