fahagagana

21. diamondra27 ( 08/12/2008 21:22)
coopsal voninahitra ho an'Atra irery ihany e.
Ka efa niasa tao anatinao ny Tompo nampiasa anao, izay ilay hoe tsy mil miteny mivantana ianao fa hita taratra eny aminao eny ny famirapiratan' i Jesosy. Mety tsy ho tsapanao akory fa ny fitsikinao fotsiny dia manampy olona , ny fitoriana nataonao dia misy effet amin'ny hafa raha toa ka manaiky hihaino anao izy fa tsy ireny hoe mitory fe mitory ireny fotsiny manenjika quota.
22. ikaretsaka ( 08/12/2008 23:33)
Amiko aloha ra coopsal tsy ny filazanao ny hoe izao no nihatra taminaosy le olona eo andrefanareo no entinao. Mandresy lahatra... tsy mety amiko izany
23. rakapy ( 09/12/2008 00:38)
Ilay fahagagana resahinareo eto dia hita fa mitongilana sy milaza ny lafiny mahafinaritra sy mahafaly amin'ny lafiny maha olombelona ihany.
Coopsal> Sitrany izany ilay ramatoa be ka dia tsara izany ary mahafinaritra fa ny fanotaniako dia hoe:
-Tena azonao antoka ve fa noho ianao sy ny finoana no nahasitrana azy?
-Ary raha toa moa ka hoe: lasa jamba na vao maika niharatsy ny fahasalamany tao aorian'ny nitorina taminy dia mbola fahagagana ve izany sa avadikao ho zavatra hafa toy ny hoe asan'ny devoly na zavatra hafa ilay tranga?
24. ikaretsaka ( 09/12/2008 04:16)
rakapy:

Ilay fahagagana resahinareo eto dia hita fa mitongilana sy milaza ny lafiny mahafinaritra sy mahafaly amin'ny lafiny maha olombelona ihany.Coopsal> Sitrany izany ilay ramatoa be ka dia tsara izany ary mahafinaritra fa ny fanotaniako dia hoe:
-Tena azonao antoka ve fa noho ianao sy ny finoana no nahasitrana azy?
-Ary raha toa moa ka hoe: lasa jamba na vao maika niharatsy ny fahasalamany tao aorian'ny nitorina taminy dia mbola fahagagana ve izany sa avadikao ho zavatra hafa toy ny hoe asan'ny devoly na zavatra hafa ilay tranga?


eny tokoa hoa... rehefa milay ihany tokoa ve vao hoe fahagagana


25. tsiafoi1 ( 09/12/2008 10:30)
Ny fahagagana : Dia tranga miseho @'ny fotoana mety idd, @'ny aretina, na @'ny toe-jvt iray izay tena ilanao vaha-olana maika sy mahomby tokoa hampirindra ny fiainana . Mety ho kely io na mety ho lehibe kanefa tsy voafehin'ny lojikan'ny saina na ny moyen misy @'ny maha-olombelona izany. Izay no tena fahagagana.

Azo atao hatrany ny mangataka fahagagana @'Andriamanitra na kely na lehibe ny toe-jvt misy, rehefa tapi-dalan-kaleha ka tsy azon'ny saina sy ny moyen fehezina intsony izany.
26. bor2lais ( 09/12/2008 13:56)
Iombonako ilay famaritana nomen\'i tsiafoi...

Wiki :
\"Un miracle est un fait extraordinaire ou surnaturel, attribué à une puissance divine et accompli soit directement, soit par l\'intermédiaire d\'un serviteur de cette divinité. Les miracles ne sont pas explicables scientifiquement et ce pour deux raisons :
* la majorité des miracles sont relatés ; c\'est le cas entre autres, mais pas uniquement, des miracles signalés dans les livres saints comme la Bible, la Torah ou le Coran ;
* un miracle explicable scientifiquement n’est souvent plus considéré comme un miracle. Cela concerne en particulier les cas de miracles contemporains.\"
27. fijo ( 09/12/2008 20:38)
ny fahagaga lehibe tamiko,dia ny nahalalako fa hay diso be aho fony kely nanaraka ny mamanay tany ampiangonana.gaga aho satria afaka tamin'izany fanarahana fahatany izany
28. ikaretsaka ( 09/12/2008 21:15)
:^)
29. tywa68 ( 10/12/2008 08:20)
ô ry Fijo a : nentin'i mama tany enao satria zay no tsapany sy hainy fa mety taminareo :wink: D nony lehibe d niseho be saina sy nifidy zavatra hafa, hay te hamorona sekta :°)
30. coopsal ( 10/12/2008 09:20)
Ikaretsaka:
Amiko aloha ra coopsal tsy ny filazanao ny hoe izao no nihatra taminaosy le olona eo andrefanareo no entinao. Mandresy lahatra... tsy mety amiko izany

==>
1. Tsy mikasa handresy lahatra aho, indrindra fa ny @ fahagagana, nisy nangataka fotsiny mba hitantarana dia nitantara aho!
2. Ny fiainako no nahitako fa tsy mba resak'olona mihitsy no mandresy lahatra. Izaho raha resy lahatra ny amin'i Kristy dia satria nandre ny feony aho.
Koa inoako (ary voasoratra) fa tsy hisy resy lahatra ny amin'i Kristy raha tsy nandre ny feony.
Mety ho resy lahatra ny @ fiangonana na antoko na sakafo na sport na dentifrice na fiara izao sy izao ny olona rehefa misaina sy mandre pub.
Fa raha ny amin'i Kristy, tsy misy afa-tsy ny fandrenesana an'i Kristy no maharesy lahatra izay mino Azy. Sao mieritreritra fa mamonjy fiangonana na mpanaraka an'izao sy izao na niofana izao sy izao na nirotsaka @izao sy izao na manatanteraka an'izao sy izao dia ok!
31. tywa68 ( 10/12/2008 09:40)
Coopsal : tazomy ny finoanao raha tsapanao fa maha-sambatra anao :wink:
32. coopsal ( 10/12/2008 10:58)
rakapy:
-Tena azonao antoka ve fa noho ianao sy ny finoana no nahasitrana azy?
-Ary raha toa moa ka hoe: lasa jamba na vao maika niharatsy ny fahasalamany tao aorian'ny nitorina taminy dia mbola fahagagana ve izany sa avadikao ho zavatra hafa toy ny hoe asan'ny devoly na zavatra hafa ilay tranga?

==>
1- Tsinontsinona @izany aho ka! Amiko, nanome famantarana an'ilay ramatoa Kristy fa Izy no naniraka ahy.
2- Tsy izay aloha no nitranga ary tsy mbola hitako izany koa tsy idirako.

NB : Tsy ny hanao fahagagana na hananatra na hampanaja lalàna no tanjon'i Kristy raha tonga nofo Izy, fa ireny dia efa nataon'ireo mpaminany tany aloha ary tsy nilàna an'i Kristy dia vita.
Kristy tonga mba hanatanteraka ny Lalàn'i Mosesy :
- hanatanteraka feno ny Didy
- hanefa ny sazy takian'ny lalàna noho ny tsy fahatanterahan'ny olona ny Didy.
Izy dia tsy iza fa Andriamanitra, izay nanatona ny olombelona hampahafantatra amin'ny olona fa Izy no Izy, ary tia ny olombelona Izy.
Ny fanaovany fahagagana (fanasitranana marary, famoahana demonia, famokisana noana, fampianarana) dia noho izao antony izao ihany : mba ho famantarana eo @ ireo olona izay nisehoaNy (t@izany ny Jiosy) mba hinoan'ireo ka hanekeny ny famonjena (satria izay no sitrapon' Andriamanitra : mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy).
Hatr@izao Izy dia mbola miresaka @ olona rehetra, maneho ny tenany @ olona rehetra, maneho famantarana @ olona tsirairay avy araka izay ahafahan'io olona io hino fa :
- misy Andriamanitra,
- misy ny fiainana mandrakizay : fifaliana tonga lafatra (paradisa) ho an'izay madio ary henatra sy fijaliana ary nenina (afobe) ho an'ny hafa
- tia ny olona Andriamanitra ka mba tsy ho tonga @ afobe dia nanamboatra fanadiovana, mba hampahadio ny olona ho afaka amin'ny lotony : ny ràn'i Kristy izay nalatsaka.
Ka @ hafa mety fahasitranana @ aretina, @ hafa mety zavatra hafa, fa iray no tanjon' Andriamanitra : ny hamonjy = hanome ny tena fiainana.
33. coopsal ( 10/12/2008 11:04)
Ikaretsaka:
eny tokoa hoa... rehefa milay ihany tokoa ve vao hoe fahagagana

==> Izaho nitantara fahagagana sy valim-bavaka @ ilay antsoin'ny olombelona hoe "tsy milay", hoy tsara aho t@izay :
- Ilay fijaliako teto dia valim-bavak'ilay namako nangataka t@ Andriamanitra mba hampahafantarany ahy ny tena fitiavana.
- Ny tsy fahazoako VISA (izay tena nahafeno alahelo ny fiainako) dia nahafahako nandre an'i Kristy niteny hoe "manaova pasitera".
Tsy ny adihevitra no mahaliana fa mba te haneho fotsiny aho hoe, rehefa tsy ny fonao no mino, na dia ny arguments tsara indrindra aza tsy handresy lahatra anao. Ary rehefa ny fonao no manaiky, na dia ny arguments ratsy indrindra aza ahitanao toa fetezany.
Donc, tsy asan'ny saina velively ny finoana fa asan'ny fo!

Fa ampiako mazava kokoa : afaka hino ianao rehefa nandre an'i Kristy ka namoha ny varavaran'ny fonao ho azy.
34. ikaretsaka ( 10/12/2008 13:56)
Ka tsy fahagagana nge zany fa fambara e .... d'efa eo ihany isika de ahoana ny hevitr'i coopsal @ hoe tsy maintsy misy cas ohatr izany ve vao misy vocation?
Amiko manko tsy izay
35. fijo ( 11/12/2008 21:10)
tywa an,ka ny kibo voky no namana mahatoky ko.samy haka ihany ve tsy mba haka koa aho le???sady ny ahy anie sekta malalaka tsy misy bedy e.na silamo na kanto na pros na vavolombelon'ny marina,mahazo tonga aby.na sinoa koa
36. ikaretsaka ( 11/12/2008 22:21)
coopsal:

Amiko aloha ra coopsal tsy ny filazanao ny hoe izao no nihatra taminaosy le olona eo andrefanareo no entinao. Mandresy lahatra... tsy mety amiko izany

==>
1. Tsy mikasa handresy lahatra aho, indrindra fa ny @ fahagagana, nisy nangataka fotsiny mba hitantarana dia nitantara aho!
2. Ny fiainako no nahitako fa tsy mba resak'olona mihitsy no mandresy lahatra. Izaho raha resy lahatra ny amin'i Kristy dia satria nandre ny feony aho.
Koa inoako (ary voasoratra) fa tsy hisy resy lahatra ny amin'i Kristy raha tsy nandre ny feony.
Mety ho resy lahatra ny @ fiangonana na antoko na sakafo na sport na dentifrice na fiara izao sy izao ny olona rehefa misaina sy mandre pub.
Fa raha ny amin'i Kristy, tsy misy afa-tsy ny fandrenesana an'i Kristy no maharesy lahatra izay mino Azy. Sao mieritreritra fa mamonjy fiangonana na mpanaraka an'izao sy izao na niofana izao sy izao na nirotsaka @izao sy izao na manatanteraka an'izao sy izao dia ok!


de tazomy ho anao le valamaty... fa io no efa lazaiko foana hoe tsy piece akory io raha io ka hoe rehefa nety t@ 4L anao de hety @ 4L ko..izay no maha olombelona antsika!


Fa raha ny amin'i Kristy, tsy misy afa-tsy ny fandrenesana an'i Kristy no maharesy lahatra izay mino Azy.


TSIA! ny fanomezanao alalana Azy hiasa hiaraka aminao tompoko no maharesy sy mampandresy lahatra ireo izay mino azy na ireo izay hino azy!



37. tywa68 ( 12/12/2008 09:53)
Inn ihany ary ty resaka ty :-D :-D
38. diamondra27 ( 12/12/2008 16:52)
ka tsy i coop mihintsy nge no nanao fahagagana e fa ny zavatra nataony nisy fiatraikany tam le madame
39. fahamarinana ( 12/12/2008 17:00)
:arrow: tywa : ilaozanjy mivanitika ndray. (l)
40. ikaretsaka ( 12/12/2008 17:19)
Ka ny tsary azon'i coop nge ry diams dia le hoe ny namelany nt tompo hiasa no fahagagana fa tsy ny toriteniny loatra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079