Ny lanitra sy ny paradisa ve mitovy ?
1. niryna
(
07/01/2009 17:13)
Rehefa nofatsihana teo ambony hazofijaliana i kristy dia nanao esoteny ny mpiampanga azy hoe "raha zanak'Atra marina hianao ,vonjeo aloha ny tenanao "
39 Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao
.43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:39-43
2 Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay-na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala-ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.
3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho-na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala-
4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. II Kor 122-4
Rehefa nitsangana tamin'ny maty anefa i kristy ka nifanena tamin'ny mpianany dia niteny izy hoe aza mikasika ahy hianao fa mbola tsy tany amin''ny raiko aho
Ny fanontaniako dia hoe : samy hafa izany ve ny lanitra sy ny paradisa ?
toa misy lanitra voalhany ,faharoa ,fahateloko koa ?
Ampio aho e .misaotra mialoha
(l) niryna

novalian'i niryna ny 13/01/2009 18:11
2. ikaretsaka
(
07/01/2009 17:19)
Tsy haiko fa tsy mbola tany aho....
Fa inoako fa misy antony io matoa nosokajiana tsara... dia ny kato nanasokajy azy hoe purgatory sns..
Mino aho fa anisan'ny antony izay
Fa inoako fa misy antony io matoa nosokajiana tsara... dia ny kato nanasokajy azy hoe purgatory sns..
Mino aho fa anisan'ny antony izay
3. Noue
(
07/01/2009 18:18)
miainga any indray ny fanontanian'i nyrina zay tsisy afaka mamaly an'io satria mbola tsisy tany aa :-D :-D :-D :-D
4. miarina
(
08/01/2009 10:28)
Ny lanitra (eng sky, fr : ciel) : Espace que l'on voit au-dessus de nos têtes.
ou Aspect de l'atmosphère qui varie selon le temps qu'il fait (pluriel : ciels).
Paradisa : (Paradis, heaven) , lieu de séjour de Dieu et des bienheureux après la mort
ou Aspect de l'atmosphère qui varie selon le temps qu'il fait (pluriel : ciels).
Paradisa : (Paradis, heaven) , lieu de séjour de Dieu et des bienheureux après la mort
5. ari.malala
(
08/01/2009 11:54)
ny lanitra amko ts toerana fa ny fianana miaraka @ Atra, ts haiko alou e! za kou ts mbola nande na andanitra io na amparadisa :-P
6. coopsal
(
08/01/2009 12:48)
Niryna:
Ny fanontaniako dia hoe : samy hafa izany ve ny lanitra sy ny paradisa ?
toa misy lanitra voalhany ,faharoa ,fahateloko koa ?
==>
1- Ireo nosoratan\'i miarina ireo ny définitions hita any aminn\'y diksionera na tahaka izany.
2- Ary ireto manaraka ireto indray ny hitako ambaran\'ny Soratra Masina :
Ny lanitra dia tontolo itoeran\'ny fanahy, mizara roa io tontolo io : maizina sy mazava, tahaka ilay voasoratra hoe \"Ary andriamanitra nampisaraka ny maizina sy ny mazava\" [Genesisy 1:4].
Ny paradisa no iantsoantsiaka ny mazava (ilay toerana tsy misy aizina mihitsy na ny kely aza, araka ny voasoratra ao amin\'ny [Apokalypsy 22:5]).
Ireo izay matahotra ny hiseho amin\'ny mazava kosa dia mankany amin\'ny maizina mba tsy hahitana ny faharatsiany. Indray mandeha Jesosy niteny hoe :
\"Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin\'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon\'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.\" [Jaona 3:19].
Mety hoy ianao hoe \"eto amin\'izao tontolo izao nefa lanitra?\". Ie, satria misy telo tokoa ny lanitra :
Lanitra 1- eto amin\'izao tontolo izao : dia ny fon\'ny olona, satria ao no itoeran\'ny fanahiny. Ao anatin\'ny fo dia efa misy toerana anakiroa ahafahan\'ny fanahin\'ny olona mandeha : mazava sy maizina. Iza no tsy mahatsapa ny fony anaty aizina na anaty fahazavana?
Lanitra 2- Ny fiainan-tsy hita : toerana misy ireo fanahin\'ny maty mandra- pahavitan\'ny fitsarana farany (andron\' ny Tompo). Any koa dia mizara roa : maizina sy mazava. Ny fanoharana nataon\'i Kristy ny amin\'ilay mpanan-karena sy Lazarosy mahantra no ahitana an\'izany. [Lioka 16: 19-31]
Lanitra 3- Ny fonenana mandrakizay dia mitovy amin\'ireo teo aloha : misy maizina sy mazava, ary tenenin\'i Kristy matetika rehefa @ fanoharana hoe : \"hariana any amin\'ny maizina, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify ... hiteha-tratra raha mahita ny sasany hiray latabatra amin\'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba\".
Hafatra : Izay zavatra iainana sy izaran\'ny fanahin\'ny olona ao amin\'ny lanitra voalohany ihany no handehanany amin\'ny manaraka!
- Maro isika kristiana no zatra miolonolona amin\'ny hafa noho ny firazanana na antokom-pinoana na hevitra tsy mitovy. Fa raha eto isika no tsy mahay miombona am-panahy, tsy hahay hiombona ny fanahintsika any ankoatra, ary satria tsy misy toerana afa-tsy roa : maizina sy mazava, izay tsy miombona amin\'ny mazava dia tsy maintsy mandositra miafina any amin\'ny maizina.
- Raha mizatra miaina amin\'ny aizina isika eto, ao ankoatra dia ho any amin\'ny maizina ihany koa fa tsy ho sahy hiaraka amin\'ny mazava. Ary izany no namerimberenan\'i Kristy fa tonga Izy ho fahazavan\'izao tontolo izao : mba ho dieny izao ao anatin\'ny fo dia hanatona ny mazava (Andriamanitra) ny olona ka ho any amin\'ny mazava koa rahatrizay.
\"Minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava ianareo\".
Fa izay mino an\'i Kristy ary manatona Azy dia ho tafiditra zanaky ny mazava, manomboka eto, mitohy ao amin\'ny fiainan-tsy hita ary ho amin\'ny fiainana mandrakizay. Fa hoy Izy \"Izay manatona ahy dia tsy ho laviko mihitsy\".
Ka na malagasy na vazaha, na katolika na protestanta na ireo antsoina hoe sekta, na silamo na hindous na bouddhiste, na ny tsy mino koa aza, na iza na iza no hanatona an\'i Kristy dia tsy ho laviNy.
Tsy misy mahay manatona Azy anefa raha tsy mitady an\' Andriamanitra amin\'ny fony : \"Izay miantso ny anaran\'YAHAWEH (Mpamonjy) no hovonjena\"
Izaho tenako tsy nanatona an\'i Kristy (satria nisalasala = tsy nino ny fahavelomaNy sy ny maha JEHOVAH Mpamonjy Azy) hatry ny fahakeliko, na dia notezaina t@ fivavahana kristiana sy nahalala tsara ny baiboly aza. Fa rehefa nandona ny foko Izy dia nitodika tamiNy aho, ary Izy no niteny hoe
\"raha tsy nisy an\'izao ianao tsy ho nitodika taty amiko\".
Ianao izay mamaky koa mety hoe efa nahafantatra ny tantaran\'i Kristy sy ny baiboly hatramin\'izay, mety teolojiana koa aza, nefa tsy dia nanana antoka loatra ny fisiany (ary ireny dia miseho amin\'ny fahafahanao mino ka mankato ny teniNy). Ary ankehitriny ianao dia mahatsiaro ny fonao voadona (tahaka izay nahazo ahy), izao no tenin\'i Kristy : \"Indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao amiNy aho ary hiara-hisakafo aminy\".
Mety mihevitra ianao fa vokatry ny hadalan\'ny hafa, na ny anao koa no antony mahavoadona ny fonao.
Fa eto Kristy manambara aminao, fa Izy no eo am-baravaran\'ny fonao mandona, ary ny anton\'izany dia ny hitodihanao aminy (tahaka ahy)
Mety noheverinao koa hatrizay fa ny miray latabatra (miara-misakafo) amin\'ny Tompo dia ny fandraisana (na kaominio).
Fa eto dia ambaran\'i Kristy aminao, fa raha vao mihaino ny feoNy ianao ka mamoha ny varavaran\'ny fonao, tsy hiandry hasainao akory Izy, fa Izy no hiditra ary hiara-misakafo aminao (tahaka ny tamin\'i Zakaiosy, sy izaho).
Ho aminao ny fiadanana
7. Fody
(
08/01/2009 14:11)
Raha ao amin'ny Baiboly no jerena ry nyrina dia izao no azo lazaina.
Arakarak'ilay mpanoratra sy ny zavatra tiany hampitaina no maha samihafa na mampitovy ny Paradisa sy ny Lanitra ry nyrina.
Indraindray ny lanitra dia manondro ny toerana itoeran'Andriamanitra sy ireo olo-masina miaraka amin'ny Anjely, indrindra rehefa ampitahaina amin'ny tany. Amin'izay fotoana izay izy dia toy ny Paradisa ihany.
Indraindray kosa izy dia anondroana ny habakabaka, araka izay hita ao amin'ny Bokin'ny Jenezy, milaza hoe: " Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany." (Jen 1, 7 - 8)

8. Fody
(
08/01/2009 14:44)
coopsal:
Ny lanitra dia tontolo itoeran'ny fanahy, mizara roa io tontolo io : maizina sy mazava, tahaka ilay voasoratra hoe "Ary andriamanitra nampisaraka ny maizina sy ny mazava" [Genesisy 1:4].
Aza dia mampia-diso ry namana a! Tsy lavitra fa ao amin'io bokin'ny Jenezy io ihany no ilazan'ny mpanoratra fa: "Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany" (Jen 1, 7 - 8 ).
Mazava be habakabaka=Lanitra, araka ny Bokin'i Jenezy io.
Tsy misy miteny mihitsy ao hoe Lanitra itoeran'ny fanahy. Ary ilay lazainao hoe nampisaraka ny mazava sy ny maizina Andriamanitra dia tsy misy ifandraisany amin'izany. Ny zavatra azo tsohaina amin'ny fampisarahana ny maizina sy ny mazava dia ny hoe: tsy afaka miaraka ny mazava sy ny maizina.
Ny momba ny hoe: lanitra 1, 2, 3 nohazavainao dia izao no azoko ambara.
Ny Lanitra dia izay toerana misy an'Andriamanitra, ny mifanohitra amin'io dia ny afobe.
Ny fon'ny olona dia mety ho Lanitra ary mety ho afobe koa.
Tsy misy Fo mizara roa izany hoe: maizina sy mazava. Fa na Lanitra izy (misy an'Andriamanitra, itoeran'ny fahazavana) na afobe (tsy misy an'Andriamanitra, maizina).
Hoy i Jesoa: Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo. Matio 6: 24, Lioka 16, 13 . Ary izay tompoin'ny olona no tmpon'ny fony.
Midika io fa tsy afaka miaraka ny Mazava sy ny Maizina. Ny fon'ny olona izany dia na Lanitra, itoeran'Andriamanitra, na afobe tsy misy azy, na itoeran'ny Demony.
9. ikaretsaka
(
08/01/2009 15:36)
rehefa mba hitsimpona ihany mao ra coops de zavatra misy hifandraisany @ ilay hevitra tsimponina an dia jereo ny manodidina ilay zavatra tsimponinao fa misy manazava kokoa ny tiana hambara ..matetika...
(ohatra io lazain'i fody io)
lasa mampiana-diso sy a cote foana le izy ka...
(ohatra io lazain'i fody io)
lasa mampiana-diso sy a cote foana le izy ka...
11. bor2lais
(
09/01/2009 11:12)
Ny saha Edena moa no antsoina hoe paradisa fahiny ?
Raha io no jerena dia tsy mitovy ny lanitra sy ny paradisa izany ! Sa ahoana ?
Raha io no jerena dia tsy mitovy ny lanitra sy ny paradisa izany ! Sa ahoana ?
12. Mirananirina
(
09/01/2009 12:01)
Any andanitra ny mparadisa,sa aiza indray no misy azy?Dia any koa ny afobe.
Izay no finoantsika.
Izay no finoantsika.
13. coopsal
(
09/01/2009 13:04)
FODY>>> Tsy miady hevitra ny amin'ny mots aho, "Ny teny izay lazaiko aminareo dia Fanahy sy fiainana", ka tsy ny teny nampiasaina no iadiako hevitra fa milaza izay fantatro aho, araka ny fampianaran' Andriamanitra ahy.
Ekeko fa mety hisy fahabangana ny zavatra teneniko noho ny maha "sombintsombiny ny fahalalantsika", saingy izaho mino fa mato sombintsombiny aloha no omen' Andriamanitra ahy dia izay no takatro hatreto. Ary mino koa aho fa hampitomboin' Andriamanitra izany amin'ny fianarako sy fifankazarako amiNy.
Ekeko tokoa fa araka ny voasoratra dia lanitra no iantsoana ny habakabaka. Fa raha tsy diso aho dia nanontany ilay lanitra fahatelo nandehanan'ny Apostoly Paoly i Niryna teto. Raha diso ny navaliko na tsy ampy, ampio. Fa ny fiadiana teny dia "tsy mahasoa ary mitondra izay manao izany ho amin'ny fahaverezana" hoy ny nosoratan'ny Md. Paoly tamin'i Timoty.
Ataoko fa efa nandre ireto fiteny ireto ianareo, ary mety mba mampiasa koa aza, ka fantatrareo ny heviny :
1- "Izany anie no efa hirahiranao amiko isanandro eo e!"
--> Tena hira ve no tenenina amin'io sa misy dikany ara-panahy?
2- "Fahananao lalitra fotsiny ny ankizy"
--> Tena lalitra ve no afahan'ilay olona sa entina milaza zava-panahy?
3- "Aza manasa ati-dohan'olona fa tssss!"
--> Tena alaina ve ny brain dia sasana amin'ny inona? Sa misy hevi-panahy tiana ambara amin'io?
4- "Hitako!"
--> Tena milaza zavatra hitan'ny maso ve io sa milaza zava-panahy ?
5- "Ataoko mamay ianao an!"
--> Tena azo antoka ve fa mamay au sens hoe nisy afo matériel andorana io sa miresaka zava-panahy?
6- "Tsapako nangatsiaka mihitsy ianao tato ho ato, tsy manoroka ahy intsony ... sns"
--> Tena mangatsiaka ara-nofo io sa misy hevi-panahy tiana avoaka ao?
Na dia isika aza andavanandro mba mampiasa teny sy fanoharana amin'ny zavatry ny nofo hita maso hilazantsika zavatra ara-panahy! Fa ataoko fa tsy dia hitsikera izay miteny izany isika. Koa nahoana no rehefa miteny i KRISTY sy ny Baiboly dia raisina amin'ny zavatry ny nofo foana dia avy eo alalinina sy itadiavana porofo dia tsy azo?
Izaho mino an'izao : na iza na iza mitady ny marina amin' Andriamanitra, KRISTY izay tenin' Andriamanitra velona dia hamaly azy ny marina, araka ny teniNy hoe : "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana"

14. prime
(
09/01/2009 13:08)
mirananirina:... Misy afobe ve any andanitra? toa tsy izany no lazain'ny sorara masina sa ahoana hoy ianao? :)
Dia any koa ny afobe.
Izay no finoantsika.
bor2lais:... Ekena fa ny saha Edena tokoa no nantsoina hoe paradisa saingy raha vao voaozona ny olona dia nesorina teto an-tany io saha io niaraka tamin'ny hazonaina... ary tonga any amin'ny fonenan'Andriamanitra any andanitra... dia tonga tokana ny ambaran'ny lanitra sy paradisa raha ny heviteny ara-tsoratra masina sy ny fanoharana nataon'i Jesosy... fa mitombina koa nefa ireo famaritana lazain'ny namana hoe ny lanitra dia manana heviny hafa... :)
Ny saha Edena moa no antsoina hoe paradisa fahiny ?
Raha io no jerena dia tsy mitovy ny lanitra sy ny paradisa izany ! Sa ahoana ?
15. bor2lais
(
09/01/2009 13:23)
Prime > misaotra fa mazava tsara ...
Izaho koa aloha milaza fa misy heviny ara-panahy io resaka lanitra sy paradisa io e !
Izaho koa aloha milaza fa misy heviny ara-panahy io resaka lanitra sy paradisa io e !
16. prime
(
09/01/2009 14:07)
Tsy misy fisaorana fa hianao koa aza no tena isaorana amin'ilay fanamarihana mba ahafahana mandinika tsara tokoa...
Raha tena zohina ara-jeografia ary anie dia hita ary voafaritra tsara io saha Edena voalohany io ao Irak ao e... fa saingy tsy io intsony no toa resahana amin'ilay hoe paradisa... :)
Raha tena zohina ara-jeografia ary anie dia hita ary voafaritra tsara io saha Edena voalohany io ao Irak ao e... fa saingy tsy io intsony no toa resahana amin'ilay hoe paradisa... :)
17. Mirananirina
(
09/01/2009 17:50)
Misy afobe ve any andanitra? toa tsy izany no lazain'ny sorara masina sa ahoana hoy ianao?
Fa aiza indray ary ny afo be,any ambaniny tany?Taoko rehefa maty isika dia lazaina hoe,lasa any andanitra ny fanahy.Izany hoe miakatra daholo sa midina indray ary,hazavao ary ny hevitrao.
18. Fody
(
09/01/2009 18:42)
coopsal:
FODY>>> Tsy miady hevitra ny amin'ny mots aho, "Ny teny izay lazaiko aminareo dia Fanahy sy fiainana", ka tsy ny teny nampiasaina no iadiako hevitra fa milaza izay fantatro aho, araka ny fampianaran' Andriamanitra ahy.
Ka na zavatra diso aza ve no lazainao dia mbola lazaina fa fanahy sy fiainana ihany???? Mba mandinika rakoto ò!!!
coopsal:
milaza izay fantatro aho,
Enfin, nilazana ny marina ianao
Izay fantatrao tokoa no nolazainao, sy lazainao fa tsy izay tena tian'i Kristy lazaina.
Misaotra eh!
19. niryna
(
10/01/2009 01:55)
ikaretsaka:
Tsy haiko fa tsy mbola tany aho....
angaha moa nisy tany ...
ary ilay hoe ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra
Fa inoako fa misy antony io matoa nosokajiana tsara... dia ny kato nanasokajy azy hoe purgatory sns..
Mino aho fa anisan'ny antony izay
dia ahoana ?
20. niryna
(
10/01/2009 01:57)
Noue:
miainga any indray ny fanontanian'i nyrina zay tsisy afaka mamaly an'io satria mbola tsisy tany aa :-D :-D :-D :-D
aiza kosa e....ao anaty baiboly daholo .