Io ary hoa ilay efa nahiako ela be!

1. Mio21 ( 22/12/2008 17:07)
Hatraiza ny fatahoran'ny Ra8 an'i Andry TGV ? Efa natahorany hatrany amboalohany io bandy kely io.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47f8cb4b4a961
Ampiako hoe : Ra8 tsy tafakatra teo raha tsy nisy ireo antoko hafa ireo tao ambadikany, inona no olana raha mba miafina ao ambadiky Andry TGV koa ireo antoko hafa ireo?
2. johhhn5 ( 23/12/2008 13:41)
sssssssssssssss,le ra8 mitsy no efa mivarotra tanindrazana e, aleo ny vahiny no omena toerana sy zay ilaina dia ny gasy atao mahita faisana.Halako ny olona mampiasa ny anaran'Andriamanitra hanafenana ny ratsy atao sy hampijaliana ny hafa.Samy gasy zao ihany @ zay mba olona nahita zany atao hoe fahasahirana zany izy teo @ fiainana fa dia manao taon-dasa tsy tsaroana.Hanody azy sy ny taranany io vola alaina tsy andrariny @ madinika io(vidin'ny menaka sns) sy fivarotana tanidrazana io. ho hitantsika eo fa raha za dia leo a.
3. Fanjaibe ( 23/12/2008 17:35)
Ka efa tsy miafina intsony anie ry zareo fa tena efa miseho ampahibemaso

Raha nanao an'io ry zareo t@ 2006 presidentielle dia nisy 2e tour angamba satria 200000 fotsiny ny vato azon'i Ra8. Izy aza tena tena tezitra be mihintsy t@ izay
4. caprio ( 23/12/2008 20:31)
Caprio tsy mahay politika fa ny zava-misy no aboraka de enoy tsara ary aza miteniteny foana fa mankaleo: Ratsiraka faratampony ambony @fahaizana sy fahalalàna,tsy hita izay zava-bitany fa nampahory vahoaka nandritra ny taona maro,dia ilay Ra8 ndray no mba nantenaina kay olona fetsy lahy fa mba nanao zavatra lery fa ny vahoaka kosa mbola mijaly,de nareo ve ry kely saina isany de mihevitra fa ilay DJ tao @hilton taloha de mba afaka anarina io firenena efa mitotongana io,de mahaiza daholo mihonona fa tsy we za AREMA de mahita kianina foana na we za TIM de mahita ambara foana fa raha mahay dia mandehana any dago miseho vahoka sy manambara hevitra fa aza sarim-bavy ato @serasera ato :evil: :evil:
5. Mio21 ( 23/12/2008 20:33)
johhhn5:

sssssssssssssss,le ra8 mitsy no efa mivarotra tanindrazana e, aleo ny vahiny no omena toerana sy zay ilaina dia ny gasy atao mahita faisana.Halako ny olona mampiasa ny anaran'Andriamanitra hanafenana ny ratsy atao sy hampijaliana ny hafa.Samy gasy zao ihany @ zay mba olona nahita zany atao hoe fahasahirana zany izy teo @ fiainana fa dia manao taon-dasa tsy tsaroana.Hanody azy sy ny taranany io vola alaina tsy andrariny @ madinika io(vidin'ny menaka sns) sy fivarotana tanidrazana io. ho hitantsika eo fa raha za dia leo a.

Ny halatra ankolaka na mivantana angamba dia samy nanao daholo ireo fitondrana nisy teo aloha rehetra h@ izay ireo, mety mbola hanaovantsika fampitahana manokana ihany koa ao aoriana kely ao hoe inona avy no halatra fanta-poko fanta-pirenena vitan'ingahy Ratsiraka sy ny an'ingahy Ra8 izay samy niteraka tsy fahatokisana intsony sy nahamaivandanja an'ireo mpitondra ireo teo anoloan'ny @ vahoaka notarihiny.
Ny fampiasana ny tenin'A/tra araka ny voalazanao dia fomba fiady io eh, ary tena nandaitra tokoa satri tena naha ontsaontsa ny atifanahin'ny vahoaka mihitsy t@ fotoan'androny. Mety hoe tena kristianina sy natahotra an'A/tra izy t@ ireny fotoana ireny, dia aleo raisina hoe ny olombelona mety miova. Na izany aza nefa dia fantatr'ingahy Ra8 io "faiblesse"-n'ny vahoaka malagasy io, azony tsara tao @ ilàny azy tsara.

6. Mio21 ( 23/12/2008 21:02)
Fanjaibe:

Ka efa tsy miafina intsony anie ry zareo fa tena efa miseho ampahibemaso

Raha nanao an'io ry zareo t@ 2006 presidentielle dia nisy 2e tour angamba satria 200000 fotsiny ny vato azon'i Ra8. Izy aza tena tena tezitra be mihintsy t@ izay

Ka tsy ho tafa mihitsy nge TGV raha vao tsy miafina ao ambadika ao rizalah lazaintsika hoe goaikantitra ireo eh.
Tadidio fa t@ fotoana nilatsahan'ny Ra8 voalohany nge ka ny olona teto Tana ihany no tena azony eh! Tany @ province dia ny mpiasan'ny TIKO no lasa ohatran'ny hoe "base"-ny tany. Fa ny fisian'ireo antoko nanohitra an'ingahy Ratsiraka nanaraka an'ingahy Ra8 izay nampanaiky ny "1er tour dia vita" no nahatafa an'ingahy Ra8. Ka raha ny ho Filoha no tanjon'TGV? Inona no olana raha zay no hitany hoe ampitombo ny "poids"-ny? Tsy midika izany hoe tsy maintsy hanaraka ny sitrapon'ireo goaikantitra ireo, ny fiaraha-miasa mety azo hatao ihany. asa aloha?
7. Mio21 ( 23/12/2008 21:31)
Caprio : Izaho koa tsy mahay politika, saingy mba "capable" kely ihany @ fampitahàna ny zava-misy (fa tsy hoe foronina), tsy misy miteny eto hoe iza no tena favy sy azo itokisana. Raha ny tiko aza dia ilay mpivarotra charbon nipetraka teo akaikin'ny mamanay no tiko ho prezidà, sao dia mba ny mpivarotra charbon no mahay mitantana firenena kokoa, saingy mampatahotra ndray hoe sao dia ho "monopolisé"n'lery eo ndray koa ny hazo rehetra eran'ny Madagascar mba hampandeha ny charbon-ny.

Misy hevitra iray ihany koa ity mba tiako ampitaina @ ngahy, "place politique" ringahy io prezidà io a, tsy ny fahaizana sy ny diplaoma no mikaonty fa ny fahaizana mandresy lahatra ny vahoaka sy ny lango malefafaka isankarazany, fa raha ny fahaizana no ahazahoana an'io toerana io dia araka io efa voalazan'ingahy io fa tsy maintsy ho ingahy Ratsiraka no naharesy fa tsy Ra8 (raha fahaizana no jerena). Io koa ry caprio dia mety foana eh, refa tsy polyvalent ny prezidà, dia ny conseillers no hatao matanjaka fa tsy ny olona miara-vendrana sy tsy ampy expérience miaraka @ tena. Tsotra kely letsy zany a.
8. Mio21 ( 23/12/2008 22:18)
Dia mbola hotohizantsika kely ihany ny fampitahàna.
Vao lany Maire ingahy Ra8 tao Tana, nilaza ingahy Razanamasy(Maire teo aloha) fa tsy misy vola intsony ao @ Fivondronana ary mbola marobe sy midangana aza ny trosa tsy voaloa??? Izany toe-javatra izany no natao dia ny mba hanmpisehoana fa tsy misy vola ny Fiv. ary zay mpitantana manaraka eo dia tsy mahavita ary tsy hahavita tsara nohon'ilay teo aloha.
Dia efa fantatrareo ihany koa ny mahazo an'ingahy TGV @ ireo vola trosa lazaina fa tsy voalohan'ny Fivondronanana mialohan'ny nahalany azy, nefa nisy resaka détournement ana firy miliara tao @ Fiv tao?
Raha tsorina dia voafingapingana ingahy Ra8 tao anatin'ny naha Maire azy, dia mba mamingana ny adversaire ihany koa izy nohon'ny tahotra voalaza ery ambony indrindra..

Tahotr'ingahy Ratsiraka t@ Ingahy Ra8 maire d'Antananarivo = Tahotr'ingahy Ra8 @ TGV maire d'Antananarivo @zao fotoana izao.
Aleo alefatsika @manaraka ndray ny fampitahana manaraka.
9. penguin ( 24/12/2008 09:44)
Hatahorana ahoana ry Miomiomio a ? Atsy ambadika indray lazaina hoe harovana sa ahoana indray ééé ? Avy dia raiso le fahefana rehefa mibanaka f'aza mampihesona vahoaka ry leireto ooo.
10. caprio ( 25/12/2008 17:51)
Mio23:Milaza enao fa tsy mikaonty ny fahaizana sy fahalalàna raha hitondra firenena,zany we raha azoko tsara dia afaka mitondra firenena zany na dia olona tsy mana-pahaizana aza?dia mba lazao we firenena aiza na taiza no efa nisy olona tsy nahita fianarana ka lany filoha? mba alebiazo wa io atidoha io fa tsy we za AREMA na TIM de mahita lazaina foana, de mba diniho tsara fa orinasa madinika aza refa mitady sefo na mpintatana tsy mahintsy mitaky diplaoma koa maika va fa hitondra firenena :evil: :evil:
11. Simpona ( 27/12/2008 18:00)
Caprio
Caprio tsy mahay politika fa ny zava-misy no aboraka de enoy tsara ary aza miteniteny foana fa mankaleo: Ratsiraka faratampony ambony @fahaizana sy fahalalàna,tsy hita izay zava-bitany fa nampahory vahoaka nandritra ny taona maro,dia ilay Ra8 ndray no mba nantenaina kay olona fetsy lahy fa mba nanao zavatra lery fa ny vahoaka kosa mbola mijaly,de nareo ve ry kely saina isany de mihevitra fa ilay DJ tao @hilton taloha de mba afaka anarina io firenena efa mitotongana io,de mahaiza daholo mihonona fa tsy we za AREMA de mahita kianina foana na we za TIM de mahita ambara foana fa raha mahay dia mandehana any dago miseho vahoka sy manambara hevitra fa aza sarim-bavy ato @serasera ato


Io resaka DJ io mahagaga fa hanakianan'olona an'i Andry TGV indraindray. Mihevitra ve ianao fa rehefa DJ i Andry TGV taloha dia tsy mahay n'inon'inona izy izao? I Ratsiraka sy Ra8 anie mety nilalao kanety sy nitaingina kalesa na nandaka baolina sachet koa taloha e. Fialamboly tahaka ny fialamboly rehetra io fa asa izay fialambolinao raha hafa noho ireo ka mety naha toy izao anao (tsy mitsara aho eto hoe tsara sa ratsy ianao izao)

Ilay fampitahana nataonao mihitsy no tsy ekeko eto. Mihevitra ve ianao fa ireo zandry izay manao hip hop, na tektonik, na slam amin'izao fotoana izao ireo dia tsy mba misy handray ny andraikiny eo amin'ny firenena rahatrizay?

Tsy hoe fiarovana fahatany an'i Andry Rajoelina fa raha teto Dago foana ianao dia mahatsiaro angamba i Anfry Rajoelina no isan'ny tanora voalohany nanao investissement (malaza amin'ny fatahorana hanao investissement mantsy isika Malagasy) ary tafita teto Madagasikara tamin'ny nananganany ny INJET, ary efa nahazoany prix tamin'ny BNI io fahombiazany io.
12. Mio21 ( 29/12/2008 12:35)
Penguin : Tsotra kely io ry Penguin a, ny olona ao Tana RV no tena natokisan-dRa8 sy niaingany ary nianteherany h@ zay, tsy nampoizin’ingahy io sy nampitsangambolon-doha azy ny nandresen’ingahy TGV ny ekipany t@ fifidianana Maire iny, midika koa zay fa nihena ny fahatokisan’ireo vahoaka ireo an-dRa8. Mbola vao maika nampitsangana ny volonkodiny ny filazana fa ao andamosin’ingahy TGV ireo goaikantitra ireo satri ny vahoakan Antana-RV efa zakan’TGV, mbola hiampy ireo vahoaka tarihin’ireo goaikantitra manerana ny lafivalon’ny Nosy.
Fahitako azy io fa mety tsy ho marina, mety hisy hiteny nareo hoe tsy mampihetsi-bolomaso azy TGV.

Amiko aloha tsy dia rarahiko loatra zay mitondra eo na AREMA na CRN na TIM na TGV, rehefa hoe mahay mangalatra tsy hita maso sy tsy mivandravandra fotsiny dia efa “ça va”. (raha hoe tsy maintsy hangalatra foana zay tonga eo)
Tsy misy ilàko zay handray fitondrana ihany koa, ataoko ahoana ny hamoy an’ireo fahazarako isanandro : zoma magnifique eny @ Stadium Mahamasina mitsaky masikita miaraka @bandy sy sipa akama, mampiaraka kely eny @ zaridainan’Anosy tsindraindray, mijery boul eny @Behoririka, mijery adin’akoholahy ...
Nga refa lasa prézidà afaka manao an’izany tsony ? :-D :-D
13. Mio21 ( 29/12/2008 12:46)
Caprio : Ndraso aloha fa tsy niteny kosa aho hoe olona tsy nandia fianarana, hoy aho hoe tsy voatery ho polyvalent, izany hoe tsy voatery ho olona manana diplaoma karazany maro indray mitambatra( Gestion – Budget – économie – droit sns...), raha dokotera-profesora fotsiny ianao na veterinera na ingénieur momban’ny travaux publics, fahaizana tsy ampy itantanana firenena ireo nefa azo atao tsara, arak’ireo voalazako tetsy ambony ireo hoe ny mpanolotsaina no hatao milay sy mameno ny fahaizana hafa tsy nanananao.
14. Mio21 ( 29/12/2008 12:56)
Simpona : Efa voalaza teny @ lohahevitra ny fampitahana ny niaingàn’ny Ra8 sy TGV fa caprio no tsy mahazo tsara (angamba). Ra8 mpivaro-dronono kely nandendé nitety tanàna no niaingan' Ra8, TGV ndao hatao oe DJ Hilton + INJET. Efa voalazako fa samy nahay nampiroborobo ny orinasany ireo olona 2 ireo izay lasa nampalaza azy tsi11 avy. (Raha tsy diso aho dia ny fikarakarana sy fanatontosana ny spectacle nataon’ny J. J Goldman voalohany tao Stade Mahamasina no anisan’ny nampalaza an’ny TGV, nanaraka an’io ny INJET)
15. Mio21 ( 29/12/2008 13:03)
Tohin’ny Fampitahàna :
Raha vao nahafantatra ny mpitondra mialohan’ Ra8 fa hirotsaka ity farany dia niainga daholo ny fingampingana rehetra, tsy navela hisidina ny fiaramanidina nampiasain’ny TIKO, nofoanana ny “exonération nomena ny TIKO teo @ fanafarana matière première momban’ny fanaovana menaka, notsikafonina daholo ny hetra rehetra zay mbola tsy voalohan’ny TIKO ...

Raha vao fantampantatry ny mpitondra @zao fotoana fa mety hirotsaka ary tanjon’ny TGV ny ho Filoha, dia io efa iarahana mahafantatra io ny zava-mitranga sy ny mety mbola ho tohiny. Tsy hatao mahagaga.

Na dia teo aza ny faminganana nataon’ingahy Ratsiraka an’ Ra8 dia tafita ihany izy, azony ihany ny toerana.
Ny fanontaniana dia ny hoe “Mety ho tafa ihany ve TGV manoloana ireo fingampingana rehetra miampy izay mbola hoavy raha tena nivonona hirotsaka marina izy @ fifidianana manaraka? “
16. penguin ( 29/12/2008 15:46)
Inona no dikan'ilay fanontaniana ary mba hazavao ?
Malahelo mafy vé ianao sao lasa i RA-8 ka manoro azy ny hevitra hijanonany eo amin'ny toerany ianao ?
Sa tarika mihevitra ny hanaraka ny vitan'ny sasany ka hanantena hatrany fa izay làlan'ny iray nahatafakatra azy dia ahatafita anareo manaraka satria ny vahoaka donto hatramin'ny farany ka hanaraka ny renirano izay hitany teo aloha ihany ?
17. caprio ( 29/12/2008 20:33)
Simpona: ka ilay resaka politika ao @tanàna mintsy anie ry ledada no efa mankaleo vahoaka,sady ahoana moa no lazainareo fa tsy azo kianina @ilay resaka DJ i Ra-TGV sa refa lanin'ny vavoninareo de we aza kianina,fa mba tahaka an-zany doly anie izay nadalo teo e!Ra8 hoa an'ny mpanakiana de we:mpivarotra ronono no mba hainy,dia tahaka izany koa i Ra-zafy we mpandidy no mba hainy de i Andry zany aza manantena fa milalao kapila manjilatra no talentan'ny lery, fa raha io ferenena io dia misaora an'Atra fa mbola sambatra sika tsy andrenesana baomba na ady saritaka isan'andro fa milamina,ary raha ny fahantrana indray dia taon-jato maro zay no lasa fa tsy mbola nisy firenena mahantra lasa manankarena zany fa ny mifanohitra aza no betsaka,koa dia mahaiza mihonona fa aza fanana lalitra ny vahoaka we TGV eeee mankatsy eeee mankaroa eee, :twisted:
18. andrywui ( 30/12/2008 13:22)
o ry caprio a! tena misy kosa ny firenena mahantra lasa manankarena ka!! tena betsaka ny firenena afrikana no nitovitovy tamin'ny malagasy tam 1950 tany fa zao lasa matanjaka be hatramin'ny volany!! fa ny mpitondra atsika mihintsy no tena zefa hatramzay ka !! mba manana politika ratsiratsy ihany koa ry zalahy fa misy mamingana sy mitoroka any ivelany any ny mpiray tanindrazana rehefa mba misy mampanatena ry zareo matanjaka fa hanarina de tsy azo ny vola fa hoe midy atrano kay nareo tsy milamina ny firenenareo sns.... fa raha samy manao ze ahazahoana fanampiana be avy aty ivelany na ny mpitondra na ny mpanohitra de tafavoaka ihany angamba io tanindrazana malala io
19. penguin ( 30/12/2008 15:03)
Mazava ny teninareo saingy aza adino fa ny zavatra vetimbetesin-dry zalahy ary tena nataony sy mbola hataony dia ireo ihany.
Rehefa tsy izahay no mitondra dia mpamotika no anjaranay ary izay hevitra hianjeran'ny mpitondra no zahavinay na ho lasa olana ho anay ihany aza io any aoriana raha ahazo fitondrana tokoa izahay.
Raha diso izany dia hivereno vakiana ny tahirin-dresaka teo aloha fa ny hanimba no tena tiana hambara.
Ny vahoaka dia tsy ho lasa ho mpitondra ka ny ahasoa azy no ho zahaviny fa tsy ny resaka owaowaowa hatramin'ny farany
20. caprio ( 30/12/2008 17:42)
o ry andrywui a!iza kay zany firenena lasa nanankarena t@ny 1950 zany?raha tsy we angaha ireo firenena nijanona ho voazanaka mandraka ankehitriny dia marina ny anao,ary t@izany koa anie tsy hitovy @ankehitriny tsony fa @izao ny firenena matanjaka aza efa hitotongana koa mba lazao we iza no olona afaka asolontsika an'i le8,aleo andeha ny fifidianana manaraka fa angamba ny 55% ny gasy sisa no andeha hifidy fa efa leo an'ity lalitra lava ty ny vahoaka :lol: :twisted: :evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.051