Ireo devoly masim-bava

1. rakapy ( 21/01/2009 08:27)
Dia miarahaba antsika rehetra indray ny tenako tratry ny taona 09. Izay indray vao niditra fa mbola naka rivotra tany @ tany tsisy A/tra.

Raha ny lohahevitra no lazaina dia devoly sahady no mirotsaka nefa dia mbola vaovao ny taona.Atao ahoana moa fa efa nisy namana maro no nitarika azy io ao @ dinika hafa ao ambadika ao ka dia lasa tohi-vakana angamba izy ity.

Raha namaky ny dinika atsy ambadika ny tenako dia nahita fa toa mifan-devoly ny xana sasany.

Ka ity no mba tiako ho lazaina momba ny devoly izay inonareo io:

Ny devoly dia tsy hiseho @ endrika mampatahotra na manahirana na endrika ratsy. Matetika izy dia miseho @ endrika mahafinaritra,mahavariana, mahaliana eny fa @ endrika MASINA koa aza matetika.

Ny devoly dia tsy mahafantatra ny tenany fa devoly na mpanao ratsy izy.

Ny devoly dia mampiasa ny tenin' A/tra sy ny baiboly mba hanjonoany anao. Tena mahay baiboly be izy. Ary mitory tahaka ny mpitory koa. Manao vavolombelona koa izy.

Ny devoly dia tsy hilaza aminao fa tsy mino an'A/tra naoviana naoviana izy.




2. ainakelyio ( 21/01/2009 14:04)
miarahaba é!miverena matetika eto fa misy taratasy iray izay alefako eto dia miara mhafantatra ny marina isika rehetra.Bye2
3. xxx ( 21/01/2009 14:25)
Tsara ny hevitra ! mba hevitra hafa non 'ny baiboly sy ny resabe .
Io alou de hitako fa marina e!. ny devoly tsy mba ratsy. sady mahay mandangolango beeeuuu!
marka toko fa.... boky ny apostoly ....sns nefa de devoly no ao ambadika
4. ikaretsaka ( 21/01/2009 14:31)
Misy fahamarinany betsaka ny remarquen drakapy
5. diamondra27 ( 21/01/2009 16:30)

izany no tokony ianarana ny tenin'Atra
ny devoly dia mino an'Atra ary mangovitra.
rakapy : ka izany no ilazana fa hita na iza na aiza no misy ny devoly kanefa na zany aza dia hoy Jesosy hoe aza matahotra fa efa naharesy aho>ary dia mpandresy tahaka Azy isika satria manana Azy

6. soanja ( 21/01/2009 16:39)
Dia miarahaba and-RAKAPY zany tratry ny taona.

Ny ahy indray dia tsy misy mihitsy le Demony lavanify, be tandroka sy mitady hirika hamelezana antsika olombelona. Isaky ny mihetsika dia Devoly, Devoly sns tsy misy io.

Ny misy dia ny hery ratsy sy ny hery tsara ao anatin'ny olombelona. Io hery ratsy na tsara io mitondra ny fanaovana tsara sy ny ratsy. Azoko antsoina hoe aretina io indraindray, ary azo koa antsoina hoe tanjona ratsy eritreretina hahatongavana noho ny fitiavan-tena be loatra sy fitiavana hanapotehana ny hafa. Isika olombelona ihany no manimba ny momba antsika. Tsy misy hery hafa avy any amin'ny habakabaka na hoe avy any ambanin'ny tany mipoitra hanimba antsika. Ny saintsika no manimba na manatsara antsika.

Io hery ratsy io dia indraindray tsy fidiny ho an'ilay olona, ohatra ny kolotora na manodidina iainany, ny fanabeazana azony sy ny hafa no hitany dia heveriny fa iny no izy. Eo koa anefa ny amin'ny noho ny survival na hoe fifikirana amin'ny aina mila hiala dia tsy manantsafidy izy fa any no hitany satria tsy manana hevitra hafa izy na tsy ampy ny eo ampelatanany iasany sy ampiasainy hamelomany ny tenany.

Azo ahitsy ary azo tsaboina na hovana ho hery tsara ny hery ratsy. Eo no ilana ny fanabeazana sy ny fampisehoana ny traikefa efa niainan'ny hafa hakana lesona ary ny finiavan'ilay olona hiova satria tsy mitondra hatsarana ho azy ny hery ratsy rehefa amin'ny farany fa manimba foana. mbola hitohy.
7. rijadolly ( 21/01/2009 16:59)
Izany hoe misy ny devoly zany ô! Satria marina lotra ny tenin-drakapy,Ra misy ny devoly :arrow: Misy Andriamanitra,ary ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an\\\'Andriamanitra marina.
8. ikaretsaka ( 21/01/2009 17:07)
mitovitovy @ soanja koa ny fahjitako azy hoe za tsy mino ilay lava tandroka sy maranitra nify io.. ary tsy tadidiko tsara ilay teny tena nilazan'i fody azy fa iny no mahafehy azy (azafady parapharesko hoe ny refus du bien moa)?
9. rakapy ( 21/01/2009 19:26)
Izaho manokana dia tsy mino ny fisian'ny devoly ohatra ny tsy finoako fa zanak'A/tra lahy tokana i jesosy. Ny mahatonga ahy mitondra ilay lohahevitra dia noho ilay finoana be loatra ny devoly eo @ xana. Ary fantatro fa tsy azo esorina ao anatin'ny fanahin'ny xana maro intsony io finoana io ka resaka ka atao.
10. ikaretsaka ( 21/01/2009 22:37)
Zaq mino an dralavavolo fa tsy mino an dralavatandroka
11. soanja ( 22/01/2009 01:21)
Ny fisian'Andriamanitra kosa dia inoako tanteraka.

Saingy tsy ilay Andriamanitra masiaka, saro-piaro, mpamono olona, mpanafay izay voalaza ombieny ombieny hany ka atao biby fampitahorana mihoatra lavitra noho ilay devoly voalaza matetika.
12. ikaretsaka ( 22/01/2009 01:31)
Io voalazan I zoky soanja io mihitsy no mahatonga ahy mampanotena ireny soi disant ho mpitory ireny foana hoe tena asa fitoriana ve le izy fa tsy fampitahorana.... porofoy
13. ari.malala ( 22/01/2009 06:08)
soanja:

Isika olombelona ihany no manimba ny momba antsika. Tsy misy hery hafa avy any amin'ny habakabaka na hoe avy any ambanin'ny tany mipoitra hanimba antsika. Ny saintsika no manimba na manatsara antsika.



Miombon-kevitra tanteraka! Ary ampiako kely aza hoe tsy izay rehetra tsy mifanaraka @ saina akory na izay tsy takatry ny saina d avy @ devoly aby!
14. niryna ( 22/01/2009 13:10)
rakapy:

Izaho manokana dia tsy mino ny fisian'ny devoly ohatra ny tsy finoako fa zanak'A/tra lahy tokana i jesosy. Ny mahatonga ahy mitondra ilay lohahevitra dia noho ilay finoana be loatra ny devoly eo @ xana. Ary fantatro fa tsy azo esorina ao anatin'ny fanahin'ny xana maro intsony io finoana io ka resaka ka atao.

dia izay izy izany fa dia tazomy ny hevitra fa tsy misy izany ny devoly aminao (nandainga izany ny soratra masina ...... iza no anaranao ? hoy ilay kristy ,zanak'Atra tamin'ilay olona nipetrahan'ny fanahy ratsy ...tsy fantatro tompoko fa betsaka ry zareo no ato,iza no anarany ? legion .....dia nandainga izany ny baiboly nilaza izany amin'i rakapy , aminao izany dia tsy misy izany ny zanak'Atra ,tsy misy koa izany ny devoly dia izay izy izany fa aza mivaky loha intsony
vita tompoko ..tapitra ny tantara a

15. rakapy ( 22/01/2009 13:45)
Ny baiboly ry Nyrina dia boky nosoratan'olombelona ka nolazaina fa tenin'A/tra. Nalaina sy nosoratana avy @ alalan'ny nofy sy tsindrimandry izy io hono. Misy ny marina ao anatin'io boky io fa misy koa ny zavatra noforonina sy notefena tsotra izao mba hampisy lanja sy hasiny ilay boky.

Raha iverenana ny lohahevitra dia mazava hoazy fa raha mino ny fisian'ny devoly ianao dia ianao izay mino azy ihany no hahita sy hilalao miaraka aminy.
Ny tenako sy ny fianakaviako izao tsy mino ny fisiany. Ary efa nandeha t@ toerana maro izay voalaza fa misy devoly sns... nefa dia tsy mbola nahita olana na indray mandeha aza. Fa ilay namanay temoin de jeovah izay vao indray mandeha monja no nivoaka tany @ faritany dia nilaza sy nitaraina fa nidiran'ny devoly hono ny zanany sy ny vadiny.

Ka asa re fa sao dia ilay finoana no mitarika sy mampisy ilay izy???



16. ikaretsaka ( 22/01/2009 13:50)
Ny mety @ niryna angamba dia miverina mianatra baiboly ara context fa tsy ara tsimpona...ndrao hanaonao foana arakan'i coopsal koa...

Tokony hianaranao ny hoe inona no atao hoe legion nahatonga ny mpanoratra nampiasa an'izany terme izany ohatra..

De rehefa eo ihany I niryna de jereo ny 2timoty4:13 dia lazaivo koa hoe mampiasa kapaoty I paoly satria voasoratra ao izany
17. Noue ( 22/01/2009 14:04)
rakapy:
Raha iverenana ny lohahevitra dia mazava hoazy fa raha mino ny fisian'ny devoly ianao dia ianao izay mino azy ihany no hahita sy hilalao miaraka aminy.
dia tena misy dia misy io eto @ ity forum ity eee! avadio kely ny pejy fa ho hitanao atsy ambadika ireo milaza fa hatrany am-piangonana, zaza mitomany, olona manoaka snsn araky nolazainy dia asan'ny devoly no mahatonga an'zany eee! tena mahavariana, mahazendana ny zavatra lazainy! misy olona dia sahy milaza oe kristiana nefa io devoliny io foana no hasesika ve eee ???


18. ikaretsaka ( 22/01/2009 14:10)
Raha iverenana ny lohahevitra dia mazava hoazy fa raha mino ny fisian'ny devoly ianao dia ianao izay mino azy ihany no hahita sy hilalao miaraka aminy.

misy olona dia sahy milaza oe kristiana nefa io devoliny io foana no hasesika ve eee ???

izay manko
19. soanja ( 22/01/2009 14:43)
Tsetsetra tsy aritra kely ity an,

Tany amin'ny Cape Canaveral aho ny vankansy teo; dia mba nijery nanaraka ny dian'ireo mpanamory sambondanitra tamin'ny horonatsary nentindry zareo avy any. Tokoa rey olona fa dia plenata kely tokoa isika raha oharina amin'ny universe. Dia malahelo be aho nitazana antsika avy ery amin'ny volana hoe io planeta kely, mangamanga, mahafinaritradia kely io de miady lava ny olona ao? Isika anefa mitomany hitakatra ny universe. Amiko raha te hahita ireo rehetra ireo isika dia mila mitambatra, mivondrona ho iray. Esorina daholo izany hevitra hoe rehefa tsy mitovy aminao dia ratsy.

Ny tsy fitoviana ananantsika amiko dia harena. Io no mampanankarena antsika olombelona. Io no fanana iombonantsika. Io no hampivoatra antsika. Ny tsy anananao ananako. Aoka isika hifampizara, hifanatsara amin'ny asa iombonana. Tetezintsika na kilalaontsika i Universe raha tratra izany!

Nefa inona hozy nareo, laozantsika miady lava an-trano. Ny hafa izay any efa mety mifindra planeta hafa manorina zavabaovao hanatsarana ny taranany sy ny momba azy! Hopotika ny tany, ho may izy ity!

Alohan'ny hialanao eto hamonjenao izay tandrify sy heverinao fa niasanao mafy dia takio sy iasao kosa hoe filaminana no nafafinao teto. Aza tsaratsaraina ny hafa fa fantany izay ataony, fa antsoy kosa izy hiara miasa tsara aminao hanatsarana ny momba antsika.

Misaotra indrindra.
20. rakapy ( 22/01/2009 17:48)
Tsara be zany no sady sambatra i Soanja nahita an'izany. Izahay mianakavy kely dia teny @ anjely mainty teny Anosy no nanao pick nique t@ Alahady teo ka teny no nitsirin'ny hevitra .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1043