rafozana

61. kotobekibo ( 03/12/2008 11:49)
Tena mahagaga fa gidra foana en gle entre ny rafozana sy vinanto , aleo mifanalavitra raha azo hatao d mihena ny blem ( tsy hoe tsy hisy ) . :?
62. Papoose ( 03/12/2008 17:50)
ka raha voatery hiaraka hipetraka ao dia hifanalavitra ho aiza ndray ry kotobebain :-P
63. letmi ( 04/12/2008 12:05)
bjr daolo,
izaho vao2. ny miara-mipetraka @ rafozana dia maha-vizaka satria tsy maintsy ny sitrapony no tanterahina raha ohatra ka hoe any aminy ianao no mipetraka. Izaho efa tratran'izany taloha. Mbola vao 9 mois ny zanako t@ izany, izaho anefa tsy maintsy niasa andro sabotsy tamin'izay (@ izay sabotsy maraina fotsiny an), tsy nanana mpiasa aho satria tsy avelany maka mpiasa fa tsy tiany hisy mpiasa hono ao an-trano ary voatery niteny azy hoe mba endraso ny zanako fa miasa aho anio. Tonga dia niavonavonany aho sady noteneniny hoe "ohatran'ny zanaka adala hono ny zanako". Nefa izahay @ izany mifanao ambony sy ambany. Lazainy fa tsy hainy hono ny manolo zaza, tsy hainy hono ny manome biberon, foronony daolo io rehetra tsy handehanako miasa. Ny tena comble dia resahiny mangingina any ny zanany mba hiarovany tena, fa heureusement tsy dia nihaino seule sonnerie de cloche lotra le vadinay t@ izany. izay fotsiny no niatombohan'ny ny tsy fifankazahoana (c'est l'étincelle qui fait le feu) dia hatramin'izao ohatran'ny somary samy mihafahafa na dia samy mihatsara velatsihy aza. Io zanako io izao efa lehibe ary efa tsy miara-mipetraka intsony izahay efa ela. Dia antsoiny foana hoe avia aty @ i Bebe fa maninona no tsy mankaty mihitsy? mampi-te hiteny hoe ireny taloha mba angatahina miavona, koa rehefa lehibe efa tena namana ny ankizy vao antsointsoina (mampa ratsy loha mihitsy indraindray). :evil:
64. Papoose ( 05/12/2008 20:22)
le izy aloha tsy maintsy misy tantara foana e
65. fenouhy ( 16/12/2008 18:56)
samy manana ny toetrany ko ny rafozana , nena lo azoko ho lazaina tsara fanah ee, izahay tsy miaraka mipetra fa izy 3 isan-taona tonga aty @nay mitahy manadio trano ohatra: sasana daholy ny zavatra ao anaty larimoara jiaby ,sy vrvr nkely , fanadiovana le tsy vita andavan'andro ireny ataony miaraka amiko .
de hapetrako eto ny fanontanina hoe mba misy ve any rafozana gasy mavita anizany @ vinantony vavy ?. :D :D :D :D
66. kotobekibo ( 17/12/2008 17:09)
Tsara vintana njy izany ! vitsy ny otran'izany na vazaha na gasy fa misy aloha e!
zà mahafantatra ankizy tena tsara rafozana , manampy b ilay rafozana sady tsy misy blem mitsy entre andry zareo , ilay sipa indray aza no tahaka ny zanany .
Fa saingy tsy fomba-tsika any dago ilay manao ménage de printemps . Ny antsika any ref misy andro iny fotsiny hoe andao hanadio d raikitra izao .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7183