Kristy: Teny izay tonga nofo
21. niryna
(
03/02/2009 16:57)
niryna:Jaona eto dia miantso an'i kristy ho Teny (the word)
Jaona 1
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Ary mampiseho amintsika koa fa Izy no Atra tonga nofo ary nasehon'Atra antsika izany fitiavany antsika izany tamin'ny nanomezany an'ny Zanany.
4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. 2[Na: tsy nahasakana azy].
Tonga tety an-tany Izy ,tonga tety amin'ny maizina izy fa nisy nandray azy,nisy nino azy ary mbola misy ihany koa tsy mino Azy
Fahazavana izy ,koa izay mandray azy,izay mametraka ny fiainana eo aminy dia ho ao anatin'ny fahazavana mandrakariva.
Eny mandalo toe-tsarotra isika,mandalo fiainana mafy koa kanefa izay rehetra miantso ny anarany ka mino Azy fa fahazavana izy dia hanana fanantenana mandrakariva. Izay ilay finoana irery ihany no mahavonjy antsika.. "fa fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika,tsy avy amin'ny asa ,na fahaizana ,na fahalalana fa avy amin'ny fahasoavana izay nomen'Atra ho antsika avy..tsy noho ny hoe nahavita adidy tatsy ao ,na nanao toa izao ...tsia fa fahasoavana irery ihany no nahavonjy antsika ka "aoka tsy hisy hirehareha hoy ny soratra masina (do not boast)
Dia ahoana indray aza izany hoe finoana tsy arahan'asa namany maty ?
faith without deed is dead ?
Ataovy amin'ny finoanao daholo izay rehetra ataonao,miasa amin'ny fo madio,ataovy hoe ataoko ho an'i kristy ity asa ity,manaova asa soa,ary aza atao ho fantatry ny tananao havia akory izay nataon'ny tananao havanana,aza mirehareha fa manaova asa amin'ny mangina fa Atra izay ao amin'ny mangina no amaly soa antsika .
Zarao hatrany ny tenin'Atra ,misy mihaino arahaba soa ,misy manipaka,fomban-javatra io ,izay teny rehetra zaraina eto dia tsy hisy iverina amiko,aminao ,any amin'izay namafy azy na tsara izany na heverina ho tsy marina na tsy mitovy hevitra.
dia eo koa no azo ilazaina hoe ny mpaminany tsy masina an-taniny,iza koa hianao no mba miana-mikendry? izay hianao toa izao ve no mba izara aminay ny tenin'Atra ? efa fantatray daholo izany ,ary dia mankaleo..... ireo no teny matetika,mifanohitra moa ny teny ? tsy maninona fa olona samy hafa isika,raiso foana izay tsara ary aoka koa anefa ahafantatra fa fizarana no eto,fifanankalozan-kevitra,mety misy ny miaiky sy mino ,mety misy ny manohitra ary mety misy koa tsy manan-tsaina hafa tsy ny andrava ny tenin'Atra (dia aza omena ny kisoa ny vatosoanao hoy ny ohabolana fa sao mirongatra izy ka dia hiverina any aminao ....izany hoe rehefa tsy mety mandray izy fa ny isintona ny tenin'Atra ny haka ny joy-nao na ny fifalianao izay nozarainao ny hafa foana no ataony dia mangina no mety ..tsy ho voatery hamaly tokoa fa izay mangina volamena ,izay tokoa ny fahendrena
6 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
dia tsotra kanefa tsy mora raha tsy mametraka ny fiainantsika amin'ilay kristy izay nomen'Atra fahefana tety an-tany isolo ny fahotantsika isika,mino ny anarany,manantena fa hiaraka aminy satria izay rehetra mino ny anarany dia ataony ho tonga zanak'Atra avokoa .Kristy izay Andrimanitra mandrakizay no tonga nofo ( Fil 2:5-9),sady Andriamanitra no olombelona (deity and humanity) ,izay niaraka ny Ray ary nanetry tena ,nandalo fiainana toa antsika rehetra
[quote]
Raha ny voasoratra izany dia izay rehetra mino izany teny voasoratra izany dia ahita fiainana mandrakizay tokoa satria hoy ihany ny soratra masina manaza amintiska hoe
12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
Andriamanitra izay dia nampiseho antsika izany atao hoe famonjena izany avy amin'ny alalan'ny zanany koa raha mitady famonjena isika dia mino ny Zanany
Famonjena amin'ny inona ? fa maninona no vonjena ?
Dia maninona no i kristy irery ihany no ahazoana famonjena ? tena nilaina ve izany ny fisiany tety an-tany sy ny fahafatesany,ny fitsanganan'ny tamin'ny maty ary ny mbola hiverenany indray ?
dia antsika indray ary no mieritreritra sy mba manazava izany e
(l) niryna
22. ikaretsaka
(
03/02/2009 17:00)
de io foana ve no averimberina sy atao diska goaka eo ...
raha ny famerenana an'ireo no nahazoana kil dia efa feno ny sektareo ohatran izay ry niryna fa tsy nitsoahan'ny olona na ny hahita anao aza
raha ny famerenana an'ireo no nahazoana kil dia efa feno ny sektareo ohatran izay ry niryna fa tsy nitsoahan'ny olona na ny hahita anao aza
23. niryna
(
03/02/2009 17:03)
ikaretsaka:
de io foana ve no averimberina sy atao diska goaka eo ...
raha ny famerenana an'ireo no nahazoana kil dia efa feno ny sektareo ohatran izay ry niryna fa tsy nitsoahan'ny olona na ny hahita anao aza
:cry: :-* :-*
mamafaza voa aza mba malaina fa tsy fantatrao izay ho vanona (l) (l) (l)
24. ikaretsaka
(
03/02/2009 17:12)
voa hafa afafy ... na mba hasaho aloha ny tany ho tany lonaka fa voa tsy naniry ohatran izay sady lanin'ny vorona no voatsiary
26. ikaretsaka
(
04/02/2009 21:28)
Za mbo gaga ry ari...
Sady @ iny resaka iny ange tsy isika mihitsyno mpamafy fa ny ray e...
Sa kosa te hisandoka ho ray izy na nanandra tena loatra ka nibodo masomboly?
Sady @ iny resaka iny ange tsy isika mihitsyno mpamafy fa ny ray e...
Sa kosa te hisandoka ho ray izy na nanandra tena loatra ka nibodo masomboly?
27. ari.malala
(
05/02/2009 06:52)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ray zany anie lelà e! nefa izy toa vevavy :-P sa diso ah? :-P :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
28. niryna
(
11/02/2009 17:14)
ari.malala:
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ray zany anie lelà e! nefa izy toa vevavy :-P sa diso ah? :-P :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
Andriamanitra dia fitiavana ry ari-malala ,afaka mihomehy amin'ny antony tsy mifanaraka ny mpanohitra an'Atra tokoa hianao tsy maninona izany fa izaho no afatra nomeny antsika rehetra dia ny mifankatiava toy ny rahalahy,tsy afaka amela antsika izy raha mivavaka isika raha tsy mangataka famelana aminy ka mivavaka ireo olona tsy tiantsika na tsy tia antsika.Raha olona manao toetra manohitra an'Atra no arahinao dia hianao no ho fadiranova indrindra.
Marina fa mety tsy mifanaraka ny fampianarana anao ny hafa fa diniho koa fa ny tenin'Atra tsy azo vingavingaina fa mamono biby tsy mahafaty isika ka ifoteran'ny rambony.
Itako ny lalantsara ka izorako ,azoko ny famonjena ka ho tanako .Fa raha izaho dia ny ho eo akaikin'Atra no mahatsara ahy >mino koa aho fa toa izany koa hianao .
ba mamikely
niryna
29. niryna
(
11/02/2009 17:25)
niryna:
mamafaza voa aza mba malaina fa tsy fantatrao izay ho vanona
ikaretsaka:
voa hafa afafy ... na mba hasaho aloha ny tany ho tany lonaka fa voa tsy naniry ohatran izay sady lanin'ny vorona no voatsiary
ika a inona izany voa hafafy izany ?
Galatiana 5
19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
Ireo no vokatra azontsika hafafy ry ika
(l) niryna
31. ari.malala
(
12/02/2009 05:35)
niryna:
Andriamanitra dia fitiavana ry ari-malala ,afaka mihomehy amin'ny antony tsy mifanaraka ny mpanohitra an'Atra tokoa hianao tsy maninona izany fa izaho no afatra nomeny antsika rehetra dia ny mifankatiava toy ny rahalahy,tsy afaka amela antsika izy raha mivavaka isika raha tsy mangataka famelana aminy ka mivavaka ireo olona tsy tiantsika na tsy tia antsika.Raha olona manao toetra manohitra an'Atra no arahinao dia hianao no ho fadiranova indrindra.
Marina fa mety tsy mifanaraka ny fampianarana anao ny hafa fa diniho koa fa ny tenin'Atra tsy azo vingavingaina fa mamono biby tsy mahafaty isika ka ifoteran'ny rambony.
Itako ny lalantsara ka izorako ,azoko ny famonjena ka ho tanako .Fa raha izaho dia ny ho eo akaikin'Atra no mahatsara ahy >mino koa aho fa toa izany koa hianao .
ba mamikely
niryna
Fangatahana fanazavana kely ry niryna azafady, ireo nataoko bold text reo. Ahoana moa no ilazanao sy itsaranao fa mpanohitra an'Andriamanitra ny olona iray miresaka aminao raha mandà ankitsirano izay rediredinao sy disk goaka averimberinao? ianao no toherin'ny olona fa tsy Andriamanitra velively, sa ianao andriamanitra? raha ny filazanao fa Andriamanitra dia fitiavana d efa ela b no efa fantatro izany, ary tsy ilaina anao mampahatsiahy izany @ teniteny lava sy ny tsimpona lava reny fa izaho iany d efa afaka mahatsapa izany.
32. ikaretsaka
(
12/02/2009 06:37)
Ary mba valio ny fanontanian'olona sy tanteraho ny fangatahany reheffa mihevi tena ho Atra.
Ianaro manavaka ny hoe ny rediredinao diso sy tsy marimpototra toherinay akory dia tsy hoe manohitra an'atra ny dikany
Raha mitovy ny fiheveranao ireo zavatra 2 ireo de misorantena sy mampitovy tena ho Atra ianao izany sy mainka manompa anazy satria ianao mirediredy diso-> Izy.
Mandiniha tena