Boantamo

1. soanja ( 11/01/2009 19:07)
Ny Boantamo,

Misy mahay manamboatra an'io ve eto azafady. Misaotra mialoha. Raha misy tsy mahalala an'io dia sakafo haninkanina vidiana eny amoron-dalana any Diego izy io ary tsy diso aho dia namboarina amin'ny coco sy mangahazo ve izy io e? Asa? Matsiro be ilay izy. Azoko eritreretina ho mety sakafo vegetarianina raha asiana filirony kely ka io no tiako ianarana azy. Misaotra mialoha.
2. sipagasy ( 11/01/2009 19:22)
tsy ratsy kosa ilay hevitra hoe hatsaraina dia hanome re7 vao² hafa indray annn, mmhhh ary efa mahay lakozia anie i soanja izany e!!!
3. Herimiafina ( 11/01/2009 23:57)
Dieny mbola eo ihany dia ny recette PAKOPAKO koa tsara ho fantatra! :^)
4. fahamarinana ( 12/01/2009 07:13)
:arrow: mba tsy fantatro na ilay boantamo na ilay pakopako..mba liana ahita izany re7 zany koa e! :) (l)
5. sipagasy ( 12/01/2009 23:36)
izao hono e! alaivo ny vary dia alonay anaty rano mandifotra azy mandritry ny 1 alina,tsihifo, dia avy eo somary totoy, nefa tsy atao potika beh ohatran'ny farine koba, fa somary atao somary mamasika dia alaivo indray ny coco vovony iny na rapée, dia laroy aminy, eyyhhh aza manontany ahy ny fatrany fa ataovy @ izay maha mety azy ao lol, dia asio ranony kely @ ilay ranona coco iny annnn dia laroy miaraka ireo aza adino ny SIRA, sy dipoavatra raha tianao, dia ataovy sahala @ feta ireny. Alaivo @ izay iny feta iny dia somary ataovy kilavalava, dia fonosy/ataovy anaty ravin'akondro efa avy nasalisaly t@ afo mba halefaka, moa raha tsy manana ianao dia papier allu ampiasaina dia andrahoy ambonin'ny farana makarakara charbon na ataovy anaty four, dia mazotoa homana miaraka @ mosakiky ary e!!!!!!!!!


izay manana ny fatrany iangaviana mba hanoro e!
6. soanja ( 13/01/2009 02:47)
Aooooo!!!! Sipagasy,

Ie io tokoa no fanamboarana an'ilay izy. Misaotra indrindra.
7. sipagasy ( 13/01/2009 11:52)
tsy misy isaorana fa alefaso eto ihany ny 'variation' nataonao avy eo e!
8. soanja ( 15/01/2009 03:59)
sipagasy:

tsy misy isaorana fa alefaso eto ihany ny 'variation' nataonao avy eo e!


Rehefa am Latsinainy fa mety hanamboatra azy aho ny Lahady.

Misaotra indrindra am sopapa. Soa


:-* :-* :-* :-* :-* (l)
9. haritianah ( 18/01/2009 08:44)
soanja à aiza ny anjaranay t@ ilay izy é, to owé anandrana anao mantsy njy de nianjy bé zay mba zarazarana teteo de tsita tson njy.
Sa sipagasy nahazo ?
10. soanja ( 19/01/2009 11:24)
Ho avy eo fa aza manahy fa efa manamboatra azy mihitsy aho izao.


:D
11. Noue ( 19/01/2009 12:05)
misaotra nizara eee ! ao mba andramana zany oe ! tena zava-baovao amiko mantsy io eee
12. soanja ( 20/01/2009 03:49)
Eny ary izao no azoko zaraina aminareo an:

Boatamo a la Soanja, hihihi

- Vary fotsy iray kopy
- Rano 2 kopy
- Voanio voakiky iray kopy
- Ranonom-boanio antsasaka kopy, tsy ampy kely
- Siramamy ampahefa- kopy
- Half and half na creme ronono ireny 4 ny sotrobe
- walnut voaretika na tetitetika madinika na voanjo voatoto tena madinika na cranberry maina 4 ny sotrobe.
- Ravin'akondro na aluminum foil.

Andrahoina ao anaty rano mangotraka 2 kopy aloha ny vary eo amin'ny 15-20 minitra eo. Rehefa masaka dia ampangatsiahina. Avy eo afangaro tsara ao ny voanio voakiky.
Hafanaina ny rononom-boanio sy ny half and half ary ny siramamy. Avala hiketrika eo amin'ny 10-20 minitra eo dia arotsaka ao anaty vary sy voanio mifangaro. Avy eo koa arotsaka ny voanjo na ilay walnut na ny cramberry.
Tokony ho lasa maditidity sy matevina ny koba azo. Alaina ny ravin'akondro na ny alu dia tapahina eo amin'ny 10 cm sy 10 cm eo. Dia apetraka eo ny koba novolavolaina toy ny sigara. Ahodina ilay ravin'akondro hihidy tsara ao ny koba.
Atono eo ambony grill na pan grill na fanaovana masikitra ireny amin'ny afo malefadefaka. Rehefa mitady ho may ny ravin'akondro ka manopy mainty dia avadiho indray mba ho masaka ny ilany. Rehafa hita fa maimay tsara ny ravin'akondro fa tsy maibe ka heno hoe mivaingana tsara ilay vary sigara ao anatiny dia esorina ary ampangatsiahina.

Mazotoa ary. Tokony ho 20 eo no ho vitanao na tapatapaho ho ampy ho an'izay eo. Afaka atao sakafo snack io ary sakafo feno tokoa.

Soanja (l)
13. soanja ( 20/01/2009 03:51)
Saika hadinoko efa masaka ireo voanjo ireo na efa roasted avokoa.
14. fahamarinana ( 20/01/2009 12:09)
:arrow: misaotra any soanja nizara.Ny tena marina tena mbola tsy azoko veroka mihintsy ity sakafo ity kah,mila manandrana efa vita aloha za.Iza no hanome ahy ato amin'ny serasera ato kay mba hanandramako azy,i noue ve ? ! :) (l)
15. ikaretsaka ( 21/01/2009 14:22)
Io paten I soanja io ihany no base fa aza fonosina papier alu sy aza siana voanjo voanjo dia sira atao fa tsy siramamy...dia lasitra cupcake na muffin dia bakeo ao anaty lafaoro mandra pa doree azy...fa tsy mahasosotra koa
16. haritianah ( 28/01/2009 09:09)
ilay izy raha ny fahafatarako azy t@ zahay sendra annao vancance tany anindrana no ninana an'io dia ny ravina akondro amonosana azy no maha boantamo azy hono hoy ny olona tany.Ohatran'ny kombadravina io.
Ary toa ts misy boantamo misy voanjo zany ka, mba matetika makany anindrana mantsy refa vanccance tany mada fa tsis voanjo ka.
Lé izy an zavatra lavalava zay de fotsifotsy ny lokony de atono amina reny mpivarotra masikita reny masira anina miaraka amina saosy amina mpivarotra masikita amorona arabé any anindrana ireny.
Fantatro lé izy fa ny anarany misaotra an'i Soanja nilaza azy fa raha ts izay ts fantatro owé izay ny anarany.
Vary sy coco alou ny fahitako azy fa ny anaovana azy no zao vao fantatra ka isaorana ny namana soanja napatsiahy iny zavatra iny.
Lay izy alou ts azo antsaina raha atorotoro amin'izao fa refa sendra makany anindrana dia tadidio io dia anontanio any dia ho ita sy non iangaviana antanandroa i Soanja mba anamboatra dia izarazara aminay eto ré.
Sa aona ry Soanja à?
17. ni81 ( 28/01/2009 10:56)
misaotra any soanja nizara.Ny tena marina tena mbola tsy azoko veroka mihintsy ity sakafo ity kah,mila manandrana efa vita aloha za.Iza no hanome ahy ato amin'ny serasera ato kay mba hanandramako azy,i noue ve ? !
tany majunga no nihinanako boantamo t@ zà nipetraka tany taloha. Sarotra ny hanazava ny tsirony fa rehefa sendra mandeha any dia maro no mivarotra azy eny @ iny bord iny.
18. soanja ( 28/01/2009 15:58)
haritianah:

ilay izy raha ny fahafatarako azy t@ zahay sendra annao vancance tany anindrana no ninana an'io dia ny ravina akondro amonosana azy no maha boantamo azy hono hoy ny olona tany.Ohatran'ny kombadravina io.
Ary toa ts misy boantamo misy voanjo zany ka, mba matetika makany anindrana mantsy refa vanccance tany mada fa tsis voanjo ka.
Lé izy an zavatra lavalava zay de fotsifotsy ny lokony de atono amina reny mpivarotra masikita reny masira anina miaraka amina saosy amina mpivarotra masikita amorona arabé any anindrana ireny.
Fantatro lé izy fa ny anarany misaotra an'i Soanja nilaza azy fa raha ts izay ts fantatro owé izay ny anarany.
Vary sy coco alou ny fahitako azy fa ny anaovana azy no zao vao fantatra ka isaorana ny namana soanja napatsiahy iny zavatra iny.
Lay izy alou ts azo antsaina raha atorotoro amin'izao fa refa sendra makany anindrana dia tadidio io dia anontanio any dia ho ita sy non iangaviana antanandroa i Soanja mba anamboatra dia izarazara aminay eto ré.
Sa aona ry Soanja à?


Tsy misy fisaorana indrindra Haritianah! Marina ny tenindry fa tsy misy voanjo na zavatra hafa ny boatamo any Diego sy any anindrana fa vary sy coco voakiky , siramamy sy ranono ny coco no hanamboarana azy any.
Matsiro tokoa izy io, saingy ny ahy mantsy tiako ho sakafo feno dia izay no nanasiako azy ny voanjo na almond na walnut na hafa io. Hanome tsiro hafakely aza sy hanovako ny recette tiako atolotra ny mpiandraikitra nahandro aty aminay. Izay no maha Boantamo a la Soanja ny ahy io fa ny an'i Sipagasy no tena fanao azy any amintsika. Isaorana indrindra Sipagasy nanome ny rehetra momba an'io.

Zavatra iray fotsiny dia aleo ihany atao ravinakondro ilay izy fa aza atao alu fa nanandrana aho fa tsy mety maimay sy mivolombolamena tsara ny vary mivaingana voatono.

Nie8 sy Fahamarinana sy ny rehetra> Aza manahy fa raha sendra mba mandalo any aminareo any aho dia tsy mampanahy ahy mihitsy hanamboatra handramanareo. Matsiro be mantsy izy io rehefa hohanina miaraka amin'ny antsiary manga na antsiary mapaza. Style bord na cinema Ritz no anaovantsika azy rehefa izay, zany hoe sady asiana mangahazo nendasina ary katakata manta nendasina amin'izay betsaka ny safidy eo ary eo ambony banc no tsara amelezana azy, antokotany izany. Picnic e! Miala tsiny aloha fa tsy misy labiera na toaka amin'io fotoana io satria fady an'io ny momba ahy!!!


:D :D :D
19. ikaretsaka ( 28/01/2009 16:04)
fa maninona no fady an'io ny momba anao? :wink:
20. ni81 ( 28/01/2009 20:48)
Nie8 sy Fahamarinana sy ny rehetra> Aza manahy fa raha sendra mba mandalo any aminareo any aho dia tsy mampanahy ahy mihitsy hanamboatra handramanareo. Matsiro be mantsy izy io rehefa hohanina miaraka amin'ny antsiary manga na antsiary mapaza. Style bord na cinema Ritz no anaovantsika azy rehefa izay, zany hoe sady asiana mangahazo nendasina ary katakata manta nendasina amin'izay betsaka ny safidy eo ary eo ambony banc no tsara amelezana azy, antokotany izany. Picnic e! Miala tsiny aloha fa tsy misy labiera na toaka amin'io fotoana io satria fady an'io ny momba ahy!!!
Zà efa nihinana kah! fa tena mbola vonona ny hanao famerenana raha mitondra i soanja. Tena vao maika tsara koa aza tsy misy zava-pisotro misy alkola e! Ranom-boankazo misy maro isafidianana :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2758