Manankarena VS Mahantra

41. soanja ( 25/01/2009 16:39)
Amiko dia tokony hahalala ny olony Andriamanitra. Tsy mistery aminy isika. Ny harena homeny dia ho azy irery ihany raha olony ireo.

Raha tsy izay, dia aza kilasiana manankarena sy mahantra fa tokony hoe: " ry oloko manaraha ny teniko fa izay no sitrapoko ary ho fitiavana mifamaly ifandraisantsika! Ho azonareo ny fanjakan'ny lanitra. "

Ny fanilikilihana ny hafa dia tsy hanampy mihitsy ny fahatongavan'ireo hamonjy azy ampitiavana sy ampitoniana.
42. naughtyboy ( 25/01/2009 18:04)
izaho indray dia mihevitra fa ny fahasamihafana no maha fiarahamonina olombelona eto antany na dia ampianarina @ ireo fahendrena sy fivavahana tahaka ny inona aza ny olombelona,ny omby indray matory tsy indray mifoha ozy ny fiteny ra tsy diso aho ary tsy hisy hahaova io raha tsy tapitra ny eto tany.Ny marimaritra iraisana fotsiny no ezahina isan'andro hampilamina ny mpiarabelona,any andanitra ihany vao tsy ankijery izany intsony (na mino na tsia)alohany ny ahatongavana any nefa dia misy ny fanasivanana nefa tsy ankijery oe nahantra ve enao tany amboniny tany sa nanakarena fa araky ny zv nataonao teto ihany(na tsara na ratsy) izay ilay fitsarana tsy miangatra ho lalovany rehetra(équitabilité)
43. diamondra27 ( 26/01/2009 11:40)
soanja:

Afaka fakafakaintsika eto ve nahoana tokoa moa ny manankarena no tsy tafiditra amin'io fanjakan'Andriamanitra resahina io raha toa ka misy manankarena nisasatra mafy izy ary niezaka, nanao ny ainy tsy ho zavatra ho tonga amin'ny tanjona tratrariny. Etsy andaniny anefa dia misy ataoko hoe mahantra tokoa noho ny hakamoany sy ny tsy firaharahany ny fiainany ary ny fandaniam-poana nataony?

Dia iza amin'ireo no hiditra?

Mazava moa izany raha ny voalaza ao anatin'io boky io fa ny faha10-karena tsy maintsy zaraina, nefa dia mbola manankarena ihany ilay mpanana. De ahoana izany?

Sao kosa ary ny fanambakana sy mahakaidy no tiana resahin'ny baiboly amin'izany ary ny hakamoana tsy te hieritreritra sy ny finiavana hioitra izay hita tamin'ilay resaka talenta nozaraina ohatra.

Raha izany anefa nahoana no manaiky tsara ny Fanandevozana ny baiboly?

Mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny ve ny voalaza ao? Ilana ve ny kitsimpotsimpona amin'io tenin'Andriamanitra io? Voafehy sy araka ve ny tiany lazaina amin'ny tontolony hoe Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao

Mba hampihirato anie ny masoko hijery mazava ireo zavatra voalazako ireo? Misaotra mialoha.


---------------------------------

voalohany aloha dia tsy voalaza hoe tsy tafiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra ny mpanakarena fa hoe sarotra ho azy ireo ny hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.

raha hoe indray iza no ho tafiditra any ny manankarena sa ny mahantra dia voalaza fa izay manaiky an'i Jesosy ihany no tafiditra ny fanjakan'ny lanitra satria Izy nosorona nomen'Atra antsika mba hanala ny fahotantsika ary efa voadion'ny rany ny otantsika .
Tsy izay rehetra manao asa soa ihany koa na mpitory sns fa io dia tsy misy mahalala satria tonga tampoka ny fihavian'ny Tompo ka raha mbola tsy mendrika teo anatrehan'i Tompo ianao dia tsy tafiditra ny fanjakan'ny lanitra.

le Salut c'est gratuit: acceptes Jesus comme ton sauveur personnel et tu auras la vie eternelle.
44. diamondra27 ( 26/01/2009 11:57)
Matio 19:23-24 23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra
-----------------------------

Tsy dia tsara tokoa ny mitsipona versets fa tokony vakiana ilay tantara dia ny matio 19: 1-30
ka voalaza ao io resaka manankarena io

lhl manakarena no nanontany tamin'i Jesosy hoe inona no tsara ataoko mba hahazoako ny fiainana manadrakizay. verset 1

... mitandrina ny didy sy manaraka an'i Jesosy.

fa niala tamin'alahelo ilay mpanakarena satria nananafanana be.


... izay rehetra nahafoy ny rahalahiny , ny fananany sns no handova sy hahazo zato heny any amin'ny fiainana mandrakizay.


====> noho izany dia mila manaiky an'i Jesosy izany vao mahazo ny fanjakan'ny lanitra


45. Noue ( 26/01/2009 13:44)
:-D :-D :-D
46. ikaretsaka ( 26/01/2009 14:43)
Tsy manaiky an'i jesosy fotsiny fa ....

Manao ny nafarany (manaova toy izany koa...teny naveriny imbetsaka io)

Tsy oui jesus betements fa mba manao maria ihany indraindray...mandinika izany ao am-po

Ary ny adino sy odiana fanina nefa tena indispensable de le hoe tena fisotro ny rany ary tena fihinana ny vatany ary izany manao izany no hanana ny fiainana mandrakizay
Niteny mazava tsara izy hoe raiso ary hano ITY no...
47. diamondra27 ( 26/01/2009 17:44)
tsy famporisihina ny mpanao ratsy hanao ratsy tsy akory fa raha ny voasoratra ao amin'ny bailboly no jerena dia misy ilay brigand iny ao tam andro farany dia novonjen'i Jesosy izy : Anio no hihaonanao any am paradisa
ka ilay famonjena dia tsy antsika olombelona mihintsy no miteny hoe voavonjy ranona sy ranona fa personnel

raha toa moa ka misy ny fotoana dia ireo voalazan'ny ika ireo no tokony atao apres hoe manao ny asany sns

tsy adino velively ireo tsy akory fa misy ambaratongany ny fanarahana ny Tompo ka.


Izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa.hoy Jesosy
48. ari.malala ( 02/02/2009 06:46)
raha ny momba ilay jiolahy teo am hazo fijaliana anie, nibebak iz e! nahatsapa ny fahadisoany izy zay vao niteny tam Tompo hoe mba tsarovy aho rehefa tonga any am fanjakanao ianao! d teo Jesoa no niteny hoe anio ian d hihaona amko any amparadisa ianao... tsy azoko ilay comparaison an'i diamondra azafady
49. diamondra27 ( 02/02/2009 14:24)
ka ilay comparaison dia tsotra wa , na mahantra na manakarena rehefa mibebaka dia mahazo ny fanjakan'ny lanitra fa tsy izay hoe za nanao soa na za efa nitory sns fa io na nanao inona na inona ianao rehefa tonga ny ora farany ka tsy nibebaka ianao sy manaiky manolotra ny tenanao ho an'i Jesoa mbola averiko ihany dia tsy ho tafiditra ny fanjakan'ny lanitra mihintsy ary izany no ilaina ny fiomanana rehetra alohan'ny hihavian'i Tompo indray.

Izy ihany no lalana hiverenantsika amin'Atra fa tsy ny asa izay atao.
50. soanja ( 02/02/2009 14:52)
Ireto no mahafaoka ny tian'i Kristy ambara amintsika.

Matio 5:1-48

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy , dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina;
5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).
6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra.
9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak' Andriamanitra.
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra;
11 Sambatra hianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12 Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona.
14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe:" Aza mamono olona" (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao.
26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
27 Efa renareo fa voalaza hoe: " Aza mijangajanga" (Eks.20.14).
28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao; ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.
30 Ary raha ny tànanao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.
31 Ary voalaza hoe : Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady ( Deo.24.1).
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy to, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev.19.12).
34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Aza mianiana akory: na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;
35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
6 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao.

37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.

38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify" (Eks.21.24).

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

40 Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.

42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.

43 Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.




51. xxx ( 05/02/2009 23:21)
Aza manaiky dombon'ny ol amin'ny hoe: "Sarotra ho an'ny mpanan-karena no miditra amin'ny fanjakan'ny lanitra". Ny tiany lazaina hoe raha manana ianao dia omeo azy. Satria jereo: AHoana no fijerinao ny fikambanana relijiosy katolika, mahantra ve ireny?
Ahoana no fijerinao ny pasitera amin'ny tanandehibe? Mahantra ve ireny?
Nefa ianao ilazany foana ny hoe fahasambarana valo, hita amin'ny fahoriana valo. Fa izay tsy mizaka ny fahoriana akory
Dia ahy sy anao no mandinika, fa ny fiainana mandalo
52. ikaretsaka ( 06/02/2009 03:18)
xxx:

Aza manaiky dombon'ny ol amin'ny hoe: "Sarotra ho an'ny mpanan-karena no miditra amin'ny fanjakan'ny lanitra". Ny tiany lazaina hoe raha manana ianao dia omeo azy. Satria jereo: AHoana no fijerinao ny fikambanana relijiosy katolika, mahantra ve ireny?
Ahoana no fijerinao ny pasitera amin'ny tanandehibe? Mahantra ve ireny?
Nefa ianao ilazany foana ny hoe fahasambarana valo, hita amin'ny fahoriana valo. Fa izay tsy mizaka ny fahoriana akory
Dia ahy sy anao no mandinika, fa ny fiainana mandalo


Vao mainka miampy ny andra xx sy sy maha dumbass azy
Ny mahatonga ny relijiozy rehefa jeren'ny atyy ivelany..indrindra ireo mpitondra fivavahana hafa hoe misy atokona noho izy de
1-mahay miray hina sy mi vivre en communaute izy de mahay mifanampy...
2- mandray betsaka noho ry zareo ny mpitarika fiangonana sasany fa saingy lany @ vady amanjanaka ny azy..mbola manahy an'ireo ry zareo (jereo ny hafatr'i md paoly momba ny fanahiana)
3- izay mahafoy be no hahazo be hoy ny soratra...fikarakarana mahantra... fampianarana.... sady mandany be zany no mahazo be.....

Mandiniha tsara ary de ny maso sy masompanahy sokafana fa tsy ny maso hafa
53. Nandra1 ( 02/03/2009 08:41)
Inty ny fanampin'io sujetnao io ry Soanja a!: (Timoty I; toko 6)
3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin'i Jeso-Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an'Andriamanitra, 4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ady hevitra aman'ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon'ny olona efa ratsy saina sy nialan'ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. 6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban'ny fianinana; 7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin'izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: 8 koa rahefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin'izany. 9 Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin'ny fandringanana amam-pahaverezana. 10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro.
11 Koa aoka àry hianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy ny Kristy Jeso, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pontsy-Pilaty: 14 tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jeso-Kristy Tompontsika, 15 izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo. 16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita azy na mety hahita azy, ary azy ny voninahitra sy fanjakana mandrakizay. Amena.
17 Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an'Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika; 18 ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin'ny asa soa, hazoto manome sy miantra, 19 dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
Araka ny eritreritro, de sarotra ho an'ny maro tokoa ny hamoy izany rht izany, fa rhf tena mandinika lalina de hahatsapa fa zava-poana ny fiainana eto an-tany: teraka - tanora - maty: na manana ianao na mahantra de izay ihany le Izy, samy tsy mitondra n'inona @ arrivée (teraka) ary ohatr'izay ihany koa ny @ départ (maty) càd mandalo eto an-tany fa ny asa sy zv-bita teto sûre fa manaraka!
An'Andriamanitra irery ny fitsarana satria ny sarotra ho an'ny manankarena tokoa tsy midika hoe impossible, ary tsy misy hoe mora koa ho an'ny mahantra fa ny fantatra fotsiny de hoe ny lalan-tery tsy misy an-kanavaka²!!!!
54. soanja ( 07/03/2009 12:21)
Nandra1:

An'Andriamanitra irery ny fitsarana satria ny sarotra ho an'ny manankarena tokoa tsy midika hoe impossible, ary tsy misy hoe mora koa ho an'ny mahantra fa ny fantatra fotsiny de hoe ny lalan-tery tsy misy an-kanavaka²!!!!


Misaotra nizara saingy tsy mbola resilahatra aho hoe TERY NY LALANA MANKANY NEFA BETSAKA NY VOA NAFAFY!

Tsia hoy aho! IRAY tanjona aleha saingy ny fahatongavana any no samihafa ny fomba hisehony! na mahantra na mpanakarena dia samy tian'Andriamanitra avokoa! Ny harena ao aminy no tiany avoitra!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0485