vehivavy saro-piaro diso tafahoatra...

1. benasy ( 16/01/2009 11:26)
Eny é! tena iniako atao ato mihitsy ity hevitro ity, satria aminareo vehivavy no mety ahitako ny tena marina!!!!!
Saropiaro diso tafahoatra ilay sipa miaraka amiko ( efa miray trano izahay !)
-Tafahoatra loatra, amiko, ny tsy fetezana hifampiresahako @ mpiara-miasa.
-Tafahoatra loatra, miko, ny "tsy maintsy andehanany" manaraka ahy, nefa efa lazaina izy fa izaho hiaraka @ lehilahy namako !
-Tafahoatra loatra, amiko, ny hitezerany raha misy vehivavy mifampiarahaba amiko (mpiara-miasa, namana, olom-pantatra, mpiray tanàna) eny an-dalana.Vatrany mihitsy ny manangana ady amin'ilay vehivavy.
Mba ampio moa 'za r'ireto à ! Inona no tena dikany ?
Sao dia tokony hialàna no mety aminy ? Nefa izy amoureuse bé mihitsy ! ka sao hanimba zanak'olona indray aho ?!....Sao dia misy zavatra afenina kosa ao ambadika ao....!
novalian'i teety ny 17/10/2013 18:46
2. ninimalala ( 16/01/2009 12:00)
Hihihihihi, za aloha saropiaro fa diso tafahoatra ary misy zavatra tsikaritra tamin'ny fihetsik'ilay lehilahy matoa namosavy ny heritreritra ka naha saropiaro fa ny anao zany kosa aloha de efa tena niotran'ny fefy. Mba resaho hoe izy hoe ra mba enao mo no giazako otran'io de ahona hoe na andramo mahitsy mba jerena ra tantiny e, ny ahy aloha zay fona e, ra misy zavatra tsy mety ataon'ny andaniny amiko de mba averiko aminy de mba jereko ra tantiny de avy eo lazaiko oe ko maninona ataonao amiko.
Mirary soa fa safidy ny anao io
3. barry ( 16/01/2009 12:23)
raha izaho toa anao dia mitsaoka matanjaka aho dia eny tsy misy blem ;fa ny olona saropiaro toa reny teny mahavita manao ratsy mitsy rehefa tena tsy zakany; dia izy ireny koa tena sarotra sarahana fa miraikitra otran'ny dita ;na efa porofoinao aminy aza fa tsy tia azy intsony ianao ,dia tsy hanaiky eo izy!!!!zay ianao vao tena sahirana an; Fa raha oh kosa moa ianao tia azy ;mety ho zakanao ihany ny toetrany;fa raha kilalao no hiarahanao aminy ,aleo mitsaoka :oops: :oops: bonne courage :
4. diamondra27 ( 16/01/2009 12:26)
zavatra 2 no dikany
ny 1 na izy manao any ambadika any
ny 2 na nanana olana izy talohanao ka mahatonga azy tsy manana confiance aminy intsony dia ianao no mizaka ny vokany.
mila rassure-na izy dia omena vaovao matetika mba tsy hitaintaina
mila lazaina hoe matoa za miaraka aminao dia ianao no tiako fa tsy ny hafa fa raha mbola mitohy ny ohatran'izao dia manimba ny fiarahantsika satria tsy tantiko intsony sy tsy mety amiko. Hiezaka ny hanampy anao aho hoe .
Mila mi se confier aminao izy mi-liberer ny avatra nahazo azy taloha
5. diamondra27 ( 16/01/2009 12:27)
tsy voatery hoe ny sipany taloha no namadika azy fa mety koa hoe ny ray amnadreniny na ny havany akaiky namitaka olona ka ni-choquer azy dia lasa izay no ao an-tsainy
Dia avy amin'izay no hanampiana azy
6. barry ( 16/01/2009 13:00)
mety ho marina ihany io tenin'i diamondra io ;NEFA misy efa tena caracterany mitsy ary tsy mihova mitsy io ndrindra fa raha lhl bogosy ny miaraka aminy ;hay!!hay!!hay!!;tena saropiaro be le sipa @ io,ary benasy kosa aloha sao mba bogosy lotra e!!!
7. naritsimba ( 16/01/2009 14:11)
RAha izaho aloha izany dia efa navelako e! tsy miady amiko ny vhv saro-piaro zany, zà ko tsy saro-piaro rahateo.
8. ari.malala ( 16/01/2009 14:20)
benasy:

Eny é! tena iniako atao ato mihitsy ity hevitro ity, satria aminareo vehivavy no mety ahitako ny tena marina!!!!!
Saropiaro diso tafahoatra ilay sipa miaraka amiko ( efa miray trano izahay !)
-Tafahoatra loatra, amiko, ny tsy fetezana hifampiresahako @ mpiara-miasa.
-Tafahoatra loatra, miko, ny "tsy maintsy andehanany" manaraka ahy, nefa efa lazaina izy fa izaho hiaraka @ lehilahy namako !
-Tafahoatra loatra, amiko, ny hitezerany raha misy vehivavy mifampiarahaba amiko (mpiara-miasa, namana, olom-pantatra, mpiray tanàna) eny an-dalana.Vatrany mihitsy ny manangana ady amin'ilay vehivavy.
Mba ampio moa 'za r'ireto à ! Inona no tena dikany ?
Sao dia tokony hialàna no mety aminy ? Nefa izy amoureuse bé mihitsy ! ka sao hanimba zanak'olona indray aho ?!....Sao dia misy zavatra afenina kosa ao ambadika ao....!



tena efa maladive kosa ny anizany sipanao izany ry benasy! matoa aloha ianao nitondra ny olana teto efa matsiaro sempotra izany e! ny azoko tenenina aloha, za koa saropiaro @ olona tiako fa raha ny hangeja indray kosa tsy mety ka! ny fitiavana tokony hanafaka fa tsy hangeja. Noho izany raha izaho no eo @ toeranao dia miresaka mazava aloha apetraka tsara ny points rehetra hoe izy tsy tanarahinao amizay misy azy, nef ianao tereny ho tanarahina hatraiza hatraiza, ts mety zany, tsy hoe izay mifampiarahaba akory dia sipa na inona... azavainao azy tsara milamina tsara e! fa rehefa tsy mety ny fifanazavana dia tapaka ny tady ko! mahereza e!
9. kotobekibo ( 16/01/2009 16:00)
Tsy afenina fa tsy zakan'ny tsenako izany bainn a!
tonga d rava ho azy , herinandro no fetra . :-P
10. diamondra27 ( 16/01/2009 19:31)
ka zao zany le atahoran'ny lhl amin'ny vhv , ahan mazava ho azy
11. Andribe ( 16/01/2009 19:41)
Tsotra ny fanafodiny ,mody asaivo kotin'ny namanao izy dia avy eo ianao mamerina aminy ny toetra tsy tantinao nataony ,dia mino aho fa ho tonga saina ihany izy ary alefaso moramora @ izay ny resaka fifandaminana ,tsy hanabanty ny andaniny ,tsy hamolaka ny ankilany 8) 8) 8)
12. Papoose ( 16/01/2009 20:13)
efa mba nandramanao nanaovana mafy loha ve izy nefa??? dia inona no tena vokany?? hoe tezitra fotsiny ve de zay???

manjary lasa salaka sy ravimbody manomboka zao anie zany ny fiainananareo raha izany ee!
13. ikaretsaka ( 16/01/2009 22:31)
Raha izy anefa ve no mikozy @ bandy hafa sy miarahaba. Bandy hafa eny an dalana de ahoana hozy benasy
14. vale ( 17/01/2009 00:26)
Efa aretina kosa ny azy izany, na dia ny mpiara-miasa aza ve dia tsy azo harabaina?? 8O dia manaraka anao eny rehetra eny foana izany izy, na dia hoe nareo samy lhl aza??? collante be izany sipa izany, mankaleo ny lhl ny vhv manao an'io toetra io! Teneno izy fa mila liberté enao fa tsy voatery hiaraka eny foana nareo, dia teneno azy koa ilay fahasarotam-piarony fa diso tafahoatra. Mahereza :lol: ... :°) :wink:
15. soanja ( 17/01/2009 03:09)
Ny fototry ny hasarotam-piaro dia ny sady tsy fahatokisan- tena no koa tsy fahatokisana ilay olon- tiavina.

Raha te hanampy azy hiala amin'izany fijaliana, satria mijaly ny olona manana an'io olana io, dia ny fanomezana azy toky fa ampy ny fitiavana omenao azy ary tsy mizarazara izany.

Ahoana anefa no ahafahanao manao an'io ka hahatonga azy hino dia eo no mila ampianarina azy ny mitia. Rehefa tia dia mino ilay olona tiaviana. Mahatsapa ny hatsarany ary indrindra tsy mampijaly azy amin'ny mahaizy azy.

Arakaraky ny habetsaky ny taona no androsoan'ny fahazaina mandamina ny fitiavana ao anaty. Mametra ny zaka sy ny tsy zaka. Manolotra fanantenana ho an'ilay tiavina ny aminareo indrindra ny ho avy tsy fantatra.

Ampianaro izy hahalala ny fanehoam-pitiavana. Ianao koa mila mianatra an'io satria matoa izy toy izany dia mety mbola tsy ampy io.
Raha tsy mety anefa io ezaka io dia mahaiza mionona fa aza ampijaliana amin'izay olona iray ny fiainana, ka hanimbanao ny momba anao.
Mahereza ary mitia!
16. ainaheri ( 17/01/2009 07:10)
Andribe:

Tsotra ny fanafodiny ,mody asaivo kotin'ny namanao izy dia avy eo ianao mamerina aminy ny toetra tsy tantinao nataony ,dia mino aho fa ho tonga saina ihany izy ary alefaso moramora @ izay ny resaka fifandaminana ,tsy hanabanty ny andaniny ,tsy hamolaka ny ankilany 8) 8) 8)


Ary raha raikitra ny an'ilay sipa sy naman'i benasy d aona ndray?? Mailo iany ka lol
Aretina kosa zany bainn aa,tsy vitan'ny fifamaliana ao antrano fa mila ady aman'oul eny @ arabe,efa tafaotra kosa ka,manan-jo izy ho saro-piaro aminao,tiany enao matoa misy izay tranga zay nefa kosa miresaha tsara ianareo, aza misy tezitra @ zay fa samy tony,omeo azy ny teny fitokisana,na arak'io voalazan'i diam's io na kou aretina,hany ka raha tinao ny mbola hiaraka aminy,tsy misy fanafody fa enao no miezaka mifampiresaka aminy sy manontany izay antony mahatonga azy hanana io toetra io!!
Mahereza fa misy mpifankatia misaraka noho ilay iray tsy rototra firy @ ilay ataon'ny anankiray


17. Mirananirina ( 17/01/2009 12:06)
Ary raha raikitra ny an'ilay sipa sy naman'i benasy d aona ndray??

mety ho izay no hiafarany an!betsaka ny namana no lasa sipa ilay sipany avy eo.
manjary lasa salaka sy ravimbody manomboka zao anie zany ny fiainananareo raha izany ee!

ha :lol: :lol: :lol:
Mba ampio moa 'za r'ireto à ! Inona no tena dikany ?
Sao dia tokony hialàna

Tia anao anie izy matoa saropiaro e,aza sarahina izany izy fa mampalahelo ,vhv aho no miteny ry Benasy.Ataovy izay fomba hialany aminy fahasarotapiaro diso toerana dia izay.Ny namany akaiky azy no asaivo miteny aza ohatra.



18. diamondra27 ( 17/01/2009 13:03)
raha manana camera nareo de asio camera cache de asaivo jereny avy eo ny zavatra vitany fa toa izany le ao amin'ny confessions intimes ireny ary tena mahatsiaro diso le olona avy eo hoe tena tsy mety ny ataony , izy ihany dia mahatsapa ny fahadisoany.
19. fahamarinana ( 17/01/2009 14:18)
benasy:
Sao dia tokony hialàna no mety aminy ? Nefa izy amoureuse bé mihitsy ! ka sao hanimba zanak'olona indray aho ?!....Sao dia misy zavatra afenina kosa ao ambadika ao....!

:arrow:ka tsy vao maika ve hanimba azy raha par pitié ndray koa ny hijanona aminy e !Tsy voatery misy zvtr hafa ambadika fa iraisako hvtr tanteraka ny voalazan'ny soanja ery ambony.
Raharaha be raha dia handany fotoana hitady solutions hamitahana azy sns
...tsa fiainana intsony !!! Ny hanambadia-kiadanana fa tsy ho sasatra amin'ny tetikady.Aleo ndray irery !tokoa moa zany !:? (l)
20. Herimiafina ( 17/01/2009 14:32)
Benasy:
Saropiaro diso tafahoatra ilay sipa miaraka amiko ( efa miray trano izahay !)


Saro-piaro daholo ny olondrehetra, fa misy ny mampiseho, misy ny diplomatika kokoa manafina. Norma be izany satria trondro ny laoka kanefa saika no mameno tànana. Indrindra raha any Sodoma sy Gomoro ianareo roa no mipetraka. Mety efa voa imbetsaka izy mety efa nanao imbetsaka ihany koa, ary ny olona manodidina azy izay hitany dia mangalampihinana daholo koa tsy lahy tsy vavy, ka dia efa mivaralila any mihintsy ny vision du monde-ny. :^)

Benasy:
Nefa izy amoureuse bé mihitsy !


Ny vaha-olana, afaka ho azy manaraka ny habehan'ny amoureuse-ny ny fahasarota-piarony. Mampisehoa defaut kely be dia be ise, manaova kamo lahy ohatra na mody manao bandy kikina mihindrambola lava, fa hitan'ise fa hihena tsimoramora ho azy ny fahasarota-piarony. :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5612