Vahoaka efa 87.265 no efa tonga eto ambohijatovo (12ora zao)

1. kidoropamba ( 24/01/2009 08:56)
Aleo mitabataba eo nareo fa izahay ato (ambohijatovo) dia efa mananika @ isa 87.265 olona eo ho eo. Orakoraka no misy ato ary iray ihany ny baikom-pitolomnana: MIALA RAVALOMANANA E!

Manararaoitra cyber café hanoratana fa aleo avelako nareo fa efa o tonga ingahy ben'ny tanàna ANDRY TGV!

Tairo ny any parisy e, fa ny aty dia ny vahoaka efa hanongana an'ilay jadon-dravalo.

Izay mbola mitomany fifidianana, avelao miandry eo @ izao jadona izao fa ny anay dia herim-bahoaka no hanapadoha an'ity levalo ity.

Rahariva indray e
2. xxx ( 24/01/2009 10:42)
Tana 13h 41 Ary mitaky ny tetezamita ny vahoaka @ zao ora izao. Hotohizana eny @ 13 mai ny raharaha.
3. badboy ( 24/01/2009 10:56)
Iza no nanisa??? Sa tombamaso??? Ka raha tombamaso izany koa tsy ho lazain'ny ralako rehetra eo hoe 2000 raha be dia be ve???? Dia iza no afaka tena hanamarina ilay isa??? Sa nomena ticket tsirairay avy ireo tonga??? .......... :roll: :roll: :roll:
4. xxx ( 24/01/2009 11:12)
Ilay isa eo ambony aloha dia tsy mitombona fa ny azo ilazana azy dia mitovitovy ny t@ 2002 ireny ny hamaroan'ny olona.
5. Koditra ( 24/01/2009 12:06)
Badboy : Attensiô fa ôtran'io iany no nahavoan'inga Ratsiraka t@ fotônandrony : oul vitsikely no mitokona ao @13 mai fa tsy ny vahôka 1manontolo, afaka ny ho aiza eo reo eh!, lania andro eo fa ny ataoko hataoko iany, d afaka ny hanao inn nefa, sns ...

Dé niaraha-naita ny tohiny sy ny fiafarany ???
6. xxx ( 24/01/2009 12:24)
Dia efa ho raikitra indray izany ny greve generale manomboka @ Alatsinainy mandra-piala an'i le8
7. hery ( 24/01/2009 12:56)
/niala teny @ kianjan'ny demokrasia ry AndryTGV Fa tsy zakany zany resaka demokrasia zany :-)
8. zakilinina ( 24/01/2009 12:58)
Raha tena tian'ny olona i Andry dia tsy ho 80000 fotsiny ny olona tonga. Maro tamin'ireo olona nifidy azy ho ben'ny tanàna no tsy nidina an-dalam-be mety. Tsy adala akory ny vahoaka. Mila fanavaozana izy ireo fa tsy mila korontana. Lazao i Andry fa amin'ny fifidianana filoha afaka 3 taona no tokony hanaovana izao. Tetik'adin'ny voalavo mpandrava efa efa nilaozan'ny toetr'andron'ny demokrasia izao.
9. Koditra ( 24/01/2009 13:04)
hery:
/niala teny @ kianjan'ny demokrasia ry AndryTGV Fa tsy zakany zany resaka demokrasia zany
Iny ndray no tsy itako léaza =)) =))
10. xxx ( 24/01/2009 13:10)
Nandositra any Afrika atsimo i Ra 8 fa tsy hainy izany manao demokrasia izany.
Izay mihintsy angamba no nanovana ilay embleme an'i Madagasikara ho lasa RM sisa satria jadona no ampiasaina.
11. eraina ( 24/01/2009 14:17)
Olona tsy misaina daholo ireny tonga eny ireny, fanakorontanana ny filaminambahoaka izany tsy toetsaina mandroso.
mba mandiniha kely fotsiny fa i andry ve ve dia atokisana hitondra firenena, tsy hainareo marina izy
mieritrereta, banjino ny zavamisy, raha tsy ravalo tsy toa izao isika raha ireny raharaha 2002 ireny, nefa dia misy sahy hamerina indray hono, tena tsy misaina
12. zakilinina ( 24/01/2009 15:54)
Tsy mbola zakantsika ny demokrasia kanefa tsy omena tsiny ny Malagasy fa mila fotoana lava izany. Ny demokrasian'ny gasy hatramin'izao dia demokrasiam-boalavo izany hoe fandravana efa toy ny fitokonana, filaharana, fanoherana. Diniho tsara fa vitsy ny filoham-pirenena malagasy voafidy taorian'ny nahatapitra ny mandat'ny filoha teo aloha.
• Ratsiraka tonga teo amin'ny fitondrana tao aorian'ny hotakotaka lehibe (1975).
• Izy ihany no nandimby ny tenany ary voaongotra.
• Zafy dia tonga teo amin'ny fitondrana tao aorian'ny hotakotaka lehibe (1991).
• Tsy nahavita hatramin'ny farany fa voaongotra tamin'ny alalan'ny empechement.
• Ravalomanana dia tafakatra teo amin'ny fitondrana tao aorian'ny hotakotaka lehibe (2002) ary nandimby ny tenany.
Izay handimby an-dRavalomanana alohan'ny fahataperan'ny mandat-ny dia hiverina amin'ny 30 taona lasa na mahery.
Araka ny hevitro dia aleo ho vita soa aman-tsara ny mandat an-dRavalomanana ka izay handimby azy eo dia ho reharehantsika satria amin'ny fomba demokratika no hahalany azy. Samy ho faly isika amin'izay.
13. xxx ( 24/01/2009 17:36)
O ry Zakilinina , tsy rafitra anie ny démokrasia fa ,firehan-kevitra é .Zavatra fampiasana ny fitondran-tena ao @ fiarahamonina kosa ve dia tsy ho zaka ?
14. rchrystos ( 24/01/2009 17:48)
Tena betsaka tokoa ny olona teny ambohijatovo androany. Nandalo teny aho vers midi.

Ekena tanteraka fa betsaka ny tsy rariny hataon-dra8 sy ny mpiara-dia aminy ary tsy mendrika ny ho eo amin'ny fitondrana intsony ireo. ILS ONT TRAHI LA CONFIANCE QUE LE PEUPLE A PLACE EN EUX.

Kanefa kosa, TSY EKEN'NY SAIKO RAHA I ANDRY TGV SY IREO OLONA EFA MIANDRY KENDRY TOHANA AO AMBADIKA AO NO HITONDRA EO. ANDRY N'EST QU'UNE PAUVRE MARIONETTE à la solde de plusieurs entités plus ou moins obscures. De toutes facons, c'est mon avis et je le partage, il n'a pas l'étoffe d'un chef d'état, du moins pas encore.

Raha miala Ra8 sy ny tariny, hisy fifidianana vaovao, Andry Rajoelina mbola tsy ampy taona : IZA NO HALATSAKY NY TGV HO FILOHAM-PIRENENA EO ? Tsy ireo efa taloha indray ve no hipody eo ?

Misy dilemne be ety Madagasikara izao hoe handroso maty raibe, ihemotra maty renibe.
15. gasyjean ( 24/01/2009 18:19)
Efa hitako sahady ny hoavy.
Hilatsaka ho filoha ny Tgvnareo ,omeko erintaona sy tapany eo @ fitondrana raha hisy dia veloma. dia hotakotaka indray koa ny hampiala azy

Dray zato vahoka malagasy firy taona aty aoriana dia mbola tsy tonga saina ihanyy fa mbola ny taloha ihnay no miverina .mampiomehy nefa mampalahelo. Ny mahantra velona ihany marina no tena mahavatra miady an-trano,ndao indray aloha endrasana izay ho avy ee:
16. patrick2002 ( 24/01/2009 18:57)
Misaotra ny vahoaka malagasy izaho izay tsy miraviravy tanana ,fa sahy mijoro handrodana ny jadona ,sy tsy manaiky lembenana @ fangoronan-karena hataony olo-tokana dia i Masindahy Ravalomanana izany .
Mankahery azy ireo @ izany tanjona lavatrezaka izany izaho ,Inona tokoa moa no azo atao ,raha efa tsapa amin'izao fitondrana izao fa tsy misy azony vahoaka hatao hanalana azy raha tsy ny filaharana sy fitokonana lava-reny ihany ,porofo mitohaka @ tenda t@ fifidianana ben'i Tanana 1 taona lasa izay sy t@ fifidianana solom-bavambahoaka 2 taona lasa izay fa nangalatra ny TIM erany faritra maro manerana ny nosy ,tsy voahaja ny safidim-bahoaka ,miverina @ fanaony AREMA,sy ny PISODIA , ary ny PADESM t@ fotoan'ny mpanjanantany ihany ,
Voahaja ve ny teny nomena teny @ 13 mai , 7 taona lasa izay .
17. rchrystos ( 24/01/2009 19:19)
Mba homeo anaran'olona azo atao filoha-pirenena ankoatra an-dra8 sy andry tgv hoe izay mba manana soso-kevitra fa izaho tena tsy mahita intsony ???
18. vale ( 24/01/2009 19:47)
Dray zato vahoka malagasy firy taona aty aoriana dia mbola tsy tonga saina ihanyy fa mbola ny taloha ihnay no miverina .mampiomehy nefa mampalahelo.
=D> =D> =D> ^:^
19. zakilinina ( 24/01/2009 19:51)
Lany ara-pomba demokratika Ra8 tamin'ny 2007, izany hoe nihoatra ny 50% ny vato azony. Omeo fivoahana ara-pomba demokratika izy amin'ny 2012 raha misy olon-kafa vonona hitondra ny baolina. Io olom-boafidy amin'ny 2012 io indray dia hajaintsika ara-pomba demokratika fa tsy tsembatsembanana amin'ny fiasana. Any amin'ny firenena mandroso amin'ny demokrasia dia tsy mba misy fanonganam-panjakana izany. Soa fianatra !
20. caprio ( 24/01/2009 21:01)
kidoropamba=AREMA BE hiringiriny enao, dia i zakilinina=TIM BE manadala,ny fomba firesakareo dia hita fa tena mbola tsy mandinika tsara ny zava-misy fa ny iray we za AREMA dia zarako io miala any fa izay ampiala anio no ataoko na inona na inona zava-bitan'io,dia ny iray ndray TIM BE manadala dia na mety na tsy mety ny ataon-dra8 dia mahita lazaina foana satria menatra @toetra ratsy ataony ankehitriny,fa ny tena marina kaloa rakidoro dia mila an-dra8 manova filamatra ny vahoaka malagasy fa saingy raha ireo AREMA BE ireo tena tsy mila anireo tsony ny vahoaka :twisted: :twisted: :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483