Aiza no alehanao raha ........

61. prime ( 29/12/2008 11:48)
Noue> Efa ireo hazavain'ny namana ireo fa efa fantatra dieny izao io... ny hany sisa jerena amin'ny fitsarana farany dia ireo izay mino raha toa ka mihazona sy maharira hatramin'ny farany na tsia, fa ny ankoatr'izay (tsy mino) dia efa nambaran'ny soratra masina fa efa voatsaran'ny tenin'Andriamanitra tsy inoany sahady na dia mbola "velona" aza...
62. ikaretsaka ( 29/12/2008 17:37)
Tsy @ finoana ihany fa @ asa koa...
Voasoratra koa izay
63. bor2lais ( 30/12/2008 17:16)
kotobekibo:

Zà aloha ref maty d tonga d direct any andanitra e!
Mety misy gare kely lalovana tahaky ny afo fandiovana , sns ... fa ny terminus d any andanitssa ô!
Zà matoky an\'i Lery ! ;-)


-> izay mantsy : ny antony inoana dia ny hanala ny fisalasalana (raha tsy izany dia tsy ilaina ny mino).

Saingy ny an-dRakoto kosa efa hoe \"direct\" koa maninona no mbola hijanona @ izay gare kely any indray ? Any @ terminus ihany vao mijanona ...

64. prime ( 31/12/2008 09:31)
ikaretsaka:
Tsy @ finoana ihany fa @ asa koa...
Voasoratra koa izay
... Ilay asa dia vokatry ny finoana, fitaizam-pinoana mba ho velona fa tsy mitondra famonjena... f'andrao hisy hirehareha hoy ny tenin'Andriamanitra izay... ka sao variana amin'ny asa ra-Ika nefa ilay finoana efa tsy misy intsony...
65. ikaretsaka ( 31/12/2008 22:21)
miaraka ireo fa tsary mandeha ila
66. prime ( 02/01/2009 11:56)
Afaka mandeha ila ny asa ra-Ika a... tsy voatery misy an'i Jesosy ary tsy voatery atao amin'ny anaran'i Jesosy... tsy vitsy ny olona no manovokovoka manao asa soa, tsy noho ny finoany an'i Jesosy fa indraindray aza mba hireharehana mihitsy hoe nahavita ny tena, nahavita izahay satria "kristiana"... tsy indray mandeha eny amin'ny fiangonana no mijoro ny olona hoe nanao izao asa izao izahay (polipitra, tafotrano, fanaka sns... famonjena mahantra, fanampiana olona noho ny aretina goavana sns...) dia avy eo toa tsy misy fisaorana an'Andriamanitra, ilay tena nanao ny asa sy nahavita ny asa, fa tafiana ho an'ny tena ny voninahitr'Andriamanitra... dia na ny olona hafa mijoro vavolombelona ny amin'ny asan'Andriamanitra tamin'ny fiainany manokana aza tapenam-bava fa ny milaza tena ho mahavita no deraina an-gazety mihitsy aza...

Tsy misy voninahitr'Andriamanitra resahana amin'izany indraindray fa anaran'olona sy fianakaviana aza no resahana...

Ka tsy mandeha ho azy miaraka foana ireo ary eo indrindra no ampiambenan'ny Apostoly Paoly mba tsy hisy hirehareha satria an'Andriamanitra ny asa ary Izy no nahavita fa tsy misy asan'olombelona io na dia kely aza... eny fa na dia izao dinika atao eto amin'ny serasera izao aza dia mbola an'Andriamanitra ihany koa fa tsy misy an'olombelona na dia kely aza...
67. ikaretsaka ( 02/01/2009 17:56)
Ianao izany no mahay miasa ila koa...ny ahy ny asa dia vavaka aby... fisainan'ny visy prezida an'ny fiangonanareo sy ny panao vokatra any aminareo io manao asa mba te hoderaina sy mifaninana io de lasa nohon'ny voninahitry ny tena ilay izy fa tsy Atra tsotry.
Mifanohitra tanteraka @ principen ny AMDG (jereo akaiky io)
68. prime ( 05/01/2009 08:17)
:-D

ikaretsaka:
Ianao izany no mahay miasa ila koa...ny ahy ny asa dia vavaka aby...
... Vavaka ny asa??? hummmm... :lol:
69. ikaretsaka ( 06/01/2009 19:57)
Mere theresa:
On peut prier pendant qu'on travaille. Le travail n'empêche pas la prière et la prière n'interrompt pas le travail. Il suffit d'une petite élévation mentale vers Dieu; Seigneur, je t'aime, j'ai confiance en toi, j'ai Foi en toi, j'ai besoin de toi maintenant! Des petites phrases comme celle-ci sont des magnifiques prières.
70. prime ( 07/01/2009 06:51)
Misy hevitra hafa tianao ambara angamba ra-Ika... fa na ianao ihany aza dia manome porofo araka io tenin'i Mère Théresa io fa samihafa ny vavaka sy ny asa... eo dia mazava tsara fa sady niasa no nivavaka izy... fa tsy hoe asa dia ampy satria ny asa efa vavaka... :lol:

Mifameno izy roa tonta... manamafy izay efa voambaran'ny namana ao ambony rehetra ao fa ny fiainam-bavaka no sitrak'Andriamanitra indrindra ka na inona atao na inona dia ilaina mandrakariva izany...

Saingy ny resaka nahatonga izao dia ilay nahasahianao nilaza fa mandeaha ho azy miaraka ny asa sy ny finoana... io no nahatonga fanamarihana...

Ny finoana tsy arahana asa dia maty... fa ny asa tsy misy finoana dia zava-poana mihitsy... ny finoana no mitondra famonjena ary ny asa no mahavelona ny finoana... ka tsy ny hahatonga ny olona ho mpiasa sy mpanao asa soa no nahamaika an'Andriamanitra fa ny hahavoavonjy ny olona... rehefa azon'ny olona antoka fa voavonjy izy dia manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra (miasa) raha tena fantany fa lafo vidy taminy ny fitiavan'Andriamanitra... :)
71. bor2lais ( 07/01/2009 10:49)
Iombonako ny hevitr\'i \"prime\" farany io.

Ny finoana no mitarika hanao asa. Io asa atao io dia fanehoana ilay fitiavana voaray maimaim-poana.

Ny fanehoana fitiavana amin\'ny alalan\'ilay asa (fihetsika, fomba fiaina, fiteny, sns) dia efa endrika toriteny. Ary mety fitaovana ampiasain\'Andriamanitra hampiova sy/na hahavonjy (ara-panahy indrindra indrindra) ilay olona iantefan\'ny asa atao.

Izany hoe ny finoana tao amin\'ilay mpanao asa no niteraka finoana ho an\'ny hafa ...
Eo koa angamba no mety maha samihafa ny asa soa ataon\'ny Kristiana sy ny asa soa ataon\'ny hafa ...

Fomba fijery manokana ihany ny ahy io fa mahereza daholo !
72. mangakely2016 ( 07/09/2016 04:59)
Salama tompoko ô!

Efa ela ihany ity adi hevitra ity no nandeha fa manantena aho fa mbola hisy hamaly ihany momba ny lohahevitra asa sy finona.

Misy fampianarana izay hitako tao @ Mana isan'andro milaza fa ny fanompoana an'Andriamanitra (ny fahazaoko an 'io dia hoe asa) dia tsy atao @ fahafanam-po fa @ fitarihan'ny fanahy.

Ny manitikitika ahy manokana dia ny hoe :
- Ahoana no hanavahana an 'ireo hery anankiroa ireo
- ary koa, mety mihitsy hoe noho izaho mivavaka (tarihin'ny fanahy) no mahatonga ahy HAFANA FO @ fanompoana ka hietsika bebe kokoa. koa diso ve izany ?

Miala tsiny raha somary misavoritaka ilay hevitra satria na izaho aza very. Lasa manohana ahy tsy hanao ny hetsika tiako atao ilay tsy fahazaoko ilay teny satria mataotra aho sao tsy sitrapony akory kay zany ilay zavatra tiako atao fa mety hoe hafanampoko fotsiny.

Mankasitraka anareo izay terem-panahy mba hamaly ahy

Mirary soa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1495