Manankarena VS Mahantra

21. soanja ( 23/01/2009 02:35)
rijadolly:

soanja:
Ka satria ve izany tsy mino an\'Andriamanitra ry zareo dia tsy maninona raha andevozina? Izay ve no tianao resahina? Ary iza moa no niteraka an\'Ismaely? tsy andevo ve moa iny? ahoana izany no ijerevantsika azy atao hoe tsy miangatra.
Ny lasa rehetra dia dindon\' ho avy. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=110&andininy=1-1&dika= Izay tsy miova fa manohitra an\'Andriamanitra hatramin\'farany dia fahavalony.Nisy anefa ny fotoana hampiova ny fahavalony eny fa na dia eo amin\'androny farany aza.Andriamanitra dia niteny an\'Ambrama(satria mbola vao miteny azy Andriamanitra an! ihihihi!) fa tsy maintsy ho forana avokoa ny ao an-trano rehetra. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=17&andininy=10-14&dika= Midika zany fa anisany mahazo ny fasoavaNY ireo mpanompon\'Abrama satria noforana izireo.Midika ho azy zany fa tsy nisy ny fiangarana ho an\'izay manompo an\'Andriamanitra.

Miala tsiny fa mbola mijanona amin'ny resaka Fiangarana foana ny resako. Mazava ny resaka fiforana lazainao fa ny tiako anontaniana izay tsy mety voavalinao dia hoe nony nifora ve ireto olona noresahinao ireto dia tsy nandevozina intsony. Lasa nitovy lenta tamin'i Abrahama sy ny hafa ve ny kilasim-piainany amin'ny fiainana andavanandro, fa tsy eo anatrehan'Andriamanitra no resahiko.

Voalaza ao anaty baiboly ve ity na hoe mitovitovy amin'ity hoe : "Aza andevozina ny olombelona mitovy aminao satria tsy mety izany na manambaka izany na manimbazimba olona izany ... "

Misaotra mialoha. Raha mbola tsy nametra io Fanandevozana io ny teny voalaza ao anaty baiboly dia mampanontany tena ahy ny fivoatran'ny rehetra.

Io teny voalaza eo ambany io no fototra indrindra amin'ny fitiava-namana sy ny fitiavana ny hafa ary na ny fahavalo.

Izay tsy tianao ataon'olona aminao dia aza atao aman'olona.

22. soanja ( 23/01/2009 02:48)
rijadolly:

soanja:
Ka satria ve izany tsy mino an\'Andriamanitra ry zareo dia tsy maninona raha andevozina? Izay ve no tianao resahina? Ary iza moa no niteraka an\'Ismaely? tsy andevo ve moa iny? ahoana izany no ijerevantsika azy atao hoe tsy miangatra.
Ny lasa rehetra dia dindon\' ho avy. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=110&andininy=1-1&dika= Izay tsy miova fa manohitra an\'Andriamanitra hatramin\'farany dia fahavalony.Nisy anefa ny fotoana hampiova ny fahavalony eny fa na dia eo amin\'androny farany aza.Andriamanitra dia niteny an\'Ambrama(satria mbola vao miteny azy Andriamanitra an! ihihihi!) fa tsy maintsy ho forana avokoa ny ao an-trano rehetra. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=17&andininy=10-14&dika= Midika zany fa anisany mahazo ny fasoavaNY ireo mpanompon\'Abrama satria noforana izireo.Midika ho azy zany fa tsy nisy ny fiangarana ho an\'izay manompo an\'Andriamanitra.

Misaotra indrindra nanome an'ireo teny ireo saingy ny tiako tsindrina dia ny teny voalaza ilay farany nomenao io dia milaza mazava fa HOFONGORANA ireo izay nivadika tamin'ny fanekeny. Izany hoe izay lasa FAHAVALO na tsy manaraka ny teniny? Izay tsy mety foraina na nifora.

Koa raha izany hitombina ihany ve ilay teny hoe TIAVO NA NY FAHAVALONAO AZA! Raha tianao ny fahavalona dia tsy ho fongoranao mihitsy amiko fa tiavina ary atao izay mampety ny fiainany saingy ny olonao no arovy. Sa ve mifanaraka ny Fitiavana sy ny Famonoana na ny famongorana???

23. soanja ( 23/01/2009 03:00)
ikaretsaka:

Io saina matsilo io koa dia azo ampiasaina amin'ny ratsy sy ny tsara? De eo no iresahiko hoe matoa misy ny mahatra dia; na izy tsy dia matsilo (voajanahary), na izy voambaka (nandevozina amin'ny fomba isan-karazany), na izy teren'ny zavamisy eo (Voajanahary no mety koa politika sns tafiditra amin'io farany io ny fanabeazana).
Ka aiza amin'ireo voaresaka ao amin'ny baiboly?

voaresaka ao aby ireo

Raha voaresaka ireo ao anaty bible, Ika dia mba tiako ny hamone ahy eto ny mombamomba ireo raha possible.

Inona no nolazain'Andriamanitra ao anaty baiboly momba ny olona manan-tsaina matsilo sy ny olona teraka nefa tsy matsilo na tsy afaka mianatra lasa lavitra noho ny sainy tsy afaka miasa loatra. Tsy mahita mahiratra amin'ny ho aviny ohatra fa dia tavela eo.

Ankoatr'ireo dia fanandevozana mazava ho azy tamin'ny andron'ny testamenta taloha ary mbola nisy ny fanohizana izany taty afara na dia nilaza azy ho mpivavaka aza ireto avy any Eropa nitondra ny fivavahana teto Amerika.

Ny fametrahana ny olona na teraka efa voajanahary any amin'ny tany maina sy tsy misy atoraka. Ary indrindra ireo izay ianjadian'ny politika mahatsiravina tsy manome vahana ny mahaolombelona ka afaka hanaraka ny fifaliam-panahiny. Anisan'ny tiako tsindriana amin'izany ny fidiran'ny Mpanjana-tany tao Madagasikara. Moa ve tsy mahantra isika izao? Inona no nampahantra antsika? Iza moa ny nitarika ny fanjanahana fa tsy ny misionera betsaka sy ny politika, fanambakana nataon'izy ireo.

Misaotra mialoha.

24. soanja ( 23/01/2009 03:07)
badboy:

Betsaka ny azo lazaina ao anatin'io lazain'i sonja io! Saingy ilay resaka manankarena sy mahantra ihany no ho raisiko!!!

Ho faritako aloha ilay mahantra satria tsisy sariteny mihintsy lazain'ilay baiboly fa ny tena dikany no tiany ambara!!
Ny dikan'ny hoe manankarena lazainy ao dia ireo izay afaka miaina mihoatra lavitra ny tokony ilainy @ andavanandro!! Manana ny ampy eo @ fiainana, ary mihoatra ny ampy aza satria na ny zanaka amanjafy ho avy aza (t+1) dia afaka manantena sy miaina @ izay fanana ananan'ilay olona misy @ izao fotoana izao (t)!!
Ilay mahantra voalaza ao dia ireo izay tsy ampy fanana ka ny ho hanina anio tadiavina anio, raha tsy hoe tadiavina rahampitso mihintsy aza angamba!!

Ny mahatalanjona dia ny tena tiany ho lazaina mihintsy no ovain'ireo mpitory teny ato satria raha nilaza izy fa sarotra kokoa ho an'ny mpanakarena ny hidirany ny fanjakan'ny lanitra nohon'ny hidiran'ny rameva @ vodimpanjaitra, dia tsy nilaza kosa izy fa ho mora ho an'ny mahantra ny hiditra ao @ io toerana io satria hoe mahantra ilay olona!!

Dikany, tsy hoe rehefa mahantra dia tsy maintsy ho tafiditra, na koa manankrena di aho lasa sisitosy, fa izay manao ny soa @ manodidina azy, na mahantra izy na manana, no hahazo io voalaza io!!

Izany hoe, ilay filazana fa sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan'ny lanitra........ dia tsy midika mihintsy hoe tsy mila mitady harena ny mahantra raha tsy izany tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra, fa midika hoe mbola misy ny fanantenana!! Koa ilaina ho manantena lalandava, saingy ilay fanantenana dia tsy maintsy arahan'asa tahaka ny fiezahana lalandava mba ho hanakarena ao anatin'ny fahamarinana koa, na koa anaovana ohatra ilay manankarena mba hiezahana eo @ fiainana!!

Tsy adin'ny manakarena @ mahantra, na koa ny mifamadika @ izay ilay izy, fa adin'ny mahantra mba hiezaka hanankarena, ary koa adin'ny manankarena mba hanampy ny mahantra!!

Tsy hidirako ny adin'ny manampahaizana @ tsy mahay ka mahatonga ilay fanandevozana fa manjary lavabe!!! 8) 8) 8)

Voalazanao Ndrematoa ny tiako hampitaina. Misaotra indrindra!

Mila mifampitsimbina isika mianakavy fa tsy hifampitsikilo ary hifampitsaratsara. Na mpanana iny na mahantra anjaran'ny tsirairay ny mahalala hoe aiza aho eo anatrehan'Andriamanitra ary inona no zavatra ilaiko atao hamitana izay takin'Andriamanitra amiko izany. Ny asa manoloana izany no mariky ny fitiavan'Andriamanitra.

Tsy mihevitra velively aho fa mila manao asa soa vao mba tiavin'Andriamanitra, tsia! Mila manao asa soa aho satria io no fomba azoko hanompoana an'Andriamanitra. Ny hiditra any na tsia tsy ety ampelatanako ny fahefana fa Azy irery ihany.

25. soanja ( 23/01/2009 03:18)
Fody:

Ika: Ny mipetraka eto dia ny safidy hoe: Jesoa sa ny harena?

Ny fisafidianana an'i Jesoa dia mitaky fitiavana: Fitiavana azy Andriamanitra sy ireo rehetra noharin'ny tanany. Ary izay fitiavana izay dia aseho indrindra amin'ny fahafoizana sy fampiasaina izay hanana sy hay araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Am-pitiavana

Ekeko tanteraka koa io ary io no tena zava-dehibe indrindra raha ny Fitiavana azy Andriamanitra noresahina satria mahafehy azy tokoa. Raha amin'io dia tsy hisy resaka ny hoe mahantra sy mpanakarena fa izay anananao dia tokony hainao ny hampiasa azy araka ny takian'Andriamanitra hampiasaintsika azy.

Ka aiza amin'io no ahafahatsika mitsara fa ilay Manankarena dia manana io toetra tsy tian'Andriamanitra io noho ny Mahantra? Raha nanankarena ve ireo mahantra noho ireo resaka ery ambony dia hino Andriamanitra fa tsy hanao toy ireo mpanana koa?

Tsy hinoako hoe resaka fananana no resahina eto fa ny finiavana hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Ny harena dia avy amin'Andriamanitra ihany koa mantsy.

26. deric ( 23/01/2009 08:22)
tsy voatery ho harena ilay izy, fa na inona na inona zavatra manan-danja be indrindra aminao ka ataonao ho mihoatra noho Andriamanitra dia izay ilay fahasarotana amin'ny fidirana amin'ny fanjakan'ny lanitra; ny antony dia satria io zavatra heverina fa tena izy io ihany no hanelingelina ny fankatoavanao an'Andriamanitra sy ny sitrapony.
misaotra.
27. ari.malala ( 23/01/2009 12:57)
rijadolly:

soanja:
Afaka fakafakaintsika eto ve nahoana tokoa moa ny manankarena no tsy tafiditra amin\'io fanjakan\'Andriamanitra resahina io
Tsy hoe tsy afaka miditra ao amin\'Fanjakan\'Andriamanitra fa hoe: Matio 19:23-24 23 Dia hoy Jesosy tamin\'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran\'ny manan-karena amin\'ny fanjakan\'ny lanitra.24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran\'ny rameva amin\'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran\'ny manan-karena amin\'ny fanjakan\'Andriamanitra.Ataoko fa azon\'Soanja @zay ngamba ô! fa ny zavatra tsindriko kely dia ity: Ny manan-karena mety(mety hoy aho an!) manana saina kely ho tia ny harenany.Dia izany no nahatonga an\'Kristy ilaza hoe: http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=6&andininy=19-24&dika= Fa ny mahatra moa inona ny harenany eo? :arrow: fa tsy ny asa fa ilay ao anatinao sy ny fomba fanomponao an\'Andriamanitra(tsy mifangaroaro) no lalana iray hidiranao any amin\'Fanjakan\'Andriamanitra.

Aiza hoaiza eto no misy miresaka hoe tsy afaka aloha? Namaky hatrany am-boalohany aho fa tsy misy hoe ts afaka mintsy ao! Izay ilay fomba fandraisana teny izay ilay mandiso ny dikany hatramin'ny farany!

Fody, fa i Jesoa anie tsy manome safidy radical sarotra raisina be ohatrizany anao izany hoe Jesoa sa ny harena e!

Amiko manokana, ilay harena tenenin'i Jesoa eto dia izay mety hanakatsakana ny fifandraisana Aminy, ka iny no asainy "amidy" ahafahana manaraka Azy.
28. Fody ( 23/01/2009 13:24)
ari.malala:

Tsy niteny nivantana tokoa Kristy hoe: Ny harena ve no fidinao sa izaho Kristy (nantsoiny hoe: Tsara = Andriamanitra).

Fa mipetraka kosa ny safidy ho an'ilay tovolahy eto hoe:

"Hanaraka izay voalazan'i Kristy ve, izay mitaky ny hamelako ny harenako rehetra, sa tsy hanaraka an'izany dia hihazona ny harenako rehetra ho ahy kosa". Izany hoe: Na manaiky, dia hifidy an'i Kristy, na handà dia mifidy ny tsy hiaraka aminy.

Raha atao amin'ny fomba fiteny malagasy mahazatra io dia hoe: "Tanin'andriana tiana honenana, satan'andriana tsy maintsy arahina".

Na koa ilay hoe: "tsy miaraka azo ny fandriana mafana sy ny valala matavy"

Donc tsy maintsy misafidy. Izany hoe: mametraka ny Safidy eto Kristy: hoe Izy sa zavatra hafa.

Tena mitombina koa anefa fa tsy sanatria diso izay voalazanao hoe : "Amiko manokana, ilay harena tenenin'i Jesoa eto dia izay mety hanakatsakana ny fifandraisana Aminy, ka iny no asainy "amidy" ahafahana manaraka Azy".

Am-pitiavana be.

29. rabilabila ( 23/01/2009 15:02)
Amiko indray , raha ireo toko sy andininy natolotr\'i Fody ireo no zohiana , dia misy hetsika takiany aminareo : rakitra iray ny fivarotana ny harena ....., fa mbola be koa ny rakitra tsy maitsy ataonareo mba azahoanareo miditra amin\'ny fanjakan\'ny rainy.

Ilay hoe :\".....avia manaraha ahy\" ,amiko ,dia efa voatatitra ao @ Matio 10 (raha tsy diso ny fitadidiako) ,izay milaza fa ny fanarahana azy dia mitaky fanonkanantena ho azy manokana ; ny harena lazainy ao dia izay rehetra mety hampiodina ny saina amin\'ny fanarahana azy : harena ara-materialy , ray , zanaka , rafozana , vinanto..............,ary ampiako hoe fahalalàna,fitsongolohana,fametraham-panontaniana............==> ilay fanokanantena izany dia ny delestage-n\'izay tranga rehetra mety haka ny fotoana sy ny hery ananana ho amin\'ny \"zavatra\" hafa ankoatrany.
Izay no mahatonga ilay hoe \"sarotra\" ,satria vitsy ,na azo atao hoe tsy misy aza ,raha mbola olombelona ,no afaka hanary ny rainy noho ny aminy , ny zanany noho ny aminy ......etstra.....

Ampiako kely , rehefa niteny izy hoe :\"avelao ny zaza hanantona ahy,ary aza raràna , fa an\'ny toa azy ny fanjakan\'ny lanitra \" ,amiko ilay \"zaza\" dia ireo mbola tsy tratran\'ny \"pollutions\"-n\'izao tontolo izao araky ny famaritany azy ,ireo mbola \" vierges de tout questionnement existentiel \" .........etsetra ....satria ny fanokafana ny mason\'ny \"zaza\" , ny fanentanana azy hametra-panontaniana dia manome azy \"bagages\" izay \"mety\" ho sarotra no mi-deléster azy .

Ny ahy aloha ,mazava ho azy eto ,dia miezaka foana aho ny hanankarena arak\'izay vitako sy tratry ny aiko : harena ,amiko , no mbola velon-dray velon-dreny, harena amiko ny fananana anadahy sy rahavavy marobe , harena amiko ny fananana ireo zanaka marobe ( na ny ahy manokana ,na ny an\'ny hafa) , harena amiko ny fifaneraserana amin\'ny hafa , harena amiko ny fizaràna izay kely anànana amin\'ny hafa , harena amiko ny mahafantatra ny hafa sy ny tontolo mba hahamora sy hampandeha hoa azy ny fitiavako azy , mbola harena koa ny fitsijovana ny hafa na dia tsy mahazo setriny aza , harena daholo izany rehetra izany , amiko .
Koa na iza na iza no hitaky amiko ny hivarotra ,na hamela ireo harena ireo ,na inona na inona antony ,dia miala tsiny aho fa izy no delester-ko , na tsy detester-ko aza.

Sinon , mitovitovy amin\'i Soanja sy Badboy ny hevitro eto ,raha resaka tontolo no jerena.
30. ikaretsaka ( 23/01/2009 15:44)
izahako tany ambony:

marina aby ny ambaranao saingy amiko ireo olone noresahan'i jesoa ireo de efa tsy eo @ staden'ny safidy loatra fa efa eo@ staqde hoe ahoana no tokony fampiasainao ireo harena ireo rehefa AVY nisafidy ny hanaraka an'i Jesoa ianao..
Satria ireo olona notantaraina teto rehetra de efa niteny aby hoe hanaraka an'i Jesoa avokoa saingy!

31. Fody ( 23/01/2009 15:49)

Ny fikatsahana zavatra iray (na inona izany na inona) dia mitaky fahafohizana sy fandavan-tena ary fandavana zavatra maro eo amin'ny fiainana.

Ohatra: izay te ho lasa halavitra amin'ny fianarana (tsy mionona amin'izay misy eo an-toerana) dia tsy maintsy mandao ny Ray aman-dreniny, ny havana aman-tsakaiza, sns...

Izay te ho afa-panadinana dia tsy maintsy mampandefitra ny sitrapony sasantsasany mba hananany fotoana ampy hifatohana amin'ny fianarana. "Ny bacc leitsy mila famehezan-tena, hoy Ainga izay, nefa izaho te hampiaraka...."

Izay te hanambady dia tsy maintsy mandao ny ray aman-dreniny, mamela ny sipany rehetra mba ho an'ny hafa, sns...

Ny tiako hatongavana dia hoe: " Ny finoana dia faharesena lahatra tanteraka fa tsy misy ambony mihoatra an'Andriamanitra ". Ary izay finoana izay no mitarika ny tena hitia azy, ary handao ny zavatra rehetra noho ny aminy.

Am-pitiavana be.

32. rijadolly ( 23/01/2009 15:59)
Tonga dia ny an' ari.malala n valiako aloha.Marina ny an'se fa tsy misy an'io ao hoe "tsy afaka miditra" fa kosa tenin'soanja no nahatonga ahy niteny hoe "Tsy hoe tsy afaka miditra ao amin'Fanjakan'Andriamanitra" satria
soanja hoe:
Afaka fakafakaintsika eto ve nahoana tokoa moa ny manankarena no tsy tafiditra amin'io fanjakan'Andriamanitra resahina io
dia nahitsiko izy ka
za hoe:
Tsy hoe tsy afaka miditra ao amin'Fanjakan'Andriamanitra fa hoe: Matio 19:23-24 23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.Ataoko fa azon'Soanja @zay ngamba ô! fa ny zavatra tsindriko kely dia ity: Ny manan-karena mety(mety hoy aho an!) manana saina kely ho tia ny harenany.Dia izany no nahatonga an'Kristy ilaza hoe: http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=6&andininy=19-24&dika= Fa ny mahatra moa inona ny harenany eo? :arrow: fa tsy ny asa fa ilay ao anatinao sy ny fomba fanomponao an'Andriamanitra(tsy mifangaroaro) no lalana iray hidiranao any amin'Fanjakan'Andriamanitra.
Misaotra ari fa izany fanamarihana zany ny tena ilaina eto sao miteniteny foana ny havanao ka lasa manolana ilay teny ny farany.
33. soanja ( 23/01/2009 16:31)

Tsy misy diso velively ny teninareo mianadahy. Ekeko tokoa io saingy ny tiako tsindriana eto dia tsy ny tena hoe sarotra sy ny tsy tafiditra sy ny tsy afaka tafiditra fa ny hoe Manankarena. Diso angamba ny famoahako ny hevitra, koa ialako tsiny.

Ahoana moa io fananankarena io? Nahoana no misy ny fahantrana? Tiako hisokatra amin'ny fomba isankarazany ny fisiany fijerena ireo teny roa ireo.

Lazaina fa sarotra izany ny fidirana any ho an'ny manankarena? Notsindrina mihitsy hoe MPANAKARENA! Dia hibitaka ve zany ny mahantra fa afaka fa hiditra moramora satria mahantra?

Ny tena izy angamba raha zohina ny resaka dia tsy ny hoe manankarena sy mahantra akory fa hoe ny hon'izay olona manolo-tena hanome ny momba azy amin'Andriamanitra. Io ilay foraina sy tsy mety hifora sns... Tsy tokony ho voalaza eo akory ny resaka manankarena fa misy resaka tsy mifandray ao.Satria io teny mpanakarena io no lalaovin'ny sasany hanilikiliana ny sasany. Nefa anie ka Andriamanitra no manome ny harena. Io dia isan-karazany ny fomba isehoan'io harena io.

Eto no hanomezako tsiny ny baiboly satria mampisaratsaraka ny zavanisy voalaza betsaka ao nefa ny Fitiavan'Andriamanitra izay tsy manampetra ary tsy misy romoromo no tokony imasoantsika. Raha mazava tsy misy pentina ny baiboly dia nino aho fa nifanakaiky isika mianakavy ary nitambatra ho iray saingy jereo anie ny lohahevitra rehetra any e. Mampanongo tena tokoa. Miezaka manazava ny sain'ny rehetra ny Xna nefa tsy mahatafavoaka. Ny tsy mpino manao izay te hampazava ny saina hoe diso be io fijery Xna io sns... Betsaka ny fifandirana sy ny haizina ary ny tsy fifankazahoan-kevitra mifangaro. Inona izany no tena fototra? Nahoana isika samy Xna no tsy mitovy fijery nefa boky iray no iaingana? Manontania tena ihany tompoko sao dia tsy isika no olana fa ilay zavatra iaingana?

Misaotra mialoha hatrany mamaly ary ampitiavana hatrany.

34. rijadolly ( 23/01/2009 17:01)
soanja:
Miala tsiny fa mbola mijanona amin\'ny resaka Fiangarana foana ny resako. Mazava ny resaka fiforana lazainao fa ny tiako anontaniana izay tsy mety voavalinao dia hoe nony nifora ve ireto olona noresahinao ireto dia tsy nandevozina intsony. Lasa nitovy lenta tamin\'i Abrahama sy ny hafa ve ny kilasim-piainany amin\'ny fiainana andavanandro, fa tsy eo anatrehan\'Andriamanitra no resahiko.
fa tsy eo anatrehan\'Andriamanitra no resahiko
Misaotra an\'se fa azon\'se tsara ny tiako lazaina fa io ao amin\'Andriamanitra io ny tena asongadiko.
Ra eo amin\'fiainana indray ra ny hevitro dia mbola tsy afaka miala amin\'izao tontolo izao isika ka ho afaka amin\'saranga apetrany.Za zao dia gardien ny asako,Ny mpampiasa ahy dia mpino,za koa mpino.Za dia manaiky ny fanompona ataoko aminy amin\'maha Kkristianina ahy.Izy ve no andrasako hamoa ny vavahady sa za.Za ve tokony hiaritra hiaritory nefa za Kristianina?Iza no afaka hanometsiny an\'lehibehiko ka ilaza azy fa oh tsy Kristianina no mampiharitra ol Kristianina tahaka azy amin\'andro avy orana sy hatsika no sady mibedy ahy raha vao hitany matory aho?Hanome tsiny an\'Andriamanitra ve za amin\'izany tsy fitoviana zany?
35. rijadolly ( 23/01/2009 17:01)

36. soanja ( 23/01/2009 17:30)

Misaotra an'i Rijadolly. Io tiako lazaina momba ny " Fa tsy eo anatrehan'Andriamanitra no resahiko io" dia io Andriamanitra izay Tompoiko Soanja io dia hananako fanajana sy fitiavana ary hasina tokoa. Tsy hinoaka ny hanolotra fiangarana ho an'ny hafa.

Saingy kosa io Andriamanitra tiako atrehana eo amin'ny fiainako io dia voahosopotaka ao anaty Baiboly. Nozimbazimbaina ny hatsarany noho ny teny sy ny maro hafa nampifangaroan'olombelona ny momba azy. Ny mampalahelo anefa dia io boky iray no ifotoran'ny sain'ny rehetra Xna ka zary tsy ahitan'ireto farany ny marina momba an'Andriamanitra.

Ny Fiangarana dia betsaka ao anaty boky io. Io boky io anefa no manoritra ny fiainan'i Xna ankamaroany ka zary haka an'io ho tena misarantsaraka sy tsipotsiponina fa tsy raisina amin'ny hevitra bangoina avy amin'ny fitiavana dia hoe:

IRAY ISIKA AO AMIN'ANDRIAMANITRA. TIANY ISIKA ARY ANJARANTSIKA TSIRAIRAY NO MAHAFANTATRA NO MOMBA ANTSIKA EO ANATREHANY. MIASA NOHO IZANY. MIAINA NOHO IZANY. MIFAMALY IZANY FITIAVANA NAORINY AO ANATINTSIKA IZANY. TSY MISY FIANGARANA. TSY HISY TOMBO SY HALA ARY TSY HISY HAILIKA HIDITRA ANY ANATY FARIHY FENO AFO. AMPITAO NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA, FA AZA AMPISARATSARAHANA ISIKA. IZAHO SY IANAO, ANDRIAMANITRA NO EO AMPOVOANTSIKA! AMEN! NAMASTE! INSH ALLAH! PEACE TO THE WORLD!

Tsy tezitra velively io nataoko saroabaventy io akory fa tiako hasongadina fotsiny fa io no finoako! Io no momba ahy Soanja!

37. Mirananirina ( 23/01/2009 18:16)
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao

hoatra ny tsy misy intsony izany ankehitriny an,ny tena aloha izay vao ny hafa.
Na manakarena na mahantra dia mitovy eo aminy finoana.Misy ny ratsy ary misy ny tsara.
38. rasoan ( 25/01/2009 13:27)
Ny ahy dia ny ao anaty baiboly ihany no hamaliako ny resaka manhantra sy manankarena.
"Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta". Ohabolana 22:2

Andriamanitra tsy hanome tsiny izay manakarena na mahantra fa Izy daholo no nanao azy.
Fa ny fampatsiahivana nataony fotsiny dia hoe samia mahafantatra izay ataony sy tokony ho ataony.
Izay nomeny harena koa anie tsy dia tokony hoe mampiada-tena fotsiny fa tokony mba hahay hampiasa ny harena nomena azy mba hanasoavana ny ny hafa (mahantra,...).
Marina fa ny herimpon'ny mpanakarena no nahazoany harena nefa rehefa tsy mahazo fitahiana sy fahendrena izany dia mety ho foana @ fotoana vitsy fotsiny.
Raha ny marina izany dia nomena (nampindramina maharitra) ny mpanakarena ny harena dia mba anjarany ny mampitombo sy mitsinjara an'iny mba hisy hoan'ny mahantra. Comptable-n'Andriamanitra izany ny mpanakarena hita maso ka ireny no asainy mitsinjara ny "harena" araka ny tokony ho izy.

Ny mahantra kosa dia tsy tokony ho kivy fa tokony hanana fanantenana ihany hoe mba ho lasa manankarena koa. Tsy maintsy misy foana ny mahantra sy mpanankarena, ka nahoana moa ny mahantra no tsy mba afaka ny hieritreritra ny hanana ?????.
39. soanja ( 25/01/2009 14:45)
rasoan:

Marina ny voalazanao ary tsy misy hokianina saingy raha ny baiboly no raisina ka mamaky fotsiny ianao fa tsy misy fanazavana ankoatrany (miankina amin'ilay finoana na fiangonana hidiranao) dia ahita ianao fa betsaka ny fanilihana ny manankarena ao. Satria ny teny misoratra no milaza izany. Raha vao tapatapahana ny teny ao amin'io boky iray io dia mandiso zavatra be dia be tokoa ho an'ireo olona tsy zatra mandalina azy. Koa mila mitandrina ireo izay mino azy satria afaka mamandrika anao amin'ny sty fitiavana ny hafa ny baiboly!

Ilaina ny harena, ny fomba azahoana azy sy ny fampiasana azy dia tokony hampifanarahana amin'ilay fitiavan'Andriamanitra. Satria ny harena dia avy aminy.

40. ikaretsaka ( 25/01/2009 15:42)
Ny hoe sarotra tsy midika hoe tsy possible
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.046