Main'ny afo natsangany i Andry

1. hery ( 27/01/2009 04:32)
Rava ny tanàna. Nandry tsy lavo loha ny olona. Izao daholo ry Andry Rajoelina sy ny tariny vao manomboka manenina sy miantso fandriam-pahalemana. Toa efa tara loatra ihany. Tsy noheverina angaha fa izao no hitranga rehefa vahoaka noana sy mahantra no asaina manao désobéissance civile?

Nirehareha ianao fa afaka mitondra firenena kanefa ny vondron'olona kely taritinao aza tsy voafehinao rehefa tena tsy mandray andraikitra ny miaramila.
Fa nankaiza daholo ireny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo nahavita nisakana ny arabe sy nandamina ny olona ireny? Lasa jiolahy?
Fa nankaiza daholo ireo nantsoina hoe Andrimasom-pokonolona izay nolazaina fa "vahoaka" mpanohana an'i Andry? Nivadika ho mpandroba?

Izao aho vao tsy gaga koa raha nieritreritra hoe nanaiky natao fitaovana ireo olona teny Ambohijatovo. Kay izao no nokoboniny tao.

Main'ny afo natsangany izao i Andry.
novalian'i gasyjean ny 27/01/2009 21:00
2. xxx ( 27/01/2009 04:38)
Izy toa tsy may fa ny RNM no may koa
3. ikaretsaka ( 27/01/2009 04:40)
Sao kosa ny omby no may volontratra ry hery
4. naughtyboy ( 27/01/2009 04:43)
ary tsy teo ny setroka ra tsy teo ny afo , tsy misy ny vy mikitrana irery hoy ny fahendrena malagasy,aza adino fa ilay rangory fototry ny afo(jadona) no esorina @ izao fotoana satria tompon'antoka tanteraka
5. ni81 ( 27/01/2009 04:44)
Sao kosa ny omby no may volontratra ry hery
:-D :-D
6. bozyboleta ( 27/01/2009 04:44)
Io tenin'i Hery io mihitsy no nolazain'ny mpihaino iray t@ radio antsiva halina.

Niantsoantso ny mpitandro ny filaminana sy ny andrimasom-pokonolona i Andry TGV manoloana ireo fandrobana sy fanimbana tanàna. Nefa ve namaly ny antsony ireo?
Voalaza fa olona 5 aza no namaky ny botika orange teo 67ha. De olona 5 ve de tsy ho voatohitry ny vahoaka analinkisa? Fa taiza daholo ireo vahoaka ireo halina?
Nisy ny niantso vonjy t@ telephone mivantana t@ radio, ary nidradradradra nitomany fa norobain'ny jiolahy ny fananany. Tsisy namonjy.

Samy nanontany ny olona niditra nivantana t@ io radio io hoe aiza ny mpitandro ny filaminana.
Ka efa nentanina ombieny ombieny hatreny Ambohijatovo ka hatreny @ 13 mai mba tsy hidiran'ny miaramila sy ny polisy @ ity raharaha ity satria natoky tena Mr. le Maire fa @ maha-1er magistrat de la ville azy de voafehiny ny toe-draharaha. Kanjo efa kenda vao miantso vonjy.
De izao no vitany.

Halina mbola niantsoantso t@ radio ihany Mr. le Maire fa eny @ 13 mai no fotoana anio @ 10 ora na de teo aza ny hoe fifampidinihana kasaina hatao anio ihany koa. Satria hono efa fotoana nomena ny vahoaka io ka eny no miandry ny toromarika.
Efa io no mahazo ny tananan'Antananarivo mbola ampivoriana ihany ny vahoaka. Haninn???

Kanjo io maraina io ihany rehefa nisaina lalina angamba de nilaza t@ radio indray fa tokony samy hijanona any antranony avy indray ny olona.
TSY MATOTRA
7. tsinjo ( 27/01/2009 04:49)
tena mampalahelo mitsy , izao izy ndray no miseho manadio tena oe olona voakarama anasoketaina azy ireny tssssss , neveriny fa oul kely saina ohatra ireo voatarikany migrevy reo aby ngamba ny mponina eto tananarivo ka tsy mahita raha tsy ny eo ambany orona ary tsy maheno afa-tsy zay teniny , fantany fa ratsy eo imason'ireo mpandraraha marobe izy amizao ka mbola kely saina manadio tena ihany . Mampalahelo mitsy , fa tsy milay kous alou ny atao'ny filoha e, tsy mbo nienjandroa ny tady , tena tsis action mitsy le film de mamonaminaina be
8. tolipy ( 27/01/2009 05:01)
samy tsy matotra andaniny sy ankilany. raha variana misurfer fotsiny isika, tsy mampita aoka violence simba madagasikara, mivondrona isika vahoaka miaro ireo zavatra efa vita, miady @ fandrobana, manimba ny tanana efa mba mi hatsara endrika!!! :( :( :( :(
9. naughtyboy ( 27/01/2009 05:02)
tsotra b izany ,raha olona vitsy lazaina ho mpanakorotana izany ve dia tsy ho voasambotry mamampahefana e,fa maninona ???? fa firifiry moa no voasambotra sy nogadraina raha nanohitra ity fitondrana ity maika fa manohitohina ny filaminambahoaka izany ka hoy aho oe tsy mila analyst be vao ahalala fa tany misy lalàna ve sa fanosorampotaka ny maneho ny heviny fotsiny,ianao dia mahavaly io.misaotra antsika fa ny atsipy ny teny any ampony mahalala
10. lupe ( 27/01/2009 05:23)
Raha mba nahay nanetry tena kely ny filoh! tsy nihevitra ny tenany ho zavatra, (ka nilaza hoe tsy mitovy ny hery eh! tsy ampy helatra eh!, ) mety tsy ho tonga @ zao isika!
may ny tanana vao hoe: andao hiresaka eh!

Rah mbola tsy mahay manetry tena eo ihany, dia tsy ho hay intsony ny tohiny!
11. bozyboleta ( 27/01/2009 05:30)
:roll: :roll: :roll:
Fa inn le hoe "hanetry tena"???
Efa impiry izy no niantso fa lekely no niseho ho mafy loha!!!

Zao tokoa de tena main'ny afo natsangany, ary tsy menatra akory hoe satria natsoin'ireo vahiny hihaona an-databatra boribory de hoe hanaiky.
Fa inn zany fa tsy mbola mandohalika sy baikon'ny vazaha fotsiny. Raha ny gasy no niteny de niseho ho be mokony?
12. Mandefitra ( 27/01/2009 05:33)
Nareo mpomba an'i tgv io moa zao mihevitra fa raha miala eo ra8 de hahazo toerana eo tgv?

Nofy, jereo ny tantara 1991.

De saintsaino ny hiafaran'Antananarivo aorian'izay.

13. Mandefitra ( 27/01/2009 05:45)
Ka Andry main'i Afo natsangany, fa ny mponin'i Iarivo koa nandrora mitsilany. Olona hitondra fandravana sy korontana no notohanana sy mbola tohanana ...
14. tsiafoi1 ( 27/01/2009 06:00)
Raha mba nandinika kely ilaikely tsy ho may ny afo natsangany...
Fa ny tantara no hitsara azy sy izay napetrany teto.
15. xxx ( 27/01/2009 06:10)
Aleo hanao ho hitan'ny havany eo izy roa lahy koa, zahay mi-spect foana ka.
16. nyavo2000 ( 27/01/2009 06:12)

Zao raha mbola miseho mafy loha ihany i Andry na dia efa namotika an'i IARIVO ary satria R8 misoraka ny rà mandriaka sy fanoherana na de asan-jiolahy no misy ka tsy mampiasa miaramila hiaro ny vahoaka dia izao no hevitro:

Ny demokrasia efa nodradarina izay lasa fanjakan'ny baroa dia izao aleo
hisy ny DIRECTOIRE MILITAIRE hanafay ny rehetra ary hampivalo tongotra aman-tanana ny mafy loha rehetra hatramin'izao.

Dia veloma hatreo ry antananarivo fa sady lasa R8 no miendaka i Andry.
Jeneraly avy any amin'ny faritany no tsara tendrena ho filohan'ny directoire militaire hampihavana an'Antananarivo tsy miray fo.


Mandefitra:

Ka Andry main'i Afo natsangany, fa ny mponin'i Iarivo koa nandrora mitsilany. Olona hitondra fandravana sy korontana no notohanana sy mbola tohanana ...



17. hery ( 27/01/2009 06:20)
naughtyboy:

tsotra b izany ,raha olona vitsy lazaina ho mpanakorotana izany ve dia tsy ho voasambotry mamampahefana e,fa maninona ???? fa firifiry moa no voasambotra sy nogadraina raha nanohitra ity fitondrana ity


Tsy efa teny Anosy teny amin'ny RNM ve ny miaramila niambina fa jereo ny nataon'ireo vahoaka nasaina nikomy?

Raha Ratsiraka no teo dia rà mandriaka no nitranga teny Anosy... saingy soa ihany fa tsy mbola didy jadona Ravalo.
18. mmmhh ( 27/01/2009 06:22)
Ny oul ne fantany fa tsy afaka hitondra eo i TGV e, fa izy te hanala an-dra8 fotsiny, be manko ny manifestant teo izay (nandritra ity fitondrana ity) fa tsy nisy tena sahy be tahak'ity sy nahazo oul be tahak'ity farany ty , de aleo zany izy no hanao hatram farany koa
19. xxx ( 27/01/2009 06:32)
Ry Andry ve no main’ny afo natsangany e ! sa ny mpitondra ¿ ny an-dry Andry anie efa fantany daholo izao zava-hitranga izao e ¡ ary ianao miteny io indrindra no efa milaza fa vahoaka noana sy mahantra, làlana tsy maintsy izorana izao, raha tsy nisy ny mpitarika tsy afa-nitroatra ny olona, misaotra an’i Andry nitarika ary nampipoitra fa efa feno ny kapoakan’ny olona. Milaza aminao aho fa tsy vitsy tamin’ireo olona nasaina nitsena an-Ra8 teny Ivato sy amoron-dàlana no tonga nandroba ihany koa. Ny antony dia samy mahatsapa fa misy betsaka ny tsy ampy eo amin’ny fiainany ka nanimba ny toe-tsainy, tantely vaky ve hoy ianao dia tsy ho avy izy ¿ mipetraha ianao teo amin’ny toerany. Sady tsy afaka hanao omelette tsy mamaky atody e ¡ mazava aminao angamba izany, mbola hitohy foana ny fanararaotana rehetra ataon’ny mpitondra raha mbola tsy nisy ny famaizana toy ireny, izao izay na mbola ho eo na tsia efa mba mahafantatra fa tsy azoa tao ny manararaotra be loatra.

Fehiny : Nilaina ireny zavatra rehetra ireny mba hanovana ny zava-tsy nety rehetra, ary mila miaiky ny mpitondra rehefa manao fahadisoana. Diso ny filazanao fa main’ny afo natsangany izy, ny mpitondra no nanangana afo, tsy misy n’izan’iza ahasakana soulèvement populaire fa ny antony nahatonga izany no tokony jerena. Samy manana ny fahadisoany ny andaniny sy ny ankilany fa ny mpitondra tsy nihaino no tomponandraikitra voalohany
20. hery ( 27/01/2009 06:36)
Nilaina ve ny fandorana ny RNM ? :-)

Mbola tanora loatra angamba ianao fa izahay tamin'ny nitolona tamin'ny 1991 dia izahay mpitolona no niaro ny RNM sy izay fananam-bahoaka tsy hisy handoro.

Samy hotsarain'ny tantara daholo e. Ary tsy hiandry ela akory dia efa hanenina tongotra aman-tanana daholo ireo nandoro sy nanimba fananan'olona.

Todin-karena harena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6104