fahagagana

1. diamondra27 ( 07/12/2008 09:33)
mba misy teny kely tiako ampitaina ho antsika ity: ny olona izany matetika dia manantena fahagagana be foana eo amin'ny fiainany.
Moa ve amin'ny zavatra kely no anatenainao fahagagana? tsia tsy fahaganana izany fa ny zavatra tena efa goavambe miseho ka nisy fiovana no atao hoe fahagagana

Ny tiako hihaviana dia izao: indraindray dia misy fitsapana mahazo antsika , miandrandra fahagagana isika> Jereo aloha kely sa lehibe ny zavatra mahazo anao , raha lehibe dia amin'izay fotoana izay ianao no tokony hanantena fahagagana amin'Atra
Isika manko matetika mangataka fe mangataka fotsiny fa tsy mahay mangataka.Rehefa tsy mivaly ilay vavaka vao manome tsiny hoe tena tsy mihaino ahy Atra, fa nahoana aza no mbola tsy misy valiny foana nefa za efa mivavaka isanandro isanandro.

Misy ohatra ity: misy olona izao marary an-doha na marary vavony mila ilaina fahagagana ve izany , tsia fa sitrana vavak izany na fanafody saingy ny aretina toy ny hoe moana , marenina, malemy izany no atao hoe fahagagana raha niova ilay olona Tahaka izany koa ny mpifoka sigara , mpisotro toaka ny mpijangajanga sns mila fahagagana ireny satria tsy sitran'ny fanafody fa mila miasa ao amin'ilay olona ny Tompo
Ny atao hoe afaka eto dia afaka tsy mahatsiaro banga fa liberE totale, misy mnako milaza fa afaka sigara sy toaka nefa apres quelques anneEs miverina na koa misolo zavatra hafa iny zavatra nialany iny fa tsy tena afaka tanteraka

Ny fahagagana izany dia tsy miankina amin'ny finoanao na finoako fa miankina amin'ny finoan'ilay olona iharan'ny olana.

===> fehiny: ny atao hoe miandry miracle dia zavatraefa goavambe no mahazo anao ka mila fiovana virage 360 degre
novalian'i Noue ny 12/12/2008 18:04
2. diamondra27 ( 07/12/2008 09:55)
afaka mizara ny fahagagana nataon'i Tompo taminao ve ianao, tsy ho fisehosehoana ny tanjona fa sao any ho any misy olona mitovy cas tamin'ny nahazo anao ka hampahery sy hampisy fanantenana azy ny zavatra voalazanao.

3. felanawil ( 07/12/2008 11:41)
tena marina mihitsy ny anao
Jerevo ilay ataon'ireny "lolo vokatra" ireny hoe piandry ireny e, tena hita mihintsy fa asan'ny devoly ireny, ary ry zareo ihany anie no mahita devoly eh, ireny ny "raison d'être"'i satana, fa raha ireny ve no mahasitrana sy mahavita fahagagana marina hisy arary sy ahantra intsony eto Madagasikara zany hoe matanjaka marina ny herin'i satana, fa aza adino fa ireny "extremiste" ireny daholo ny anton'ny fikorotanan'ny fiangonana fjkm eto @ ity nosy mamitsika ity
Ho atsika mianakavy anie ny fahasoavana, fahasambarana ao @ ilay tompotsika
Amen (nasiko kely an'io fa alahady anio)
4. Noue ( 07/12/2008 12:02)
"felanawil":
Jerevo ilay ataon'ireny "lolo vokatra" ireny hoe piandry ireny e, tena hita mihintsy fa asan'ny devoly ireny, ary ry zareo ihany anie no mahita devoly eh, ireny ny "raison d'être"'i satana, fa raha ireny ve no mahasitrana sy mahavita fahagagana marina hisy arary sy ahantra intsony eto Madagasikara zany hoe matanjaka marina ny herin'i satana, fa aza adino fa ireny "extremiste" ireny daholo ny anton'ny fikorotanan'ny fiangonana fjkm eto @ ity nosy mamitsika ity
5. ikaretsaka ( 07/12/2008 17:55)
Ny ahy ny fahagaga be hitako aloha de. Ny nampahiratra ny masoko hoe hay tsy ny tsimpotsompona sy ny toriteny no inona fa ny fanampiana ny ara batana de anisan'ny anjara biriky be ho an'ny ara panahy tokoa. Ary tsy voatery ho mpanefoefo ianao vao hafaka hanampi ny hafa....

Nisy boky izay hoe sans armes ni bagages novakiako tanaty fiaramanidina afaka jeren I diams
6. rakapy ( 07/12/2008 23:22)
Azo atao hoe fahagagana ve no mbola tsy mahatratrarana an'i ben laden? Sa i lery silamo de fahagagana ilay izy fa asan'ny devoly?
7. diamondra27 ( 08/12/2008 06:29)
felanawi: ny mampikorontana ny fiangonana dia miankina amin'ny olona ihany io , rehefa tsy tianao ilay zavatra dia azo aratsiana fa tsy ignorer-na
misy ny fiangonana mikorontana noho ny orgueil misy amin'ny samy mpino , ny fifandirana sy te ho samy lohany avy dia mamorona fiangonana , ny lolo vokatra lazainao dia mandroso tokoa ny fahitako azy satria ankehitriny iaraha-mahalala fa tsara dia tsara ny hira ataondry zareo ary mampahery , ilay ataony zafindraony no tiako lazaina amin'io., mahavita mahafoy ny fiainany ary manokana ny tenany ho an'Atra.
8. diamondra27 ( 08/12/2008 06:32)
ikaretsaka:

Ny ahy ny fahagaga be hitako aloha de. Ny nampahiratra ny masoko hoe hay tsy ny tsimpotsompona sy ny toriteny no inona fa ny fanampiana ny ara batana de anisan'ny anjara biriky be ho an'ny ara panahy tokoa. Ary tsy voatery ho mpanefoefo ianao vao hafaka hanampi ny hafa....

Nisy boky izay hoe sans armes ni bagages novakiako tanaty fiaramanidina afaka jeren I diams


-------------------
ie mahereza hatrany ry ika a, ny finoana tsy arahina asa dia zava-poana
tena mitovy hevitra aminao mihintsy aho fa tsy ny vola ihany akory no azo hanampiana olona fa na hevitra na presence, na tsiky omenao olona voadona sns sns dia efa zava-dehibe daholo ange izany e . Io ilay hoe fanomezam-pahasoavana samy manana ny azy lazainao.
Mahaliana ahy tokoa izany boky izany raha mba afaka jereko, mety ho hita eto am internet ve io
9. diamondra27 ( 08/12/2008 06:36)
rakapy:

Azo atao hoe fahagagana ve no mbola tsy mahatratrarana an'i ben laden? Sa i lery silamo de fahagagana ilay izy fa asan'ny devoly?


-------------------------

iny indray aloha dia tonga amin'ny tenin'ika hoe omeo an'i cesar izay anjaran'i cesar etc ka ny fanjakana no miandraikitra an'io dia tsy hiditra amin'izany ny tenako.
Raha ny asa vitany kosa aloha raha ny baiboly no jerena dia asan-devoly ny nataony e, tsy nanaraka ny didy izy.
Mbola misy fanontaniana hafa ve
10. ikaretsaka ( 08/12/2008 06:47)
Azo atao koa hoe fahagagana izy eto ko... raha tsy voaporofo hoe ahoana ny mampanjavona azy
Diams io fisainana io koa hoe nenareo na nantsika ihany no mahay fahagagana de diso tanteraka....ka tsy mety le cesaqr eto
11. bor2lais ( 08/12/2008 08:56)
\"===> fehiny: ny atao hoe miandry miracle dia zavatraefa goavambe no mahazo anao ka mila fiovana virage 360 degre\"

-> Sao dia 180 degre fa tsy 360 kosa no tiana lazaina fa raha tsy izany dia ho tafaverina @ ilay toerana teo aloha ihany !! :lol:
12. tywa68 ( 08/12/2008 09:00)
:-D :lol: lasa tsy fahagagàna intsony fa normal :°)
13. xxx ( 08/12/2008 11:06)
ary raha hoe fahagagana ve ny mbola mampiaina ahy sy ianao mijery mamaky na hanoratra eto io?

izany hoe fahagagana ve ilay mbola miaina @ izao ora izao?
14. bor2lais ( 08/12/2008 13:00)
Ny famaritana ny atao hoe \"fahagagana\" angamba no tsara apetraka aloha ! Sa ahoana ?
15. diamondra27 ( 08/12/2008 14:11)
bord2laais azonao ny tiako lazaina dia izay no zavadehibe e, 180 degre zany le izy fa afaka manao koa hoe 360 degre avec le fiovana rehefa tafaverina eo amin'ilay toerana ianao araka ilay voasoratra hoe raha misy mandray an'i Kristy dia olombaovao izy efa lasa ny zavatra taloha ...

Aoka aza isika samy hamaritra ny atao hoe fahagagana e, sao manjary HS


xxx: ianao ihany no afaka hamaly izany kafa amiko dia mbola fahasoavan'Atra no maha-toa izao ahy. Ny anao mety hoe narary mafy ianao fa nositranina dia mbola tratra izao anio izao ihany.
Mety ihany koa hoe nisy accident nahazo anao nefa mbola afaka manoratra sy mamaky eto ianao,
Betsaka ny olona mba te hi surf nefa isika nomen'Atra moyen mba hahazoana manao izany ka dia isaorana lehibe Izy.
16. diamondra27 ( 08/12/2008 14:15)
fahagagana , mahagaga, gaga samy manana ny heviny daholo izany
17. coopsal ( 08/12/2008 16:08)
Ikaretsaka:
hay tsy ny tsimpotsompona sy ny toriteny no inona fa ny fanampiana ny ara batana de anisan\'ny anjara biriky be ho an\'ny ara panahy tokoa.

==> Misy olona hafa etsy ananona etsy mba hilaza tahaka anao saingy mifamadika @ anao ny azy :
hay tsy ny asa soa no inona fa ny toriteny no tena lehibe ho an\'ny ara-panahy.

Tsy iny no lohahevitra fa mba tsetsatsetsa tsy aritra ho an\'izay mahy maka ny toeran\'ny hafa. Ka iza aza no tena marina @izay fotoana izay?

Fa hilaza ny fantatro aho:
Fony aho nahafantatra voalohany fa velona tokoa Kristy, dia noraisiko am-po izay voasoratra ao @ baiboly, ary maro t@ireny rehefa nampitahaiko t@ fiainan\'ireo milaza fa kristiana sy ny foto-kevitry ny fiangonana maro antsoina hoe kristiana, no tena nanahiram-po ahy.
Toa ohatra ny marina daholo nefa mifanipaka tanteraka.
Na izany aza anefa, nisy tokoa ireo zavatra maro hitako tsy araka ny baiboly (izay antsoiko hoe Soratra Masina) iainan\'ny fiangonana isan-karazany. Nanomboka sorena t@ireny aho ary tsy te hiditra am-piangonana intsony akory aza.
Araka ny fifandraisako t@i Kristy anefa no nampianaraNy ahy tsikelikely fa izaho (tahaka izay mpianaNy rehetra), dia nirahiny ho vavolombelon\'ny fahamarinana, fa tsy ny tsi-fahamarinana.
Tsy natao hanenjika aho fa arakaraka ny anenjehako ny hafa no ametrahako ny tenako @izay toerana misy azy ireo.
NampianariNy (Kristy) aho fa Izy tonga hamonjy izao tontolo izao fa tsy hanameloka, ka raha mba tena mpianany aho dia handeha @ lalaNy : hamonjy fa tsy hanameloka. Satria \"tahaka ny nanirahan\'ny Ray Azy : hamonjy fa tsy hanameloka, no nanirahaNy ireo mpianany koa: hamonjy fa tsy hanameloka!\".
NampianariNy ahy, fa tahaka ny voankazo misy arakaraka ny toetany sy ny toetrandro ary ny vanim-potoana : paiso, manga, akondro, laodisia, mananasy, .... Tsy ary mitovy daholo ireo na ny tsirony na ny fahavokarany na ny hery sy ny fanasoavana entiny @izay mihinana! Fa iray no itovizan\'izy rehetra: samy natao hamoa mba hitondra fiainana eo amin\'izay itoerany, araka ny natiorany avy.
Tahaka izany, izay an\'i Kristy ; dia ireo nofidiaNy ary notendreny hamoa [Jaona 15:16], dia samy hafa ny voa izay entin\'izy ireo : fa samy araka ny fanomezam-pahasoavana nomena azy avy : ny sasany ho amin\'ny asa soa, ny sasany ho amin\'ny fananarana, ny sasany ho amin\'ny fahagagana, ny sasany ho amin\'ny fitorian-teny, ny sasany ho amin\'ny fampianarana, ny sasany ho amin\'ny faminaniana, ... Fa misy zavatra iray itovizan\'izy rehetra : samy vavolombelon\'i Kristy. Izany hoe, raha mpamafa trano, dia izay no anjarany ary vavolombelon\'i Kristy izy ao @ toerana misy azy. Raha DG, dia izay no anjarany ary vavolombelon\'i Kristy izy @ toerana misy azy. Raha mpitoriteny, dia izay ny azy, raha mpampianatra, dia izay, raha mpitsabo, dia izay. Fa samy vavolombelon\'i Kristy ilay loharanon\'ny fiainana.

Izaho nomena fahasoavana afaka hanketo @ forum, koa dia mba vavolombelon\'i Kristy aho eto @izao forum izao : vavolombelona fa :
1- Velona Izy ary marina izay rehetra anoratana Azy ao @ baiboly.
2- Izy no tenin\' Andriamanitra velona, koa tsy misy afaka handre an\' Andriamanitra raha tsy @ alalany! Nefa tsy misy afaka hanatona Azy raha tsy ny fon\'izay mitady an\' Andriamanitra.
hatreho aloha ... hilaza fahagagana iray aho
18. fahamarinana ( 08/12/2008 16:11)
:arrow: dia miandry ny tohiny aho ry coopsal izany...mba liana izany fahagagana izany aho. :) (l)
19. diamondra27 ( 08/12/2008 16:25)
coopsal : mazava tsara ny hevitrao dia miandry izany fa aza ela loatra e
20. coopsal ( 08/12/2008 17:52)
Ny tantarako teo anie efa nisy fahagagana voasoratra e!
Fa ity misy iray.
Raha nanao toy ny fanaoko manatona ireny mpangataka ireny aho ary nijoro ho vavolombelona t@ ramatoa be iray indray mandeha izay. Rehefa nihaona taminy aho ny manaraka dia hoy izy hoe \"hatr@ilay ianao nitory teny tamiko iny dia sitrana ilay areti-maso nampijaly ahy nandritra ny firy taona.\"
Tsy nanao propagande taminy aho ary tsy nametra-tanana na nieritreritra problemany akory, fa ny tao anatiko dia hoe \"mila mitory amin\'ity ramatoa be ity\". Dia nilaza taminy izay fomba nahafantarako ary ninoako an\'i Jesosy aho.
Fa eto dia voamarina ilay nolazain\'i Kristy hoe \"ireto dia famantarana hanaraka izay mino ...\".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0541