Politika: vakio jentilisa

21. nanas ( 18/12/2008 14:30)
hery:

ravato> Araka ny hitako tao amin'io blaogin'i jentilisa io dia

1. Ny VIVA namoaka manontolo
2. Ny VIVA mbola nilaza fa hamoaka manontolo amin'ny andro manaraka (nokendrena hifanindry @ resaka fiantsoana antoko politika)
3. Ny VIVA namoaka resaka Ratsiraka manontolo sy nilaza mbola hamoaka izany (zany hoe tsy vaovao) kanefa tsy nilaza akory t@ vaovao momba ny fiarahabana ny anniversaire-n'i Ravalo
4. Ny VIVA télé-an'i Andry TGV :-)

ireo fotsiny dia efa ampy hanakatonna ny VIVA raha vao vérifié ilay folaitra.


Hajaina ny safidinao ra-hery raha izay, fa mba tiako tsindrina kely aminao izay any Italie fa io resaka iadin ny besandry io tsy resaka VIVA irery fa ny mahakasika ny zavatra mitranga eo @ firenena. Ny fifehezana harem-pirenena sy ny didijadona atao @ vahoaka tantsaha any ambanivolo any hatramin ny 2004 no nakaty. Tsy dia haiko loatra ny ao Antananarivo renivohitra, fa matoa ny olona mitaraina dia ao raha. Raha te hahafantatra misimisy kokoa ianao dia mandeha any @ faritry mpamokatra raha tsy hilaza afatsy ny faritry vakinakaratra sy Ambatondrazaka aho, ny mpanao vato sy ny sisa. Tsy ho ary ho voatanisa eto daholo fa za milaza aminao hoe mandehana mihitsy any dia ho hitanao. Mazava aloha hatreto ny hevitrao, ary raha izany dia tsy afaka hitambatra mihitsy ny malagasy fa samy mijery izay mahasoa ny tenany. Ny resaka jiro, laharam-pahamehana tokoa, tsy sanatria aho hoe manamaivana ny zavatra mampalahelo anao fa zao kosa amiko matoa ny olona tsy nihetsika satria heverin ny olona fa zakanareo sy tsy mampaninona velively anareo ny zavatra hiainanareo. Ny olona ety ivelany indray ve no handeha hamendrofendro anareo hoe" ndry ty nareo, mampalahelo". Ny olona raha teo efa voalazanao fa tsy manantena hahazo rariny raha mbola rafanja. Fotoana tokony hijoroan ny malagasy zao mitambatra manohitra ny tsy mety, fa tsy tokony misy intsony fijerevana hoe reny zahay zao, taiza nareo sy ny sisa. Ny zavatra tsy nety efa tsy nety avelao any fa sanatria isika samy malagasy indray no hifanenjika eto, aza asiana ambo-po fa ny hoavin firenena hiainan taranaka faraman-dimby no tokony hojerena.
Kanefa kosa raha izay no tena eritreritrao, tsy misy tsiny fa mbola misy malagasy 19 millions afaka mitambatra miharo ny tombontsoam-pirenena.

22. Annie2006 ( 18/12/2008 14:48)
tenagasy:

Mankamamy!

Sao dia mba mety hanampy antsika itony:

... ... ...
"Nous avons été interdit de diffuser suite à la diffusion d'un publi-reportage payé par l'ancien président Didier Ratsiraka, lequel était susceptible de troubles à l'ordre et à la sécurité publique, selon la lettre que nous avons reçu", a expliqué à l'AFP Andry Rajoelina.
... ... ...
lemonde.fr 15/12/2008 Madagascar: une télévision privée interdite d'émission araka ny tranonkala [razafimahazo.free.fr]

K'izany ary ko! Tsy miteny hoazy ve izany?
Zavatra privée - fianakaviana - de inona no ilaina andoavam-bola handefasana azy @ TV ?
POROFO FA MISY TANJONA HAFA AMBADIKA IO!
Amiko dia izao no atao hoe kibokiboin'ny marina ka ... ... ...!

Mirary soa


Ny olona dia tsaraina amin'ny heloka vitany fa tsy "amin'izay heloka IZAY HEVERINA FA METY ATAONY". Izany no lazain'ny lalàna ary mifandraika @ rariny.
Ny fanaovana publi-reportage dia tsy voararan'ny lalàna. RAHA MISY TENY NATAON-DRATSIRAKA ARY VOAPOROFO FA AFAKA MANAKOROTANA NY FILAMINAM-BAHOAKA dia hiangaviana ny mpitondra fanjakana hitondra izany @ fitsarana ary manidy ny TV @ izany teny "lazaina fa manakorontana ny saim-bahoaka" izany. Misy lalàna mifehy an'io fa tsy ataotao fahatany.

Raha manaraka izay lazain'ny sasany dia "toa tsy misy na iray afaka naneho teto (na tein'ny governemanta io na avy aiza) FA NISY MARINA NY TENY AFAKA MANAKORONTANA NY FILAMINAM-BAHOAKA @ izay voalazan-dratsiraka.

Ny publi-reportage izay "prestation légale" @ fanaovana gazety sy ny aino aman-jery ary ilay filazana fa "namaoka en intégralité" (zon'ny mpanao gazety sy ny aino aman-jery izany ary tsy voararan'ny lalàna) indray no hanamarinana an'iny fanidiana TV VIVA iny. Tsy mitombina izany eo anatrehan'ny lalàna.

Nilaza ilay ministra hoe: "VAOVAO MANAKORONTANA NY FILAMINAM-BAHOAKA". Fanontaniana, AIZA HO AIZA @ voalaza ny misy izany "fanakorontanana ny filaminam-bahoaka izany"????????????,

Aza "mamono afo" tokoa hoy kidoro ny sasany fa asehoy ilay "ANTONY MAZAVA" izay mifandraika @ lalàna.

23. jentilisa ( 18/12/2008 19:53)
Hiditra an-tsehatra indray i jentilisa!

Raha nahamarika ianareo dia tsy niditra forum loatra intsony aho. Tonga manko dia mivantana any amin'ny blaogy.com sy ny globavoices online rehefa mahazo izany serasera izany.

kidoropamba> tsy hoe tsy miasa aho tsy akory ka handany andro hivory. Passion kosa ny ahy ny mitati-baovao ka izay hitako no lazaiko. Fotoana efa vonjivonjena anelanelan'ny asa aza ireny mbola misy tsy tratra ihany. Fa tezitra angaha no hitoraka kiraro anay?

Manaraka izany, mahavariana ihany ny toe-draharaha fa mipoitra eny ihany ny marina. Hay indray ve ka publi-reportage nefa ny manao gazety no nanolotra azy? dia natao fandaharana manokana no sady hiverimberina! Tsarovy fa resaka haino aman-jery no nahatafaverina an-dRatsiraka tamin'ny taona 1995 satria no tantaraina mivantana tamin'ny RNM ny fiverenany avy any Paris. Noho ny fahalalaham-pitenenana izany, mbola amin'ny alalan'ny haino aman-jery ihany no nohararaotiny hahatsiarovana azy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao ary ny Viva TV no namoaka azy manontolo. Soa ihany izany fa tsy ny TV plus no tratran'izany satria tsy ho ingahy Ben'ny tanàna mihitsy no hiditra amin'izany resaka izany raha tsy voa ny azy. Izao tratran'ny manipulation ny tenany sy ny orinasany. Nijoro tokoa ve i Andry Rajoelina raha ny TV PLUS no nikatona ohatra fa tsy ny azy? Dikan'izany, tombotsoan'iza ary no tena tiany arovana? Fa angaha ny Viva an'i Vahoaka? Ataoko fa tsy société Anonyme ny orinasany an! sa diso aho? Fa izao no adino: Tokony ho nanontany izany ny mpanao gazety hoe tokony haverina impiry moa ilay fandaharana amin'ny mahadokambarotra azy mba ho ny valinteniny mihitsy no andrasana fa tsy izay avy aty aminay mpitazana. Ary mazava loatra fa tena natao hiverimberina araka ny vola naloan'ny olona nanao azy ny dokambarotra sa diso havitra indray aho ny amin'iny? Misy tohiny ary ny zavatra mety hataon-dRatsiraka fa havoakako amin'ny bolongana rehefa avy eo fa aleo mody atao amin'ny endrika hanihany izy any.

nanas> miresaka ianao fa be ny tsy rariny any Ambatondrazaka sy any Vakinankaratra ohatra. Efa nanoratra izany ihany koa aho. Fa izao no mahavariana, rehefa tonga ny fifidianana dia ilay lazaina fa mampijaly azy ihany no fidian'ireny faritra ireny? Inona no antony? halabato ve? Gaga ny zaodahiko iray any amin'ireo faritra voatonona ireo fa miseho mimenomenona ny olona fa misy tsy rariny manjo azy nefa nony tonga ny fifidianana nafana fo nanohana ny filoha ihany izy ireo. Nitampim-bava fotsiny izy. Fa ahoana mihitsy ary ny fisainan'ny olona any amin'ny faritra e? Tsy hahalala izay any am-po tsy miloaka ianao satria ny ankamaroan'ny Malagasy tsy hilaza aminao loatra izay tena saininy. Azo heverina ve fa hifidy Ratsiraka indray ny olona rehefa avy ny fifidianana ka hambarany fa i Andry Rajoelina no hataony praiminisitra ohatra? Tsia, tsy hifidy fotsiny izy tahaka izay tsy nahalany an'iZafy Albert intsony (sady nisy halabato koa iny rehefa natambatra ny vato tao amin'ny minisiteran'ny atitany).
24. kidoropamba ( 19/12/2008 12:23)
hin!hin!hin! ataovy maromaro ny siny be ry akama jentilisy fa toa mibedabeda be ilay afo a.
De zava-baovao indray: Publi-reporitazy, intégiraly indray izany izao ilay "manakorontana ny filaminam-bahoaka". hin!hin!hin! taolana mantsy io nify io hoy ny Ntaolo ka afaka mihomehy loza.

Aza dinihina ny any an-dohan-dratsiraka fa tsy mety e. Tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny satria raha mandinika ny ao andohanareo aho dia tena guerre mondialy sy cholera ary SIDA no hitako. Ary raha izany no raisina dia tena very isika e.
Aiza ilay porofo mazava fa MISY na NISY (fa tsy mety HO HISY) ilay hevitra na teny manohintohina ny filaminam-bahoaka nataon'ny VIVA ka nahatonga ilay fanakatonana ilay télé-anay?

Avelao any i Zafy sy izay praiminisitra ANDRY TGV fa fanontaniana tsotra no sady mazava io.

Izaho manokana aloha tsy tezitra mihitsy e, fa nohon'ny fandalinana ny zava-misy dia matetika miseho fa ireny lainga be ireny dia mam-panidina ny kiraro indraindray. teknolojia avo lenta e. Ingahy Bousy moa nahazo ny anjarany ka nahita fa 43 ilay pointuren'ilay kiraro. Dray dray dray, dadany koa izany mason'i lery izany. Ka manaova fahazaran-tena tsara ny maso fa matetika tsy misy pointure ny kiraron'ny gasy.
8O 8O 8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0828