Batisa na batemy

21. ikaretsaka ( 28/11/2008 23:27)
Aoka letsy le
22. finoanaranoray ( 29/11/2008 06:57)
tena adino ny niresaka ilay Batisan'ny afo...fa matin'ny Rano ilay izy...



23. deric ( 29/11/2008 08:14)
Misaotra an'i Mia ary misaotra bebe kokoa an'i Coopsal, tamin'ny fanazavana ny batisa izay ifandroritanay betsaka ny momba io fa efa mazava izy eto.
Tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy fa indray alahady aho raha nanaraka ny toritenin-drapasy FJKM teo amin'ny TVM dia gaga raha nanao izao fanamarihana izao izy:
"Tsy hoe manamarina ny fomban'ireo fiangonana sasany fa ny tena batsia dia tena alevina na asitrika mihintsy".
Gaga aho fa mahalala ny tena marina Rapasy saingy tsy mampihatra izany fa atete ihany no ady eo.
marihiko fa nomeny ny lohahevitra hoe MANDROSO AMIN'NY LALINA" io toriteny io.
Tsy voaresakareo mpandray anjara ny amin'ny batisa amin'ny afo:
Ny Fanahy MAsina no lazainy fa afo, io ilay atao hoe batsin'ny fanahy masina izay nosantarina tamin'ny mpianatra 120 mianadahy tao amin'ny Asan'ny Apostoly toko faha 2. Izany hoe norakofana ny fanahy masina izy ireo satria tsy ny herim-batany sy ny herin-tsainy ihany no ilaina hanaovana ny fanompoana fa mila ny herin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanahy masina.
Marihina fa tsy ireo 120 ihany no nahazo izany fa nitatra tamin'ireo mpino hafa taty aorin-dry zareo: isan'izany i Kornelio ao amin'ny toko faha 10, ary hatramin' izao dia io no tena mahavalananina ahy amin'ireo fiangonam-pifohazana moderna amizao fotoana izao fa tena mampanjaka izany batisan'ny fanahy masina izany ry zareo.
Voninahitra anie ho AN'i JEsoa manao batisa azy ireo amin'ny afo dia ny fanahy masina.
24. ikaretsaka ( 29/11/2008 11:21)
Tandremo hoa hafangaro ny bapto=mandona ,mampandro

Sy ny baptizo=manondraka

Io manko bedebe no managaro azy
25. badboy ( 29/11/2008 14:50)
Mahafinaritra ilay fanazavana lavabe!! Makao @ wikipédia dia hita ao ireo voalaza rehetra ireo!! Saingy ny tsy voalza eto, sy ny tsy voalaza ao @ wikipedia, dia NY BATEMY rehefa mbola kely ilay zaza no atao, DIA FAMPANDRAISANA ANJARA NY RAY AMANDRENY @ FAMPIDIRANA ILAY ZAZA AO @ FIAINANA ARAPANAHY!! Izany hoe ny RR an'ilay zaza, miaraka @ ireo marraine sy parrain, hanome fampianarana ny fiainana arapanahy ary modelin'ilay zaza eo @ fiainany (hoy ny ntaolo hoe ny adala no toa andrainy)!! Midika izany fa izireo koa miditra @ ilay fiainana arapanahy ary raha to ka niataka @ io lalana io izy, dia io no fomba hahafahana mampiverina azy haingana @ ilay lalana nialany teo aloha!!!

Manarak'izay raha toa ka lazaina fa tsy misy dikany ilay batemy satria ny finoana ihany dia ampy, dia azo lazaina ho tsisy dikany koa izany ny fandraisana kominio, na ny fametrahana ho mpiandry sns sns.

Ilaina ny batemy ho an'ny mpino satria ilaina koa ny kominio, ny mpiandry, ny mompera sns... Ireo rehetra ireo, miaraka @ finoana, no maha fiangonana ny fiangonana!! Averiko raisina eto ny ohatra nomen'i coopsal momba ilay polisy : raha toa ka mitafy polisy izy na tsia dia tsy ho polisy mihintsy raha toa ka tsy nomempahefahana ho polisy!! Tahaka izay ny batey : satria ny batemy dia fampidirana olona iray ao anatin'ny fiainana arapanahy dia tsy maintsy atao raha tsy izany mandeha ila ilay fidirana ao @ ilay fianana arapanahay!!

Farany, NY ROLE AZA NATAO BATEMY KOA MANINONA IANAO OLOTSOTRA NO TSY HATAO???? Ary izy mihintsy no niteny hoe ilaina ny fanaovana batemy koa maninona no lazaina ankolaka fa tsy dia ilaina izio fa symbôle fotsiny???


:evil: :evil: :evil:
26. ikaretsaka ( 29/11/2008 17:39)
Io resaka parrain sns io letsy ra badboy no anisan\' maha samihafa le batemy araka ny atokompinoana a: ny sasany tsy mila intervention an ny manodidinatoy ny hoe izy rery no eto antany izany

Nrfa tsy arak\' io rehefa hangata bavaka
27. Mandefitra ( 01/12/2008 04:49)
Coopsal> Hazavao tsara hoe ny @ ty Batisan'ny Fanahy Masina ty :
1/Ny tenin'Andriamanitra mandidy ny hanaovana azy
2/iza no mampanao ilay batisa
3/ahoana ny fisehony sy ny vokany @ olona hatao batisa
4/Hoy kristy :"Zay mino sy atao Batisa no hovonjena"
maty ilay neveux ko 12 ans, nanao vacance tany foulpointe ary lasan ny ranomasina.
* ndeha hatao hoe batista ny RAR ka tsy nanao batisa ny zaza.
* lery nefa mety efa nandainga, nangalam-pihinana, namalivaly RAR, niteny ratsy etc ... zany hoe mpanota, "Nateraky ny nofo" .... Fomba ahoana no handovan'i lery ny fiainana mandrakizay? sa very avy hatrany zandrikely? (satria tsy mahay mino ny zaza hoy ianareo sady tsy atao batisa)

Misaotra
28. coopsal ( 01/12/2008 08:38)
Mandefitra:
Fomba ahoana no handovan'i lery ny fiainana mandrakizay?

==> Hoy Kristy :
"Aux hommes c'est impossible, mais non à Dieu. Car tout est possible à Dieu" [Marka 10:27]
Iriako indrindra raha mba mandova ny fiainana mandrakizay izy!
Ary efa napetrakao taminao ve ilay fanontaniana ? "fomba ahoana no handovako fiainana mandrakizay?", Ary efa napetrakao ho amin'ilay olona ankiray hafa velona mifanena aminao isanandro ve?

Mandefitra:
satria tsy mahay mino ny zaza hoy ianareo sady tsy atao batisa

==> Amiko tsy ny fanondrahana rano na fitsobohan'ny olona ao anaty rano no hamonjy ny fanahiny! Mety hampahazoazo aina ny nofony iny (raha toa ka mafana ny andro ohatra), mety hanadio ny hodiny sy hahamandina! Fa raha ny fanahiny dia tsy inoako fa iny no hanadio azy! Noho izany na kely ianao na lehibe, tsy mahavonjy ny fanahinao ny rano, ary tsy mahafaty ny fanahinao koa.

Ny @ hoe "tsy mahay mino ny zaza" : Kristy raha niteny hoe
"Vraiment, je vous l'assure : si vous ne changez pas d'attitude et ne devenez pas comme de petits enfants, vous n'entrerez pas dans le royaume des cieux." [Matio 18:2] dia inoako fa tiany lazaina indrindra ny hoe : ny zaza no mino! Ny lehibe mampiasa saina fa ny zaza mino!
Afaka ho hitanao @ fiainana andavanandro izany.
29. deric ( 01/12/2008 08:49)
Asa aloha izay doktrina any am-piangonana any e! ny hitako ao amin'ny Baibolin'ny Kristiana no hororitiko eto:
Talohan'ny Batisa nataon'i Jaona dia nampibebaka ny olona izy, izay vao niroso ho amin'ny batisa ireo olona ireo, izany taorian'ny fibebahaba izany.
Tsindriako fa tsy maintsy mibebeaka aloha vao atao batisa satria rahafa nanatona anie ireo mpanora-dalana sy Fariseo ireo mba hatao batisa dia tsy nanaiky i Jaona fa noteneniny hoe: Mamoaza voa miandrika ny fibebahana aloha
Na Jesosy koa aza nilaza hoe Izay mino sy atao batisa no hovonjena; rah aireo voatanisa ireo no hampifandraisina amin'ny zazakely dia hataon-dry katika ireo ahona izany hino izany, hataony ahoana izany hibebaka izany; angamba tsy mahay na inona na inona hafa-tsy mitomany sy mipipy, minono, sns.
Raha nentina nanatona an'i Jesoa ange ny zaza tamin'ilay nanaovany hoe aza rarana ny zaza fa avelao hanatona Ahy, tsy nisy fanaovana batisa teo fa ny voasoratra eo dia hoe: nandray ireo zaza ireo Izy dia nitso-drano azy.
Averiko eto izany fa Mino aloha dia mibebaka, izay vao atao Batisa. Ary tsy batisa atete fa batisa alentika amin'ny ranobe mba hahatanteraka ny voasoratra hoe niara-nalevina taminy tamin'ny Batisa isika.
Ka heveriko fa tsy fandevenana raha toa ka ny handriny na ny lohany ihany no totofana fa tsy maintsy ny tenany iray manontolo, izay no ilana ny ranobe mba hisitrihana na hanitrihana izay halevina (atao Batisa).
Aza tsiniana aho fa tsy mahatatdidy ny toko sy andininy fa mahatsiahy ny voasoratra.
Misaotra.
30. Mandefitra ( 01/12/2008 09:00)
Eo zao coopsal sy deric de efa mifanohitra sahady :
coopsal:
dia inoako fa tiany lazaina indrindra ny hoe : ny zaza no mino! Ny lehibe mampiasa saina fa ny zaza mino!

deric:
ah aireo voatanisa ireo no hampifandraisina amin'ny zazakely dia hataon-dry katika ireo ahona izany hino izany, hataony ahoana izany hibebaka izany; angamba tsy mahay na inona na inona hafa-tsy mitomany sy mipipy, minono, sns.


Iry voalohany no itoviako hevitra, sady Kristy rahateo no niteny izany : mahay mino ny zaza.
1/Jereo ireto :
Asa 22:16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.

Asa2:37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona ho hataonay?
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

=> Tena hahazoana famelan-keloka ny Batisa fa tsy symbole fotsiny.
Ny tsy azonareo mantsy, dia didin'Andriamanitra ny Batisa. ary Izy koa no miasa @ fahasoavana ao @ Batisa.

2/Itafiana an'i Kristy:
Gal 3:26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.

Fanontaniana : tsy mendrika ny hitafy an'i Kristy ve ny zaza? (0-15 taona oh...)

3/Batisa = fanekena vaovao
Gen 17:7 Ary haoriko ny faneke­ko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny tarana­kao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Kol2:11 ary tao aminy (Jesosy) koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tànana tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.

=> tsy hoe symbole fotsiny ny famorana t@ zanak'Israely fa tena fanekena nifanaovan'Andriamanitraa t@ Abrahama mihitsy : Andriamanitra ho Rainy
Ary satria tandindonn ny Batisa ny famorana, dia fanekena hataon'i Kristy ny mino Azy koa ny Batisa "homba anareo mandrakariva Aho ..."

Zay aloha fa mahereza.
31. deric ( 01/12/2008 09:14)
Raha nividy mamba vao ianao ry Mandefitra dia hosasanao ve izany vaovavo izany, nefa ny loto hanasana azy?
ampiasainao izy aloha, aorian' izay vao sasana satria maloto (mila fanadiovana)
KA inona ary no ho fahotan'ny zazakely, fa lazaina fa ireny no tsy manan-tsiny.
misaotra anao manome toko sy andininy bobaka fa tsy omenao ny milaza fa atao batisa ry katita.
misaotra.
32. Mandefitra ( 01/12/2008 09:25)
deric>Hajaina ny finoanao ka.

Raha ho ahy zao dia tsotra : manan-janaka 3 taona, efa vita Batisa izy : zanak'Andriamanitra sahady izy eo, ary inoako aza fa efa tempolin'ny Fanahy Masina sady mitafy an'i Kristy arak zay voalazan i Apostoly Paoly.
Andriamanitra no mitantana ny diany, miaro azy, manome azy fahendrena sy fahalalana ... fa ny adidiko dia ny mitaiza sy manabe azy, ary mivavaka ho azy mba hihazonany ilay fanekena masina t@ Batisa, zay nisoloanay RAR sy vavolombelona azy teo anatrehan'Andriamanitra tena, fa hamafisina kosa rehefa lehibe izy (Konfrmasiona) .
Ny Batisa mantsy dia fifanekena :
1/ Andriamanitra mandray ny hatao Batisa ho zanany
2/ny olona manaiky an'Andriamanitra Telo Izay Iray, ka hifady ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fomba rehetra

Andriamanitra tsy mivadika @ fanekeny, fa ny olona no mety mania ...
33. coopsal ( 01/12/2008 11:23)
Mandefitra:
4/Hoy kristy :"Zay mino sy atao Batisa no hovonjena"

==> ... FA izay tsy mety mino no hohelohina! Raha izaho, aleo ny finoana aloha no dinihina tsara fa mandeha ho azy ny batisa avy eo!

Mandefitra:
Hazavao tsara hoe ny @ ty Batisan'ny Fanahy Masina ty :
1/Ny tenin'Andriamanitra mandidy ny hanaovana azy
2/iza no mampanao ilay batisa
3/ahoana ny fisehony sy ny vokany @ olona hatao batisa

==> Ny batisan'ny Fanahy Masina (fampilomana ny olona ao @ Fanahy Masina) no resahina eto

1/Ny tenin'Andriamanitra mandidy ny hanaovana azy : I Kristy no tenin' Andriamanitra, ary Izy no milaza hoe "Raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy ny olona tsy afaka hahita ny fanjakàn'ny lanitra" [Jaona 3:5]. Izany hoe : raha tsy mibebaka sy mino ny anaran'i Kristy (= YAHAWEH Mpamonjy) tsy afaka hahita ny fanjakàn'ny lanitra.
Tena izay no izy satria, izay nibebaka (niverina @ Andriamanitra) no afaka handray ny famonjena (famelan-keloka sy hery ho tonga zanak' Andriamanitra). Ny tena pratique dia ny fibebahana sy ny finoana an'i Kristy.

2/iza no mampanao ilay batisa :
Ataoko fa izay manana ny fahefana amin'izany! Dia Andriamanitra Ray. Ary araka ny voasoratra dia hoe "Izaho manao batisa anareo @ rano mba ho mariky ny fiovanareo (fibebahanareo). Fa avy aoriako ... (KRISTY), izy no hanao batisa anareo @ Fanahy Masina sy ny afo".[MAtio 3:11]

3/ahoana ny fisehony ... @ olona hatao batisa :
Ao @ baiboly : Afaka ahitana mikasika izany ao @ Matio, Marka, Lioka, Jaona, Asan'ny Apostoly. Fa haka ohatra vitsivitsy aho :
1- I Jaona nahita ny lanitra nisokatra ka nidina teo @i Kristy tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina. [Matio 3:16]
2- Ny 120 t@ andro pentekosta: nihovitrovitra ny efi-trano ary teo @ tsirairay dia tahaka ny lela mitarehin'afo.[Asan'ny Apostoly 2]
3- Ary raha mbola nitory teny i Petera dia nilatsaka tao @ireo jentilisa ireo ny FAnahy Masina.[Asan'ny Apostoly 10]

sy ny vokany :
1- Kristy nanomboka ny asany t@ fitokanana nivavaka sy nifady hanina nandritra ny 40 andro. [Matio 4]
2- Niteny t@ fitenim-pirenena hafa ny tsirairay naminany : nilaza ny zava-dehibe nataon' Andriamanitra (dia ny fahazoana famelana ny heloka rehetra noho ny sorona nataon'ny ZAnak'Andriamanitra). [Asan'ny Apostoly 2]
3- Satria niteny t@ fiteny samihafa izy ireo nankalaza ny haben'ny herin' Andriamanitra.[Asan'ny Apostoly 10]

Maro no voalaza ao fa ireo fotsiny no notsongaiko satria mba samy hita eo ny fitrangany sy ny vokany.
Fa ankehitriny, ahoana ny amintsika?

T@ taona 1995 aho, rehefa avy nianatra katekomena 1 taona dia notokanana ho mpandray! Nieritreritra aho fa eo @ io fotoana io no handray ny Fanahy Masina, ary tena sérieux be, niandry aho mba hitranga tamiko izay nitranga t@ireo mpianatra fahiny, hisy hery lehibe na toy izany ... saingy tsy nisy! Maheno olona miteny aho hoe "tena tsapako misy hery sy aim-panahy vaovao rehefa avy mandray!". Niezaka mafy aho fa tsy nanana izany hery sy aim-panahy vaovao izany.
Ny mahagaga ahy anefa @ireo milaza manana hery sy aim-panahy vaovao ireo, rehefa tonga ao an-trano (misy an'ilay sasany tsy nandeha niangona) dia sorena dia mitabataba, dia manomboka miampanga ireo tsy niangona ho "mampiditra devoly kanefa ny tena vao avy nivavaka!".
NB : ny teny hoe devoly dia midika hoe "mpanendrikendrika, mpiampanga".
Izaho tenako efa tsy nahatsapa an'ilay hery rehefa nandray, fa rehefa nodinihiko iretsy nilaza ho manana an'izany dia toa resy rehefa sendra ny devoly (aiza ilay tena hery sy aim-panahy?).
Fahazarana sisa no nandraisako na dia nisy fotoana aza mba niezaka nitady an'izany hery izany aho.

Ankehitriny aho mino an'i Kristy marina (hatramin'ilay Alakamisy alina).
Mba te hieritreritra aho hoe ilay tahatahaka an'iza @ireo tao @ baiboly ireo no nitranga t@ko? Efa nandray marina ny Fanahy Masina araka ilay batisan'ny Fanahy MAsina ve aho?
Ary izany fanontaniana izany indraindray mila hahavaky loha ahy. Mivavaka dia izao no tenin' Andriamanitra :
"Izay rehetra nandray azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia ireo izay mino ny anarany" [Jaona 1:12]
Ary izany dia hita ihany koa t@ireo olona tao @ndry Kornelio! Tsy nisy fametrahan-tanan'ny Apostoly, tsy nisy protocole fa teo am-pandrenesana toriteny, rehefa nino dia nandray ny Fanahy Masina.

Ho ahy manokana dia tsy nisy fotoana nahitako sarina afo na sarina voromailala! Fa ny fiainako sy ny asa nataoko hatramin'izay ninoako an'i Kristy, fa indrindra ny fahatsapana ato anatiko, ny fifampiresahako amin' Andriamanitra ka ahafahako maheno Azy miresaka @ko dia porofo fa marina izay voasoratra @ Jaona 1:12 sy ny [Jaona 3:8]
Raha toa ilaina ny hisy Apostoly hametra-tanana amiko mba hisian'ny andro anankiray ka ho "feno ny Fanahy Masina" ary hisy famantarana spécial! Dia hotanterahin' Andriamanitra miko izany, fa raha tsy nangataka izany ireo fahiny nefa nomen' Andriamanitra, izaho koa dia mino fa homeNy @ fotoana tendreNy!
Ny zavatra important dia mila pratique-ko ny finoako fa tsy avelavelako @izao. La foi qui ne se pratique pas meurt!
Ny batisa hamonjena ahy dia tsy izaho no manao azy fa Kristy! Tokana ny asa mila tanterahiko, dia izay nambaran'i Kristy raha nanontanian'ny olona izy hoe "inona no hataonay hiasanay ny asan' Andriamanitra?"
"Ny asan' Andriamanitra dia izao : ny hinoanareo izay nirahiny" [Jaona 6:29]

Ary ho anareo rahalahiko (na anabavy!) ao @ Kristy, indro zaraiko aminareo ny pratique ny finoana (na dia efa nolazaiko aza dia tsy reraka aho mamerina:
- vavaka : fotoana hifampiresahana @Andriamanitra hampahalalany ny zavatra rehetra ao am-po (na fahotana mila iaikena, na asa mila tanterahina araka ny sitrapoNY marina, na faminaniana zavatra ho avy, mba hahafahana misaotra Azy @ zavatra rehetra).
- fankatoavana : Izay noraisina t@ vavaka dia mila ifikirana mba ho tanterahina raha misy ny tsy maintsy atao (ohatra : raha misy olona tsy maintsy iresahana, ny zavatra tsy maintsy tenenina, raha misy olona mila vonjena, ny lalana tsy maintsy haleha, ...).
Fa izay mino an'i Kristy dia efa raisina ho momba ny tenan'i Kristy. Koa tsy tahaka ny fiainany fahiny intsony, tsy manao asa soa na fitorian-teny na mamoaka teny araka ny fahalalany sy ny fahaizany sy ny heriny sy ny fitiavany intsony izy, na ny programany, fa tahaka an'i Kristy, manao ny rehetra araka ny sitrapon' Andriamanitra, manao ny zavatra rehetra @ fotoana tendren' Andriamanitra, miteny izay teny ampitenenin' Andriamanitra azy, ary mahafoy hatr@ ainy mba hahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra (voasoratra ao @ [Jaona 6:39-40])
PS : Mivavaha @ Andriamanitra ho ahy sy ho antsika mpirahalahy marina, ary ho an'ireo taomina ho tonga rahalahintsika ao @ Tompo.
34. Mandefitra ( 01/12/2008 11:43)
Ka tsy mifanohitra anie zany zavtra ambarantsika .
Andriamanitra no manao Batisa ny Fanahy Masina ... tsy zavatra ataon'olombelona io zany fa ny asan'ny FM ao @ olona no hahatsapana azy.

Fa ny Batisa nanirahan i Jesosy ny mpianatra hoe : "mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy @ anaran ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina" ... dia tsy hafa fa ilay Batisan'i Jaona ihany : "Iray ny Batisa" hoy Paoly. Ary raha nanontanian'i Kristy ny lohandohan ny mpisorona hoe avy aiza ny batisan 'i Jaona : avy any an-danitra va sa an'ny olona dia tsy nahita avaly ireo.
Fa rehefa mino an 'i Kristy ny olona ka mibebaka, dia iasan'ny Fanahy Masina feno, ary anisan' izany ny niseho t@ andro pentekosta ... sy ireo fanomezam-pahasoavana isan-karazany toy ny miteny @ fiteny hafa, na ny fanasitranana marary etc ... nefa dia mbola nohizngizinin'i Paoly aza fa ny lehibe indrindra @ ireny dia ny fitiavana : "fa ny faminaniana dia ho levona, ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra ... fa ny fitiavana no haharitra mandrakizay".

Ka zava-dehibe hahazoam-pamonjena ny finoana, fa ny Batisa zay fanomboan'ny fiantsoan'Andriamanitra ny olona ho Zanany, ka hiahiany ny asan'ny tanaNy dia zava-dehibe tsy misaraka @ finoana : vao vita Batisa ianao dia afaka miaina @ maha zanak'Andriamanitra, mitombo @ finoana an'i Kristy, ary tsilovin'ny Fanahy Masina.

"Avelao ny zaza hanantona Ahy, hoy Kristy, ary aza rarana fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra".

35. ikaretsaka ( 01/12/2008 15:04)
De ahoana ny momba ilay zaza naqtaon I paoly batisa ry coopsal nefa tsy nino
36. mia ( 01/12/2008 16:01)
Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina angamba amizao fizotran'ny resaka izao dia hoe inona no dikan'ny hoe 'nateraka indray" na nouvelle naissance, né de nouveau, satria ao @ ny Jaona 3:3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ATERAKA INDRAY [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
Raha misy olona "tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy", dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

Izay aterahy ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
37. ikaretsaka ( 01/12/2008 16:56)
tsy misy Atra tezitra izany hoa
Our God is not an angry God ho'sy le gospel izay
38. bor2lais ( 02/12/2008 12:25)
\"Ateraka indray\" !!!
-> miverina ho toy ny zazakely : mora hanarina, miankina @ RAD, tsy mahaleo tena, sns

-> midika izany fa mila miova tanteraka ny fiainana : tsy miantehatra @ sainy na ny heriny intsony fa manankina tanteraka ny fiainany @ Tompo. Mangataka ny fanampiaNY sy ny fitantanaNY @ izay rehetra atao.

-> Adinoina ny toetra nitafiana taloha fa mitafy fitafiana vaovao, dia i Kristy.
39. coopsal ( 02/12/2008 12:51)
mia>>> [center]Ateraka indray[/center]
==> Misy andinin-tSM maro mampiseho an'io resaka fahaterahana indray io.
Fanontaniana mety hapetraka eto dia hoe :
- Fa nahoana no tsy maintsy ateraka indray?
---> Satria "izay ateraky ny nofo dia nofo, kanefa Andriamanitra dia fanahy fa tsy nofo" ... Koa raha te handova ny fanjakàn' Andriamanitra dia mila tonga zanak' Andriamanitra (satria ny zanaka no mpandova). Mila aterak' Andriamanitra izany. Tsy ilay fahaterahana nivoaka ny kibon'i neny izany fa fahaterahana ara-panahy satria Andriamanitra dia Fanahy.

- Ahoana izany hoe aterak' Andriamanitra ?
---> Omen' Andriamanitra ny fanahiNy (batisan'ny Fanahy Masina), satria Andriamanitra dia fanahy

- Ahoana no fomba atao mba hateraka indray?
---> Raha amin'ny nofo, tsy nisy olona nisafidy mba hateraka, fa (azo lazaina ho) sitrapon'izay niteraka no nahateraka ny olona iray. Toy izany ny fiterahan' Andriamanitra. @ sitrapon' Andriamanitra no iterahan' Andriamanitra ny olona. Tsy zavatra nataon'olombelona ary tsy hisy olona afaka hanao inona mba haterak' Andriamanitra! Fa Andriamanitra no efa nanao izany araka ny sitrapoNy, ary izao no sitrapoNy :
"Fa ny sitrapon'ny Ray, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy"[Jaona 6:40]
Fa rehefa niforona tao anaty kibo ny zaza, dia izay sakafon'ny reniny no miampita any aminy. Ary avy ny fotoana, mivoaka avy ao anatin'ny reniny izy ka afaka hifankahita @ Rainy amin'izay! Tsy miala tanteraka izy akory fa mbola minono @ reniny ihany (izany hoe mbola ilay sakafo avy ao @ reniny ihany no haniny aloha, fa @ fomba hafa no andraisany azy fa tsy toy izay tao anaty kibo intsony).
Toy izany izay miforona ao anaty kibon'ny (fiangonana = vadin'i Kristy), izay sakafom-panahin'ny fiangonana no hanin'ilay zaza! Fa avy ny fotoana izay tsy ho toy izany intsony! Fa mandray sakafo @ fomba hafa izy, ary afaka hifanerasera mivantana @ilay rainy (dia Kristy, iray @ Ray).

Somary fanazavana lava be iny! Fa ny tena tiana hahatongavana @izany dia hoe : raha mandà tsy handray ny sakafo ilay zaza dia tsy ho teraka fa ho faty ao anaty kibo ary tsy maintsy hesorina.

Fa ny tena fiandohan'ny fahaterahana dia tokana, tsy hazavaiko ny @ ara-nofo satria efa hain'ny maro. Fa raha ny ara-panahy dia tokana koa, izay voasoratra ao @ Soratra masina hoe :
*1 "Certains pourtant l'ont accueilli ; ils ont cru en lui. À tous ceux-là, il a accordé le privilège de devenir enfants de Dieu. Ce n'est pas par une naissance naturelle, ni sous l'impulsion d'un désir, ou encore par la volonté d'un homme, qu'ils le sont devenus ; mais c'est de Dieu qu'ils sont nés. " [Jean 1:12-13]
*2 "Celui qui croit que Jésus est le Christ est né de Dieu."[1 Jean 5:1].
Izany hoe : mino an'i Jesosy dia aterak' Andriamanitra.
40. ikaretsaka ( 02/12/2008 15:34)
dia ho reincarnena ho spermatosoide i coopsal sa ho ovule @ izany ateraka indray izany/

"Ateraka indray" !!!
-> miverina ho toy ny zazakely : mora hanarina, miankina @ RAD, tsy mahaleo tena, sns

mora endoctrinecana sy brainwashevana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0892