Raharaha tanin'ny DAEWO Logistics
1. saranga
(
13/01/2009 06:30)
En version malagasy.
Izao no marina mikasika ity resa-be ity. Ny Ministeran'ny fanana-tany sy ny fanajariana ny tany (MRFDAT) dia tsy namoaka lalàna mihitsy hahazoan'ny Daewo io tany io. Noporofoiko manokana izany.Teo anivon'ny Governemanta indray satria raha tany be toa an'io dia conseil du gouvernement no manapaka azy dia tsy mbola tao anaty fandaharam-potoanan'ny Governemanta koa izany. Fa ny zava-misy dia ity : noraisin-dRavao ny CEO an'ny DAEWO logistics sy ny POSCO tamin'ny novambra 2008 dia mety ho Ravalo no nampanantena an'io tany io. Ny fomban'ireto koreana ireto dia izao : vao miresaka amin'ny mpitondra izy dia dedaka. Naparitaky ny DWL amin'izay ary fa hoe nahazo tany be izy. Etsy an-daniny dia rangitra ny Frantsay satria hoe sao lasan'ny Koreana ny firenena. Dia izao no lazaiko amin'ny Frantsay : avereno ireo tany rehetra nalain'ny COLON frantsay teo anelanelan'ny 1886 ka hatramin'ny 1975 izay an-tapitrisany hectare raha manana hambo ianareo vazaha ireo. Ary aza be fialonana ry frantsay fa tsy zanatany intsony i Madagasikara.
Zay ny mikasika azy iny.

novalian'i ainaheri ny 17/01/2009 06:49
2. tataka
(
13/01/2009 06:36)
Ny Frantsay efa lasa alavitra ary tsy mbola afaka hilahatra aminy i Madagasikara fa ny Malagasy samy Malagasy no mahatonga ny fiainany ho sarotra hampivoarina.
3. tsinjo
(
13/01/2009 07:01)
ka le raharaha DAEWO kou ange ka we tany hofaina fa tsy namidy taminy le izy e ,izany we hofainy mandritra ny 99 taona ka inn ny olana ra hofaina ny tany tsy misy miasa ? sa le mijery any tany karakaina fotsiny no mahafinaritra antsika ?
4. xxx
(
13/01/2009 08:28)
Tsy hoe efa voasoratra fa hahantra mandritry ny 99 taona ny gasy ry le Tsinjo a! Atao hoe afaka10-20 na 50 taona ary ka mba mana-karena ny taranakao ka mba te hanajary ny tanindrazany??? Handeha ho any Coree ve izy sa ho aiza??? ny tany efa lasan'ny corean. Voatery tsy maintsy miandry ny fahataperan'ny 99taona! Efa lany ny sosy ary efa vizana ny zanakao amizay!
5. penguin
(
13/01/2009 09:19)
Tanim-panjakana natao hizahavana ny hevitra rehetra hampandrosoana ny firenena sa ny taninao no nalefan-dreo ka hoe ny zanakao no vizana ?
6. andrywui
(
13/01/2009 09:34)
o ry penguin a!! na ny taranakao aza ane hitsingoloka amzao toejavatra efa mihoatra ny loha izao e! sa tsy taitra sy tsy mivaky loha amzany enao ?satria nahoana?? mbola misy ny azo hanavotana anizao fivarotantanindrazana izao fa
meteza hiara tsy hanaiky fotsiny isika rehetra! lazao ny havana sy ny namana rehetra any atrano sy ny manodidina fa mba efa misy anja biriky kelitsika hamerenanay ny 1ha zay!! fantatro tsara fa mahalala ny tena zavamisy ty ra-penguin ty ary maharary amizao fahavoazan'ny malagasy izao fa FALY MODY
MANOHITRA FOTSINY !! itako tsy tena amin fonao le izy fa mandrangitra fotsiny enao!! fa enao koa aza valaka

8. naritsimba
(
13/01/2009 09:54)
1-Maro ny Malagasy no mangataka tanim-panjakana hambolena ary anisan'izany ny tenako saingy indrisy fa dia ampifilafilaina lava izao ka dia aleo mionona @ kely ananana izay navelan'ireo RAD teo aloha.
2-Mikasika ity tany ity dia tsy hoe mitambatra @ toerana iray akory io tany 1,5 millions Ha io fa miparitaka manerana an'i MAdgasikara fa ny fitambarany dia io.
3-T@ fotoa,na nanombohana ny MAP dia nidina tany Ambohibary Sambaina Antsirabe ny mpitondra fanjakana fa tany no natao hanombohana ny MAP sy ny hoe fanovana ho maitso maharitra, nitarika izany ny Praiministra, ary dia toy izao no nitranga, niaraka t@ geometre sy ny mpiasan'ny fananan-tany(domaine) rizareo, nosavaina daholo ny taratasy mikasika ireo tanimbary rehetra tao AMbohibary sambaina ary dia izay tsy nanana dia tonga dia notrongisina ny sisin'ny tanimbary fa atambatra ho iray satria tanim-panjakana araka ny nolazaina, inona no nitranga hoy ianareo: tsy nanaiky ny olona satria tany nolovainy t@ ireo RAD ary efa nanaovana fangatahana saingy tsy omen'ny fanjakana ny taratasy na ny titre ny tany. Fa nenjehin'ny olona t@ angady sy ny antsy ny mpitondra izay nanatrika tany.
Izany ve no zava-misy dia ahoana no hanekeko izany.
4-Tany misy titre ara-dalana mirefy 173ha @ iny route de tamatave iny, izay tany misy ny tranonay sy ny fasanay ary efa nambolen'ny mponina fa dia nomena hitrandrahan'ny sinoa vato saingy ahoana no hanekena izany hoy ianareo, izany ve no ataon'ny mpitondra dia azo ekena.
Sombiny ihany ireo fa raha toa ka misy ny mankasitraka izany dia ampanofay @ vahiny mandritra ny 99 taona ny tanindrazanareo fa ny ahy sy izay mitovy hevitra amiko aleo ho tany lava volo eo ihany.

9. naughtyboy
(
13/01/2009 11:09)
Tsisy ampina na analana intsony izany fa efa izy ary mampalahelo tokoa ity tantara lazainy naritsimba ity , satria izy no vavolombelona @ izany FITONDRANA MANDROBA FANANAMBAHOAKA izany ve no atao oe fanjakambahoaka na tany misy lalana miampy ny fanitsakitsahana ny zo ny olompirenena sy ny fananany ...TSIA
ny firaisankinatsika rehetra ihany no afaka ampijanona izany ka anao nySAFIDY ary raiso ny ADIDY...

10. sipagasy
(
13/01/2009 11:35)
naritsimba:
1-Maro ny Malagasy no mangataka tanim-panjakana hambolena ary anisan'izany ny tenako saingy indrisy fa dia ampifilafilaina lava izao ka dia aleo mionona @ kely ananana izay navelan'ireo RAD teo aloha.
2-Mikasika ity tany ity dia tsy hoe mitambatra @ toerana iray akory io tany 1,5 millions Ha io fa miparitaka manerana an'i MAdgasikara fa ny fitambarany dia io.
3-T@ fotoa,na nanombohana ny MAP dia nidina tany Ambohibary Sambaina Antsirabe ny mpitondra fanjakana fa tany no natao hanombohana ny MAP sy ny hoe fanovana ho maitso maharitra, nitarika izany ny Praiministra, ary dia toy izao no nitranga, niaraka t@ geometre sy ny mpiasan'ny fananan-tany(domaine) rizareo, nosavaina daholo ny taratasy mikasika ireo tanimbary rehetra tao AMbohibary sambaina ary dia izay tsy nanana dia tonga dia notrongisina ny sisin'ny tanimbary fa atambatra ho iray satria tanim-panjakana araka ny nolazaina, inona no nitranga hoy ianareo: tsy nanaiky ny olona satria tany nolovainy t@ ireo RAD ary efa nanaovana fangatahana saingy tsy omen'ny fanjakana ny taratasy na ny titre ny tany. Fa nenjehin'ny olona t@ angady sy ny antsy ny mpitondra izay nanatrika tany.
Izany ve no zava-misy dia ahoana no hanekeko izany.
4-Tany misy titre ara-dalana mirefy 173ha @ iny route de tamatave iny, izay tany misy ny tranonay sy ny fasanay ary efa nambolen'ny mponina fa dia nomena hitrandrahan'ny sinoa vato saingy ahoana no hanekena izany hoy ianareo, izany ve no ataon'ny mpitondra dia azo ekena.
Sombiny ihany ireo fa raha toa ka misy ny mankasitraka izany dia ampanofay @ vahiny mandritra ny 99 taona ny tanindrazanareo fa ny ahy sy izay mitovy hevitra amiko aleo ho tany lava volo eo ihany.
marina mihintsy ireo ry Naritsimba satria ny taninay tany Ambahamaro any Ambano faritra Antsirabe iny dia tsy maintsy nokarakaraina haingana satria dia hoe halain'ny fanjakana tsotra izao na dia misy mikarakara sy misy trano aza eo amboniny.
Tena tsy misy hanaiky ny hivarotra tanindrazana eo kleh! na ahofa mandritry ny 99 taona izany!!!! tsy mety e!!!
11. ds
(
13/01/2009 12:21)
saranga:
En version malagasy.
Izao no marina mikasika ity resa-be ity. Ny Ministeran'ny fanana-tany sy ny fanajariana ny tany (MRFDAT) dia tsy namoaka lalàna mihitsy hahazoan'ny Daewo io tany io. Noporofoiko manokana izany.Teo anivon'ny Governemanta indray satria raha tany be toa an'io dia conseil du gouvernement no manapaka azy dia tsy mbola tao anaty fandaharam-potoanan'ny Governemanta koa izany. (...)
Mpanolotsainan'ny Filohampirenena ve nareo izany sa mitompo teny fantatra :-)
Vakio ny lalàna faha 2007-036 14 zanvie 2008 fa ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) no mikarakara an'ireny fanofana tany midadasika be ireny. Io EDBM io dia sampam-panjakana mifandrohy mivantana amin'ny prezidansa. Ny minisitra manao sonia fotsiny fa tsy mpanapa-kevitra amin'ny raharaha rehetra kirakirain'ny EDBM.
Momba ny resaka Daewo, dia mba mankanesa manovo hevitra amin'ny rohy manaraka ireto :
http://terresmalgaches.info
Rehefa resy lahatra, dia mba manaova sonia ho fiarovana ny tanintsika e :
http://terresmalgaches.info/spip.php?article1
12. ainaheri
(
13/01/2009 12:30)
Aza manao resabe mampandry adrisa eo ry saranga aa,ny zvtr resahanareo aza hors sujet klé,inn zao idiran'ny frantsay sy ny fanjanahana @ zany? Sa oe nanao hetsika ny tao paris d resahana lafrantsa,raha tany zamerika no nanao hetsika d inn indray no takina oe avereno ry saranga????? Raha tsy adala kou ny frantsay d oe norangitin'ny koreanina d niakatra
13. TWING
(
13/01/2009 13:41)
io ary oa fa nipôka ihany ny sarombilany klé
ny tany ato Andranomanelatra angah adinonareo ? vitrine international anie no tanjona ao @ io tanàna io e?mba tongava oa mijery manatrimaso fa az MIHONOHONO E
efa tsy VAKINANKARATRA intsony anie io fa efa ho VAKINDRAVALO.
aleo oa atao NY DECLARATION DE PATRIMOINE dia izay nirobaroba nandritra ny fitonddran ra8 dia atao réquisition pour bien de l'Etat na maninona moa raha tonga dia dirana e?
Sahia manao dingana lehibe.
dia afaka 5 ans indray koa zany dia alefa atao Réfugié politik any Comore ra8 sy ny troupe-ny?satria be loatra ny alatra nataony?
Aleo hitarina ny tanin ny fonja dia atao 5 étoiles dia alefa ao ry deba sy ry 8, ry pety,...dia faly ny rehetra oe eto antanindrazana ry zalahy.

14. penguin
(
13/01/2009 15:21)
Hoy i naritsimba: "ny ahy sy izay mitovy hevitra amiko aleo ho tany lava volo eo ihany." izay no hampiasana ny tanim-panjakana fa tsy ny anao t@ RADninanao.
Hoy TWING: "Aleo hitarina ny tanin ny fonja dia atao 5 étoiles dia alefa ao ry deba sy ry 8, ry pety,...dia faly ny rehetra oe eto antanindrazana ry zalahy". Izay mamafy rivotra mijinja tadio koa inona no olana na alefa an-dafy na fonja 5 kintana na aiza koa ? Ary tsy nareo vé no manaporofo fa tsy voafonja ny olona lasa Frantsa koa inona indray no tiana hambara?

15. Annie2006
(
13/01/2009 15:28)
Aza variana amin'ny fampatoriana gisa izay ataon'ny sasany: novidiana ny gazety rehetra ao Madagasikara; sakanana ny fidirana ao @ site TIM, bloqué-na ny IP mba tsy ahafahan'ny sasany milaza ny marina. Ny moov moa efa tsy lazaina intsony.
Tsy misy zavatra azo aroso intsony hafa tsy ny fandidina ny vay be an-kandrin'ny Madagasikara raha te hamonjy an'io tanindrazana io ianao.
Mila fahasahiana izany.
Mijoroa!mahasahia fa masina ity tany ity.

17. Annie2006
(
13/01/2009 15:36)
Azonao lazaina izay tianao lazaina fa raharaham-pirenena izy ity ka tsy azoko hanaovana somonga mihitsy. Misy mitady hamono ny tanindrazana ka heveriko fa zo-ko ny mitsangana manohitra an'izany.
18. ramahaay
(
13/01/2009 22:42)
Salama
Raha ny fahitako azy aloha dia mety ho tsara ihany raha avela hanomboka ry zareo raha manome asa ny malagasy satria: Raha mbola ao madagasikara dia an ny malagasy ary ny malagasy ihany no afaka mandidy izay zavatra afaka havoaka sy ampidirina ao madaasikara afa tsy hoe manao risoriso angamba ry zareo (na dia izany aza). Raha toa ka manaiky ra fanja ka atao ampahibemaso nefa tsy dia misy hany izany na omena sombinjavatra alohan ny hanaovana izay rehetra ho kitihin ny daewo dia mety ho milay ihany le izy. Ary mahaga fa toa tsy misy mijery ny interet daholo ny rehetra fa afaka ovaina anie io satria ao madagasikara eeee sady contrat afaka ovaina ka dia tsy haiko ihany hoe inoa no mamikorapaka ny gasy. tairo ze tairina fa ze rovitra zairina izy aza hanome sady hiasa tany maimaimpoana nga dago ho an i daewo fa tsy an ny gasy asiana zimbabwe kely raha vao miseo milay eo gasy foana tssssss mbola ho aiza reo raha mbola gasy ny gasy:D :D :D

19. penguin
(
14/01/2009 06:31)
Misy mitady hamono sa efa voavono ry tonaka aaa? Toa mifangaro voraka izy izany. Aiza no misy ny vay ? ny amin'ny lohany sa any amin'ny tongony, ny hatony?
20. tsinjo
(
14/01/2009 06:39)
Tsy hoe efa voasoratra fa hahantra mandritry ny 99 taona ny gasy ry le Tsinjo a! Atao hoe afaka10-20 na 50 taona ary ka mba mana-karena ny taranakao ka mba te hanajary ny tanindrazany??? Handeha ho any Coree ve izy sa ho aiza??? ny tany efa lasan'ny corean. Voatery tsy maintsy miandry ny fahataperan'ny 99taona! Efa lany ny sosy ary efa vizana ny zanakao amizay!;
marina ny voalazanao ,fa ra tany efa ho taonany maro tsy nisy nampisa maninona kous ra ampanofana mba hampidibola ho any fanjakana sa le izy hofainy vahiny mitsy no tsy zakatsika ?