tonga rafozako d akory atao ?

1. anatiko ( 12/01/2009 21:02)
tratry ny taona daholo
Zao e:
ho avy rafozako vavy hanao vakans 3 volana ato @y. Efa gidraka be manko ny relation -nay satria nanao révolte a efa ho 7 mois izay, fa ramose mandefa vola lava any @ mamany (efa depuis 5ans io), nefa ny ahy mbola tsy noeritreretina ampiana akory na d indray mande aza.

Tezitra rafozako t@ email nalefako, fa "zanany hono io ka zay tiany tsy maintsy ataony", olona no andrenesako an'io.

Depuis za tsy miantso any intsony fa maharikoriko ahy ny toetrany, efa saika nisaraka zay (2 zaza) mbola tsy vita mariazy.

Rafozako io mantsy niala t@ vadiny fa ny zanany (vadiko io=aty an-dafy) tsy maintsy hamelona azy, dia naratsiany koa re ty vadiny d misaraka zareo zao, d ny vola avy aty moa vao maika nitombo. Dia tsy vitany hoe, izy ampiana, fa ny zanany koa (mipetraka any izy zao mantsy).

Niresaka t@ vadiny aho, dia razoky nilaza t@ko fa te-hibaiko ny toka-tranoko hono ramatoa fa tokony hitandrina aho, ny papier andehananay aty moa mila an'ilay autorisation-vadiny hoe mamela azy handeha, ka t@ voalohany rangahy tsy nety nanome, d rhf niantso azy aho sy nifampiresaka zahay, d nanontany ahy izy raha avelako mankaty, dia nanaiky moa aho satria efa ela ny zanany lahy no tsy nahita ny rafozako vavy (nisy fiatraikany teo @ relation-nay izany mantsy) ka dia nasaiko nataony ny taratasy, sinon izy tsy lasa aty.s

Tsy dia le hoe manampy no olana fa toa efa lasa fanararaotany izy ity ka raha tsy manome d vava be mihitsy.

Ny vadiko zao vao niteny t@ko teo fa "hanao fety surprise ho any mamany fa 50 ans izy pdt séjour-ny aty", nefa ny ahy mbola tsy natao an'izany (MIANGATRA B);
Ho irery ato a androany, vadiko koa tsy antenaiko hiaro ahy izany, ka ny ataoko angamba d mamoron-dia lava mba tsy hijanonana at-trano.

Ka INONA KAY NO CONSEILS OMENAREO ahy @ fiarahana miaraka @ rafozako sy vadiko mandritra io 3 volana io?

Déjà aloa, handainga a @ emploi du tps, miainga maraina b, dia mirava @ 6 hariva foana, @ zay mba ora vitsy no ahitako azy sisa, fa tstst (any @ bibliothèque a mandrapaha)

Mbola ho rafozana a, fa tsy mba hanao tahaka ty nataony ahy ity fa tsy zaka e, ratsy toetra loatra.

Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona ty fa mba ampio e.







novalian'i Ratoa ny 31/01/2009 15:39
2. Papoose ( 12/01/2009 21:19)
fanontaniana aloha, manao ahoana ny fomba firesakareo?afaka miresaka tsara sa lasa fifamaliana sy tsy misy fifanajana ny iafarany???
3. anatiko ( 12/01/2009 21:41)
tsy mbola nisy fifamaliana be fa email nalefako taminy, nilazako ny maharary ahy sy ny tsy tiako nataony .
Efa tsy niabtso azy intsony a efa 5 volana izay.
4. soanja ( 13/01/2009 03:19)
Sarotra tokoa ny raharaha.

Raha ny fandiniako azy aloha dia ny fifampiresahinan'ny mpivady no vahaolona tsara indrindra isian'ny fiarahamonina milamina amin'ny samy rafozana sy vinanto sy ny hafa.
Mila mifampiresaka lalandava ianareo roa hoe inona no olana ary inona no vahaolana azo atrehana hisian'ny marimaritra iraisana. Efa vita resaka ny anareo vao miresaka indray amin'ilay rafozana ary ianarotelo mianaka no tokony ho eo.
Ialana lavitra ny tondrotondro "Ianao dia sns... " fa raisina ny teny hoe "Izaho dia...mahatsapa aho fa... Maharary aho.... Miferinanaina aho fa..."
Ialana lavitra ny laingalainga raha toa ka mbola te hanana fianakaviana maharitra sy milamina.
Ilaina hery manokana ny fanetretena sy ny fandavan-tena ary fandeferana fa saingy kosa tsy natao hampijaly ny aina. Io fandeferana io no isalovan'ny filaminana aminny fiainana matetika. Hatraiza ny fetran'ny fahafahana miafy ho an'ny tsirairay anefa. Ny tena irery ihany no afaka mamaly izany fa tsy ny hafa.

Raha tiana ny vady dia ny rafozana aza hono tsinjovi-mandeha! Hoy ny Ntaolo. Mazotoa lalandava mikatsaka ny fifandanjana Balance. Ampatsihivo ny hafa izay tsy mahatsapa zany io. Mino aho fa raha manam-panahy izy dia hahafantatra ny tokony ataony manoloana an'io teny iray io..

Mahereza hatrany.
5. ainaheri ( 13/01/2009 04:32)
Azo atao oe sarotra ny raha² ,nefa kosa misy ny vahaolana raha manana fahasahiana ny hilaza ny tsy zakanao,déjà miresaka enao @ vadinao fa miresaka henonao taman'oul ka tiako(ianao) atao carte sur table,anontanio izy raha mety,raha eny @ zay ftona zay,tsy mifamaly fa mifanazava,aza eritreretina mitsy oe irery ianao,refa hainao mandahatra ny teny ataonao ,manana ampinga maro ianao entina hiarovana an'zany......Ilay eritreritra ny hivoaka ny trano maraina sy mody hariva,amiko tsy mety;diso be ianao,aleo miresaka toy izay hanao an'zay toetra zay...............Manarak'zay ndray mandana mitady asa raha efa mahasaradreny ny zaza,ianao ilay mipetradrery sy miandry zay atolotry ramose no olana aminao ,@ zay mba afak'andro ianao mba faly kou @ karama raisinao d afaka mba manampy ny fianakavinao kou enao,sy mitsinjo zay ho avinao,nareo rahateo tsy mbola vita n'inn'inn hoy ianao ka ra misaraka eo nareo,d zay enao vao hikoropaka @ retra²;tara lotra!!
Fiainana doli zany,fa ny tsara kokoa d ny mifampiresaka
6. AnA ( 13/01/2009 06:54)
tsy mbola nisy fifamaliana be fa email nalefako taminy
Efa tsy niabtso azy intsony a efa 5 volana izay.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona ty fa mba ampio e.
7. AnA ( 13/01/2009 07:55)
ainaheri:

Manarak'zay ndray mandana mitady asa raha efa mahasaradreny ny zaza,ianao ilay mipetradrery sy miandry zay atolotry ramose no olana aminao ,@ zay mba afak'andro ianao mba faly kou @ karama raisinao d afaka mba manampy ny fianakavinao kou enao,sy mitsinjo zay ho avinao,nareo rahateo tsy mbola vita n'inn'inn hoy ianao ka ra misaraka eo nareo,d zay enao vao hikoropaka @ retra²;tara lotra!!
mbola ampiako oe @ zay ianao afaka tsara manao fety 50 taona ny reninao na ny rainao fa tsisy anizany oe miangatra zany!reniny aza io ary ho feno 50taona ka inona no azonao atao?


8. fitiatantely ( 13/01/2009 08:52)
Marina io voalazan'i ainahery io!
Za koa de toa anao zany, ny ahy aza tsy vacance fotsiny fa ny zandrin'ny vadiko anaky 2 mipetraka ao aminay daôly efa ho 2 taona zay, zany oe vao nanomboka nitokatrano zahay de tao izy niara nipetraka taminay, zahay no miantoka ny fiainany reetra,(écolage , sakafo ,fourniture, akanjo, sns....) de t@ voaloany za tsy nahazaka fa mimenomenona fôna satria fanampin'zany de mbola mandefa vola any @ ray amandreniny fôna ny vadiko isambolana, nefa nena tsy mba omena fa ra misy fanampiana tediaviny de averina avy eo,de lasa miady fôna za sy ny vadiko (ny tena tsy zakako de reo zandrin'ny vadiko reo de mitady hanjaka be ao @ tokatranonay satria ony ny zokiny no mikarama ao fa tsy za ka manana zo feno ao izy) fa refa feno 6mois ny zanako de niasa za, de mba nentoako koa ny écolagen'ny zandriko 1, afaka manampy tsara ny ray amandreniko za refa misy ilainy, ny hanalako ny foko zao de zay ataon'ny vadiko @ havany de mba ataoko @ ahy koa satria za efa miasa de tsy afaka miteny izy, @zay koa mifandanja tsara fa tsisy miangatra, de samy mizaka ze vokany eo zahay. @ zao zao za tsisy afaka miteny ana ntsony reo ankizy ao aminay reo fa tampina ny vavany satria mba misy herimpoko koa ao antrano.
Ka zao iany ny conseil omeko anao: miasà de mijoroa @ maha renimpianankaviana anao, aza manaiky didin'olona zany indrindra fa ny tokatranonao, anao sy ny vadinao io tokatrano io ka nareo rery iany no afaka mandidy an'io, avelao ny rafozanao anao vacance any aminareo fa aseoy azy fa tsy misy idirany ny tokatranonareo fa mpanao vacance fotsiny izy no ao, de refa tsisy programme hivoaka enao de mijanona iany ao antrano de ataovy ze tinao mba ahalalany fa ao antranonao ianao fa izy no vahiny, Averiko iany fa ra tsy miasa enao zao de mitadiava asa aingana fa io no tena vahaolana mety mba hanananao ny toeranao ao @ tokatranonareo.
Zay aky fa maereza a! fiainana daôly zany
9. lahymeva ( 13/01/2009 09:10)
Akory aby nareo,

Tena tsara daolo ny conseil teo, zany hoe amiko de io fitiavantena io de aretina mampiady pivady eto andafy. De zao, efa eo ny ankizy (2 hoy enao), reo no tsinjovina, de vôloany ataovy resaka mazava daholo ny toeran tsirairay avy indrindra ny fomba itsinjovana ny fanabeazana ny ankizy. Amiko, ny manabe taranaka no tena zava masina indrindra eto antany.
Araky ny voalaza ny namana tetsy ambony de asivo fatrany tsara ny resaka ataonao @ vadinao eo @ lafiny communication nareo, ny ankizy, ny budget, sns sns. Refa mizizo izy de raiso antanana ny hoavinao eo @ sehatrin'ny fahaleovantena. Ny ankizy no tsinjovy an !
Fantatro fa manana hery sy finiavana enao anantontosa izany de mirary fahombiazana e !
10. fahamarinana ( 13/01/2009 09:13)
fitiatantely:
Averiko iany fa ra tsy miasa enao zao de mitadiava asa aingana fa io no tena vahaolana mety mba hanananao ny toeranao ao @ tokatranonareo.

:arrow: mety mahavaha olana ny fiasana ry fitiatantely raha resaka financier no jerena sy raha io no mibahana sy olana ao an-tokatrano FA kosa raha tiana ny filaminana dia tsy misy afatsy ny miresaka sy manamboatra ny ao an-trano.Ny fandeferana koa tsy vaha-olana :ohatra resaka fanampiana havana sns..tokony hitovy.Tsy tokony koa hisy akory resaka he ianao mampidi-bola,za tsy miasa raha tena fitiavana no manjaka ao fa any 2 ny rehetra misy.Efa voalazan'ny soanja ao ambony ao ary itovizako hvtr tanteraka ihany koa.
Raha tiana ny vady dia atao izay hifandaminana sinon ho lasa concurence hatrany ny fiainanreo nefa tokony ho collabo .Zà manokana aloha aleoko miala raha tahaka izay,toa tsy ho zakako raha hifaninana vola alefa,pression be manadala mandritra ny fanambadiana :havany foana iny,havanao koa ny anao.Dia hifampisitona tady eo,dia ho tapaka avy eo.Aleo aza tapaka dieny tsy misy maratra.Ny ahy moa mazana extreme foana ka mety tsy hety amin'ny anatiko fa dia ampiako hoe " mahereza hatrany e !"...:-* (l)
11. tslem ( 13/01/2009 11:42)
anatiko >>> lava loatra ilay tantara d teny an-tenantenany ah d nijanona fa izao fotsiny e:" raha tiana hono ny vady ny ny rafozana no tsinjovi-mandeha"
12. ninimalala ( 13/01/2009 11:52)
Zao ry se a, marina tokoa fa ny vahaolana tsara indrindra de ny mifampiresaka fa ndraindray ko anie ny lehilahy de mahagaga fa de ny lohany ihany na de hita aza fa tsy mety zao le zavatra mitranga. Fa na izany aza anie za mahatsapa fa ao amin\'ise ihany lay finiavana te handamina entre enao sy lay rafozana matoa enao nanao zay hatongavany any e. Ra tsy tinao zany de nataonao zay tsy hahatongavany any fa tinao le vadinao de tinao ko izy zany.
Fa raha toa tsy miasa tokoa ianao de miasa ry se de mba afaka manao na dia kely amin\'ny Ray amandrenin\'ise ko se, io manko ra ny tena marina tokony hitovy ny lahy sy ny vavy fa tsy hoe ny azy anaovana na ramose no miasa na tsia fa ny ahy- tsy hanaovana, de mba lazao ny vadin\'ise ko zany alahelon\'ise zany rehefa miresaka nareo marina hoe fa renin\'ela iny fa za ko mba manana ny reniko hoe.
Dia courage dia alamino e, ho aiza mo fa efa io no nekena na dia tsy mbola vita raharaha aza, ny ankizy efa 2
13. fenouhy ( 13/01/2009 12:00)
zaho koa aloa mitovy evitra @hoe mifampiresaka amin'ilay Rafozana fa olona otrizany angamba efa sarotra iresahana fa izao fotsiny tena hovay mihintsy ny fifandresanao azy raha tonga izy atovy otrany tsy misy nino2 @nareo de @zay angamba izy ho tonga saina mba hiova fa raha eo izy vaomaika manao zavatra tsy mety @nao dia izay ianao vao mifampiresaha anareo telo miaraka @vadinao izany satria ianao @zay efa niezaka iany kanefa izy tsy mba milamina aminao.
izay ny evitro fa mahereza
14. Rafahafahana ( 13/01/2009 14:00)
Mitadiava asa na dia kely no ho ny an'ny vadinao aza ny karamanao, misy lanjany be eo @ tokatrano io, aza adino fa ianao koa aza anie ka velominy ao an-trano é; dia mba fidifidio ihany ny teny atao amin'ny rafozana, fa tsy mitovy velively ny zanaka nateraka sy ny vinanto.
Mahereza!!!!
15. Noue ( 13/01/2009 14:12)
Rafahafahana:

dia mba fidifidio ihany ny teny atao amin'ny rafozana, fa tsy mitovy velively ny zanaka nateraka sy ny vinanto.
tena marina io eee!


16. fahamarinana ( 13/01/2009 14:40)
rafahafahana:
aza adino fa ianao koa aza anie ka velominy ao an-trano é;

:arrow:velominy ahoana lé,fa tokony ho velomin'iza ndray.F'angaha tsy iray indray ny mpivady fa tokony samy mamelon-tena :?: :roll: ,koa tsy aleo dia tsy mivady sy tsy miara-mitoetra raha tahak'izay ! (l)
17. Noue ( 13/01/2009 15:02)
fahamarinana:

F'angaha tsy iray indray ny mpivady fa tokony samy mamelon-tena :?: :roll: ,koa tsy aleo dia tsy mivady sy tsy miara-mitoetra raha tahak'izay ! (l)
mbola tsy mpivady hono akia ry zareo ry fahamarinana aaa!
efa saika nisaraka zay (2 zaza) mbola tsy vita mariazy.
saingy kosa efa misy zaza 2 ve kl'etia eee !


18. fahamarinana ( 13/01/2009 15:12)
:arrow: noue : koa miara-mipetraka sy manao ny fiainan'ny mpivady ve akia kouh...sady miantso hoe rafozana.Fanina koa za zany e !....(l)
19. Noue ( 13/01/2009 16:07)
ho avy rafozako vavy
Ny vadiko zao vao niteny t@ko teo
mbola tsy vita mariazy.
fahamarinana aaa! izaho koa akia tena fanina kl'etia eeeee :-D :-D :-D :-D :-D :-D
20. fahamarinana ( 13/01/2009 16:18)
:arrow: miara-fanina tsika roa e! (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1373