apokalipsa

21. ikaretsaka ( 11/12/2008 21:57)
na ka inoninona izy na atao tsinotsinona.. tsy ny fampitahorana izany akory ange no haha concerne ny olona ry xxx e.

karaha zandary sy traffic na toaka gasy io... tsy hoe matahotra zandary ny olona de tsy hisy hanao intsony akory
22. tywa68 ( 12/12/2008 09:51)
iza ary no tsy matahotra e ? :-D :-D
23. ikaretsaka ( 12/12/2008 16:42)
Raha tsy nanao zavatra ratsy. Sy manana porofo maro ianao, inona no ahatahorako
24. tywa68 ( 12/12/2008 16:49)
ka ireo mahita loza eny @ hafa ireo anie no tena matahotra e ! :lol:
25. ikaretsaka ( 12/12/2008 17:06)
Ary marina izany an :^)
26. fijo ( 16/12/2008 21:30)
tywa an,za tsy matahotra fa tsy maika koa.

le malemy sain aihany no matahotra izany farany tsy mety tonga izany.efa zatra le miandry ireo,ka matahotra sao hotonga tokoa ny andrasana,ka tsy hisy fotoan ahiandrasana intsony.izay anefa no efa mba nahazatra teo.
27. coopsal ( 17/12/2008 17:59)
samoana:
Inona izany no tena tanjon\'ny mpivavaka e!:
- ahazo fanjakan\'ny lanitra sa hamonjy ny hafa?

==> Betsaka ny mpivavaka, fa ny mpianatr\'i Kristy kosa dia tsy manana tanjona manokana ho an\'ny tenany ... fa raha misy aza izany dia détail kely ao @ tanjon\' Andriamanitra. Donc raha ho an\'ny mpianatr\'i KRisty, tsy ny tanjon\'ny tenany no mitondra an\'io fa ny tanjon\' Andriamanitra : \"mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery an\'i Kristy ka mino Azy\". Tsy misy asan\'olona no mahatanteraka izany, fa izany no nahatongavan\'i Kristy teto ambonin\'ny tany. Ankehitriny dia efa tanteraka io : na iza na iza mijery an\'i Kristy ka mino Azy dia manana fiainana mandrakizay.
Ny mpianatr\'i Kristy marina dia nijery Azy ary nino aloha, fa amin\'ny alalan\'izy ireny no hahafahan\'ny hafa mijery indray an\'i Kristy ary misafidy na hino na tsia avy eo mba hanana fiainana mandrakizay.
28. ikaretsaka ( 17/12/2008 18:39)
Izay! @ asa fa tsy wawawa
Fa amiko aloha ra samoana de le mamonjy ny hafa sy fanehoana ny fitiavana avy ao @ tena ho hita taratry ny @ hafa no tanjona voalohany fa tsy ny wawawa nefa ny ankizy aza fatorana rojo
29. kotobekibo ( 17/12/2008 19:44)
Tsy d mahay baiboly zà ry zareo fa kosa fantatro fa misy soratra ao hoe , tsy misy ahalala ny andro farany exact ,
Ny fampilazana sy ny marika isankarazany no ahazoana ankevitra hoe efa akaiky na tsia fotsiny .
Efa bdb ny milaza hoe @ taona 2000 e! @ izao e! .... samy maneho fahaizana dôly , fa tsy misy mahalala akory anefa .
Fa ny loooza d , sao mba manao tahaky ny ol t@ andron'i NOE ( t@ izy nanangana sambo teny ampovoantany , izay nihomehy fatratra sy nanao azy ho adala ) isika . :roll:
30. ikaretsaka ( 17/12/2008 20:27)
fa nisy resaka koa ange ry bekibo hoe ho be ny mpaminany sandoka e
31. kotobekibo ( 17/12/2008 20:34)
Ka izay indrindra no tena tiako lazaina eto less bainn , kôpy tsara élah ! :wink:
32. fijo ( 17/12/2008 23:19)
ka efa hoe tsy hoavy intsony le farany,fa aza sasamiandry fa miasa amin'izay
33. kotobekibo ( 17/12/2008 23:27)
Tena tsy takatr'ilay saikelin-tsika le izy raha ny marina less bainn .
Il ne faut jamais dire jamais less :-P
Mailomailo ihany na d izany aza . :wink:
34. ikaretsaka ( 17/12/2008 23:38)
ze sahy maty no mifony lambarouge ho'zy ny gasy e
35. coopsal ( 18/12/2008 13:32)
Reo arabo sy jiosy ireo koa d manana zay finoana ohatranao zay koa f'aza manahy, ary mahafoy ny ainy mihitsy aza noho izany. Ao koa ny mino, fa mikirakira volabe, mangalatra ny tanin'ny hafa sns... satria zanak'Atra voafidy...

==> Ary ianao mba mino inona sa iza?

badboy:
Lioka 9: 24
Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

==> Samy manana ny fi-interpréteny ny teny tokoa, manana ny fandraisanao ny tenin'i Kristy koa ianao eto. Fa ataoko kosa fa tsy holavinareo fa ny interprétation tena marina dia ny an'i Kristy tenany mihitsy, satria Izy no niteny.

Izay mahafantatra an'i Kristy dia mahafantatra tsara fa i Kristy tenany mihitsy no nahafoy ny ainy aloha hamonjy ny olona.
Noho izany, ny mahafoy noho ny amin'i Kristy dia ny mahafoy ny ainy noho ny famonjena nataon'i Kristy (ho vavolombelon'izany), hahafantaran'ny olona fa nisy tokoa izany Kristy izany nisolo heloka ny olona izany ary hananan'ny olona (mino) assurance ny paradisa.

Nisy fotoana aho lasa saina tamin'io teny io (sy ireo sasany mitovitovy aminy na henjana kokoa aza). Izaho efa nino an'i Kristy fa velona Izy, miresaka Izy ary mampianatra.
Nanontany tena aho (na ny marimarina kokoa, nanontany an'i Kristy hoe tsy maintsy ho martiry ve aho izany? Somary natahotra ihany ny tenako @izany). Mandrakariva anefa dia asehon'i Kristy fa izy dia :
- nampiasa fanoharana sy voambolan'ny nofo (matériel et charnel) mba hilazany ny momba ny fanahy.
- Nanao famantarana tamin'ny nofo mba hinoan'ny olona ny vérité spirituelle nentiny. Izany dia mba hahatonga ny olona ho voavonjy.
Voasoratra izany ao @ Jean 3 sy hafa koa : "Izy dia avy any ambony ary manambara ny zavatra any ambony, izay avy ety ambany dia manambara ny zavatra ety ambany".
Ny tiana ambara eto dia izao : aza diso hevitra ny amin'ny lazain'i Kristy eto hoe "aina" (tahaka ny ilazany any @ toeran-kafa hoe : raha ny masonao havanana no mampanota anao dia esory hiala aminao izany). Miteny ny zava-panahy foana Izy ary aina = fanahy no lazaiNy eo. NY aina = nofo dia mety ho cas particulier ihany.
Io aina io dia ilay "ego". Satria izay mino marina an'i Kristy dia misalotra personnalité vaovao : Kristy, fa tsy izy tenany intsony. Izany no itenenan'ny Apostoly Paoly hoe "tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko".

Famintinana :
Hoy Kristy : "Ny didiko dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo koa ... dia izao : mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany".
Raha misy martiry ny mpianatr'i Kristy dia martiry hamonjy ny sakaizany fa tsy hamono ny hafa.
Zavatra iray ny martiry ho an'i Kristy, fa misy mahafoy aina anakiray hafa izay sarotra kokoa : velona ho an'i Kristy!
36. coopsal ( 18/12/2008 15:30)
Ikaretsaka:
Efata.......izany hoe misokafa....

==> Samy manana ny bornes marina rehefa dinihina! Ka izay tsy mitovy bornes @ tenany dia lazainy fa borné.
1- Ny sasany, ny fiainana eto an-tany no bornes [fahaterahan'ny nofo; fahafatesan'ny nofo] ka tsy mahalala izay mihoatra an'izany izy ary tsy te-hahalala
2- Misy indray, mino ihany ny fiainana mandrakizay (éternité), mihevitra ihany izay mety ho "sitrapon' Andriamanitra", ary amin'ireo dia maro ny bornes : ny fahagagana, ny fanaovana asa soa, ... sns
3- Misy indray, Kristy ny azy no borne! ka izay limiten'i Kristy no limite ho azy. Koa raha marina fa Kristy no alfa sady ohmega ... dia illimité izany (manandrama mikaroka ny fetran'ny cerceau anakiray tsy tapaka).

Fanontaniana, iza no tena borné?
Fony mbola tsy nino an'i Kristy aho, na dia niantso ny tenako ho kristiana aza dia bornés tamiko ireny olona nantsoiko hoe "mpivavaka be" ireny!
Tamiko, bornage izany ramener tout à DIEU izany!
Je ne pouvais pas comprendre que DIEU Lui-même était éternel = infini id-est sans borne!
Rehefa nandre an'i Kristy aho dia nanomboka nivaha ny bornage-ko t@ siansa sy ny hita maso, fa natorony ahy ny fisian'ny fanahy izay tsy hita maso. Ary hatrizao aho dia mbola mamerina mampianatra ahy Izy hoe "sombin-tsombiny ny fahalalana eto amin'izao tontolo izao" [1 Korintiana 13].
Fa indray andro any, hiseho amin'izay ny feno, izay nifikitra tamin'ny sombin-tsombiny dia ho menatra.
37. ikaretsaka ( 18/12/2008 16:55)
Tsy ny bornage xtiana vs tsy xtiana no resahana eto fa le bornagen' ireo mihevitena ho xtiana bebolistra ka @fomba tokana vs maro hitadiavana Azy
38. badboy ( 19/12/2008 11:22)
Mahagaga ilay tsy manaiky bornage, nefa manaborne!! Vao maetraka fotsiny hoe Jeso Kristy no borne, d'efa borne izay!! borne satria efa aseho fa ny baiboly, sy ny tantara tantarain'io boky io no fiainana!!

1°) Nefa io boky io ange ka teto antany no nosoratana ary tanan'olona no naoratra azy fa tsy hoe nilatsaka avy any andanitra efa vita tonta ilay boky!!! Ary mbola feno boky tsy tafiditra ao, fa safidy nataon'olona tahaka ahy sy ianao, ny tsinjara mameno io boky io!!

2°) Ilay hinoana toa nihinankanina, nisy trano hatoriana, namaky boky tanaty sinagoga... izany rehetra izany anefa toa asatanan'ny olona miaina eto antany, ka sao dia fanaovana tsinotsinona ilay fomba fiainan'ilay hinoana kay ilay manaborne ny fiainana ho an'ny fanahy masina fotsiny!!

3°) Ohatry ny efa hitako any @ fivavahana hafa ilay tanjona hametraka ny baiboly ho lalàna mifehy ny andavanandron'ny tsirairay, ka nahatonga azireo ho henjehina noho ilay fampiasana ny teny voalaza rehetra ao!! Nahoana no kihanina ny ataony nefa tadiavina hatao???? Fialonana ve sa tsy fahampiampahalalana???

Ka maninona moa raha miaina ampanajana fotsiny, ary ampisarahana ny fivavahana sy ny fiainana antany!! Aza adino fa ianao raha tsisy ny fivoarana nentin'ny fikarohana mba ahafahana isian'ny internet, izay olontsotra no namorona azy fa tsy fanahy masina, dia tsy afaka akory hampiasa ilay solotsaina novidianao hifaneraserana @ ireto olona rehetra ato ireto!! Ka dia isaory ilay namorona ny internet sy ny solotsaina fa izy no nanampy anao hahafahanao mampita hevitra, na dia mistitaingana aza ilay hevitrao, ka ahafahaanao tsy mitety trano sy mifanakalo hevitra @ rehetra, na mpino na tsy mpino na mpino mpanasaraka ny tokony ho fiainana anatany sy ny fiainana andanitra!!!!
:twisted: :twisted: :twisted: :twisted:
39. coopsal ( 19/12/2008 13:42)
badboy:
1°) Nefa io boky io ange ka teto antany no nosoratana ary tanan\'olona no naoratra azy fa tsy hoe nilatsaka avy any andanitra efa vita tonta ilay boky!!! Ary mbola feno boky tsy tafiditra ao, fa safidy nataon\'olona tahaka ahy sy ianao, ny tsinjara mameno io boky io!!

==> Hino ve ianao raha misy boky hitanao latsaka avy any an-danitra ka manambara aminao?
Nisy an\'ity fanoharana nataon\'i Kristy ity :
... Ary ilay mpanan-karena rehefa nijaly tao amin\'ny afobe dia niandrandra ka niteny tamin\'i Abrahama hoe \"ry ikaky o! Mba iraho ary Lazarosy farafaharatsiny ho any amin\'ireo rahalahiko hiteny aminy mba hitandreman\'izy ireo. Hoy i Abrahama : rehefa tsy mino ny mpaminany sy ny lalàna izy ireo dia tsy hino na dia hisy aza avy amin\'ny maty mitsangana.

Ary voasoratra koa fa rehefa natsangan\'i Kristy Lazarosy, ny zavatra notadiavin\'ireo Jiosy dia ny hamono an\'i Lazarosy satria nahatonga ny olona sasany hino an\'i Kristy izany. CQFD : rehefa ny fon\'ny olona no tsy mitady ny marina, na tonga eo aminy aza ny porofo mety indrindra dia tsy ho fantany izany.

Fa tsy tamin\'izany ihany ka, olona firy izao no re fa avy any amin\'ny fiainan-tsy hita sy ny tany ankoatra ary mitantara, fa iza no mino an\'ireny? Ny zavatra enjehin\'ny olona tadiavina voalohany dia porofo ara-tsiantifika, nefa mino aho fa na homen\' Andriamanitra porofo ara-tsiantifika aza izy dia tsy hino.
Olona mitovy fiteny aminao, miaina amin\'ny vanim-potoana iainanao aza tsy inoanao, ahoana no hinoanao ny hafa izay tsy fantatrao sy tsy hitanao akory?

Izaho tenako tsy nino ny baiboly koa fahiny ary dia nieritreritra fa ny baiboly dia boky nosoratan\'olona ka inona no porofo tamiko fa tena marina izay lazainy?


Zava-panahy no resahin\'ny baiboly ka tsy hain\'ny saina fantarina izany.

Ny zazakely vao teraka tsy manana langage afa-tsy ny mitomany, izaho anefa sady mahay teny gasy no mahay teny frantsay sy anglisy. Afaka hiteny be dia be amin\'ilay zanako aho saingy tsy ho takany izany, fa ny fomba tokana ahafahany mahafantatra fa izaho no mpamelona azy aloha amin\'ny voalohany, dia ny famaliako ny hetahetany. Rehefa mitomany izy, izay fomba fantany hangatahana zavatra na itarainana sy ifandraisana, dia izaho no manome izay ilainy, ary manomboka zatra ahy tsikelikely izy ary aty aoriana vao afaka hahafantatra ny teniko rehetra.

Hitako @ film matetika hoe efa maty ny dadan\'ilay ankizy, ary nanoratra io dadany io ka nampitehiriziny izay mpitaiza an\'ilay zanany ilay taratasy ary hoy izy hoe \"omeo an-janako ity rehefa feno valo ambiny folo taona izy\". [color=orange]Tsy fantatr\'ilay ankizy hoe iza ilay dadany fa ilay mpitaiza azy no mitantara aminy hoe toy izao sy toy izao izany dadanao izany, ary hita ao amtetika ny hoe \"tena tiany indrindra ianao\". Tsy manana porofo iny ankizy iny akory hamantarana hoe tena nisy izany dadany izany ary tena tia azy,
ary rehefa hamaky ilay taratasy koa izy dia tsy hanana porofo hahafantarany fa tena avy amin\'ilay dadany izany, fa finoana kosa no ahafahany mahafantatra izany.
Andriamanitra velona, ary Kristy velona, fa tsy tahaka ilay dada maty, ka izay nampanoratin\' Andriamanitra ny mpanompony (ndeha antsoiko hoe sekretera-ny) dia tsy misy ahafahan\'ny olona mino raha tsy Andriamanitra mihitsy aloha no inoany fa misy. Rehefa mitady an\' Andriamanitra izy dia Kristy izay efa tonga nofo no itenenan\' Andriamanitra amiNy, izay vao afaka hino izay nampanoratiNy ny olona.

Ao am-piasanay, rehefa misy teny avy any amin\'ny direktera dia alefan\'ilay sekretera amin\'ny mailaka izany, ny adiresy email dia ny an\'ilay sekretera, fa ny sonia etsy ambany dia hoe \"la direction\". Ho laviko ve fa teny avy amin\'ny direktera io teny io satria tsy adiresy email ny direktera akory le nandefa?
Ny ahafahako manaiky dia izao, addressé any @ mailaka rehetra ato am-piasana io ary ny mailak\'ilay direktera koa mba mahazo, ka afaka miteny ny direktera hoe : tsy izaho no nandefa an\'iny.

Izay teny rehetra avy amin\' Andriamanitra dia mety nosoratan\'olombelona (satria adressé amin\'olombelona izay tsy mahay velively ny langagen\' Andriamanitra), ka izay te hahafantatra na avy amin\' Andriamanitra ny teny voalaza na voasoratra iray dia misy fomba tsotra : manontany an\' Andriamanitra mihitsy Izy!

Tahaka ny zaza raha noana, tsy mahay miteny hoe \"omeo sakafo\", fa mitomany izy ary ny ray aman-dreniny mahafantatra hoe tokony homena sakafo izy. Isika koa tsy mahay miteny araka ny langagen\' Andriamanitra akory, fa izay tomanin\'ny fanahintsika araka ny fanirian\'ny fontsika dia fantatr\' Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho ny ray aman-dreny ka mamaly antsika araka izay ilaintsika.
40. fijo ( 19/12/2008 20:51)
izay mihintsy,"io boky io teto antany no natao ,ary tantara nisy teto no namoarina hifanaraka amin'izay noheverina fa mety sy masina"ka eto aho dia miteny tsotra hoe rah ahitady ny marimarina kokoa,aza ferana amin'izay boky noraisina ihany ny borna,fa hitaro.jereo koa ny boky sy fahalalana hafa,sao hanampy anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1869