Batisa na batemy

1. mia ( 26/11/2008 21:51)
Raha aminareo inona no dikan\'ireto andinin-tsoratra masina ireto?

Izaho dia manao batisa anareo amin\'ny rano ho amin\'ny fibebahana ; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho ; Izy no hanao batisa anareo amin\'ny Fanahy Masina sy ny afo ;

Dia nahatsiaro ny tenin\'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: \"Jaona nanao batisa tamin\'ny rano, fa hianareo kosa dia hatao batisa amin\'ny Fanahy Masina\"


Izy ilay avy tamin\'ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin\'ny rano ihany, fa tamin\'ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana
novalian'i coopsal ny 09/12/2008 16:20
2. fijo ( 26/11/2008 21:57)
ilay batemy (efa notantaraiko tary)dia misy fanazavana momba an'io.satria ny kanto dia manao batemy amin'ny rano,(hanasana ny fahotana)ary mandrehitra (labozy avy eo)ho jiron'ny fanahy.io mandrehitra jiro io tsy misy amin'ny fomba pros rehefa manao batisa.
amin'ny kanto io dia endriky ny fahazavan'ny fanahy voadio.rah adiso aho hitsio ry zalahy an
3. ikaretsaka ( 26/11/2008 22:01)
Mahay katesizy ialahy ka :wink:
4. fijo ( 26/11/2008 22:03)
izay no fanazavana azo tary ka.izay anie no nilazako hoe nahalian ale manisy fanazavana,fa tsy hoe izao no fomba dia lasa ity na hay ny dikany na tsy hay e
5. ikaretsaka ( 26/11/2008 22:19)
Zay ko nge letsy ry fijo no nahatonga ahy niala tary de lasa kanto e! Le tary tsy ampy ny nazavaina fa nozarina sy noferana amin ny hoe ka voalaza ao @ zao io (de tsiponina le partie mifandraika aminy) fotsiny de zay! De le partie 1 mifangarika @ le zavatra notsimponiny hanamarinany tena ka nodiany fanina raha apoitranao aminy mba hangatahina fanazavana , ka somary kenda izy mamaly an' iny rehefa tsy nampoiziny le fanontaniana dia hendrikendrika @ zay no nahazo

Tary nefa hita hoe olona nianatra no nanazava fa tsy nihanona t@ tsimpona ...de nazava
6. fijo ( 26/11/2008 22:21)
izay aloha mba nahafinaritra ahy tamin'ilay mopera e.nazavainy daholo ny zavatra rehetra nataony tamin'io andro io.izany hoe tsy nijery fomba fotsiny aho,fa nahalalal koa izay hitako.
7. coopsal ( 27/11/2008 11:45)
Marina tokoa fa io resaka batisa na batemy io dia tena samy manana ny fomba ny fiangonana! Lasa tena isan'ny foto-pinoan'ny maro aza ny fomba hoenti-manao batisa.

Fa eto moa ny fanontanian'i mia dia mikasika spécialement ireo ambaran'ireo andinin-tsoratra masina, ary dia izay no hitondraka "jiro ho an'ny fanahy mila fanazavana". Tsy labozia no hampiasaiko akory, satria iny manazava ny ara-nofo fotsiny ihany, fa fahamarinana (vérité) araka an'i Kristy!

mia ... sa i Jaona ?:
Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana

==> ny batisan'i Jaona no resahina eto
hevitry ny teny : Teny Grika (baptiso) no niaviany, izay midika hoe "manatsoboka" (immerger).
fomba : Fanatsobohana olona ao anaty rano (ny tenany manontolo).
hevitry ny fomba : Fampisehoana ampahibemaso (symbole visible) fa nibebaka ilay olona iray ka mahazo famelana ny helony rehetra.
fanoharana : Io fomba iray io izany dia tahaka ny hoe avy nanao test de niveau tatsy @ le lycée tatsy aho ary voaray (izay le fibebahana) dia mahazo manao ny tablier (batisa) amin'izay.
8. coopsal ( 27/11/2008 11:56)
mia:
Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo

==> Tsy niova ny hevitry ny teny hoe batisa, fa eto i Jaona mpanao batisa dia nampahafantatra ireo mpino an' Andriamanitra ny amin'i Kristy, izay "hanatsoboka" ny mino Azy ao @ Fanahy Masina.
fanoharana : Rehefa atsobokao ao anaty rano ny éponge, ilay éponge koa dia mba feno rano!
Ny fanahin' Andriamanitra dia manerana izao rehetra izao tahaka ny rano, ary ny fon'ny olombelona izay nibebaka dia tonga toy ny éponge ka afaka ho feno ny Fanahin' Andriamanitra.

Famintinana :
Ny batisan'ny rano dia fanombohan-kase ara-materialy izay tanterahin'olombelona amin'ny olona izay nibebaka.
Ny batisan'ny Fanahy Masina kosa dia fanombohan-kase ara-panahy tanterahin'i Kristy amin'ny olona izay nibebaka.
9. mia ( 27/11/2008 12:20)
Misaotra an'i Coopsal dia misaotra ny Tompo koa, fa izany hoe mbola miandry ny tohin'y fanazavanao aho izany e!tena mahaliana ahy be mihitsy!
Miala tsiny koa fa tokony nomeko ny toko sy andininy ireo teny ireo, fa @ izay tsy soratana hoe hoy i Mia, fa hoy ny soratra masina.
Bref, ny tena fanontaniako izany ary efa nitadiavako valiny foana fa tsy mety afa-po aho dia hoe: ilaina ve ny batisa, immersion dans l'eau raha ohatra ka efa
- Namaky ny soratra masina(évangile) ianao ary resy lahatra ny fahamarinany
- Efa nanao repentance ianao(nibebaka)
-Dia nino sy nanaiky fa JESOA tonga olombelona, maty ho famelana ny otantsika no ekeko ho Mpanavotra Ahy ary ny Anarany ihany no mahavonjy
- Ary farany efa nisy dia fanombohan-kase ara-panahy tanterahin'i Kristy (ilay batsisan'ny Fanahy Masina)

Ireto teny ireto mantsy no tena mibahana ato an-tsaiko: Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
Misaotra mialoha ho an'izay mamaly rehetra.
10. ikaretsaka ( 27/11/2008 13:50)
Tanddremo ko fa samihafa by baptzo = manondraka
sy by baptizo= mandona

De arakarak'io koa ny fomba
11. coopsal ( 28/11/2008 07:15)
mia>>>
Ireto no toerana ahitako ireo soratra notanitsainao teo ireo
[Matio 3:11], [Asan'ny Apostoly 1:5], [I Jaona 5:6-8]

Fony aho vao nino fa velona marina i Jesosy, izay efa reko hatry ny fony kely, dia nanomboka nino @izay ny baiboly aho! Ary teo vao tena nanomboka nihevitra tao am-po izay voasoratra.
Tao anatin'izany dia nifanerasera be t@ olona sabatista aho, izy ireo dia milaza fa mila lehibe vao atao batisa (@ rano) ary mila mitsoboka tanteraka ao anaty rano ny batisa @ rano izay vao tena izy. Izaho notezaina tao @ fiangonana kristiana "lehibe" ary efa vita batisa araka ny fomba @izany fiangonana izany.
Tena foto-kevi-dehibe roa no hitako ary nampikorontana ahy teo, fa
- Rehefa mihaino tsara ny ao @ fiangona nitaizana ahy aho dia mahita ny fampianarana mikasika ny batisa, voatoana ara-tsoratra masina ka toa mampanaiky ahy mihitsy hoe izay no tena izy.
- Rehefa mifanena @ ankilany aho dia mahita fampianarana mifanohitra @izay ary nefa tena voatohana ara-tsoratra masina tokoa ary mampiaiky ahy fa marina.
Ny tena gravy t@ le izy mantsy d izao!
Atsy @ an-daniny (sabatista) dia mampiseho ahy araka ny Soratra Masina fa mila atao an'ilay tena batisa aho (izany hoe le feno rano ny tenako manontolo, na atsoboka io na atondraka tsy maninona) @izao izaho lehibe izao, fa @izany no itafiana an'i Kristy, satria rehefa tonga eo @ fanasana any an-danitra, raha tsy manana ny fitafiana dia voaroaka.
Etsy an-kilany (fiangonan-dehibe) mampiseho fa efa vita batisa t@iny mbola kely iny aho ary ny famerenako hatao batisa dia fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (ary voalazan'i Jesosy fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka).

Fony aho tsy mbola nino an'i Kristy dia tsy nivaky loha t@ zany aho fa ny ahy ihany no ahy! Fa teto aho nino an'i Kristy ka tsy azoko navela t@izay tiako fa nikatsaka aho hoe ahoana no tena marina araka an'i Kristy?

Fa Kristy efa niteny kosa hoe "sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana". [Matio 5:6]
Tao anatin'ny fangetahetako fahamarinana dia hitako mihitsy ny fitarihan'i Kristy ahy ho amin'izany fahamarinana (dia ny tenany) izany mba hahafoana ny fikorontanan-tsaiko mikasika io batisa/ batemy io (sy ny zavatra maro samy hafa).

Soratako manaraka eo izany fampianaran'i Kristy mikasika izany.
12. coopsal ( 28/11/2008 07:35)
mia>>>>

Araka ilay tenin'i Jaona mpanao batisa dia famantarana fa "avy nibebaka" ny olona iray, no dikan'ilay batisa @ rano (na atsoboka na atondraka io tsy olana).

NB : Ny mibebaka tenenina eto @ resaka batisa dia hoe "miverin-dalana", miverina amin' Andriamanitra.

FANOHARANA :
Ny polisy dia manana fanamiana (tenue) mba ho famantarana fa polisy izy!
Ny fitafiana miloko maitso matroka feno ravinkazo toy ny an'ny polisy sy miaramila ary zandary dia lamaody , ka manao azy daholo izao olona tsy polisy rehetra izao, tsy hoe rehefa nanao akanjo toy izany izy d lasa polisy.
==> Tahaka izany, tsy izay rehetra nampanaovina an'ilay famantarana hita maso (batisa) akory dia olona nibebaka daholo! Mety tena lamaody koa ngamba le batemy ka ouain ze ts vita batemy (??!!!)

Misy indray koa ny polisy mihitsy izy, saingy tsy manao fanamiana! TSy maha foana ny maha polisy azy akory izay tsy fanaovany fanamiana.
==> Tsy dia voatery natao an'ilay famantarana hita maso avokoa izay voavonjy rehetra. Ohatra iray ilay jiolahy nifantsika teo anilan'ny Kristy. Nibebaka soa aman-tsara izy, satria hoy izy miantso ilay namany "isika dia mendrika izao fampijaliana antiska izao ...", ary nino an'i Kristy sy ny fanjakàny izy, satria izao no teniny : "Jesosy ô! tsarovy aho rehefa tonga @ fanjakanao ianao!". Tsy nisy batemy, tsy nisy na inona na inona, tsy niandry protocole, tonga dia voavonjy izy, fa hoy Kristy hoe : "anio dia anio no hihaonanao amiko any paradisa".

Izao koa no nolazain'i Jaona mpanao batisa :
"Moi non plus, je ne savais pas que c'était lui, mais si je suis venu baptiser dans l'eau, c'est pour le faire connaître au peuple d'Israël." [Jean 1:31]
==> Ny objectif ny batisan'i Jaona (ilay fanatsobohana na fanondrahana rano, izay mariky ny fibebahana) dia ny hampahafantatra an'i Kristy. Ka rehefa nahafantatra an'i Kristy ianao ... dia efa tratra sahady ho anao ny tanjon'ilay batisa izany.
13. coopsal ( 28/11/2008 08:02)
mia >>>[center]Famantarana ny fibebahana[/center]

Ny olona tsirairay avy dia samy naneho ny famantarana fa nibebaka izy. Misy ny mandratra ny tenany (fa misy koa manao izany ho fomba fa tsy resaka fibebahana), ny an'ny taranak'Israely manokana dia @ fifadian-kanina sy fitafiana gony ary fihosorana lavenona izany (vakio ny [Matio 11:21-30]).
Ary ny an'i Zakaiosy (Zake) dia t@ filazany hoe "izay rehetra nalaiko t@ fanambakana dia honerako avo efatra heny, ary ny antsasaky ny fananako dia homeko ho an'ny malahelo"[Lioka 19]. Misy fiaikena ao anatin'io fa mpanambaka olona ingahirainy an!

Fa ity batisan'i Jaona (izay nanatsobohana tao anaty rano ireo izay nibebaka rehefa nahatsiaro voatsindrona tao am-pony ka niaiky fa niala t@ Andriamanitra) ity, dia efa voalaza fa ny antony dia ny hahafahan'ny olona mino izany handray ny famelan-keloka!

Azo lazaina ho lojika be ny nampiasana ny rano ho famantarana satria ny rano no fampiasan'ny olona hanadiovana ny tena! Ka tahaka izay anadiovana ny nofo @ rano, dia hisy zavatra hanatsobohan' Andriamanitra ny fanahin'ny olona mba hanadiovana azy koa ao. Ary ny Fanahiny izany.
14. coopsal ( 28/11/2008 08:21)
Ny hamaranako ity epistily lava be ity dia izao ry mia,
"Car ce n'est pas ce qui est visible qui fait le Juif, ni la marque visible dans la chair qui fait la circoncision, 29 mais ce qui fait le Juif c'est ce qui est intérieur, et la vraie circoncision est celle que l'Esprit opère dans le coeur et non celle que l'on pratique en obéissant à la lettre de la Loi.
Tel est le Juif qui reçoit sa louange, non des hommes, mais de Dieu.
" [Romains 2:28-29]
==> Fahiny dia ny jiosy (na taranak'Israely) no nantsoina hoe Zanak' Andriamanitra, vahoakan' Andriamanitra, ho famantarana (hita maso) fa taranak'Israely izy ireo dia noforana (circoncision). Ary ity epistily ho an'ny romana ity (sy ny hafa koa), dia mba mety ho epistily ho an'ny kristiana maro ankehitriny, fa ny kristiana (na mpanara-dia an'i Kristy) no antsoina hoe "Zanak' Andriamanitra" sy "vahoakan' Andriamanitra" ankehitriny. Ary ho famantarana fa kristiana izy ireo dia nanaovana fomba hita maso (batemy/batisa). L'histoire se répète avec d'autres formes et d'autres termes!

Ka hoy aho hoe, raha t@izao androm-piainantsika izao ny apostoly Paoly no nanoratra, dia io mihitsy ihany no nosoratany, fa ireto termes sasantsasany ireto dia ho nosoloiny ho toy izao :
juif ---> chrétien
circoncision ---> baptême
lettre de la Loi ---> certains passages de la bible

Dia izao no ho azo :
"Car ce n'est pas ce qui est visible qui fait le Chrétien, ni la marque visible dans la chair qui fait le baptême, mais ce qui fait le Chrétien c'est ce qui est intérieur, et le vrai baptême est celui que l'Esprit opère dans le coeur et non celui que l'on pratique en obéissant à certains passages de la bible.
Tel est le Chrétien qui reçoit sa louange, non des hommes, mais de Dieu.
" [Christianistes 2:28-29]

Il faut plutôt se poser la question (et la poser à DIEU qui répond avec amour) si réellement, l'Esprit de DIEU a opéré un baptême dans mon coeur! Celui qui me donne accès au royaume de DIEU!
15. mia ( 28/11/2008 12:54)
:P :D :P Voninahitra ho an' i jesoa dia tena misaotra anao coopsal nahafoy fotoana sy nanana fandavan-tena nanazava tamiko fa io verset Romains 2:28-29 io no tena notadiaviko!! Le Royaume caché dans le coeur marina no tena izy ary la vraie circoncision est celle que l'Esprit opère dans le coeur !
Tena mety tsy azonao an-tsaina ny hafaliako fa tena zoky ara-panahy tokoa ianao!tena miditra ao am-poko daholo ny teny sy hafatra rehetra nanala ny ahiahy sy tebiteby, hasambarana tokoa no omen'ny Tenin'ATRA.
Misy tokony entana tokony mbola atolotro tokoa angamba ho an'ny Tompo fa ny antsony efa reko
Tahian'ny TOMPO ianao!
16. coopsal ( 28/11/2008 14:11)
mia:
Tena mety tsy azonao an-tsaina ny hafaliako

==> Na izany aza tena miombona fifaliana @nao aho, ary tsy izaho irery fa ny ao @ fanjakàn\'ny lanitra rehetra dia mifaly @ fifalian\'ny iray amintsika, satria ny fanjakàn\'ny lanitra dia fahamarinana (justice) fiadanam-po (afaka ahiahy) sy fifaliana ao amin\'ny Fanahy Masina ... Izay zavatra teneninao amiko eto izao ... Midika izany fa anananao tokoa ny fanjakàna!
Aza mitsahatra mivavaka, dia mivavaha koa ho ahy sy ireo rahalahy hafa mba hahafantaran\'ireo tsy mahafantatra ny fitiavan\' Andriamanitra ka hahazo izay fifaliantsika anio izy ireo. Ny Tompo homba anao
17. ikaretsaka ( 28/11/2008 15:55)
De vita batisa zaqny de vita kabary?
18. fijo ( 28/11/2008 22:01)
le batisa dia fomba entina hanamarinana fa miditra ho isan'ny mpanaraka an'i lery ianao.izany hoe ,toa ny fanambadiana io,rehefa mifankatia sy miray trano ary efa niray vatana ve,dia mbola hilaina ny fanambadiana???
mitovy amin'izay io fanontanianao io;
19. ikaretsaka ( 28/11/2008 22:46)
fa hono ho'a impiry natao batisa tokao kay i coopsal?
satria toa mifangaro ve le patisa io lazain'i fijo io sy ny batisa fibebahana sns.... ambaranao
20. fijo ( 28/11/2008 22:53)
hihihi mety vita batisa rano,de avy eo natao batisa fanahy hafa koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573