loza ho an'izay nihavian'ny fanafintohinana

1. patrick2002 ( 26/01/2009 19:43)
Araka ny vaovao voaraiko avy any an-tanindrazana aza izao dia . i Ravalomanana Marc nanarama mercenaire zoulous sud africain ,hamotika ny emmeteur ny radio viva teny Ambohimitsimbina ,no tena naharomotra ny olona nirohitra nankeny @ 13 mai io maraina io ka noentiny fo handoro ny MBS, RNM, TVM, MAGRO , io hariva io .
@ izao fotoana izao dia hors controle tanteraka ny raharaha satria dia vaky daholo ny mangazay lehibe rehetra ao tana
ny vaovao reko tao @ sobika.com dia milaza fa ni- decolle ny Ivato ny AIR FORCE ONE deux ny 20h 45 ora any dago .
2. mia ( 26/01/2009 19:49)
Fa angah dia tena tian'ny olona sy malaza be tokoa ity tv viva ity no tonga amin'izao korontana izao e?? nefa toa tsy mbola reko akory aza ny momba an'izany raha tsy vao haingana.
Ny ahy izao no manafintohana ahy dia ireo mpandroba ny tananako, ireo mandoro, ireo izay manely tsaho, ireo izay manao herisetra sy manao tsinotsinona ny vahoaka madinika sy manao azy ho tohatra fiakarana
3. patrick2002 ( 26/01/2009 19:53)
mia Tsy haiko ianao na aty ivelany na tana no mipetraka ,fa ny vaovao reko dia ,hatramin'ny nanakatonana ny viva TV izay dia ,Radio viva fotsiny no hianoanyolona ao Tana ,eny anaty bus ,any @ mangazay ,Chauffeur na Taxi, tsy misy afa tsy radio VIVA.
4. sivisma ( 26/01/2009 20:01)
Mba aoka ry zalà zay ny fanapotehana a!!Maninona aza raha tonga dia manakarama sniper dia tifiro any fa maninona no manimba zavatra e!zao zao dia hitady vola ndray zay mpitondra pôlitika manaraka eo hanarenana an'ireo.
5. ikaretsaka ( 26/01/2009 20:04)
Raha nandeha hatr@ voalohany nge ny libre compet tsy ho nisy gidraka izany mihitsy teo e
Rehefa ny radio an drakoto no be mpihaino de mitady fika rabe mba ho ny azy no be dia tsy midika akory izany fa ny fanakanana an drakoto no hampa be kil ny radion drabe fa tokony ho I rabe no manao misimisy kokoa... mba ho tian ny olona ny azy.

Efa nolazaiko tatsy ambadika tatsy ny hoe raha manao skoubidou enao ka misy manao kiranil ka tsy matinao lollo... dia aza ny kiranil no potehina fa mitadiava fika hafa...footlozy ohatra na eglador anaovana
6. mia ( 26/01/2009 20:05)
Dia fitiavana radio sy télé ve no anapotehana ny tanàna!!sao dia mba zavatra hafa ny ao ambadika e!ny nahenoko momba an'io radio io izao dia hoe niteny sy nahazo tribune tao ratsiraka!! dia hoe nakatona dia izay! dia izao TGV te hanao coup d'état!!
7. patrick2002 ( 26/01/2009 20:13)
en ekeko aloha fa efa hors de controle tanteraka ny raharaha ,tany am-boalohany dia ny RNM
8. Noue ( 26/01/2009 20:23)
mba misy lien ve hanarahana an'zany eee ??
9. mia ( 26/01/2009 20:27)
Ny havana any dago no mampalahelo sy mampitebiteby,efa betsaka ny sahirana dia vao mainka misy an'izao indray!!tena tsy rariny kosa aloha e ary tanà foana no potika, barrage etc. Amiko dia tsotra fotsiny!! fitadiavana seza sy pouvoir no miseho any fa tsy misy fitiavan-tanindrazana na fitsinjovana ny hafa.
Na ny hody any na hamangy havana any toa nofy sisa! :cry: indrisy!
10. patrick2002 ( 26/01/2009 20:29)
noue: http://www.sobika.com/
io jerena
11. ikaretsaka ( 26/01/2009 20:30)
Fanaovana mafy loha sy tahotra ny hifaninana no tena fototry ny gidraka any koa...
12. patrick2002 ( 26/01/2009 20:32)
noue: http://www.sobika.com/
io no lien
13. mia ( 26/01/2009 20:39)
Ny lien omenao kosa pro tgv be loatra hatrany am-boalohany ka mampanahy be hoe tena objectif sy tsy mitongilana ve! tsy misy hafahafa angaha?

Raha mafy loha sy tahotra ny hifaninana izany ry ikaretsaka tonga dia manapotika sy tsy nandeha akory ilay tv fa ny azy ihany(ohatran'ny tamin'ny andron'i deba) a!!faux pretexte izany!
14. xxx ( 26/01/2009 20:49)
Ry Patrick2002 ve mbola te hamerina ny nataon'ny baininareo taloha eh? Inona anefa no vitany tamin'izy ekipan-dRatsiraka

Aza manao alahelon-kanina hoa
15. ni81 ( 26/01/2009 20:56)
hoy patrick2002
mia Tsy haiko ianao na aty ivelany na tana no mipetraka ,fa ny vaovao reko dia ,hatramin'ny nanakatonana ny viva TV izay dia ,Radio viva fotsiny no hianoanyolona ao Tana ,eny anaty bus ,any @ mangazay ,Chauffeur na Taxi, tsy misy afa tsy radio VIVA.

Vao izao hariva izao izahay no tonga avy any dago, ary marina tokoa fa hatr@ nanakatonana ny VIVA no antony nahatonga ny gidragidra.
Tsy mba mpanao politika ny tena fa hita kosa ny fiangarana niseho sy natao momba izany zavatra izany.
16. patrick2002 ( 26/01/2009 20:59)
mia ka aiza aza misy lien pro ra-8 eh! ity koa misy iray
http://www.madagate.com/monde-malgache/articles/854-ravalomanana-utilise-des-mercenaires-.html
17. mia ( 26/01/2009 21:02)
Eny e!ndeha atao hoe tena nisy fiangarana etc fa dia resaka izany ve oa no antony hanapotehana tanàna,hanaovana pillage, hamoahana gadra sy handorana entreprise!! ary miafara amin'ny fatin'olona sy hanovana coup d'état ?????ilay antony nanakatonana an'ilay tv koa moa toa tsy asinareo resaka mazava mihitsy ilay antony e!!tena niteny tao tokoa ve ratsiraka dia inona hono no nolazainy e???
18. mia ( 26/01/2009 21:07)
Tsy mitady lien pro an'iza n'iza fa mba site objectif e! sa sarotra be angamba ny mahita an'izay!!
Ilay lien iray koa ve tsy mpirahalahy amin'ilay tompon'ilay site iray ihany e?? tsy nareo, ry zareo manko e, ve no nanao manif tany pars??
19. patrick2002 ( 26/01/2009 21:08)
niteny tao Ratsiraka dia ity no lazainy tao
http://www.dailymotion.com/relevance/search/discours%2Bde%2BRatsiraka
jerevo ao fa misy partie 1,2 3, ao dia io no nalefa t@ TV viva antony nanakatonana azy ,dia manontany anao izaho Tsy azo atao ve no mandefa anio ,fa maninona ?
Izaho dia anti-Ratsiraka fa tsy hitako izay dikan'izao .
20. mia ( 26/01/2009 21:14)
Merci fa Ohatran'ny manome lagy be kosa mijery anazy ko!!!:-o sady ny nanalana anazy teo anie efa raharaha be namoizana aina'olona maro e!! ka inona no andefasan-dry TGV an'io raha tsy misy lien ry zareo?? Avy eo il s'affiche avec le neveu et tout le tralala

Bref , ndeha hijery an'ilay site nomen'i caprio aho fa tsy reveko lotra ilay akamanao ka!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0788