2012 : Ravalomanana vs Andry TGV???
1. badboy
(
18/12/2008 12:14)
Nivoaka gazety fa nahita olona afaka ny hanavondrona azy ireo mpanohitra, ary nanao fivoriana ry zareo tany @ ilay olona nampivondrona azy ny andron'ny fanomezana 400 millions ireo antoko tonga tany @ fivoriana nataon'ny filoha!!
Raha izao no jerena dia tsisy afatsy digana iray sisa no manakana ny fanambarana fa 2012 : Ravalomanana vs Andry TGV!!!
"Risque calculé" ve ny nataon'ny filoha mba hananany mpifaninana matanjaka sa fampisehoana ny porofo fa Andry TGV anie ka ekipan'ny "opposition???
Ny zavatra mora tsy tiantsika gasy, ka dia ho avy tsy ho ela ny fanovana ny lalampanorenana ka ireo izay anaty lisitra antoko pôlitika tafiditra anaty ilay "critère" ihany no afaka mandrotsaka olona hofidiana ho filohampirenena!! Ka dia tsy maintsy mampivondrona ireo mpanohana azy na ny "opposition" ho anatin'ny TGV izany Andry raha tia hilatsaka ho fidiana!!
Ohatry ny handoro izany ny masoandropolitika malagasy mandrapahatongan'ny 2012!!!
8) 8)

novalian'i penguin ny 07/01/2009 14:55
2. kidoropamba
(
18/12/2008 15:12)
'ngaha misy hiandry 2012 izany indray? hin!hin!hin!hin!
aza matoritory hoa nareo fa i levalo no pilotan'ny raopilanina Madagasikara. Rehefa miainga dia tsy afaka mipetraka intsony raha tsy midaboka.
Tsy ao anatin'ny heritreritry levalo mihitsy izany hoe "resy" izany ka homano dieny izao ny saina fa tsy maintsy rombo izy ity.
Tadidio ny tany Iavoloha t@ statut politika. Tsy hitanao nibaribary ve ilay lainga? trongy hoa! tsy miala eo ravalo raha tsy trongisina.
Iza nieritreritra fa hikambana ny mpanohitra, sy ny société civile? Iza no niheritreritra fa hikambana ny mpanohitra sy TGV? rehefa ho potehan-dravalo ny firenena dia mitsangana ary miaraka mikaon-doha ny gasy rehetra.
Ireny tany Iavoloha ihany no mazava fa tena mitady "saosy". Ary rakatra be ry zareo satria tratra koa ireo nisabakabaka sahala @ marary lava..B..y.
Mbola ao 2009, 2010, 2011, izay vao 2012. Ela loatra. Tsy misy mahandry an'izany. Izaho aloha efa manomana pankarta e. ary misoratra hoe: "Miverena mitery ronono ra-prezy fa efa ampy ny tsara vitanao".

3. xxx
(
18/12/2008 15:21)
Giravy izy ity koa
Tena izy aloha tsy hiala moramora izany eh. Ranjeva na Ramatoa indray no asainy misolo azy rehefa tena dezaka ny afera
Ahahahahahhaha
Ka le omby ho tereny aza amin'izay efa lany novoina tao amin'ny abattoir ko nga tsy loza

4. badboy
(
18/12/2008 17:27)
Mampibitabitaka ny mijery ilay ho avy tsy ho ela!! Hisy raharaha izany ny tanàna atsy ho atsy!! Ho olombaovao indray no antenain'ny herivelona misy eo antoerana!! Sady tovolahy volony no tavany!! Ka dia hitoetra ao andamosiny ireo herivelona ireo hanosika azy ho eo @ fitondrana .... tahaka ny nataon'izireo t@ 2002 rehefa hiakatra teo ny filoha ankehitriny!!
Olona azo antenaina hanao zavatra ilay atosika satria ny tantarany dia tsisy izay tsy mahalala!! Olona niady ary tsy nalaiky nilavo lefona na dia niharan'ny herisetran'ny fitondrana aza!! Rehefa voatosiny t@ fifidianna ireo mpanao ankeriny, ka nitohy nilamina indray ny fampiasana ireo toerampanaovana dokambarotra, dia ny fitaovampialamboly tantanany indray no nakatona!!
Ireo rehetra ireo anefa no jerena dia toa oronantsary efa hita izany na "film rediffusé"!!! Ny lalana nodiavin'ilay atosika hiditra sy ilay atosika hivoaka toa mitovitovy ratsy izany!! Samy tompon'orinasa, ary samy niharan'ny herisetran'ny fitondrana!! Ny mahasamy hafa azy fotsiny dia ilay niharan'ny herisetra taloha, ka namoaka ilay mpiherisetra taminy, no manao herisetra @ izao!! Samy avy ao Antananarivo ary samy ben'ny tanàna, izay tohatra nahatonga ny filoha izao ho eo, ary mety ho tohatra ihany koa ho an'ilay ho avy ao aoriana!!
Ka raha ireo no misy, inona moa izany no tena mahasamy hafa ny ho ataon'ilay eo izao, sy ilay ho avy eo?? Ilay @ izao tsinona nametrahana fanantenana goavana, nefa toa nitovy @ ilay nataon'ilay raika lahy taloha notsoahany teo ihany no ataony!! Koa raha izay indray koa no mitranga raha toa ka ho lasa eo ilay atosik'ireo herivelona??? Fanontaniana mbola tsisy valiny fa ny ho avy tsy ho ela no hanambara azy!!!
Mandrapiandry ilay fotoana aloha izany dia ho anaovako ny solomasoko fa toa ho handoro izany masoandropolitika malagasy izany!!! 8) 8) 8)

5. patrick2002
(
18/12/2008 19:28)
dia mitovy amin'izany ahiahiny badboy izany mihintsy ny ahiahiko , samy operateur aconomique ireo , tsindry hazolena nataony mpitondra no nampiakatra ny hambo-pon'izy roalahy hanao politika , ka hanao ohatry ny hataony ra-8 koa ve i Andry TGV rehefa tonga eo @ fitondrana , hidina daholo ny radio sy Tv ohatra fa ny VIVA TV ihany no afaka mandefa fandaharana , foanana ny pub @ gazety fa ny injet ihany no afaka manao azy :{ :{ :{ aza hitako anie izany.
Ny ahy izao dia efa hanangona vola hoaniny fianakaviana any dago no hatao fa hisy raha eny @ tanana korontana lava reny indray io ,ary ho faty daholo ny PME rehetra .
hisy indray izany ny Dakar 3 sy ny Dakara 4

6. natiora
(
18/12/2008 23:10)
Za kosa aloha tsy mino hoe hanao ohatra dra8 ny TGV e,ny zavatra hita maso izao dia matahotra tanteraka rafanja,vita ny @ ra8 efa misy olona afka ny hifaninana @ny eo @ 2012 izay miaraka @ TGV.
7. xxx
(
19/12/2008 00:03)
Lasitra iray ireo ka tsy atokisanay.Iza moa no nahalala hoe i Ra8 hanao didy jadona? Ka ny TGV mety hanao zenosida... le politika Gasy mihitsy no tena mbola amabany e!!!
8. badboy
(
19/12/2008 08:59)
Mihamangotraka izy ity ry namana hajaina isany!! Ohatry ny ireny mijery baolina eny mahamasina ireny ny tenako mahita ny zavamitranga : mangitakitaka!!!
Ny ekipan'ny mazoto sy mahery manafika, ny fitondrana, no nahafaty baolina t@ tifitra pénaltie vokatry ny fanasaziana ilay nanembatsembana tao anaty harato, izay niafara t@ karatra mena dia ny fanakatonana ilay fialamboly any antokatrano, izay tsy eken'ny ekipa ankilany mpiaro ny haratony, ny TGV, satria izireo milaza fa tsisy hadisoana nataony!! Na izany na tsy izany dia maty ny baolina!! 1 sy donga aloha izany hatreto, ho an'ny ekipan'ny fitondrana!!
Dia nitohy anefa ny lalao ka tsy ela dia eo ampototry ny tsatokazon'ny ankilany ny ekipa mitarika aran'isa!! Ary mihaohao tsy miala eo izy satria rehefa avy nahazo "corner", ka nahafaty baolina t@ ny fanilahana ny CUA @ fivorian'ny UA 2009 sy ny fanambarana ny firaisan'Ivato ho 1 ary ny fametrahana PSD eo @ toeran'ireo ben'ny tanana izay voafidy, dia nangataka karatra mavo ho an'ny kapitenin'ny ekipa ankilany noho ny tsy fanarahandalana nataony nampivory ireo namany nefa tsy nahazo alalana avy @ mpitsara!!! Dia nahazo "coup franc" miala 22 metatra ny tsatokazon'ny ekipa mpiaro harato indray izany ny ekipa mpitaroika anisa!!
Hatr@ izao aloha izany dia 2 no aotra ny baolina, miampy coup franc mbola tsy voatifitra!!! Ny mpijery rehetra aloha dia mbola mijery ihany ny hiafarany!! Vao ny atsapotoana voalohany na "1er mi-temps" no manomboka mifarana!!
Fa raha izao no mitohy mety azo heverina ve ny hirotsahan'ireo mpijery manohana ny ekipa voatarika anisa ka hanmarana ny lalao?? Ny horakorak'izireo manko tsy mitsahatra ny mihamafy hatrany raha vao mitsoka kiririoka ny mpitsara ka manome rariny ny ekipa mpitarika anisa!!
Mbola mitohy ny lalao, ary aza mitsahatra ny manaraka izany eto @ fampitana ankafizinao "badboy.serasera.org"!! 8) 8) 8)

9. saranga
(
19/12/2008 10:04)
O ry nama, mampiady ny vitsika amin'ny elefanta koa ange nareo zany e , en plus ny iray DJ ny iray mpivarotra yaourt. Fa ho sahirana ity TGV ity atsy ho atsy, jereo tsara ange
10. badboy
(
20/12/2008 03:23)
Mitohy ihany ny lalao rahavana ary nahagaga fa tsy namoaka karatra mavo ny mpitsara, di any fiverenandalana teo @ fanagadrana an'i Andry Rajoelina, kapitenin'ny ekipan'ny TGV!! Ny mpiaramilalao aminy anefa efa vonona ny hanohitra ny fitsaran'ny arbitre hatr@ voalohany ary nagataka ny fanafoanana n baolina maty tà voalohany, dia ny fanakatonana an'i VIVA TV!!
Ny mpitsara,dia ny minisitry ny fifandraisana, izay nandray ny didy fanakatonana ny AVIVA no nanabara fa tsisy didy mikasika ny fanagadrana an'i Andry TGV!!
Ny mpijery mpanohana ny ekipan'ny TGV anefa dia efa vonona ny hidina eny ambony kianja, saingy tsy maintsy miandry antoy matanjaka indray izany!! Etsy ankilany ny kapitenin'ny ekipa mitarika anisa dia nampiseho fa ny ekipany no mahay arateknika!!! Nambarany ny fahaizany mijijy, dia ny hananganna banky gasy, sy ny fahaizany mamno baolina, dia ny fahatsaran'ny toekarena 2008 na dia nisy aza ny krizy erantany!!
Mbola mitohy ny tantara!! Nihena 1 ve ny hafanan'ny politika vokatr'io tsy fisamborana an'i TGV io?, ka hahafahako manala ilay solomaso?? 8) 8) 8)

11. xxx
(
20/12/2008 04:17)
Raha ekipa vaovao no namboarin'i TGV dia nirohitra ny pokona nanaraka azy satria samy leo an-dRa8 daholo ny tary.
Saingy vao niala ny sarontava dia mbola ry kala saritaka no hita tao dia aleo nihemotra indray aloha fa ny omaly tsy miova io. Tonga Ra-8 manenjika mpivaotra amoron-dalana, miala any ny TGV manitsaka mpivarotra amoron-dalana.
Ka salaka sy silopo ireo fa ny fatorany no tsy nitovizany

12. badboy
(
20/12/2008 05:34)
xxx >> Ka io ange tsy maintsy ho izay foana eh!! Ravalomanana angaha moa tsy nanana hevitra ny hametraka olombaovao, fa rehefa nodinihina dia ireo namadika palitao ihany na ry goaika antitra mianakavy no noraisiny!! Ka isika tsy ho afaka @i zay, satria heverina ho tsy manampahalalana sy fahaizana ny olonkafa miala @ ireo goaika antitra ireo, ka dia ny hiverina @ naloany foana no atao filamatra!! Ny hirariana fotsiny, raha misy tokony hirariana, dia mba olona tena hitsinjo ny firenena, na dia mangalatra ihany aza, no mitantana ny Malagasy!!
Izay no mety hahasamihafa, angamba, an'i Andry TGV sy Ravalomanana!! Araky ny teninao dia salaka sy silipo ireo fa ny fatorany tsy mitovy!! Tahaka ny mahasamihafa ny t-sirt sy ny semizo, dia io fatorany io no fahasamihafana lehibe ka mety hanova zavatra maro!! Ny salaka moa iarahamahalala fa raha tsara fatorana dia hanahirana ny hanalana azy rehefa poritra!! Ny silipo afaka arotsaka tsimoramora!! ary aza adino fa ao anaty fahaporetana isika izao!!! 8) 8)

13. aikon
(
20/12/2008 07:14)
salut aloha e
ny tiako ambara de izao hoe ny fiatombohana rehetra dia misy farany avokoa
ka tsy de misy zavatra maha gaga na koa hoe zavatra mety ho sarotra ny @ izany satria arakany izay nataonao ihiany no ho jinjainao ko . de raha amiko moa izany tsy misy olana mihintsy fa tsy maintsy miala koa izay tahaka ny nahatongavany teo ihiany no hialany eo ; fa kosa ny Gasy no tokony efa hisaina raha ireny zava-niseho ireny de tokony ho exper ny gasy rehetra ka ahay hiala @ ireny fisehoanjavatra tahaka ny t@ 2002 ireny . ny tiako ho lazina dia ny firaisakinan'ny gasy rehetra asehoy fa efa hitantsika ny zavatra nataony de andao ny rehetra mba hiaraka anala azy eo indray mabndeha fotsiny io de ampy aseho tahaka ny tam'ny bentanana teo ee de vita samy miala de raha toaka mbaola mizirizy de ho itany ny havany eo
Ary aza asiana eritreritra hoe rehefa tonga eo ranona dia sao dia anao anizao ee tsy mbola azo atao ny mitsara ny olona izay mbola tsy nanao fadisoana fa ny zavatra hita no atrehana de ampy
merci
:* :* :* =D>

14. diamondra27
(
20/12/2008 11:45)
de omeo porofo we aona marina zany mandat d'arret an' i tgv zany , tena nisy ve siosio fotsiny
15. kidoropamba
(
20/12/2008 12:46)
Izao e: Aza mihevitra isika fa ireo goainantitra sahala aminay ireo no hialokaloka ato aorian'ingahy TGV ka isolo an-dravalo rehefa avy eo. Diso izany fiheverana izany noho ieo teboka maromaro ireto:
- Raha natanjaka irezto goaikantitra dia tsy niandry an'i TGV ryu zalahy fa tonga dia novonoiny ny baolina.
- NOHO ny fisian'ny olona hafa, TGV sy ny sosaiEté sivily nanapa-kevitra fa hanohitra ny jadona no nahatonga ny baolina mirindra tsara.
- Ireto goaikantitra kosa tsy azo terena hoe aza "tonga" fa avelao ry zareo manao spekta ato aoriana na mitazona godasy ery @ sisi-tosy ka mihoraka raha ilaina izany fa tsy izy intsony ny milalao ny baolina.
- Matoa ny baolina mbola tsy tafiditra dia satria "nareo tanora sy olom-baovao" mbola tsy tapa-kevitra hiditra ny kianja fa faly manao telespektatera any an-trano mijery ilay match @ télé fotsiny na @ serasera.
Ka raha mba mandray andraikitra mivantana ity nareo, na miseho mazava manohitra izao jadona izao fa tsy miafina ato @ serasera fotsiny, ho hitanareo fa tafiditra io baolina io ary ny goaikantitra izany dia tsy misy zavatra firy ho vitany hankana anareo tanora sy olom-baovao.
Fehiny: Ekipa tanora sy ny olom-baovao no afaka hanala an-dravalo eo, ka noho izany hany afaka hitondra ny firenena avy eo. TSY misy "reduffisé" izy io fa efa miova ny tantara fa isika no tsy mahatkatra azy satria isika tsy te hiakatra kianja. Ireo goaikantitra kosa hanaraka ho azy ary hisotro ronono moramora foana.
Jerevo TGV sy ny kandida indépendant maro any @ faritra any fa nadresy an'ireto goaikantitra ireo daholo. Anareo izao no sisa andrasana.
Tandremo fa ireo izay mbolka manohana n'i levaloi amin'izao na dia any ivelany aza, na manana doubla nasionalité aza, dia TSY MAINTSY TSARAINA any "foulpointe" (io mantsy ny Nuremberg malagasy afaka fotoan fohy). Mitandrema ihany fa tsy misy olona matory eto. 8O 8O 8O

16. badboy
(
20/12/2008 18:06)
Ianao izany koa kidoro mandrimandry @ tany misy peste!!! Tsy mbola fanatatrao foana ve hatr@ izao fa ny "indépendant" dia tsy afaka hirotsaka ho fidiana filohampirenena intsony???
ia mba arosoy eto koa ary hoe iza avy ireo olombaovao izay afaka hahavit ny tsy vitan'ny goaika antitra??? Haofotsy ve? Sa kidoro?? @ fomba ahoana moa no ahafhana mamantatra ny tena fahaizan'ny tsirairay raha tsy efa hita hoe inona no zavabitany?? Ny tsy fahitana olon hahvita azy tao @ mpanohitra ange no nahalany ny ekipan'ny mpitarik'isa @ zao ka nitondrany ny kalisy indroa izay ary mety ho avy tsy ho ela ny fanintelony!!!
Hilatsaa andalambe koa dia ahoana?? Sa hiafara tahaka an'i Levaloi ka doboka!! Tsy aleo ve miandry fifidianana dia mandresy ampanajana, raha toa ka tsy misy halabato!! 8) 8)

17. penguin
(
22/12/2008 10:01)
Raiso le fitondrana owa rehefa mibanaka f'aza variana miowawawa. Inona ary ty ? Petaho raha favy sa mangovitr'omana ééé????
18. badboy
(
23/12/2008 07:56)
Izay ny fomban'ny mpanao jadona! Raha vao maneho hevitra dia eritreretina na ampirisihina handray fitondrana!! Io toetsaina io no vokatr'ilay fametrahana ny fananampahefana sy ny fahazahoana ny fitondrana ho lova, ka raisina tahaky ny harena napetrak'i raibe sy renibe dia raisin'ireo mpandova!! Mahatsikaiky!!
Raha toa izany koa angamba no hevitra omena ireo syndicat midina andalambe eto frantsa dia iomehezan'ny kil ilay mpaneho hevitra satria tsy mahay manavaka ny hevitry ny citoyen, syndicat, association sy ny politicien!! Mahamenatra fa izay angamba ny vokatr'ilay tsy fahaizana mamehy ny teny frantsay nefa mindrana sy mifototra @ teny teknikan'ny frantsay na "terme technique français"!!! :^) :^) :^)

19. Fanjaibe
(
23/12/2008 17:42)
Aleo aloha mba jerena tsara ny lesona tokony ho raisina @ zava-mitranga
Raha vao misy decalage ny Politique publique sy ny filan'ny vahoaka dia izay no atao hoe decadence du pouvoir transfere par le peuple.
Asiana tsindrim-peo ny hoe manome ny hevitra aloha vao mana-pakevitra inona no atao
Ary paikady mazava tsy lazaina ampahibemaso akory no mahomby fa laha-kevitra maty paika
Efa miomana izahay, ary ho avy tsy ho ELA

20. badboy
(
23/12/2008 19:05)
fanjaibe >> Aiza koa ranamana no hisy demokrasia nakiafinafina izany!! Sa sao dia ho saritsari-demokrasia fotsiny ihany koa no ho aonareo rehefa ho tonga raha dieny izao dia efa manao ankiafinafina sy tsiambaratelo sahady??? 8O 8O