Ahoana ny hevitrareo amin'i Jesosy?
42. coopsal
(
09/12/2008 14:16)
lazaDaddy:
Ahoana ny hevitrareo amin'i Jesosy?
==> ho ahy :
Fahiny. Nisalasala be aho raha nisy an'iznay Jesosy izany marina. Hitako voasoratra tao @ baiboly fa hoe :
- virijiny ny vehivavy niteraka azy,
- vao 12 taona izy dia nampitolagaga ny teolojiana
- rehefa nanomboka 30 taona izy dia natao batisa ary nitoriteny sy nanao fahagagana isan-karazany. (Ary izay tenim-pahendrena voalaza fa nolazainy dia mba tena nampiaiky ahy malgré ny tsy finoako)
- 33,5 taona izy nosamborina, notsaraina, nampijaliana, ary nahantona teo ambony tanam-bokovoko mandrapahafatiny.
- Telo andro taorian'ny nahafatesany dia nitsangana Izy ary niseho t@ireo mpianany
Teo @io tsipika kely farany io no nanomboka nampisalasala ahy, satria :
- nahoana moa no nahita azy ireo mpianany fa izaho tsy mba mahita!!?
- nahoana moa no afaka nisy fahagagana hita maso toy ireny voasoratra ireny kanefa izahay dia nampianarina fa hoe "efa tsy misy fahagagana mivantana toy ireny intsony izao!", nefa izany tsy hitako mihitsy voasoratra hoe 'tsy hisy intsony'
- nahoana no tsy miray ireto rehetra milaza ho mpianatr'i Kristy ireto no sady tsy mivaky loha @izay teneniny akory?
- nahoana no tsy miteny Izy eo anatrehan'izany rehetra izany raha misy tokoa?
Dia nieritreritra aho fa mety mba ho tantara toa an-dry Hercule sns izany Jesosy izany.
(...)
43. coopsal
(
09/12/2008 15:54)
Ankehitriny.
Mety ho efa mahazatra ny maro eto angamba ny tantarako tamin'ilay Alakamisy alina izay nahenoako an'i Jesosy voalohany indrindra namly ny fanontaniako.
Maro no nitantarako fa tsy nino an'izany. Fa tsy afaka ny ampiova izay henoko sy ny tohin'ny fiainano hatramin'izao izany, izay manaporofo amiko mazava fa marina izay voasoratra momba an'i Kristy ao amin'ny Baiboly.
Koa ho ahy, Jesosy dia :
1- Tenin' Andriamanitra velona, satria velona Izy ary miteny amin'ny rehetra, izay nahafahako nihaino mba hanaiky fa misy izao Andriamanitra izao, ary @ alalan'i Jesosy no itenenany @ olona ankehitriny
2- Izy no endrika fini an'ilay Andriamanitra infini, mba hahafahako mifandray amin'izay Mpamorona izao rehetra izao. Ary ny fomba nahatanteraka izany fahafaha- mifandray amin' Andriamanitra izany dia izao :
2.a- Naterak'olombelona i Jesosy (ilay tenin' Andriamanitra)
2.b- Novonoina (nalatsa-drà), ka ny ràny latsaka no natao hanadiovana ny loton'ny olona vokatry ny fahotana rehetra (tsy misy fahotana tsy voadio @izany)
2.c- Izay mino Azy dia nataony batisa t@ Fanahy Masina, mba hahafantatra Azy sy ny Ray ary ho afaka hifankazatra amin' Andriamanitra.
Misaotra naharitra namaky.
"Indro izaho mandondona eo am-baravarana (ny fo), raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy" [Apokalypsy 3:20]

45. ikaretsaka
(
09/12/2008 16:56)
Aza fera a amin'ny teniny fa tohizo...raiso Izy ao anatin'ny eokaristia dia ataovy @ madinika ny asa fanasoavana fa endriny aby ireny
46. coopsal
(
10/12/2008 13:58)
Ikaretsaka:
Aza fera a amin'ny teniny fa tohizo...raiso Izy ao anatin'ny eokaristia
==> Efa t@ 1995 aho no voatokana ho mpandray.
Fa aza hadino ry Ika fa rehefa niteny Kristy hoe
"Ny nofoko no tena fisotro ary ny rako no tena fihinana", dia nolazainy tsara fa "Ny nofo tsy mahasoa na inona na inona fa ny fanahy no maha velona ... Ny teny izay lazaiko aminareo dia fanahy sy fiainana".
Izany hoe, ny fihinanana ny nofony sy fisotroana ny ràny dia tena ny finoana sy fankatoavana ny teniny. Donc ny teniny!
Incompréhensible ho anao izay mety ho asa fanasoavana avy @ tenin'i Kristy. fa izaho mino fa i Mia dia tena mahafantatra tsara an'izany.
Saingy aza hadino fa izao tontolo izao mety ho levona fa ny tenin'i Kristy tsy ho levona. Donc, ny tenin'i Kristy no fanasoavana lehibe indrindra afaka raisin'ny olona.
Ary farany, ny tenin' Andriamanitra no nanamboarana izao rehetra izao : y compris mofo dipaina, hena, vilany, lobaka, ... sns! Kristy no tenin' Andriamanitra velona. Aza mihevitra fa raha ao @ tenin'i Kristy dia tsy misy an'izany rehetra izany! Ny mifamadika no misy, mety hiasa @izany asa soan'ny nofo izany ianao kanefa ts misy an'i Kristy ... dia fanasoavana ny nofo fotsiny izy @izay fa tsy misy fiainana mandrakizay azo
47. ikaretsaka
(
10/12/2008 14:24)
Samihafa ange ny fandraisana sy ny komonio e... ary taorian'izy niteny io tsimpona anao io de mbola nanamboatra ny eokaristia izy anefa... misy antony io izany
Tadidio fa ny teny tonga nofo,ny nofo tonga mofo. Miara dalana isanlandro I jesoa.. tsy ao anaty boky fa @ alalan lny tontolo iainantsika sy izy ao anatintsika
Tadidio fa ny teny tonga nofo,ny nofo tonga mofo. Miara dalana isanlandro I jesoa.. tsy ao anaty boky fa @ alalan lny tontolo iainantsika sy izy ao anatintsika
48. fijo
(
11/12/2008 21:35)
nandra an,rehefa tsy manana permis izany dia tsy mahazo miresaka fiara koa???ahannnn