Politika: vakio jentilisa

1. hery ( 17/12/2008 08:31)
Angamba androany indray aho vao manao karazana famporisihana ho antsika toa izao. Mikasika ny raharaha mafanafana amin'izao fotoana izao dia manainga anareo aho hamaky ny blaogin'i jentilisa sy ny adihevitra ao anatiny ao fa hitako hoe azo saintsinina tsara. http://jentilisa.blaogy.com/post/122/5740 ohatra ilay resaka hoe Nakatona ny VIVA. Dia ny androany koa mbola miresaka ny VIVA ihany.

Izaho hatramin'izao dia mbola miteny foana ihany hoe apetraho tsara ny safidy mandritra ny fifidianana fa hizaka ny vokany foana mandritra ny taona maro...
2. kidoropamba ( 17/12/2008 08:41)
saotra hoa ra-hery fa ity jentilisa-nao ity mantsy bandy fantatray tsara. Niaraka mivory aminay foana io bandy io tao @ Magro ary efa mampiely io bilaoginy io foana izy tao mba ahazoany 19 @ mpitendry mozikan'ny TIM.

Tsara ilay ady hevitra fa efa mazava ny azy ary tena bandy mora tezitra izy io raha hanaovana ady hevitra. Izy mihitsy no "misily nay" t@ fifidianana ben'ny tanana ireny tany @ Andry Tgv ka mitondra sary foana lery avy any ka dia iarahana dinihana ao @ Magro.

Vakio tsara ny bilaoginy ao fa mora fantatra tsara ny mision-any: Mamono afo. hin!hin!hin!hin!hin! Mazotoa e! ary mirary fahombiazana ho anao ra-jentilisy fa diniho kely ihany fa @ izao fotoana izao dia na ny kiraro aza manan'elatra.

3. hery ( 17/12/2008 09:09)
:-)

hita hoe mbola tsy namaky ny blaogin'i Jentilisa i kidoro de diso adiresy :-p

4. andrywui ( 17/12/2008 12:17)
kidoro diso adiresy?? any atokotany zany no matory
5. xxx ( 17/12/2008 12:31)
Esy aho eeeeeee ry malagasy kely e! Misy olona mbola mitady hamono afo efa miredareda be tsy ho hay takonanana intsony ato zany an!
6. hery ( 17/12/2008 13:03)
Ny hoe afo vonoina aloha... aleo izay may no mamono :-)

Zahay t@ may t@ 1991 tsy nimenomenona mihitsy fa tonga dia nidina an-dalambe.

Raha may dia aza mihafihafy izany... na miandry ny sasany hamono afo... fa vonoy ny afo e. Aza miandry akory.
7. xxx ( 17/12/2008 13:21)
Iza moa no may eo fa isika malagasy ihany... sa kosa lahy efa nahazo taratasy vazaha ka nanadino ny nihaviana?
:(

Hay va re ka mbola misy ihany ny malagasy sa milaza fa mety izao zavatra ataon'i ra8 izao (eny fa na dia nitifotra sary miaraka amin'ny aza). Ary Izany akory tsy midika fa anjely i amiraly satria mpamono koa izy. Fa ny zavatra marina mitohoka amin'ny tenda dia tsy ho tafita i gasikara.

Ka raha tsy hidina an-dalam-be ianareo amin'izany dia tsy maninona. Efa eo amin'ny fandriana volamena tokoa ianareo ka tsy miraharaha izay fijalian'ny rahalahanareo intsony.
8. hery ( 17/12/2008 15:27)
Tsy misy miteny hoe mety na tsy mety ny ataon-dRavalo.

Fa ho anay dia tsy misy ivakianay loha amin'izay VIVA mihidy mihitsy. Ianareo ao Antananarivo no voan'izany. Tsy tonga aty aminay ny VIVA. Efa ela izahay no tsy manana télé. Efa ela no tsy tongan'ny JIRAMA akory any amin'ny tanàna. Raha sahirana amin'ny VIVA mihidy ianareo dia mihetseha...

Raha ny mpivaro-bary na mpivaro-dronono no hidin-dRavalo dia hataonay mahita izy :-)

Fa rehefa mihanahana ianareo dia eo ianareo izay. Efa fantatrareo ny fombany sy ny fanaony, dia manao ny ataonareo ianareo, dia avy eo ianareo indray no mody victime?

Jereo fotsiny ny nataonay tamin'ny andron-dRatsiraka. Rehefa hitanay fa tsy namely dia nidina an-dalambe izahay, nandeha eny Iavoloha izahay... ka raha hitanareo fa tsy mamely dia ataovy izay mety.
9. salopard ( 17/12/2008 16:07)
hery:
Ny hoe afo vonoina aloha... aleo izay may no mamono


vain-kava tsy maharary an?
manao voin-kava tsy mahatratra an?
misaotra e!
"Mihinana soa tsa ho kenda , ny vola raha tsa ho lany"(ohabolana ny aha-tany an-tanana e!)
10. hery ( 17/12/2008 16:57)
Mba manana ny vainay maharary koa izahay... mba hitanareo akory ve?
Mba manana voina koa izahay... mba mahatratra anareo ve?

Sa ve rehefa anareo ny kenda dia hoe domy aho ranoatra?
11. salopard ( 17/12/2008 17:42)
hery:
Mba manana ny vainay maharary koa izahay... mba hitanareo akory ve?
Mba manana voina koa izahay... mba mahatratra anareo ve?

Sa ve rehefa anareo ny kenda dia hoe domy aho ranoatra?


lazao eto ary tompoko ny voina-nareo ao ITALY miaraka @ ambasadaoro andriamihaigo ao , fa toa gratuit loatra raha tsy omenao ohatra. "Ny entan-jaraina hono mora zaka; ary ny sakay na mangidy aza raha teny ierana lany ihany"

fa ity hoe vonoy ny afonareo...raha may ianareo ity no maha sadaikatra,

satria "ny aretina mety ho zaka ihany, fa ny famendrofendroana sy ny latsa miaraka aminy no tsy tanty"
12. nanas ( 17/12/2008 20:04)
Amin ny maha-tanindrazana iraisana an i Madagasikara no tokony hijerevana ny tombon-tsoa miaraka fa tsy hoe zahay tsy any fa dia atovy ao zay mahamety anareo. Satria io toe-javatra io tsy mahakasika anao androany, tsy omeko tsiny ianao raha hilaza an izany. Nefa tadidio fa ny tolona ataonao anio anie no antokiny ny hoavy ny taranakao sy ny havanao rahampitso e! Malagasy dia iray foana, fa tsy hoe malagasy ao Antananarivo sy malagasy any Betafo na Antsirabe.

13. jentilisa ( 17/12/2008 20:15)
Misaotra an'i hery nilaza ity bolongako ity. Gaga dia gaga aho hoe fa naninona no niakatrakatra izany mpamaky izany hay aty amin'ny dinika aty misy resaka momba ahy. Aleo angaha lazaina ihany ny momba ahy. Tsy ao amin'ny antoko politika na iza na iza aho. Nanaiky kosa aho fa tao amin'ny fikambanana tiako i madagasikara tamin'ny tapany faharoan'ny taona 2001. Niala anefa aho rehefa hivadika antoko politika izy herintaona taty aoriana satria mitady ny fahalalahako hiteny toy ny amin'izao fotoana izao aho. Nomena safidy rahateo ny rehetra rehefa hiova ny rafitra ka ny atsasaky ny tao amin'ny fikambanana no tsy niditra intsony tao amin'ny antoko raha ny teto amin'ny fokontany no itarafako azy.

Mizaka ny safidiko mandrakariva aho, satria izay no safidiko. Fantatra fa miomana fatratra amin'ny fihetsiketsehana ny TGV. Raha te-ho any aho hitati-baovao dia tongako tokoa eny. Tsy midika izany fa manohana izay hetsika misy eny aho. Haka sary dia haka sary aho ary ny namana serasera ihany no hahazo tombotsoa voalohany amin'izany. Holazaiko tsara avokoa hatrany ny ora andalovako tsy hisian'ny fifandisoana. Raha sakananareo aho tsy hanatrika izay fivoriambe ataonareo dia mazava ihany koa fa tsy mahatanty ny hevitra samihafa izay ianareo, izany hoe tsy mahazaka demaokrasia. Izao hisian'ny fihetsiketsehana izao indrindra no tsy nifidianako azy ary tsy hifidianako azy. Tsy hanao fihetsiketsehana manko no ifidianana ny Ben'ny tanàna fa ny hanatsara ny tanàna. Efa fantatro ihany fa tsy hahita ravin'avaratra amin'ny mpitondra fanjakana rehefa Ben'ny tanàna amin'ny tanàna lehibe tsy tantanin'ny TIM. Tena tsy demaokraty izany saingy ny tanàna tsara endrika ny ahy no tadiaviko satria mitondra tsiky lalandava izany. Fa raha fako hisavovona kosa, soa ihany fa tsy dia misy izany eto Antananarivo, fahasorenana no tanjon'izany.

Momba ny fanakatonana ny VIVA dia nieritreritra ihany aho hoe diso paika ny fitondrana, raha toa manko tsy nakatona sabotsy tamin'ny 11 alina iny araka ny eritreritro dia mety ho niverina isaky ny adiny iray kosa ny tontolo andron'ny alahady... raha tsy nisy fanakatonana (izay efa nandrasany rahateo hidirana amin'ny dingana manaraka izay hanomboka amin'io volana janoary io raha ny fijeriko azy) ny alahady dia notohizana ihany izany ny alatsinainy. Fa mety ho ny mpijery VIVA indray no leo sy sosotra. Saingy efa fantany tsinona ny fanaon'ny mpitondra dia ao tsara izy izany. Fa ireto dinôzôro be dia be taingenin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ireto no mahavariana. Iza amin'ireo re no ho mpitondra ny firenena rehefa tonga ny tanjona irina amin'iny taona 2009 iny e? Sa moa ny tsy hahatontosa ny Fihaonamben'ny vondrona Afrikana ihany no tanjona? Tsy misy tsy mahalala manko fa tsy afaka ny hitondra firenena ao anatin'ny fotoana fohy i TGV dia ny dinôzôro no tsy maintsy hitantana... dia miverina ny 1991 manao hoe aongany aloha fa rehefa avy eo hita ihany izay arotsaka e! Mahazo mitokona soa amantsara ianareo satria any aminareo ny maro an'isa sady mikendry ny hahazo ny 90%n'Antananarivo aza ianareo fa avelao izahay hitati-baovao sy hanambara ny hevitray izay tsy hitovy aminareo mihitsy amin'ity resaka ity.

izaho aloha mahalala mihitsy fa vitsy an'isa aho e! fa izaho kosa tsy manaiky hoteren'ny maro an'isa amin'ny heviny. Mampihomehy mihitsy anie avela hanamboatra ny lalàna ry zalahy mpanao politika mitokona satria hoe nidina ny VIVA TV. Fotoana fanararaotra hanatsarana ny tontolon'ny politika dia hitadiavana hoe atao tsy azo samborina amin'ny zavatra ataony ny filohan'Antoko, Raha izany ve tsy aleoko manao filohan'antoko dia tsy azo samborina aho? Ny tena tsotra anefa dia tsy manana volavolan-dalàna loatra ry zareo ka ho afa-baraka hihaino fotsiny. Avy tamin'i Mialy s'en fout ohatra nahitana hoe afa-miditra amin'ny haino aman-jerim-panjakana na tsy miankina ny antoko (lohateny fahaefatra raha araka ny ao ka zanadohateny faharoa). Misy karazana fanarahamaso ny resaka politika ao nefa inona no ilana fifampidinihana moa tsy ny hanitsiana izay tsy azoazon'ny besinimaro? Enga fotsiny anie mba hahay hanararaotra ny tohiny izy ireo satria toa hisy tohiny ilay izy.

Izany no ela fa ankasitrahana hatrany ny dokambarotra tsy nandoavako vola tamin'i hery. Hitatitra ny zavamisy eto an-toerana aho nefa kosa dia mampahatsiahy fa manana ny fijeriko mihitsy. Koa raha hamaky lahatsoratra ihany, tsy aleo ve izay "hônnete" na tsy mitovy hevitra aminao aza? Ambarako ihany koa fa mahazo mitsikera ny lazaiko tsara ianareo ao ary raha te-hanivaiva ary satria izay no mahadiavolana ny fonareo ataovy fa ny ompa mivantana sy ny teny ratsy kosa mba tsy mety angamba izany ka esoriko raha hitako. Ny amin'ny fanaratsiana indray moa... anjaran'ny tsirairay ny amin'iny.
14. naughtyboy ( 18/12/2008 08:52)
voalaza teo
"Amin ny maha-tanindrazana iraisana an i Madagasikara no tokony hijerevana ny tombon-tsoa miaraka fa tsy hoe zahay tsy any fa dia atovy ao zay mahamety anareo. Satria io toe-javatra io tsy mahakasika anao androany, tsy omeko tsiny ianao raha hilaza an izany. Nefa tadidio fa ny tolona ataonao anio anie no antokiny ny hoavy ny taranakao sy ny havanao rahampitso e! Malagasy dia iray foana, fa tsy hoe malagasy ao Antananarivo sy malagasy any Betafo na Antsirabe."

io no itako fa fijery tsy miangatra , efa nilaozany toetrandro ny ady seza sy fitsitokotokoana izay rafitra nanimba ny tanindrazana nefa mbola ilofosany ireo mpanao politika atr@ zao.Tadidio ry malagasy rehetra fa " Izay mitambatra vato izay misaraka fasika "
ny tsy fitovizankevitra tsy tokony anala ny fitiavantanindrazana sy ny mahasarotiny @ soa iombonany firenena io no lesona sy fototra voalohany tokony hianarany rehetra na mpanao politika na antoko na tsia na iodikavia na havanana
izay no atsoina oe fandrosoana fa tsy fizarazarana
15. hery ( 18/12/2008 09:27)
Amin ny maha-tanindrazana iraisana an i Madagasikara no tokony hijerevana ny tombon-tsoa miaraka fa tsy hoe zahay tsy any fa dia atovy ao zay mahamety anareo


Izaho olona be lolom-po :-) Mahatadidy tsara ny zavatra nanjo ahy sns.
Amin'izao fotoana izao anareo ny olana dia maika ery ianareo miteny hoe tanindrazana iraisana. Tapaka ny VIVA izay télé-anareo ao Antananarivo, dia lazainareo hoe an'ny malagasy rehetra?
Mba mihetsika ve ianareo rehefa tsy tonga any amin'ny faritany ara-dalàna akory ny Télé TVM?
Mba mihetsika ve ianareo rehefa fantatrareo tsara fa efa 3 taona izao izahay no nangataka compteur fa tsy mbola omen'ny JIRAMA foana... kanefa nareo ny télé VIVA no mba tsy hitanareo?

Ka izay no lazaiko hoe, rehefa anareo ve dia hoe antsika, fa rehefa anay dia anay irery?

Momba an'i Andry TGV manokana tsy hitanareo akory hoe vita ve ny teny nifanomezana tamin'ny praopagandy. Efa niteny mafy mihitsy aho tamin'i Andry TGV nirotsaka hoe tsy hahavita n'in n'in anie izy satria tsy hahazo tombony manokana amin'ny fanjakana intsony Antananarivo.... fa mbola nofidinareo ihany. Izao anaovan'ny fanjakana totoafo vao hoe tsy vita ny asa fa be mpisakana. Efa fantatra hatry ny ela fa ho be ny mpisakana... fa mbola niroboka ihany. Mahasahy sy mahavita matoa manao.

Koa raha mbola olana madinidinika toa izany dia aleo aloha izahy hitady izay hihinananay hanina.
16. kidoropamba ( 18/12/2008 09:53)
ahoana ingahy jentilisy e. Tadidinao ve ilay resaka nifanaovantsika tao @ magro iny? t@ fifidianana ben'ny tanana. Ohatra iray: tonga alohan'ny fotoana na aorian'ny fotoana ianao maka sary ireo olona nanotrina an'i TGV @ izay vitsivitsy ny olona azo sary ka lazaina fa hoe tsy misy olona tany.

Tadidinao koa ilay teny andohalo?

Mamono afo ange ka kandra tsy ratsy e. Il n'y a pas de sot métier hoy ireo menasofina mahay azy.

Tandremo kosa hoa fa efa mahay manidina ny kiraro @ izao teknolojia tsy misy farany ity. 8O 8O 8O
17. tenagasy ( 18/12/2008 10:21)
Mankamamy!

Izaho mihevitra hoe misy fahamarinany ny tenin'i Hery.
Tsy manavakava-parita aho fa izaho koa dia efa manao io fanamarihana io matetika hoe:
toa afototra (basé) irery loatra @ renivohitra hatrany ny fandraisana fanapahan-kevitra @ fiainam-pirenena; hatry ny taloha io ka mandran'ankehitriny.
Eny na dia marina aza fa ny (2001 : 1 689 000) 1/10 mahery kelin'ny malagasy no monina ao.
Tsy haiko aloha fa zary toa hamaivanina ny 9/10 raha ny fahitako azy e!
Araka io voalazan'i Hery io!

Aza raisina maimaika izao resaka izao fa mba ezaho saintsainina kely anie e!
Asa koa aloha fa mety misy rijankevitra ara-sosiolojika manamarina hoe:
raha vao ny renivohitra no ... ... ... dia ... ... ... ny firenena.

Ny momba ny CUA indray.
Lainga lainga kosa fa raha mbola i Andry RA. irery ihany, izaho mino fa hitsetra sy ho nanantena zavatra ny olona, ary nanampy.
Saingy inona intsony moa no ilàna izay vahoaka madinika @izao zava-miseho izao?
Tsy efa TROP aza ve ireo vaventy manodidina azy? Poids lourds sy Dinosaures izay manahoana?
Tsy vitan'ny efa babena ny olan'ny renivohitra fa mbola andeha koa hitrotro izay lasan'ireo rehetra efa teo no niala ireo?
Raha misy manjo anao, iza no voatonona sy antsoinao voalohany? Moa tsy izay akaikin'ny fo indrindra? (((Tandremo ho an'ny mpiteny ratsy!! hi hi hi!))) :-P :-D
Ka iza izany no akaiky kokoa azy?

Na dia efa saika natelina aza ilay sakafo efa voatsakotsako tsara,
zary nisaina kely indray - nivalambala-maso - feno ranon'ivy ny vava - te-hamerina ilay notsakoina eo ambony sotro hojerena tsara alohan'ny hitelemana azy;
saingy toa voretra izany ka mba menatra ambony ihany!


Mirary soa!
18. ravatorano ( 18/12/2008 10:33)
za manokana aloha dia mihevitra fa misy tsy rariny mihitsy ny fanakatonana ny TV Viva tsy amin'ny hoe an'Ingahy andry rajoelina izay efa atao izay hanembatsembanana azy amin 'izao eo amin'ny fitantanana ny tananan'antananarivo fa kosa eo amin'ny ankapoben'ny fiainam-pirenena.
Marina fa tsy tonga eran'i Madagasikara ny Viva ary eto tanà ihany no ahitana azy saingy raha akaton'ny fanjakana ve ny Radio Bongolava na ny Radio misy any Antsirabe na faritra hafa dia tsy maninona satria tsy ny eran'i Gasikara no mandre na mahita azy.Tsy any loatra ilay resaka fa teo amin 'ilay fomba nentina nanaovana azy fotsiny satria nisy TV anakiray izay nanao izany na dia ampahany tamin 'ilay resaka nolazain'Ingahy Ratsiraka aza nefa dia mbola ao tsara miresaka sy mandefa fandaharana tsara , d nanazava ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisana fa hoe noho ny Viva nandefa manontolo ilay valan-dresaka no nanakatonana azy araky ny fanambarana itako an-gazety ihany
d izay zany e !
ny ankoatran i'zay tsy d hitako loatra na hiaraka amin 'iza Ingahy Rajoelina na hibaby an'iza fa rehefa tonga ny fifidianana eo za mahita izy :wink:
19. hery ( 18/12/2008 11:06)
ravato> Araka ny hitako tao amin'io blaogin'i jentilisa io dia

1. Ny VIVA namoaka manontolo
2. Ny VIVA mbola nilaza fa hamoaka manontolo amin'ny andro manaraka (nokendrena hifanindry @ resaka fiantsoana antoko politika)
3. Ny VIVA namoaka resaka Ratsiraka manontolo sy nilaza mbola hamoaka izany (zany hoe tsy vaovao) kanefa tsy nilaza akory t@ vaovao momba ny fiarahabana ny anniversaire-n'i Ravalo
4. Ny VIVA télé-an'i Andry TGV :-)

ireo fotsiny dia efa ampy hanakatonna ny VIVA raha vao vérifié ilay folaitra.
20. tenagasy ( 18/12/2008 11:25)
Mankamamy!

Sao dia mba mety hanampy antsika itony:

... ... ...
"Nous avons été interdit de diffuser suite à la diffusion d'un publi-reportage payé par l'ancien président Didier Ratsiraka, lequel était susceptible de troubles à l'ordre et à la sécurité publique, selon la lettre que nous avons reçu", a expliqué à l'AFP Andry Rajoelina.
... ... ...
lemonde.fr 15/12/2008 Madagascar: une télévision privée interdite d'émission araka ny tranonkala [razafimahazo.free.fr]

K'izany ary ko! Tsy miteny hoazy ve izany?
Zavatra privée - fianakaviana - de inona no ilaina andoavam-bola handefasana azy @ TV ?
POROFO FA MISY TANJONA HAFA AMBADIKA IO!
Amiko dia izao no atao hoe kibokiboin'ny marina ka ... ... ...!

Mirary soa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4796