Ny lanitra sy ny paradisa ve mitovy ?
21. niryna
(
10/01/2009 02:02)
miarina:
Ny lanitra (eng sky, fr : ciel) : Espace que l'on voit au-dessus de nos têtes.
ou Aspect de l'atmosphère qui varie selon le temps qu'il fait (pluriel : ciels).
Paradisa : (Paradis, heaven) , lieu de séjour de Dieu et des bienheureux après la mort
lanitra voalohany:
izany hoe ny lanitra izay misy ny atmosphere. Ny niandohan'ny fiainana ,misy ny tany sy ny lanitra sns
lanitra faharoa : ilay nisy ny kintana sy ny volana
lanitra fahatelo: Rainay izay any an-danitra ...io no alehan'ny kristiana rehetra izay mino sy manaiky an'i kristy ho tompo sy mpamonjy
fa ny paradisa izany dia aiza e sa io no lanitra izay andehanantsika ?
22. niryna
(
10/01/2009 02:17)
Fody:
Raha ao amin'ny Baiboly no jerena ry nyrina dia izao no azo lazaina.
Arakarak'ilay mpanoratra sy ny zavatra tiany hampitaina no maha samihafa na mampitovy ny Paradisa sy ny Lanitra ry nyrina.
Indraindray ny lanitra dia manondro ny toerana itoeran'Andriamanitra sy ireo olo-masina miaraka amin'ny Anjely, indrindra rehefa ampitahaina amin'ny tany. Amin'izay fotoana izay izy dia toy ny Paradisa ihany.
Indraindray kosa izy dia anondroana ny habakabaka, araka izay hita ao amin'ny Bokin'ny Jenezy, milaza hoe: " Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany." (Jen 1, 7 - 8)
misaotra fody
23. niryna
(
10/01/2009 02:19)
ikaretsaka:
rehefa mba hitsimpona ihany mao ra coops de zavatra misy hifandraisany @ ilay hevitra tsimponina an dia jereo ny manodidina ilay zavatra tsimponinao fa misy manazava kokoa ny tiana hambara ..matetika...
(ohatra io lazain'i fody io)
lasa mampiana-diso sy a cote foana le izy ka...
:cry:
24. niryna
(
10/01/2009 02:22)
bor2lais:
Ny saha Edena moa no antsoina hoe paradisa fahiny ?
Raha io no jerena dia tsy mitovy ny lanitra sy ny paradisa izany ! Sa ahoana ?
ny saha Edena hono toa ety ambonin'ny tany sa aiza ?
25. niryna
(
10/01/2009 02:24)
Mirananirina:
Any andanitra ny mparadisa,sa aiza indray no misy azy?Dia any koa ny afobe.
Izay no finoantsika.
ny afobe toa any ambany faran'ity tany ity ,efa naheno olona noentin'i kristy nandritra ny 20 mn ?
26. niryna
(
10/01/2009 02:32)
coopsal:
Ataoko fa efa nandre ireto fiteny ireto ianareo, ary mety mba mampiasa koa aza, ka fantatrareo ny heviny :
1- "Izany anie no efa hirahiranao amiko isanandro eo e!"
--> Tena hira ve no tenenina amin'io sa misy dikany ara-panahy?
2- "Fahananao lalitra fotsiny ny ankizy"
--> Tena lalitra ve no afahan'ilay olona sa entina milaza zava-panahy?
3- "Aza manasa ati-dohan'olona fa tssss!"
--> Tena alaina ve ny brain dia sasana amin'ny inona? Sa misy hevi-panahy tiana ambara amin'io?
4- "Hitako!"
--> Tena milaza zavatra hitan'ny maso ve io sa milaza zava-panahy ?
5- "Ataoko mamay ianao an!"
--> Tena azo antoka ve fa mamay au sens hoe nisy afo matériel andorana io sa miresaka zava-panahy?
6- "Tsapako nangatsiaka mihitsy ianao tato ho ato, tsy manoroka ahy intsony ... sns"
--> Tena mangatsiaka ara-nofo io sa misy hevi-panahy tiana avoaka ao?
:D
27. niryna
(
10/01/2009 02:38)
prime:aiza imdray izany ny paradisa ry prime, any an-danitra koa ve ,satria hoy hianao hoe nesorina tety an-tany ny saha Edena ? Azafady fa ilay paradisa no tena tsy azoko .
.. Ekena fa ny saha Edena tokoa no nantsoina hoe paradisa saingy raha vao voaozona ny olona dia nesorina teto an-tany io saha io niaraka tamin'ny hazonaina... ary tonga any amin'ny fonenan'Andriamanitra any andanitra... dia tonga tokana ny ambaran'ny lanitra sy paradisa raha ny heviteny ara-tsoratra masina sy ny fanoharana nataon'i Jesosy... fa mitombina koa nefa ireo famaritana lazain'ny namana hoe ny lanitra dia manana heviny hafa... :)
Raha ilay tenin'i kristy tokoa mantsy dia niteny izy hoe anio .... tamin'io anio io izy no niteny sa tamin'io anio io izy no andeha iaraka ilay jiolahy ho any paradisa ?
toa samy manana ny heviny ny olona e
1- anio na androany fa tsy rahampitso isika no hiaraka hoany
2- anio na hoe amin'izao fotoana izao no itenenako anao ... fa ..... mbola tsy fantatra izany fa andeha aloha e, fa ny fotoana no tsy noteneniny .
28. niryna
(
10/01/2009 02:41)
prime:
Tsy misy fisaorana fa hianao koa aza no tena isaorana amin'ilay fanamarihana mba ahafahana mandinika tsara tokoa...
Raha tena zohina ara-jeografia ary anie dia hita ary voafaritra tsara io saha Edena voalohany io ao Irak ao e... fa saingy tsy io intsony no toa resahana amin'ilay hoe paradisa... :)
misaotra e
29. bor2lais
(
10/01/2009 10:44)
Hoy i Niryna :
\"Raha ilay tenin\'i kristy tokoa mantsy dia niteny izy hoe anio .... tamin\'io anio io izy no niteny sa tamin\'io anio io izy no andeha iaraka ilay jiolahy ho any paradisa ?
toa samy manana ny heviny ny olona e
1- anio na androany fa tsy rahampitso isika no hiaraka hoany
2- anio na hoe amin\'izao fotoana izao no itenenako anao ... fa ..... mbola tsy fantatra izany fa andeha aloha e, fa ny fotoana no tsy noteneniny .\"
-> Tsarovy koa anefa fa tsy mitovy anie ny \"echelle de temps\" n\'olombelona sy an\'Andriamanitra e !
\"Raha ilay tenin\'i kristy tokoa mantsy dia niteny izy hoe anio .... tamin\'io anio io izy no niteny sa tamin\'io anio io izy no andeha iaraka ilay jiolahy ho any paradisa ?
toa samy manana ny heviny ny olona e
1- anio na androany fa tsy rahampitso isika no hiaraka hoany
2- anio na hoe amin\'izao fotoana izao no itenenako anao ... fa ..... mbola tsy fantatra izany fa andeha aloha e, fa ny fotoana no tsy noteneniny .\"
-> Tsarovy koa anefa fa tsy mitovy anie ny \"echelle de temps\" n\'olombelona sy an\'Andriamanitra e !
30. Mirananirina
(
10/01/2009 12:28)
ny afobe toa any ambany faran'ity tany ity ,efa naheno olona noentin'i kristy nandritra ny 20 mn ?
Natritra ny 20mn ahoana fa tsy azoko ny teninao ,tena marina ve izany?Sa ny baiboly no milaza anio?
Diso hevitra izany isika olombelona rehefa maty dia miakatra any andanitra ny fanahy.Kay midina ny sasany.
Nytany anie ka mihodina dia tsy hita indray izany ny ambony sy ambany :roll: :roll: :?:
31. rijadolly
(
11/01/2009 06:42)
ity fanamarihan\'bor2lais no efa tato an-tsaiko foana
Tsy nisy ol nahita an\'Andriamanitra raha tsy ol voatokana,Na i Adama aza dia tsy nahita azy nefa mbola madio tsy nisy petina fa feoNY ihany.Io toerana io no tsy takatsika ny aminy,fa ny fiheverako azy dia ny tontolo ny Fanahy ny any izay afaka miara-miaina @\'nofo(Mivezivezy)
Ny saha Edena moa no antsoina hoe paradisa fahiny ?Mazava ny paradisa fa io saha Edena io,izay ihainan\'nofo madio tsy voaloto izay mbola ihainana ihaniko ireo ol niakatra velona sy ireo izay tsy hanandrana fahafatesana ary ireo natsangana(olona maty tany am-pasana) niaraka tamin\'Kristy izay hitan\'maro(olomasina).
Raha io no jerena dia tsy mitovy ny lanitra sy ny paradisa izany ! Sa ahoana ?
Tsy nisy ol nahita an\'Andriamanitra raha tsy ol voatokana,Na i Adama aza dia tsy nahita azy nefa mbola madio tsy nisy petina fa feoNY ihany.Io toerana io no tsy takatsika ny aminy,fa ny fiheverako azy dia ny tontolo ny Fanahy ny any izay afaka miara-miaina @\'nofo(Mivezivezy)
Niryna:Marina fa tsy mbola tany@RAY Izy fa kosa efa niditra ny Paradisa nifankahita ny Maro(olomasina).anisan\'izany ireo niara-natsangana taminy,ary tsy hadino ilay Mpangalatra teo anilany izay nahazo toky tamiNy noho ny fanekeny ny fahdisoany sy fanekeny fa Jesoa no Kristy làlana ho any.
Rehefa nitsangana tamin\'ny maty anefa i kristy ka nifanena tamin\'ny mpianany dia niteny izy hoe aza mikasika ahy hianao fa mbola tsy tany amin\'\'ny raiko aho
32. niryna
(
13/01/2009 18:11)
Mirananirina:
ny afobe toa any ambany faran'ity tany ity ,efa naheno olona noentin'i kristy nandritra ny 20 mn ?
Natritra ny 20mn ahoana fa tsy azoko ny teninao ,tena marina ve izany?Sa ny baiboly no milaza anio?
Diso hevitra izany isika olombelona rehefa maty dia miakatra any andanitra ny fanahy.Kay midina ny sasany.
Nytany anie ka mihodina dia tsy hita indray izany ny ambony sy ambany :roll: :roll: :?:
nisy olona izay mbola velona izy ary tsy izy irery no efa nitantara an'io ,ity farany ity vao tsy nisy iray volana lasa izay lehilahy nilaza izy fa noentin'i kristy tany amin'ny afobe .. dia mitovy daholo koa ny fitantarany azy ,raha tsy diso aho misy ilay boky kely mitantara izany ao amin'ny fampielezana baiboly na any amin'ny toby 67 ha koa misy ary tamin'ny teny anglisy ilay izy no navadiny ho teny gasy ,zavatra nitranga io fa andraso aloha tadiaviko ilay boky keliko na jereo any aloha any fa efa notantaraiko teto koa io.
Afoheziko fotsiny fa ny shapen-ny afobe hoy izy dia toy ity vatantsika ity misy tanana ,misy loha ,misy tongotra ary misy fo ... andraso aloha izay tadidiko ihany a, dia noentiny nandeha tamin'ny tunnel lavabe izy (ny tongotra io ) oops talohan'izay aloha dia noteneniny fa andeha ho entiko ho any amin'ny afobe hianao ,dia sadaikatra ihany izy ary dia iny izy fa nisavoana niakatra moramora ary tazany tery amin'ny tafotrano ny vady aman-janany natory be ,teo no niandohany aloha .
Izay toerana nalehany dia feno biby mampatahotra sy ratsy tarehy ary maimbo be avokoa ilay tunnel be nandalovany .Dia nandeha hatrany amin'ny fo izy ary eo no misy ilay afobe ,ireo olona izay may sy mitomanay io ilay voasoratra ao anaty baiboly hoe ao no hisy ny fitomaniana sy ny fioitrohanify (tsy aiko ny manoratra azy fa mba ahitsiho kely e), dia nisy vadina pasitera koa tao ka nolazainy fa io vadina pasitera ary tsy nahita ny vadiny nanao sipa izy ka nifona mafy ny vadiny kanefa izy tsy nety namela azy (io koa no nahatonga saina ahy hoe mila mamela heloka ny rehetra isika na inona izany na kely na lehibe ) dia ny iray indray dia olona tapa-tongotra iray ,andraso aloha jereko ilay boky e, fa tsy tadidiko tsara ..
