Tsy M/car ihany no tsy nihina ny Fahantrana

1. penguin ( 21/01/2009 07:24)
Ry Badboy na Naughty boy na ny mpanohatra hafa dia tokony mijery tsara fa tsy i Madagasikara irery no fanina amin'ny ady amin'ny Fahantrana. Anontanio ny Professeur Jeffrey Sachs izay tompon'andraikitra sy nanoratra ny MDG na OMD hoy nareo mahay frantsay. Na izy aza dia mitady hevitra vaovao satria tsy tratra ilay hoy "End of Poverty" noeritreretina.
Zavatra maro no tsy ahatratrarana io na ny tanjona @'ny 2015 aza.
Lazao koa fa mahay noho ireo olona ireo ianareo na milamina sy ara-dalana ny rafitra na ny fihetsiky ny vahoaka eny fa na ny mpanohatra aza @'izany.????
novalian'i andrywui ny 21/01/2009 16:33
2. xxx ( 21/01/2009 07:44)
Izay ilay maha ambany saina itony pinguin itony! sady mbola mandemy saim-bahoaka koa en+!!!
Fangah lety raha mahantra ny voisin-nareo de tsy maintsy hahantra koa ianareo??? Nahoana izao i Maurice no lasa lavitra nefa samy eto @ ocean indian na i Mada na i Maurice??? I mada aza manana tany lehibe 100 avo eny noho i Maurice.

Aza aolaka ilay resaka rehefa tsy mahay ny mpitondra e!
Be vava sy be fampanan-tenana poakaty fotsiny t@ 2002 nefa JADONA no hita avy eo.
Ny tsy fahaizana politika ndra Malagasy no tsy mampandro antsika hatramin'izay fa aza ahilika any an-kafa ny resaka.
3. penguin ( 21/01/2009 07:57)
Raha tsy hain'elah dia izay no hanirahana ny olona hoe aza miteraka betsaka satria sarotra ny mamelona zaza 12 oharina amin'ny mamelona zana 2 na 3. I Maurice firy ny isan'ny mponina ao aminy ? Noho izany mora entina kokoa ary mora mahafantatra ny lalàna tiana haleha kokoa. Ny mpanao politika hita eny rehetra eny manazava fa na samihafa fihaviana aza dia miezaka ny fihanaran-tsaina mba hampiavaka ny fireneny izy ireo. Ny an'elah ny hampikorotana no zahavin'elah koa inona no mahagaga raha vizana. Raha mbola anitatra alavitra tsy nolazain'elah aza ny tenanay dia mahita tsara fa tafita ary lasa lavitra "Singapore" mihoatra amin'ireo firenena manodidina azy ireo ary anisan'ny mahalasa azy ny faha-vitsin'ny olona.
Raha jerena akaiky anefa dia hita fa tsy manana ny ananan'i Madagasikara i Maurice ary sahala izay koa ny an'i Singapore sy Indonesia, Malaysia sns.
Hatrehanay izany fa tsy resabe ry leitia.
4. stephane197 ( 21/01/2009 08:32)
Marina izany ry penguin! ireo mpanohitra sy TGV ireo tsy mahita afatsy ny fanonganana sy ny fanenjehina fotsiny fa tsy mba mamoaka hevitra sy zavatra hoentina mampandroso ity firenena ity !! tsy misy fitiavana tanindrazana mihintsy fa handrodana ihany no maty ao an-tsaina kanefa teo anefa tsy hita akory izay natao fa nameno paosy fotsiny !!!!
5. xxx ( 21/01/2009 08:52)
Aza manao ny gasy ho adala letsy e! Raha mety ny fianany tsy hikorotana izy ? fa hita fa misy zavatra tsy mety ao matoa mikorotana e! Tsy resaka tgv sy Ratsiraka sns...ny ahy fa @ maha malagasy tsotra izao.
Repoblika DEMOKRATIKA Malagasy ve letsy no avandravandra ery @ mason'izao tontolo izao dia ny mpanao gazety, oposition, TV, radio sns... no gadraina sy tapenam-bava??? Ny hari-karena dia tsy miha-milatasa, ny securite dia tena gaboraraka tanteraka.tsss!!!!!!
O ry pinguin a! Iza hono no omenao tsiny raha 12 no zanaky ny fianakaviana gasy tsy 1/1 Ka lasa mahantra sy sarotra entina ny firenena?
De inona hono no mba vahaolanao mba ahatonga izany 2 na 3?
6. andrywui ( 21/01/2009 09:21)
o ry penguin a!! ny anireo ane ry lety ka fahantrana tsy ampy plaisir tsony no mampimenomenona azy e!! ohatra oe tsy afaka mihinana produit laitier intsony ony zao ny ankamaroan'ny frantsay sns...zany oe ny aingitraingitra no mampahantra azy fa ny anlah ny sakafo harapaka(vary) isanandro sy ny fahantrana iainana ankapobeny isanandr miiits no tsy hita e!! jereo tsara de sokafy tsara ny fijerinla fa aza mampitovy an'iRapanana tsy afamanasa tongotra amin'ny cocacola itsony , sy i Rakoto tsy afa mameno kibo amin'ny vary maina tsony! fa kosa samy sahirana amin'ny besoin ireo!! mazava ve zany sa mbola ampiana ry penguin
7. bozyboleta ( 21/01/2009 10:08)
Repoblika DEMOKRATIKA Malagasy ve letsy no avandravandra ery @ mason'izao tontolo izao dia ny mpanao gazety, oposition, TV, radio sns... no gadraina sy tapenam-bava??? Ny hari-karena dia tsy miha-milatasa, ny securite dia tena gaboraraka tanteraka.tsss!!!!!!

Tena efa tara taona maro @ tantara ty olona ty!!!
Aiza tsony no misy an'zany RDM zany??? De mbola tsy hay ihany hoe Repoblikan'i Madagasikara zao???
Ndana miverina garabola fa ny ankizy any aza mahay an'io!
8. xxx ( 21/01/2009 10:13)
kay lé !! fa ia zany ho avernareo garabola zany klé !! fa naninona lery no atotongana ony!! tsa mahalala RDM sy RM ve de andefasana az y any amn garabola
9. xxx ( 21/01/2009 10:17)
Hambo-po an'i Ra8 no tsy nametrahany ilay DEMOKRATIKA intsony ry bozy a ! satria hono fialamatra nentin'i ratsiraka ka dia mba tsy maintsy ovaina satria i le 8 indray no hitondra ny firenena . Nefa dia mbola mitono-tena ho DEMOKRATIKA ihany i Madagasikara fa tsy nosoratana fotsiny.
10. penguin ( 21/01/2009 10:43)
Aza avadik'elah ny loh-hevitra ry garabola a
11. TWING ( 21/01/2009 10:53)
LOL be ilay oe Maurice e! Singapore e!?
fa mba zanatany inona aloha ireo e?diniho kely aloha


fa iza oa no miteny oe hanongana fanjakana i TGV e?
fa tsy hanokafana ny VIVA TV ve no tanjona dia ny hanalana ireo minisitra tsy mazava ireo e?

tsy misy zany DEMOKRATIKA izany efa DEMOn Koa RA TIKo zao
12. xxx ( 21/01/2009 11:13)
Mba azavao kely hoe ry pinguin fa R.M i Madagasikara nefa natao parenthese ao ambadika ilay hoe DEMOKRATIKA. Tsy hambo-po diso toerana ve ???? sa fitiavana ny te-hiseho???
Ovaovaina sy avadibadika hoatra ny palitaon'ny mpanao politika ve ity firenena ity??? de hanaiky koa ve isika vahoaka???

Twing> angamba mety mikaonty ihany ilay hoe zana-tany Eng sy FR na Belg na Ital sns...nefa tsy dia any loatra no tokony asiana resaka fa eo @ resaka vahaolana hialana @ fahantran'ny gasy.

Tsy voatery hoe voazanaky ny Fr ny tany iray dia tsy mandroso na hoe zanatany Eng dia mandroso.
I Ethiopia izao no tany Afrikanina tsy nisy nahavoazanaka nefa aiza ny toe-kareny???
13. ravol ( 21/01/2009 11:26)
Tsy eto M/car ihany koa anie no misy fangoronan-karena sy didy jadona ataon'ny Mpitondra Ra zoky â ! fa ity aloha dia mihatra mivantana sy hitan'ny masonay e!
Mba mahalala zavatra tsy mandeha oa ! fa tsy Ra8 no mitondra dia mandeha foana io nefa hita zao fa ny sakafo hohanina aza tsy misy, efa vono olona mivantana mihitsy e ! aza be moraly fa miara--mahita isika fa tsy hoe misy mamorona eto fa tsy mandeha io, didy jadona, fangoronan-karena, mbola inona indray no tian-dRazoky Penguin ? rehefa ny vahoaka no mihetsika ao raha, fa na hanao inona na hanao inona Andry TGV tsy hasarika na olona iray aza izy raha mety ny ataon-dRa8, tsy marina ary ve izany ? aza varina izay an'olonkafa any fa ny eo ambany maso aloha jerena tsara e!
14. xxx ( 21/01/2009 11:35)
Marina izany Ravol. Ny tanitsika no karakaraina fa izay an'olona any moa atao akory. fampitahana no natao mba hitondrana sy hanatsarana ny an'ny tena.
15. TWING ( 21/01/2009 11:37)
xxx milay rehefa mandinika ohatran izay ary nisaina mihintsy aho namoaka an io hevitro io, ny antony dia satria

ilay foto tsaina mihintsy no efa voazanaka ka tsy mitady ny mampiety ny tena fa miandry lava fanampina sy faly ny mitsikera.

mba manitatra ny saina e.

ohatra @ izany ilay bandy t@ taona 2000 nahavita nanangana fiara.Marina fa piesin na fiara vahiny no nalainy fa efa nahavita izy.Aiza izy zao?

raha vô mahavita mamorona zavatra mihaotran'ny fahita dia ny SAO DIA no atao ao an-tsaina.ary io no tena herin ny fitondrana ra8.Entitra.

@ zao dia ao ihany ny MIHAMBAHAMBA.sao dia ....
16. tsiafoi1 ( 21/01/2009 11:53)
Iza moa no firenena manosika an'i TGV ao ambadika, ka mampibontsina sy mampibitabitaka azy toy io, tsy Renimalala ??? Kanefa mba nanao ahoana daolo zay firenena rehetra nolalovan'ny Frantsay tao Afrika tao sy eran-tany??? Raha tsy faran'izay mahantra, de rayés tao anaty continent... Jereo fotsiny ny firenentsika e!!!

Ny resaka fahantrana zany de zava-nisy h@'ny nahatany ny tany, zany foana no dradradraina...Tsisy miracle io na iza na iza mitondra eo, tsy maintsy ny hatsembohan'ny tavanao ihany no hihinananao...

Rehefa te haka fitondrana tsy atao ze atao fa mody be safary eo, ny vahoaka no atao fitaovana lava zao... Tsy hita moa fa le style wawawa an-dalambe, talentan'ny pays colonisés frantsay rehetra io. Fa maninon raha mba mianatra ny demokrasia Amerikana (tonga ny élection, de samy vita babako, ny fair play mandeha ihany, tsisy ny exilés sns... Sady mihaja no mendrika hianarana)
17. Mandefitra ( 21/01/2009 12:13)
Tsy hainy zany papa a ... sady mety tsy ho zakan'ny tsenany.
Bontolo ihany no fantany, rehefa tsy mizara dia miala.
Mbola raiki-tapisaka ao koa ny toe-tsaina ory hava-manana ... ny zarazarao hanjakana no ankafiziny.
Zao nefa, nomena toerana nge ry zalahy tsy hita zay fampandrosoana nataony e (Rolland ratsiraka, hasina, pety & compagnie ...)
- Inona no maharatsy ny hoe tsy ahondrana brut ny hazo fa mila avadika fanaka aloha? za no tompon-kevitra, normale ra za no mibahana ny tsena mialoha
- Inona no maharatsy ny hoe rehefa misy ambim-bava ny vary dia azo ahondrana? amporisihiko ny tantsaha hamboly, omeko loka mihitsy zay mahavita be, fa za hanangana silo hanangonm-bokatra
- Inona no olana raha miroborobo ny tiko sy magro? gasy no miasa ao, gasy no mihinana ny vokatra

Marina fa misy ny fihoaram-pefy, fa ny manahirana dia ilay olona tsy manao nefa be vava ... lany @ fitadiavan tseza ny androtokom-piainana, ze manao ihany no mahazo loza.

Ka rehefa tsy hamboly rangahy, aleo zay mahavita no hanao e .. na vahiny io na teran tany. Za mino mitsy fa na ra8 aza no mamaritra tany be ka hajariany sy hamboleny, mbola voahenjika toy io daewo io ihany fa tsisy hafa.

Vao ny vitrine teny iavoloha aza no natao de hoe ka ra8 nge manambola e, na tendrombohitra aza haetriny ve ... fa maninona raha manao e. nga tsy nanambola ry Vonihitra sy ry Ndrema sy rolland etc ... fa inn no mba nitsangan ho an'ny firenena?

Ka raha mahavita manangana moa ka haninona, nefa kely ny finoako raha @ zao aloha.
18. xxx ( 21/01/2009 12:14)
Fa angaha ny kibon'ny Gasy ry Tisfoi1 vy ohatran'ny fata-pera ka hoe demokrasia amerika a we??? De hoe andraso @ 2012 letsy vao hihinana sy hanarina izay tsy mety ny gasy???
I US tsy Madagasikara velively. Misy ny krizy any fa ny vahoaka dia mbola misakafo tsara ary mbola manana probleman'obesite ara indraindray.

Dia eo indray dia hoe i renimalala no manosika an'i tgv ao ambadika!!! fa angaha ry akama tsy mba mahazo mitaky ny zo ny sy miteny izay hita fa tsy mety mihintsy ny olom-pirenena Malagasy fa raha vao mihetsika kely dia lazaina fa hoe: Tia HANONGA-PANJAKANA indray izy ireo????
Sao dia i ra8 aza no mahina tamin'ny nataony t@ 2002 t@ fitononan-tena fa izy no filoha.

19. andrywui ( 21/01/2009 12:22)
zany mihitsy e! tsy misy TGV mitonotena fa hanao filoha zany mihitsy !! fa ny olona no namboly tsaho anzany de noraisin rehetra fa ny tena resaka tsy avadibadika de oe aza finganina ny kaominina fa avelao hiasa, esory reo ministra fopla ,apetraho ny demokrasia !! fa ry penguin sy ry tataka sy ry tsymetyfoi ... no namorona anio oe hanao filoha ,hanao filoha io !!! aza mamabidresaka
20. tsiafoi1 ( 21/01/2009 12:54)
Le we TGV hilatsaka filoha aloa mapme be..., TSY ANY le izy andrywui a ; mba mahay sombiny @'ny Lalam-panorenana ihany ny tena... Fa mbola tsy ampy taona leiry...

Ahirato aza tsara ny maso we iza no mendimendy ao ambadik'i le Andry ao???, mpikarama mamony voay fotsiny ra-TGV, fa le miandry tataka hiravaka ny vanginy no tiako lazaina @'ny we, raha mahery arodany le fitondrana fa tsy ny vahoaka sy le boay kely no atao fitaovana...

Le milalao fiainam-bahoaka mihitsy no tsy lasa e, zatra ny lalan-dririna t@'ny 10 août ka mitady hanao hitsin-dalana... Ze mety hofitahiny sy matim-bola de aleo voafitaka any fa ny aty aloa tsy any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008