Manankarena VS Mahantra

1. soanja ( 22/01/2009 14:27)
Afaka fakafakaintsika eto ve nahoana tokoa moa ny manankarena no tsy tafiditra amin'io fanjakan'Andriamanitra resahina io raha toa ka misy manankarena nisasatra mafy izy ary niezaka, nanao ny ainy tsy ho zavatra ho tonga amin'ny tanjona tratrariny. Etsy andaniny anefa dia misy ataoko hoe mahantra tokoa noho ny hakamoany sy ny tsy firaharahany ny fiainany ary ny fandaniam-poana nataony?

Dia iza amin'ireo no hiditra?

Mazava moa izany raha ny voalaza ao anatin'io boky io fa ny faha10-karena tsy maintsy zaraina, nefa dia mbola manankarena ihany ilay mpanana. De ahoana izany?

Sao kosa ary ny fanambakana sy mahakaidy no tiana resahin'ny baiboly amin'izany ary ny hakamoana tsy te hieritreritra sy ny finiavana hioitra izay hita tamin'ilay resaka talenta nozaraina ohatra.

Raha izany anefa nahoana no manaiky tsara ny Fanandevozana ny baiboly?

Mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny ve ny voalaza ao? Ilana ve ny kitsimpotsimpona amin'io tenin'Andriamanitra io? Voafehy sy araka ve ny tiany lazaina amin'ny tontolony hoe Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao

Mba hampihirato anie ny masoko hijery mazava ireo zavatra voalazako ireo? Misaotra mialoha.
novalian'i soanja ny 07/03/2009 12:21
2. andrywui ( 22/01/2009 14:38)
(tsy izy rehetra no voalaza fa presk) rehefa manankarena(manampahaizana) ny ankabeazan'ny olona de lasa manan ny fotompisainanay oe avy amin'ny heriko sy ny fahaizako ary ny hatsembohako manokana no nahazahoako ireto harenako ireto ka jamais aho hivavaka zany alohan'ny hisakafoanako fa za iany no tsemboka taminireto vao nahazo anireto!!! fa ny mahantra kosa mifanohitra amizay (jereo ilay mananotena tao antempoly nanatitra fanatitra kely farantsa roa fa tery aoriana tery ihany izy no niondrika sy nisaotra !! fa ny fariseo kosa sady nidehaka amin volabe tery aloha no nanisy lakolosy kely tamin'ny ankanjony mba hijeren'ny olona azy
3. soanja ( 22/01/2009 14:52)
Zany hoe ny Fitiavan-tena tafahoatra izany no olana voaohany. Mino koa ve anefa i andrywui fa tsy misy io fitiavan-tena tafahoatra io ny mahantra? Betsaka ny mahantra tsy mivavaka ary manadino koa an'Andriamanitra. Sa diso aho?
Ny fidedahana izany no olana faharoa. Betsaka amintsika olombelona no manana an'io faharoa io na mahantra na manankarena.

Ary sao kosa mba hampazava azy dia tsara ny tsindriana hoe Aza midedaka, mieboebo fa tsy tsara eo imason'Andriamanitra io. Fa tsy hoe ny Mpanankarena. Toa misy ihany mantsy amin'io tena mpanankarena voalaza io ilay fialonana hoe izy manana izahay mahantra. Dia ireto ny ratsy momba anareo!
Tsy ny fananan'ilay olona no tokony hojerentsika fa ny momba azy hanampiana azy na mahantra io na manana. Inona avy ny lesoka ananantsika olombelona sns... ?

4. soanja ( 22/01/2009 14:55)
Ny fahaizana sy ny saina matsilo anie ka Andriamanitra no nanome an'io e. Ary ny Fanandevozana koa anefa dia neken'Andriamanitra raha ny voalaza ao anaty baiboly no jerena? dia ahoana izany?
5. ikaretsaka ( 22/01/2009 15:15)
De raha azoko tsara izany dia izay manana saina matsilo de mahay. Mampiasa izany hanandevozana (na mivantana na ambadika io forme fanandevozana io) dia mandeha foana sy hoe izaay ro idealy
6. rijadolly ( 22/01/2009 15:55)
Voalohany valiko dia ilay farany satria io no tonga ato an-tsaiko sao dia very.Tamin\'andron\'Testameta taloha dia nisy ny andevo, ireo dia olona tsy mino an\'Andriamanitry Isaka sy Jakoba sy... ho Tompo sy Mpamonjy azy,azo lazaina aza fa anisan\'ireo olona manohitra ny Fanjakan\'Andriamanitra satria mpandrava izany.Fantantsika fa ny mifora ny marika iray hafantarana ny olona manompo io Andriamanitra io.Ka izay te hanompo Azy dia forana avokoa.Tsy voatery ho mifora ara-nofo ihany fa hatramin\'fo. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EZEKIELA&toko=44&andininy=5-7&dika= midika zany fa nahazo niditra sy nanompo ihany na ny hafa firenena zay natao ho fahavalo aza raha mifora fo na nofo ka tsy hivadika amin\'Andriamanitra izireo.Noho izany marina ary tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Andriamanitra. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-16&dika= Tsindriko eto zany fa hatramin\'zay nataonao ho fahavalo aza dia tsimaintsy ho tiavina.
7. soanja ( 22/01/2009 16:10)
rijadolly:

Ka satria ve izany tsy mino an'Andriamanitra ry zareo dia tsy maninona raha andevozina? Izay ve no tianao resahina? Ary iza moa no niteraka an'Ismaely? tsy andevo ve moa iny? ahoana izany no ijerevantsika azy atao hoe tsy miangatra.

Ao anaty terma ny baiboly le ny Fiangarana? Ary maninona io tsy mba natao ho isan'ny didy folo.

8. soanja ( 22/01/2009 16:17)
ikaretsaka:

De raha azoko tsara izany dia izay manana saina matsilo de mahay. Mampiasa izany hanandevozana (na mivantana na ambadika io forme fanandevozana io) dia mandeha foana sy hoe izaay ro idealy

Ny saina matsilo dia refesina avy amin'ny fahaizan'ilay manana azy. Zany tsy hahalala isika hoe matsiko ny zaza iray ohatra raha tsy ny asa ataony na ny zavatra resahiny no andrefesantsika azy.

Io saina matsilo io koa dia azo ampiasaina amin'ny ratsy sy ny tsara? De eo no iresahiko hoe matoa misy ny mahatra dia; na izy tsy dia matsilo (voajanahary), na izy voambaka (nandevozina amin'ny fomba isan-karazany), na izy teren'ny zavamisy eo (Voajanahary no mety koa politika sns tafiditra amin'io farany io ny fanabeazana).
Ka aiza amin'ireo voaresaka ao amin'ny baiboly?

9. soanja ( 22/01/2009 16:25)
soanja:

rijadolly:

Voalohany valiko dia ilay farany satria io no tonga ato an-tsaiko sao dia very.Tamin\'andron\'Testameta taloha dia nisy ny andevo, ireo dia olona tsy mino an\'Andriamanitry Isaka sy Jakoba sy... ho Tompo sy Mpamonjy azy,azo lazaina aza fa anisan\'ireo olona manohitra ny Fanjakan\'Andriamanitra satria mpandrava izany.Fantantsika fa ny mifora ny marika iray hafantarana ny olona manompo io Andriamanitra io.Ka izay te hanompo Azy dia forana avokoa.Tsy voatery ho mifora ara-nofo ihany fa hatramin\'fo. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EZEKIELA&toko=44&andininy=5-7&dika= midika zany fa nahazo niditra sy nanompo ihany na ny hafa firenena zay natao ho fahavalo aza raha mifora fo na nofo ka tsy hivadika amin\'Andriamanitra izireo.Noho izany marina ary tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Andriamanitra. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-16&dika= Tsindriko eto zany fa hatramin\'zay nataonao ho fahavalo aza dia tsimaintsy ho tiavina.

Ka satria ve izany tsy mino an'Andriamanitra ry zareo dia tsy maninona raha andevozina? Izay ve no tianao resahina? Ary iza moa no niteraka an'Ismaely? tsy andevo ve moa iny? ahoana izany no ijerevantsika azy atao hoe tsy miangatra.

Ao anaty terma ny baiboly le ny Fiangarana? Ary maninona io tsy mba natao ho isan'ny didy folo.

Tsara tokoa ny Fitiavana ny rehetra indrindra mbamin'ny fitiavana ny fahavalo. Amiko raha toa ka nisy ihany izay fahafahan'Andriamanitra manampy ny hafa izany, izay fantatro fa misy, dia nahoana no tsy tonga dia fohanany any izany devoly resahina lava izany, dia mba hino azy avokoa isika mianakavy?

Amiko io no fitiavana tsara indrindra satria amin'zay dia tsy hisy ny fijaliana sy ny fiafiana sy ny fanimbana ny hafa sns ary TSY HISY HOVERY IZAY NOFORONINY.

Aoka anefa hazava fa ny tsy ny fitiavan'Andriamanitra akory no tsy ampy amiko. Feno tanteraka Andriamanitra, fa ny asan'olombelona nampita ny hafatra no nisy nisolifatra. Raha hotsiponistika tsiraidray eto mantsy ny ao amin'ny baiboly dia ho gaga ianao fa be ny famonoana sy fiangarana ao anaty baiboly ao.

10. Fody ( 22/01/2009 16:32)

Fanamarihana mialohan'ny resaka:

1 - Farito aloha ireo nantsoin'i Jesoa hoe: Mpanakarena.

2 - Ny hoe: sarotra koa dia tsy midika hoe: impossible.

Am-pitiavana be.
11. ikaretsaka ( 22/01/2009 16:38)
Io saina matsilo io koa dia azo ampiasaina amin'ny ratsy sy ny tsara? De eo no iresahiko hoe matoa misy ny mahatra dia; na izy tsy dia matsilo (voajanahary), na izy voambaka (nandevozina amin'ny fomba isan-karazany), na izy teren'ny zavamisy eo (Voajanahary no mety koa politika sns tafiditra amin'io farany io ny fanabeazana).
Ka aiza amin'ireo voaresaka ao amin'ny baiboly?

voaresaka ao aby ireo
12. rijadolly ( 22/01/2009 16:55)
soanja:
Afaka fakafakaintsika eto ve nahoana tokoa moa ny manankarena no tsy tafiditra amin\'io fanjakan\'Andriamanitra resahina io
Tsy hoe tsy afaka miditra ao amin\'Fanjakan\'Andriamanitra fa hoe: Matio 19:23-24 23 Dia hoy Jesosy tamin\'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran\'ny manan-karena amin\'ny fanjakan\'ny lanitra.24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran\'ny rameva amin\'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran\'ny manan-karena amin\'ny fanjakan\'Andriamanitra.Ataoko fa azon\'Soanja @zay ngamba รด! fa ny zavatra tsindriko kely dia ity: Ny manan-karena mety(mety hoy aho an!) manana saina kely ho tia ny harenany.Dia izany no nahatonga an\'Kristy ilaza hoe: http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=6&andininy=19-24&dika= Fa ny mahatra moa inona ny harenany eo? :arrow: fa tsy ny asa fa ilay ao anatinao sy ny fomba fanomponao an\'Andriamanitra(tsy mifangaroaro) no lalana iray hidiranao any amin\'Fanjakan\'Andriamanitra.
13. ikaretsaka ( 22/01/2009 17:05)
Fody:

Fanamarihana mialohan'ny resaka:

1 - Farito aloha ireo nantsoin'i Jesoa hoe: Mpanakarena.

2 - Ny hoe: sarotra koa dia tsy midika hoe: impossible.

Am-pitiavana be.

Izay
14. rijadolly ( 22/01/2009 17:33)
soanja:
Ka satria ve izany tsy mino an\'Andriamanitra ry zareo dia tsy maninona raha andevozina? Izay ve no tianao resahina? Ary iza moa no niteraka an\'Ismaely? tsy andevo ve moa iny? ahoana izany no ijerevantsika azy atao hoe tsy miangatra.
Ny lasa rehetra dia dindon\' ho avy. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=110&andininy=1-1&dika= Izay tsy miova fa manohitra an\'Andriamanitra hatramin\'farany dia fahavalony.Nisy anefa ny fotoana hampiova ny fahavalony eny fa na dia eo amin\'androny farany aza.Andriamanitra dia niteny an\'Ambrama(satria mbola vao miteny azy Andriamanitra an! ihihihi!) fa tsy maintsy ho forana avokoa ny ao an-trano rehetra. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=17&andininy=10-14&dika= Midika zany fa anisany mahazo ny fasoavaNY ireo mpanompon\'Abrama satria noforana izireo.Midika ho azy zany fa tsy nisy ny fiangarana ho an\'izay manompo an\'Andriamanitra.
15. badboy ( 22/01/2009 18:19)
Betsaka ny azo lazaina ao anatin'io lazain'i sonja io! Saingy ilay resaka manankarena sy mahantra ihany no ho raisiko!!!

Ho faritako aloha ilay mahantra satria tsisy sariteny mihintsy lazain'ilay baiboly fa ny tena dikany no tiany ambara!!
Ny dikan'ny hoe manankarena lazainy ao dia ireo izay afaka miaina mihoatra lavitra ny tokony ilainy @ andavanandro!! Manana ny ampy eo @ fiainana, ary mihoatra ny ampy aza satria na ny zanaka amanjafy ho avy aza (t+1) dia afaka manantena sy miaina @ izay fanana ananan'ilay olona misy @ izao fotoana izao (t)!!
Ilay mahantra voalaza ao dia ireo izay tsy ampy fanana ka ny ho hanina anio tadiavina anio, raha tsy hoe tadiavina rahampitso mihintsy aza angamba!!

Ny mahatalanjona dia ny tena tiany ho lazaina mihintsy no ovain'ireo mpitory teny ato satria raha nilaza izy fa sarotra kokoa ho an'ny mpanakarena ny hidirany ny fanjakan'ny lanitra nohon'ny hidiran'ny rameva @ vodimpanjaitra, dia tsy nilaza kosa izy fa ho mora ho an'ny mahantra ny hiditra ao @ io toerana io satria hoe mahantra ilay olona!!

Dikany, tsy hoe rehefa mahantra dia tsy maintsy ho tafiditra, na koa manankrena di aho lasa sisitosy, fa izay manao ny soa @ manodidina azy, na mahantra izy na manana, no hahazo io voalaza io!!

Izany hoe, ilay filazana fa sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan'ny lanitra........ dia tsy midika mihintsy hoe tsy mila mitady harena ny mahantra raha tsy izany tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra, fa midika hoe mbola misy ny fanantenana!! Koa ilaina ho manantena lalandava, saingy ilay fanantenana dia tsy maintsy arahan'asa tahaka ny fiezahana lalandava mba ho hanakarena ao anatin'ny fahamarinana koa, na koa anaovana ohatra ilay manankarena mba hiezahana eo @ fiainana!!

Tsy adin'ny manakarena @ mahantra, na koa ny mifamadika @ izay ilay izy, fa adin'ny mahantra mba hiezaka hanankarena, ary koa adin'ny manankarena mba hanampy ny mahantra!!

Tsy hidirako ny adin'ny manampahaizana @ tsy mahay ka mahatonga ilay fanandevozana fa manjary lavabe!!! 8) 8) 8)
16. ikaretsaka ( 22/01/2009 18:48)
=d
Ekena e
17. Fody ( 22/01/2009 18:55)

Mialohan'ny resaka dia apetrao ao anatin'ilay tontolo nisy azy ilay teny fa aza sarahina aminy fa miova ny hafatra tiana hampitaina.
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=18&andininy=18-30&dika=
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=10&andininy=17-31&dika=
badboy:
Dikany, tsy hoe rehefa mahantra dia tsy maintsy ho tafiditra, na koa manankrena di aho lasa sisitosy, fa izay manao ny soa @ manodidina azy, na mahantra izy na manana, no hahazo io voalaza io!!

Tsy miankina amin'ny fanaovana asa soa ny fahazoana ny fanjakan'ny lanitra. Fanomezana io. Noho izany tsy miankina amiko sy ianao fa miankina amin'ilay mpanome azy.

Ka iza no omeny an'izany? Izay tiany sady tia azy. Izany hoe izay manao an'Andriamanitra ho ambon'ny zavatra rehetra.

Raha milaza i Jesoa hoe: "mandehana hamidio ny fananao ka omeo ny mahantra, ary avy manaraka ahy". Dia tsy midika velively izany fa ny asa fihatrana no hahazoana ny fanjakan'ny lanitra, fa ny FANARAHANA AZY. Ny antony ivarotana ny fananana sy hanomezana azy ny mahantra dia mba hahafahana manara-dia an'i Jesoa.

Teo no nipetraka ny safidy hoe: Jesoa ve sa ny harena ?

Am-pitiavana be.

18. ikaretsaka ( 22/01/2009 19:08)
nyfanompoana an'i jesoa sy ny fahaizana mampiasa ny harena amin'ny fanompoana an'i Jesoa izany e :wink:
le harena eto tsy voatery ho vola fa na fahaizana na talenta sns...
le fanompoana an'i jesoa eto tsy voatery "hanaraka azy tsy haditra" @ na pas fotsiny fa manompo azy araka' ireo rehetra voalazany fa "endriny" koa (jereo ao @ matio eo le misy hoe taiza ianao ry Tompo no hitanay ho .....)
19. Fody ( 22/01/2009 19:37)

Ika: Ny mipetraka eto dia ny safidy hoe: Jesoa sa ny harena?

Ny fisafidianana an'i Jesoa dia mitaky fitiavana: Fitiavana azy Andriamanitra sy ireo rehetra noharin'ny tanany. Ary izay fitiavana izay dia aseho indrindra amin'ny fahafoizana sy fampiasaina izay hanana sy hay araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Am-pitiavana

20. ikaretsaka ( 22/01/2009 19:47)
marina aby ny ambaranao saingy amiko eto efa tsy eo @ staden'ny safidy loatra fa ho2 ahoana tokony fampiasainao io harena io rehefa AVY nisafidy ny hanaraka an'i Jesoa ianao..
Satria ireo olona notantaraina teto rehetra de efa niteny aby hoe hanaraka an'i Jesoa avokoa saingy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1528