Kristy: Teny izay tonga nofo

1. niryna ( 22/01/2009 13:37)
MIarahaba antsika rehetra antrany aho.Raha ny soratra masina no resahina dia milaza mazava fa Atra i kristy : Jaona 1:1-4
Fahazavana izay namirapiratra tao anatin'ny maizina .Atra be fitiavana.efa nisy hatramin'ny voalohany ,fahazavana izao tontolo izao ,tonga nofo toa antsika ary nitomany ,nifaly ,nalahelo ,nangetaheta ,noana
Jaona 1

1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.


3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.


4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.


5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. 2[Na: tsy nahasakana azy].


6 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.



14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.


Raha ny voasoratra izany dia izay rehetra mino izany teny voasoratra izany dia ahita fiainana mandrakizay tokoa satria hoy ihany ny soratra masina manaza amintiska hoe

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.


Lasa tonga nofo toa antsika izany ilay kristy : reraka,mitomany ,noana,mangetaheta ,tezitra ,malahelo

hmm ahoana ny eritreritra ?

(l) niryna
2. ikaretsaka ( 22/01/2009 14:07)
aza adino ilay hoe niara nonina sy eo amintsika mandrakariva... mandra pahatonga ny fara andro..
de aza adino koa ilay ao @ joany 6 manao hoe tena fisotro ny rany ary tena fihinana ny rany, ary izay mihinana sy misotro azy no hanana ny fiainana mandrakizay....

mba hanananao idee.. de henoy ny lyrics an'ity http://www.youtube.com/watch?v=L_h9eQ15CIs
3. badboy ( 22/01/2009 17:59)
Tena rehefa nodinihako ny tena marina momban'i nyrina, mety ho diso angamba ny ho lazaiko na koa tsy lavitra ny marina, dia tsapako ho mitory izay nampianariny azy tany @ izay nalehany eto izy!! Izany hoe manao ho "apôtre"n'ilay nanome lesona azy!! Manarak'izay, rehefa miezaka ny mandresy lahatra ny hafa ianao nyrina, dia ny tena marina ianao no tena tianao ho resena lahatra!! Tsapako ho tsy mahatoky tena loatra ianao ka mitady lalandava ilay fanohanan'ny manodidina ny fahamarinan'ny ataonao na lazainao!!

Vokany : mila mandeha mijery psy ianao fa izay no vahaolana tena ilainao izao hahafantaranao marina ny tena momba anao!!! Anatrin'ny namana io fa tsy fanenjehana na fanabatiana akory!! Hoy ny ohabolantsika "Ny adalan'ny tena tafindamba" na koa ilay hoe "Ny havantiana no anarina, ny olon-tsi-tiana havarina"!!! 8) 8)
4. rijadolly ( 22/01/2009 19:32)
Misaotra Niryna a!dia misaotra an\'ika nanampy e!
niryna:
Lasa tonga nofo toa antsika izany ilay kristy : reraka,mitomany ,noana,mangetaheta ,tezitra ,malahelo
ahoana ny eritreritra ?
\"Araka ilay hira zay ny heritreritro hoe:Nomenao ohatra ilay zanakao,misaotra e!e!e!\"Nofo sy rà IZY nefa nahatohitra hatramin\'farany ireo fankampanahy
dia tsapako ho mitory izay nampianariny azy tany @ izay nalehany eto izy!!
Zay mihitsy ka fa tsy hoe mety,na za aza dia zany mihitsy,rehefa hitako fa nahasoa ahy dia zaraiko amin\'namana sy izay mamaky na mandre fa tsy azo tazomina ho ahy samirery satria za nomena maimaipoana.

Ilaina ny mifanohana sy mifampahery eo amin\'samy Kristianina Badboy a!Ary marina mihitsy ny tenin\'se hoe tsy dia azo atao ny matoky tena be hoe za ty zao fa mila Hery na Fahalalana hafa akaotra ny herin\'tena e!
5. ikaretsaka ( 22/01/2009 19:42)
Ilaina ny mifanohana sy mifampahery eo amin'samy Kristianina Badboy a!Ary marina mihitsy ny tenin'se hoe tsy dia azo atao ny matoky tena be hoe za ty zao fa mila Hery na Fahalalana hafa akaotra ny herin'tena e!


iznay ry RD tsy midika hoe rehefqa mamoehatra izy de miara mamoehatra miaraka aminy koa akory ianao satria ohatranao izy ...non... totoina izy raha manao diso
6. ari.malala ( 23/01/2009 12:45)
Lasa tonga nofo toa antsika izany ilay kristy : reraka,mitomany ,noana,mangetaheta ,tezitra ,malahelo

hmm ahoana ny eritreritra ?
inona no tian mpanoratra ambara?
7. Mirananirina ( 23/01/2009 18:13)
inona no tian mpanoratra ambara?

izaho koa tsy mahazo,tsy efa nofo ve izy vao maty sa ahoana
8. ikaretsaka ( 24/01/2009 00:20)
velabelaro misimisy hono hamakafakanay sy hanadihadianay azy e
9. prime ( 26/01/2009 10:49)
Misaotra nyrina... =D>

Tonga nofo Izy, maty sy nalevina ary nitsangana tamin'ny maty, ary efa any an-danitra manomana ny toerana ihafaran'ny mpino...

Efa Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy ankehitriny ary Mpanjaka Lehibe noho izay mpanjaka nisy hatramin'izay... :)
10. diamondra27 ( 26/01/2009 11:32)
Ny tiana ambara dia momba ny teny tongaaa nofo.
Ny teny dia tsy iza fa Atra ary Atra tsy iza fa kristy ilay zanaka tonga nofo mba hiharitra ny mafy tahaka ny mahazo ny olombelona : mandia epreuves
1- nalain'ny devoly fanahy: ilay ao amin'ny matio
2-noanasy mangetaheta: naona vy rano ho divay sy nampitombo ny mofo sy hazadrano 5
3-nitomany
4-:nalahelo: Atra o nahoana no dia mahafoy ahy enao, esory amiko ty kapoaka ity
5- mi-pardonner: Atra o, mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony
6- fitiavana: fa toy izao ny nitiavan'Atra zao tontolo zao nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very zay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
sns sns
ka raha tany amboalohany Atra niteny hoe misia zao sy zao dia tonga izany cf genesisy
rehefa nanota ny zanal'olombelona dia mbola nalefan'Atra ihany ny zanany mba hanavotra antsika olombelona

ary maty noho ny fahotantsika Izy ary efa nitsangaana ka manomana toerana ho an'izay mino Azy.

Dia hafinaritra ery izany hahita an'i Jesosy mivantana izany rehefa miala ety sy hihaona amin'ireo kristiana maro tsy tambo isaina
11. Noue ( 26/01/2009 13:47)
Lasa tonga nofo toa antsika izany ilay kristy : reraka,mitomany ,noana,mangetaheta ,tezitra ,malahelo
:-D :-D :-D
12. ikaretsaka ( 26/01/2009 14:32)
Aza ajanona eo @ teny sy tonga nofo fotsiny fa tohizo hatrany @ izy niara nonina ary eo amintsika mandrakariva sy ny hoe tena fihinana sy ny raiso ary hano e
13. niryna ( 28/01/2009 18:33)
ikaretsaka:

aza adino ilay hoe niara nonina sy eo amintsika mandrakariva... mandra pahatonga ny fara andro..

izay tokoa,olona toa antsika izy ary niara-nonina tamin'ny olombelona na dia Atra aza e

14. niryna ( 28/01/2009 18:49)
badboy:

Tena rehefa nodinihako ny tena marina momban'i nyrina, mety ho diso angamba ny ho lazaiko na koa tsy lavitra ny marina, dia tsapako ho mitory izay nampianariny azy tany @ izay nalehany eto izy!! Izany hoe manao ho "apôtre"n'ilay nanome lesona azy!!
mba azavao kely hoe ny tianao ho marina aminao miteny ahy io ?
Manarak'izay, rehefa miezaka ny mandresy lahatra ny hafa ianao nyrina, dia ny tena marina ianao no tena tianao ho resena lahatra!!
hi,hi ... izay teny omena dia tsy miverina amiko intsony fa dia hianao no ho anontanian'Atra raha nandray na tsia
Tsapako ho tsy mahatoky tena loatra ianao ka mitady lalandava ilay fanohanan'ny manodidina ny fahamarinan'ny ataonao na lazainao!!
izay no eritreritrao dia izay izy fa tsy midika ho izay eritreritrao mihitsy ny maha izaho ahy ,fantako ny maha izaho ahy ary kristy koa no toriko eto foana fa ny anao dia hianao ihany no mahalala izany ka anjaranao no mandray azy ho tompo sy mpanjaka ary mpanavotra anao raha te ahazo famonjena hianao satria efa voasoratra ao anaty soratra masina izany dia ilay boky volamena e (baiboly) , toa ahy izay mitory anao eto :tompoko izy ,mpanjakako izy ary mpanavotra ahy mba tsy ho very koa izy ... safidy io rahavako ,fizarana fotsiny ny ahy fa tsy ho voatery hino na anaraka izay zaraiko akory hianao ,dia zarao toa izany koa ny olona na anaraka anao izy na tsia izay finoanao fa manana safidy isika jiaby ,afafazo ny voa ary voa tsara no afafazo mba amoa voa tsara koa

Vokany : mila mandeha mijery psy ianao fa izay no vahaolana tena ilainao izao hahafantaranao marina ny tena momba anao!!!
ha.ha,ha io anie no efa noteneniko anao foana foana hoe mampalahelo ahy hianao ity e
vakio ny 1 kor 1

18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

19 Fa voasoratra hoe:"Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala" (Isaia 29:14) .



Anatrin'ny namana io fa tsy fanenjehana na fanabatiana akory!! Hoy ny ohabolantsika "Ny adalan'ny tena tafindamba" na koa ilay hoe "Ny havantiana no anarina, ny olon-tsi-tiana havarina"!!! 8) 8)
dia io ambony io tokoa ny valiny rahavako ,mahereza mitady ny marina fa ny marina no anafaka antsika amin'ny fatoran'ny maizina
mandratra ny marina kanefa anafaka antsika amin'ny fanandevozan'ny tsy fahamarinana sy ny maizina rehetra .Inona ny marina kristy no fiainana,fahamarinana ary lalana tokona mankany amin'ny Ray koa izay mandray azy sy mino azy dia efa mahita ny lalana mankany amin'ny ray sahady



:-*
15. niryna ( 29/01/2009 18:38)
ari.malala:

Lasa tonga nofo toa antsika izany ilay kristy : reraka,mitomany ,noana,mangetaheta ,tezitra ,malahelo

hmm ahoana ny eritreritra ?
inona no tian mpanoratra ambara?

misy fanazavana ireo nomen'i prime sy diamondra ka asa na mazava aminao amin'izay ?

afaka ho tohizako koa hoe kristy dia Atra izay voalaza ao amin'ny Jaona 1:1-4 izany araka ny resahiko ery ambony ery ,dia tonga nofo koa izy ,mitohy izany Jaona 1:14 izany .
Satana dia tsy mba natahotra baiboly ary mahay ny soratra masina koa izy ka io no nandreseny lahatra an'i kristy
Noana izy ....raha zanak'Atra tokoa hianao dia ataovy tonga mofo ity vato ity
Mangetaheta izy..... teo ambony hazo fijaliana izy dia nangetaheta ary dia nomen'ireo miaramila vinaigitra na vinaigre
Omen'i satana ho azy ny fahefana rehetra raha manaiky azy Izy....dia novaliany fa aza manana Atra hafa afatsy Izaho irery ihany hoy ny voasoratra
Dia mbola notadiaviny ihany koa ny heriny rehetra ary omeny azy izany rehetra izany .......
Tezitra koa izy..... noravany ny tsena teo amin'ny tempolin'Atra izay nataon'ireo fieren'ny jiolahy

mazava ?

16. ari.malala ( 30/01/2009 06:11)
D inona marina moa no tena tianao hahatongavana?
17. ikaretsaka ( 30/01/2009 15:04)
izay tokoa indraindray toa adinon'i niryna.. hoe inona no tianao hahatongavana
18. niryna ( 01/02/2009 22:45)
inona tokoa ry ari-malala ny tena tanjona eto ? inona no azoko raisina raha misy mizara ny tenin'Atra ho ahy ?
mizara,mifanohana,mifampianatra,mampahafantra ireo izay tsy mbola mahalala an'ilay Atra izay tonga nofo,mampahafantatra fa olona toa antsika tokoa i kristy .
Manasa azy ireo mba anatona ilay kristy velona izay Atra tonga nofo ary manasa azy ireo mba hino aza fa maty noho ny fahotantsika rehetra tokoa izy
19. ari.malala ( 02/02/2009 06:01)
ny zavatra tsy azoko anie d zao e! eo enao mametraka fanontaniana hoe inona ny eritreritra, d aveo ndray enao milaza fa mizara, aiza le fizarana? Ary inona no zavabaovao entinao fa toa ny efa hain'ny be sy ny maro iany no averimberina toa refrain mahazatra sisa?

Euh... ilay filazana sy famerimberenana fa "maty noho ny fahotantsika" aloha na dia marina aza tsy dia tiako loatra ny miteny azy @ olona, indrindra hoe olona vao ho sarihana hivavaka sy hino e! satria hi culpabiliser ny tenany avy hatrany ilay olona hoe noho izy... :roll: (cas efa nitranga izany mantsy! tonga d nihemotra avy hatrany ilay olona hoe tsy vao maika v zany olana b ko noho izy no nahafaty izany Kristy zany...) Amiko rehefa te hisarika olona hino dia mba tenim-pitiavana mankahery no omena ny olona fa tsy izao maty noho ny helokao e zao zao zao ny devoly e... na za ts am toeran le olona aza aloha mitsoaka ah ko! za zao v no lazaina fa antony nahafaty olona de mbola ahoana iany!!!
20. niryna ( 03/02/2009 16:57)
ari.malala:

ny zavatra tsy azoko anie d zao e! eo enao mametraka fanontaniana hoe inona ny eritreritra, d aveo ndray enao milaza fa mizara, aiza le fizarana? Ary inona no zavabaovao entinao fa toa ny efa hain'ny be sy ny maro iany no averimberina toa refrain mahazatra sisa?

Euh... ilay filazana sy famerimberenana fa "maty noho ny fahotantsika" aloha na dia marina aza tsy dia tiako loatra ny miteny azy @ olona, indrindra hoe olona vao ho sarihana hivavaka sy hino e! satria hi culpabiliser ny tenany avy hatrany ilay olona hoe noho izy... :roll: (cas efa nitranga izany mantsy! tonga d nihemotra avy hatrany ilay olona hoe tsy vao maika v zany olana b ko noho izy no nahafaty izany Kristy zany...) Amiko rehefa te hisarika olona hino dia mba tenim-pitiavana mankahery no omena ny olona fa tsy izao maty noho ny helokao e zao zao zao ny devoly e... na za ts am toeran le olona aza aloha mitsoaka ah ko! za zao v no lazaina fa antony nahafaty olona de mbola ahoana iany!!!



:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0328