Raha tsy i Ra8 d iza? Omeo anarana

21. herynimes ( 25/01/2009 18:41)
alain ramaroson no ho eo fa i TGV bougie de prechauffage fotsiny ny antony dia tsotra 34 ans izy tsy mbola zakany toetsaitsika malagasy ny mode de gouvernance aa etat democratique fa mbola any amy gérantocratie tsika ;hevitro fotsiny zany nefa mety ho diso aoka ny ampitso no hitsara


22. Annie2006 ( 25/01/2009 18:47)
Tsotra ny valiny.
1. MIALA ALOHA RAVALOMANANA, ary tsaraina dia GADRAINA
2.MITSANGANA ny tetezamita izay ANDRY TGV no mitondra azy iarahany @ ankolafin-kery izay nanohitra andravalo: Ireto Ankolafinkery politika ireto dia manolotra anarana ka anjaran'ny ekipan'ny ANDRY no mifidy izay ho ao @ mambran'ny governemanta. Miisa 16 raha maro indrindra ny isan'ny ministra ary atao mazava ny tanjon'ny Teteza-mita KA 10 AVY @ antoko politika, ary 6 avy @ Société civile: MANOMANA NY RECONCILIATION NATIONALE, MANADIO NY FITANTAM-BOLAM-PANJAKANA (assainissementy des finances publics, suspension de tous les contrats miniers en cours, Audit général sur l'endettement du pays....), HAMIDY NY AIR FORCE ONE 1 ET 2 mba hanatevenana ny kitapom-bolampanjakana (hikarakaran ny fifidiaznana ho avy mba tsy hitrosa indray...ohatra); MANOMANA NY FIFIDIANANA Maire, député, ary président. NY TETEZAMITA dia mitoetra Roataona.
3. MIANTONA NY ANDRIM-PANJAKANA REHETRA (foana ny deputé, senatera, HCC sy ny forongony). SOLOINA PDS ny chef de région (ny fanendrena azy dia iarahana @ ankolafin-kery rehetra)
4.MITSANGANA ny rafitry ny tetezamita, izay ahitana "exécutif" tarihan'i ANDRY TGV sy ny ekipa voalza etsy ambony; HATSANGANA ny comité "Vérité et réconciliation" tantanin'inaghy Zafy Albert manadihady sy manomana ny Réconciliation nationale; HATSANGANA ny COmité économique et social manana mpikambana miisa 125 (5 isaky ny région) ka 40% olona hatolotr'ireo antoko politika, 60% avy @ société civile. Ka izy ireo no mifidy ny filohany. Mitoatra ity CES ity hhatramin'ny fifidianana député @ volana mai 2011.
5. HATSANGANA ny "HAUTE COUR DE JUSTICE" hitsara ny mptondra t@ androndravalo sy hanadihady sy hitsara ny raharaha 2002 araky ny vokatra aroson'ny comité vérité et réconciliation nationale", sy ny "COUR electoral transitoire" izay hisahana ny fitsarana ny fifidianana.
6. OVAINA NY CODE ELECTORAL
7. Atao ny forum économique national mba ahitana aiza ho aiza ny fahavoazan'ny toekarena malagasy ka hanomezana ny vaha olana.
8. Tantanin'ny tetezamita ny sommet union africaine sy francophonie
9. MIhatona ny constitution mandrapaha hamolavolan'ny comité économique et social "volavolan-kevitra" izay dinihan'ny governemanta, ka hanaovana réferendum (4ème République) avy eo.

Amin'ny:
septembre 2009: fifidianana Maire
Mai 2010: Réferendum, constitution vaovao
Mai 2011: fifidianana député, Tapitra ny CES
Novembre 2011: fifidianana filoham-pirenena. Tapitra ny tetezamita.
23. diana ( 25/01/2009 19:15)
Amin'ny:
septembre 2009: fifidianana Maire
Mai 2010: Réferendum, constitution vaovao
Mai 2011: fifidianana député, Tapitra ny CES
Novembre 2011: fifidianana filoham-pirenena. Tapitra ny tetezamita.
[/quote]


Fa nareo nga manandro no oe tsy maintsy ireo ny daty? Ary le oul hanao anle reconcialition nationale v zany ovy sy vomanga ka tsy hijery ze manpiety azy sa ry Annie efa visionnaire oh sasany. Fa ra amzao lou le anarana ngamba d aleo tonga d atao oe maiol e!
24. xxx ( 25/01/2009 19:20)


  1. Item 1
  2. Item 2

xxx:

I Ratalata jean Marcel no tokony hatao prezida


RATALATA JEAN NARCISSE JUVENAT, bachelier tam 2006 no misy fa asa alou
25. xxx ( 25/01/2009 19:46)
raha dinihina ty dinika politika ty dia olona ivelan'ny madagasikara no tena be wawawa!
tsy mahita ny tena fiainana marina aty madagasicar amizao fotoana izao!!
izaho dia olona niaina tany frantsa! eto antanindrazana ny tenako amizao fotoana ka izao vao mahita ny tena mitranga aty fa tsy arakarai'zay enoko hatramizay tany ivelany!ka ny zavatra tiko lazaina aminareo aty ivelany ireo dia mba diniho tsara sy maka renseignement tsara aloha vao masika fiteny ohatrizao!!
26. vilambava ( 25/01/2009 21:15)
Tsotra ny fahitako ny fandehan'ny tantara. Araka ny fijerin'i Annie azy de te-hijapy train anatin'ny 2 taona ny TGV. Dia sur fa tsy ho tafavoakany io de hisy ny fifidianana fa de ra-8 ihany no mbola hiverina eo. De mazava izany fa ny ao aorian-dra-8 de ra-8 ihany. Mba mangataka ny hitsindroka kely fotsiny ireto olona mimenomenona sy mihogahoga eran'ny tanàna ireto fa tsy dia hahavita zavatra firy akory.
Ny fomba fiaingany fotsiny dia efa ahitana fa manao herim-boangory fotsiny no betsaka. Ary tsy dia misy hevitra maty paika fa dia ny fandrodanana fotsiny no atao betsaka, sy ny filazana ny lafy ratsy. Raha tsy fantsika izy ity ka arakaraka ny hikapohana ny vodiny no hampilentika ny lohany. Tandremo sao diso fikapoka ka de lasa hivilabava toa anay eo ny farany.
27. xxx ( 25/01/2009 21:42)
Ity koa mba misy zavatra manahirana kely .Hatr@ 1960 taonan\' ny soi disant fahalaovantena ,dia tsy hisy mpitondra tsy nesorina teo izany afatsy Ramanantsoa gabriel ,jereo tsara anie é ,PHILIBERT TSIRANANA NESORINA, RAMANANTSOA GABRIEL niala fa tsy te ho esorina ,RATSIMANDRAVA NOVONOINA ,RATSIRAKA NESORINA ,ZAFY NESORINA , dia mbola niverina nanala an-dRATSIRAKA INDRAY ,dia @ ity indray izany dia \'i RAVALOMANANA no hesorina ? Dia @ manaraka dia iza indray no esorina eo raha misy hahasolo azy ? TSY HITANAREO VE HOE IZAY TAFAKATRA TEO DIA NITONDRA TAKAITRA DAHOLO ? Amiko dia tsara ny manadio tanteraka ny fifandraisan\'i Mada @ ny any ivelany , na dia mitaky ny fitokana-monina mandritry ny taona vitsivitsy aza izany dia tsy maninona .Tokony hovahana tanteraka @ izay io olana iray io ,fa io ihany no tena fototry ny vainafo mandoro antsika. Foanana tanteraka ny rafitra nentin\'ireo mpanjanatany ,ary averina ny andrim-piarahamonina malagasy natsahatra t@ 1896 . :idea:
28. xxx ( 25/01/2009 22:32)
hery:

Ekeko ilay teteza-mita ka.

Ny aorian'ny tetezamita no tsy ekeko, sy tsy hoekenareo koa rehefa tena tonga eo. Efa fay tamin'ilay hoe "ravao aloha ny fitondrana dia ho hita eo izay ho avy" aho. Nesorina fotsiny ratsiraka fa tsy nieritreritra mialoha hoe iza no haka ny toerany... dia tsy ampy mandat iray akory izy dia tafaverina. Sa tsy iny tetezamita iny no lazainao eto? :-)

[size=16px]Dia tahaka izany koa amin'ity tetezamita tsy voahevitra lalina ity. manala an-dRavalo fotsiny dia avy eo olona mitavozavoza (zafy 2) indray no apetraka[/size]. Dia tsy ho ampy toa inona akory dia hotafaverina eo indray RAvalo.

Saino tsara ihany e. Tsy mbola leo nataon-dRavalo fitaovana ve dia ataon'i Andry fitaovana indray?



29. xxx ( 25/01/2009 22:35)
Mitovy hevitra amin'i hery tanteraka.
Ekeko ny fitakiana ny demokrasia! fa ilay manongam-panjakana nefa tsy fantatra akory izay atao eo no hitako ho mandeha an-jambany fotsiny.

Tsy mba azonareo an-tsaina ve fa ratsiraka ihany ange no hiverina eo e!
30. vale ( 25/01/2009 23:10)
Annie2006:

Tsotra ny valiny.
1. MIALA ALOHA RAVALOMANANA, ary tsaraina dia GADRAINA
2.MITSANGANA ny tetezamita izay ANDRY TGV no mitondra azy iarahany @ ankolafin-kery izay nanohitra andravalo: Ireto Ankolafinkery politika ireto dia manolotra anarana ka anjaran'ny ekipan'ny ANDRY no mifidy izay ho ao @ mambran'ny governemanta. Miisa 16 raha maro indrindra ny isan'ny ministra ary atao mazava ny tanjon'ny Teteza-mita KA 10 AVY @ antoko politika, ary 6 avy @ Société civile: MANOMANA NY RECONCILIATION NATIONALE, MANADIO NY FITANTAM-BOLAM-PANJAKANA (assainissementy des finances publics, suspension de tous les contrats miniers en cours, Audit général sur l'endettement du pays....), HAMIDY NY AIR FORCE ONE 1 ET 2 mba hanatevenana ny kitapom-bolampanjakana (hikarakaran ny fifidiaznana ho avy mba tsy hitrosa indray...ohatra); MANOMANA NY FIFIDIANANA Maire, député, ary président. NY TETEZAMITA dia mitoetra Roataona.
3. MIANTONA NY ANDRIM-PANJAKANA REHETRA (foana ny deputé, senatera, HCC sy ny forongony). SOLOINA PDS ny chef de région (ny fanendrena azy dia iarahana @ ankolafin-kery rehetra)
4.MITSANGANA ny rafitry ny tetezamita, izay ahitana "exécutif" tarihan'i ANDRY TGV sy ny ekipa voalza etsy ambony; HATSANGANA ny comité "Vérité et réconciliation" tantanin'inaghy Zafy Albert manadihady sy manomana ny Réconciliation nationale; HATSANGANA ny COmité économique et social manana mpikambana miisa 125 (5 isaky ny région) ka 40% olona hatolotr'ireo antoko politika, 60% avy @ société civile. Ka izy ireo no mifidy ny filohany. Mitoatra ity CES ity hhatramin'ny fifidianana député @ volana mai 2011.
5. HATSANGANA ny "HAUTE COUR DE JUSTICE" hitsara ny mptondra t@ androndravalo sy hanadihady sy hitsara ny raharaha 2002 araky ny vokatra aroson'ny comité vérité et réconciliation nationale", sy ny "COUR electoral transitoire" izay hisahana ny fitsarana ny fifidianana.
6. OVAINA NY CODE ELECTORAL
7. Atao ny forum économique national mba ahitana aiza ho aiza ny fahavoazan'ny toekarena malagasy ka hanomezana ny vaha olana.
8. Tantanin'ny tetezamita ny sommet union africaine sy francophonie
9. MIhatona ny constitution mandrapaha hamolavolan'ny comité économique et social "volavolan-kevitra" izay dinihan'ny governemanta, ka hanaovana réferendum (4ème République) avy eo.

Amin'ny:
septembre 2009: fifidianana Maire
Mai 2010: Réferendum, constitution vaovao
Mai 2011: fifidianana député, Tapitra ny CES
Novembre 2011: fifidianana filoham-pirenena. Tapitra ny tetezamita.

Eisssssssssssyyyyyyy ahoeeeee le haligna eeeeeeee! hihihihihihi!

31. sylvain ( 25/01/2009 23:27)
misy wa ny tsy misaina lavitra mihitsy fa faly ny hanongana fotsiny,ny tena hampahantra ny gasy mandrakizay no tiany! mba halefaso lavitra aloha ny fisainana,tetezamita é! réferendum é ao anatiny zany ny gasy fadiranovana hatrany, d ho voafidy hono ty filoha vao2 d hita eo avy eo fa tsy maintsy hiala bala fa vao maika mahantra ny vahoaka,vokatry ny tolona nataon-tsika d tena sahirana ny firenena é! fa mahareta aloha ry vahoaka fa tsy mora ny manarina azy ty, bli bla bla..tapitra ny mandà lé mpitondra fahantrana hatrany no hita!
Mba halefaso lavitra aloha ny fisainana é!!
32. ikaretsaka ( 26/01/2009 00:10)
syl dadan i laisany koa izanyu tsy nisaina alavitra t@ 72 satria tsary niheritreritra an zany izy talohan'ny nanonganana
33. klitika ( 26/01/2009 01:41)
Ka ny adalan'ny Dadanay ve mbola haverinay indray tsy izahay izany no ketrina indrindra.
34. rangorivao69 ( 26/01/2009 07:42)
Ka raha miala izany ra8 de i Hasina Andriamanjato ny filoha e! de ry daniel ramaromisa sy ny tariny no ao, de i rolland ratsiraka miverina mitondra an'i toamasina de havoaka i pety handray ny fahefàna any Fianarantsoa, de i andry @ zay mitazana fotsiny fa vita ny adidiny, mifindra eny Anosipatrana ny VIVA. :lol: :lol: :lol: somary mapihomehy ihany a!
35. tsiafoi1 ( 26/01/2009 08:50)
Raha tena nisy ilay OLOM-BAOVAO, zay olona madio sy fanta-bahoaka, de ho efa nipoitra izy zay, fa tsy nila nisaron-tava na nitaingina soavaly fotsy akory. Raha ny tena marina de tsy mbola teraka akory...

Koa raha vazo mitovy ihany ve rinaotra, de nde handany andro hita rano!!!! Asa aloa!!! fa ny fotoana volamena, tsy aleo ve mandroso de ny asa no atao
36. patrick2002 ( 26/01/2009 14:24)
raha trano efa hita fa hirodana na mety handratra anao ,fa tsy natao hialofana ,dia aleo tonga dia hialana ,na dia tsy manana trano hasolo azy aza ianao, izay no lojikako ka tsy haiko ny anareo ,hita fa manangona harena mafy ra-8 amin'izay misy hamoretany ny malagasy rehetra ,izaho tsy malahelo hava-manana ,fa kosa raha izaho tsy havelanao hitady ohatranao ra havako ,tsy havana no hilazana anao fa mpamosavy malemy izany .
ophatra manarka ohatra i tsiafo sipako efa mahita fa voatataka foana tsy haleoko ve miova vehivavy hafa indray na dia vehivavy mpanataka koa aza ilay vehivavy hafa ,sitrany ahay mba niova vehivavy hafa indray. :wink: :D
37. sylvain ( 26/01/2009 14:49)
za tsy tena hoe 100% ravalo misy ny mety ataony misy ny tsy mety,fa ty resaka fanonganana lava ty wa alefaso lavitra ny fisainana fa tsy mbola nitondra ny vahoaka ho nanankarena, fa fahantrana lava hatr@ zao, d mbola tsy hainy mpitondra sy ny vahoaka foana ny maka lesona @ zay nitranga!
Marina ny any là klitika a!
38. mpaoly ( 26/01/2009 14:57)
patrick2002:

ophatra manarka ohatra i tsiafo sipako efa mahita fa voatataka foana tsy haleoko ve miova vehivavy hafa indray na dia vehivavy mpanataka koa aza ilay vehivavy hafa ,sitrany ahay mba niova vehivavy hafa indray. :wink: :D


Tena latsaka aho lery @io a, hihihihihi. soloina marina no mety é, na d vazo mitovy iany aza.
mlay é
39. sitlo ( 26/01/2009 15:06)
Andray kosa izany fisainana. Dia avy eo arondana indray?
40. mpaoly ( 26/01/2009 15:07)
sika rehetra, na mpanohana an'i ra8, na mpanohana an'i TGV. zao no hafatra:

tadidio, fa rehefa any @ zafin'ny zafin-dohalika-tsika, zay vo hanao otran'ny firenenena amerikanina sika. mifamindra ampilaminana ny fitondrana. tsy misy mpitondra hitsetsitra vahoka intsony.

SAMIA TONGA SAINA E. ALEO ALOHA ALANA ZE TSY MAMELY.
AVERIKO NDRAY FA MBOLA HO ELA SIKA VO TENA HIAINA MILAMINA.
RAHA NAHAY NANDEFITRA NY TS11, TSY NITRANGA ZAO REHETRA ZAO.
TADIDIO-TSIKA, FA LEO NY VAHOKA, NEGLIGER-NA IZY ZAO, D MITROTRA.
MBOLA HO ELA SIKA VO HIARINA E.
ALEO HANDE ZE HANDE EO ALOHA.
AIZA ZAO NY MPITONDRA AROVAN'NY MPIARO AZY ETO?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.663