Raha tsy i Ra8 d iza? Omeo anarana

1. hery ( 25/01/2009 11:13)
Ndao ekena hoe leo Ra8 nareo (nareo ihany no nifidy azy 2 taona lasa izay nefa efa hitanareo ny blem nandritra ny 5 taona).

Dia iza ary no hasolonareo Ra8 amin'izao fotoana izao raha miala eo izy? Amin'izao fotoana izao hoy aho. Iza amin'ireo olona ireo? Manomeza anarana. Satria tsy ho i Andry TGV mihitsy fa tonga dia mivoaka ny lalam-panorenana izy raha milatsaka.

Ny olona sérieux vitsivitsy nivonona hisolo an-dRavalo dia efa niomana saingy amin'ny 2012 vao vonona daholo ny paika. Amin'izao anefa dia simbainareo izany paika izany amin'ny korontana tadiavinareo. Simbaina satria tsy maintsy Ra8 sy izay apetrakareo eo ihany no hifandimbindimby fa tsy ho tafiditra mihitsy ny olona vaovao izay efa niomana. Fantatra tsara mantsy (ary fantatr'i Ra8 koa) fa ianareo ihany no hiantso azy ho mpamonjy rehefa sendra mahita hoe iza no hiakatra ao ambadiky ny korontana... dia mihodina fotsiny ilay tantara fa tsy mitranga mihitsy ny olona tena vaovao.

Ho hita eo ihany ny fivoaran'ny tantara.
novalian'i jiimm ny 28/01/2009 14:39
2. xxx ( 25/01/2009 11:28)
ny lalampanorenana dia azo hovana! tahaky ny nanovan'ny izay rehetra tonga teo!raha tadidinao fa efa nisy ny tetezamita ! tao anatin'io tetezamita io de nisy fanovana lalam_panorenana!
araky ny filazako tatsy amin'ny dinika etsy ambany dia refa tsy mety ny ataon'ny filoha ray dia manana fahefana ny vahoaka haneho ny hatezerany fa tsy hiandry ny fifidianana manaraka!
3. hery ( 25/01/2009 11:52)
Ekeko ilay teteza-mita ka.

Ny aorian'ny tetezamita no tsy ekeko, sy tsy hoekenareo koa rehefa tena tonga eo. Efa fay tamin'ilay hoe "ravao aloha ny fitondrana dia ho hita eo izay ho avy" aho. Nesorina fotsiny ratsiraka fa tsy nieritreritra mialoha hoe iza no haka ny toerany... dia tsy ampy mandat iray akory izy dia tafaverina. Sa tsy iny tetezamita iny no lazainao eto? :-)

Dia tahaka izany koa amin'ity tetezamita tsy voahevitra lalina ity. manala an-dRavalo fotsiny dia avy eo olona mitavozavoza (zafy 2) indray no apetraka. Dia tsy ho ampy toa inona akory dia hotafaverina eo indray RAvalo.

Saino tsara ihany e. Tsy mbola leo nataon-dRavalo fitaovana ve dia ataon'i Andry fitaovana indray?
4. xxx ( 25/01/2009 12:06)
amin'ity kosa angamba mety tsy hitovy intsony satria efa hita iny lesoka ray iny! iza tokoa moa ny mahalala raha ingahy ratsiraka ihany no ao ambadik'izao tantara izao ka raha vao tafala eo ravalo dia izy indray no hiverina?
eritreritra ny ahy iny fa miverindalana ny malagasy raha mbola izay no mitranga!
ny zavatra tadiaviko raha izaho dia mihembotra amin'ny zavatra nataony ny filoha dia tokony ho tonga saina izy fa tsy mety ny nataony ka mifanaraka amin'ny ben'ny tanana!
ty fanalana lava filoha amin'ny halalan'ny grevy ty lasa fahazarandratsy farany fa izay mitondra no tokony ho tonga saina oe tsy mety ny ataony ka mila mihova izy! ao frantsa ohatra refa tena mafana be ny filaharana dia manaiky mihova lalana ny fitondrana!betsaka ny ohatra amizany! raha tena demôkraty marina i ravalo dia tokony hitany ny habetsahan'ny olona nilahatra dia ny fepetra tokony raisiny dia ny manao "negociations" fa tsy oe andeha hisambotra an'iranona sy ranona
5. sitlo ( 25/01/2009 12:53)
Eo indrindra ilay tsy mitombona. Tsy fantatrareo akory ny ao ambadika dia ny esory no tonga aloha.
Inona no antony nanakatonana ny VIVA? Tsy ny fandefasany ny tenin-dRatsiraka ve? Lavo ary hoe tsy meloka Ratsiraka, lavo koa hoe tsy nandika lalàna ny VIVA.
Tsy hitako mihitsy ny hoe tsy demokrasia tsy didy jadona izany.

Raha tsy demokrasia ve io nisy afaka nirotsaka hofidiana teo. Mba jereo ny firenena tsy demokrasia izany: Venezuela, Philipine, ... tonga dia voatifitra izay miseho migrevy eo.

Amiko aloha ra-8 dia mbola fatao modely mihitsy eh. Na fantatra aza ny tsy nety nataon-dRatsiraka tamin'ny mandat-ny, niandry ny fifidianana izy fa tsy nanongam-panjakana. Rehefa lany filoha izy ka nolavina, dia nijoro tamin'ny fahamarinana.

Raha milaza ianareo hoe aiza ny fampanantenana tamin'ny propagandy tamin'ny 2002, maninona izy no mbola nofidiana tamin'ny faran'ny teo?

Sady mba azonareo an-tsaina ve ny miliara very isaky ny grevy. Aontanio ny ben'ny tanàna raha tsia.
6. sitlo ( 25/01/2009 12:55)
mitombina* (efa lazaina foana :-))
7. patrick2002 ( 25/01/2009 13:30)
Ny olona hisolo anra-8 koa ve ra -hery dia tsy misy ah! toa manao ny malgasy vendrana koa ianao ,ra-8 aza nahavita nefa samy mahafantatra isika fa olona tsy manana BEPC ,rangahy io ,tokony ho fantany izany ,ary hita mibaribary ny tsy fahaizany ka manao zavatra tsy lojika tsy manaraka norme ,hanontanio izay miara-miasa aminy fa rehefa miteny ra-8 mila vola mivoaka izaho ,raha tsy poritra ny minisitra tonga dia mamoaka vola tsy misy piece justificative ,tsy misy inona ,raha vao mamaly ianao dia gadra izay ,ary izy ihany no managadra anao @ zavatra tsy ara-dalana nampanaovany anao.Firy firy ny marcher tsy misy appel d'offre any madagasikara ,hitantsika tsara ireny air force one ireny ,lalana izany fa rehefa ny fanjakana no manana projet plus de 200 millions dia tsy maintsy misy appel d'offre , santionany ireny fa betsaka ny zavatra tsy ara-dalana misy @ fitondrany ra-8 ,ka izay no mitondra any @ baranahiny ary efa baranahiny mihintsy isika izao ,
Raha miteny ianao hoe maninona raha miandry fifidianana ,dia tsy misy fifidianana hanaja ny safidim-bahoaka izany teo ,porofo mitohaka @ tenda ny fifidianana ben'ny tanana farany teo sy ny solombavam-bahoaka ,nangalatra ny TIM .
Matoa lany i TGV satria maro ny mpanao gazety tao Antananrivo ka tsy afaka nangalatra ra-8, fa raha mahare vaovao ianao tany Ambanivohitra dia raha matahora no nataony TIM.
8. gasyjean ( 25/01/2009 13:36)
xxx: mba sokajio tsra ity ataonao hoe vahoaka, ireo voakarama ve?(mercenaire), ny avy eto tana ihany ve? dia ahona ny any faritra hafa.
rehefa beloha ianareo aza ny vahoaka no atao sorona fa ampisehoy ny tena fahaizana politika, tsy demokrasia velively izany, (raha ny fahaizako ny atao hoe demokrsia).

9. mala ( 25/01/2009 13:36)
Tsy haiko na jamba na marenina ianaroe fa raha nanaraka sy namakafaka ny fifidianana farany teo dia mety tsy niteny an zany iahany angamba.
80% gasy = rural (t@ 2007, am zao mety +). Nefa tamin'ireny toerana ireny dia terena ny olona fa omena safidy mba hifidy ra8. ohatra : 1-tsy asiana bulletin hafa tsy TIM am bureau de vote, 2-Mpiasam-panjakana vao-menace ho afak'asa raha tsy mifidy azy (ambanivohitra io ka mora b ny mi-infuence azy), 3-...,4-...,,,999-Mampikarama olona (avara-pianarana @ informatique) hanamboatra logiciel de dépouillement des votes (iza no afaka manamarina fa tsy misy halatra anatin'izany),...
io liste nataoko io tsy ho tapitra mintsy, nefa resaka fifidianana fotsiny no teneniko eo... :( . N'iza n'iza no ho eo fa rehefa mibolila dia tsy maintsy ho atao repay ny 2002 sy ny 2009...
Sady alohana fifindianana zany anie tsy maintsy misy ny fampielezan-kevitra eh! avela ny vahoaka hisafidy, zay lany eo lany fa rehefa mibolila dia...
10. patrick2002 ( 25/01/2009 13:46)
gasyjean:

xxx: mba sokajio tsra ity ataonao hoe vahoaka, ireo voakarama ve?(mercenaire), ny avy eto tana ihany ve? dia ahona ny any faritra hafa.
rehefa beloha ianareo aza ny vahoaka no atao sorona fa ampisehoy ny tena fahaizana politika, tsy demokrasia velively izany, (raha ny fahaizako ny atao hoe demokrsia).



Tena manao valiteniny AREMA ihintsy anie ianao izany eh! izany no nataony AREMA 7 taona lasa izay koa raha tsy ANTANANARIVO i madagasikara.
Zao ry ra-8 manao ohatry ny nataony Herivelona Ramanatsoa t@ 2002 mamory olona eny nosybe sy Andohatapenaka ,mahereza ra beronono ah!


11. hery ( 25/01/2009 14:04)
Ny olona hisolo anra-8 koa ve ra -hery dia tsy misy ah!


Izaho tsy miteny hoe tsy hisy. Misy efa niomana hisolo an-dRavalo amin'ny 2012 hoy aho fa vakio tsara. Fa tsy vonona izy amin'izao fotoana izao satria tsy nieritreritra hoe hisy handroba fitondrana eny andalambe.

Raha misy vonona amin'izao dia teneno ny anarana hoe iza... fa tsy hoe tsy maintsy misy foana eo. Izay no nanjo tamin'ny nanongananay an-dRatsiraka tamin'ny 1991. Tsy maintsy hisy foana eo kinanjo vorika no nitranga.

Samy te hanala an-dRavalo eo amin'ny fitondrana ny olona. Ny sasany efa naneho ny safidiny t@ fifidianana 2 taona lasa izay fa noho ny nataoNAREO nifidy azy dia mbola lany ihany izy. Dia izao indray vokatr'io korontana ataoNAREO io dia vao mainka hahery izy ka ho sarotra ho anay indray ny hanala azy amin'ny 2012.

Ny anay dia fifidianana sy programa maty paika no heverinay hanalàna azy, sy hanalavitana anareo ny fitondrana... raha ho tratra ny 2012.

12. xxx ( 25/01/2009 14:32)
Indrisy ry Afrika..............areti-mifindra
13. mala ( 25/01/2009 14:45)
Raha misy vonona amin'izao dia teneno ny anarana hoe iza... fa tsy hoe tsy maintsy misy foana eo.


zaho tsy dia mahay anaran'olona fa plutot compétence-n'ny gasy efa be ny heno, hita sy niara-niasa zay. Ny gasy anie tsy ny mipetraka Dago fotsiny eh! ry tsy voatery exilé...
Dinidiniho fotsiny zay...ary aza mieritreritra hoe androany na rahampitso dia hiala ra8, ra afaka eo io tsy maintsy fotoana lavalava no hiainana alohan'zany...mety fotoana mafana, mety fotoana ohatran'ny t@ 1 volana lasa na herinandro lasa
14. xxx ( 25/01/2009 16:30)
tena manaraka ny tenin-draHery za hoe iza no hisolo an-dr8 fa hiongana izy,ny olona tokoa ve moa tsy hisy fa ny @ zao fotoana zao iza? tsy fantatrareo fa miady mafy zao ny tariky deba mba ho tonga eo @ fitondrana!ny hevitry deba d tsotra ny mba hafahany miverina toa ny tsy nanao nininona tao Madagasikara,ka raha misy ary ny fitsarana atao @ deba @ zany fotoana zany d fitsarana sarintsariny satria hafahana noho ny fisalasalana izy, d mampalahelo fa tena matimaty fotsiny ny olona zay ny tolona t@ fotoan'andro!
Hevitra fotsiny ny ahy ty @ zao gréve zao ataovy praiminisitra i Andry TGV d avelao izy hifidy ny olona ho ao @ gouvernemanta hiara hiasa aminy d hita eo zay vitany hatraminy 2012!
15. naughtyboy ( 25/01/2009 17:17)
voalaza teo
Amiko aloha ra-8 dia mbola fatao modely mihitsy eh. Na fantatra aza ny tsy nety nataon-dRatsiraka tamin'ny mandat-ny, niandry ny fifidianana izy fa tsy nanongam-panjakana. Rehefa lany filoha izy ka nolavina, dia nijoro tamin'ny fahamarinana.

mbola mitohy zany ny fampielezankevitra an'i le8 ho anreo mpomba azy,nefa efa mihozohozo ny toerany,nahoana naloany vahoaka tompotsafidy ..vita ny momba azy fa tsisy resaka lavabe io ,efa voaisa ny androny eo raha tsy te hiafara any amponja de efa eo ampangoronana entana
16. ikaretsaka ( 25/01/2009 17:30)
Na izaho na ianao na rakoto na rabe,rehefa tsy mijadona sy vonona hampandroso nirenena rahery de mety aby a...
17. olenja ( 25/01/2009 17:36)
refa misioka ve i andry de hoe vorondolo? nefa nisioka i marc t@ 2001, tsy nisy niteny hoe vorondolo fa hoe voromanga. ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ka mahereza e!
18. naughtyboy ( 25/01/2009 17:38)
izay no andrasana ,na mila saosy aza ny fampielezankevitra tsy izay no tadiaviny vahoaka.Ny fanotaniana izao dia oe olona manana criteria otran'inona sy ny potentiality-ny ,ny fiovana entiny no nilainy vahoaka sy ny vanimpotoana
19. xxx ( 25/01/2009 18:27)
tena tsara mihintsy ny fanotanian' i Hery. Diso hevitra i Andry TGV, goaika maro no ao ambadika ao, fitaovana fotsiny izy. Tsy mbola mahalala izany politika izany na kely aza. Izy io ve no hanao " coup d'etat " ?
asa re ...
20. xxx ( 25/01/2009 18:39)
I Ratalata jean Marcel no tokony hatao prezida
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1743