mitombina v le\"tsisy romanss ra tsisy finanss\"sa haitraitra

1. naughtyboy ( 11/11/2008 10:30)
tsy isika @ zao fotoana ihany no lasa saina @ fanotaniana io fa efa atr@ nahatany ny tany ,resaka fiarahana na atr@ fanambadiana sy fanabeazana ny ankohonana de safidy no mitondra fahombiazana @ olona iarahana,ary otrany karazany varotra ihany na takalo izy io manao oe :ny sandany sy ny lentany kalo vao ny vidiny...@ akapobeny oh. zao oe efa faheno sy fahita lava ny vhv miteny oe: to m\'lay akia zany bandy zany,de tsy ilay bogosite fotsiny no tiny lazaina @ zay fa eo ko endrika mivantana amaritana ny hery aramaterialy ananany olona ts1/1 (fahefana,fahaizana,tanjaka)ary ny fanahy mo matetika no aorina le fitsarana voalohany ,etsy andaniny lhl vao mijery vhv : mijery bika sy tarehy araka ny itiavany azy @ akapobeny vao miteny oe tsara ilay sipa ary ny fanahy ko de mbola ao aorinany toetsainy aza, nefa misy ko mahay mandahatra ny laharampahamehana @ zv tadiviany @ olona iarahany
inona no mba hevitrareo @ izy io ... :D :D
2. thytijol ( 11/11/2008 11:15)
ny tianao lazaina v zany dia hoe tsy arak'ilay toetra anaty tsony no itiavana olona, marina llou zzan e, tena ny endrika sy bika ary ny sosy marina no mkoty amzao, le fifaninanana amin namana sy fitiavana te hideradera no mahayonga,izany hoe za tena ohatr'izao raha miaraka am sipa manja sy bandy be sosy; midika fitiavan-tena koa zany satria raha miaraka am olona ohatr zany dia mikatsaka voninahitra hoan tenany izay vo hoan lé olona iarahany, tsy ay tsony tsika tanora amzao e, izay koa ngamb lé hoe victimes de génération :°)
3. simplex ( 11/11/2008 14:11)

mazava hoazy fa ra tsara ny entana dia atao izay ahitana finanssssiman :)

tsy voatery ho izay koa aloha ny fanombohana fa mety hoe mifanitona fotsiny t@ antony tsy fantatra tany dia lasa romansss wazy... zany hoe ra tsy afaka manohana an'zay romanss izay ny marsandizy avy eo dia mety rava hoazy ny tsena eee

:arrow: romansss mila finasss fa finasss tonga d romansss :roll:

;-)
4. naughtyboy ( 11/11/2008 16:55)
ozy thytijol
\"le fifaninanana amin namana sy fitiavana te hideradera no mahayonga,izany hoe za tena ohatr\'izao raha miaraka am sipa manja sy bandy be sosy; midika fitiavan-tena koa zany satria raha miaraka am olona ohatr zany dia mikatsaka voninahitra hoan tenany izay vo hoan lé olona iarahany, tsy ay tsony tsika tanora amzao e, izay koa ngamb lé hoe victimes de génération \"

zay ko kalo de marina satria ao anatiny safidiny natiora na zvboahary zany,ny bandy mo no tena manao an\'io @ akapobeny kanefa ra zv efa ananana de tsy tapohiny intsony enao satria efa mahazatra ka afenina ndray aza no tena marina fa tsy aderadera sao mampididoza...fa kosa ra mbola tsy azony na katsakatsahiny de tsy maintsy anindriny kely iny aloha azahoana valera tsy sahaza azy akory...

\" izany hoe za tena ohatr\'izao raha miaraka am sipa manja sy bandy be sosy; midika fitiavan-tena koa zany satria raha miaraka am olona ohatr zany dia mikatsaka voninahitra hoan tenany izay vo hoan lé olona iarahany, tsy ay tsony tsika tanora amzao e, izay koa ngamb lé hoe victimes de génération \"

de mbola marina ihany ko io victimes de generation io ary vhv no tena mirona @ io sy ny sarimbikotra,ra resaka tontolony biolojika no ampiretana ny jiro eto de mazava oazy fa ny petrakevitry Darwin mikasika safidiny zvboahary/natural selection no oh. fanazavana akaiky @ io , olana avy @ tsy fitovizany genes ny lahy sy vavy hono no mahatonga izany efa atr@ zay..
@ akapobeny de lasibatry vavy rehetra @ natiora ao anatiny zany ny ol/homo sapiens ny lahy manana sata eo @ fiarahamonina(sosy mo oh.voalohany @ zany)ary ifandrombahany de antsoiny voninahitra izay satria azo atokisana iantoka reo tombotsoany sy ny taranaka na ny ampahany lehibe @ zany satria fifaninanana arapiarahamonina anie izy io e /social conquest jereo fotsiny iny aferany Bill Clinton sy Hillary ary M.Lewinsky iny de mazava 52 taona lery t@ iny ary i M.Lewinsky 22..izay no mahatonga ny vhv tsy saropiaro loatra @ reo ray mampirafy nefa mahavita ny adidiny @ zanany hafa(na ao ko aza reo tsy mahavita),ny fiarovana reo tombony/attribute eo ampelantanany no mahamaika ny vhv tompombady noho ny hiady @ rafivavy fa ra efa nisy very kosa le tombony de tsy maintsy raikitra ihany ny rombo.. :-D
5. naughtyboy ( 11/11/2008 16:57)
simplex > ie na tsara takn'in aza ny vam ratsisy sanjila tsy mande e :-D :-D
6. kelly13 ( 11/11/2008 19:16)
lavaaaaaa, mba asio famitinana kely azafady fa fanina ny masoko :^)
7. ikaretsaka ( 11/11/2008 19:40)
noty sy simp> marina io e.. atao inona hummer tsary misy lasantsy
8. badboy ( 12/11/2008 12:35)
Aiza ary tsika zany!!!

Samia mibata izay zakany, maka izay takatry ny sôsiny!!!

Ny vola no maharangahy, ary ny bika aman'endrika no maharamatoa (io tsisy mahita izay miafina anaty pataloha sy zipo fa dia manombana sy maminany fotsiny)!!

Ka tsisy varotr'omby anaty ambiaty io fa de samy mampidera izay hananany!! Tandremo fotsiny manao tahaka ilay bôgôsy tsisy sôsy ka ny volan'ny hafa no hieboheboana!!! Tonga de grijagija any ambalatavoahangy!!

:-P :-P :-P
9. naughtyboy ( 12/11/2008 15:27)
=)) =)) =)) =)) ny sosy no mahabaogosy
fenofenoy kalo ny paosy

...ony ry kelly a
10. ni81 ( 12/11/2008 15:44)
lavaaaaaa, mba asio famitinana kely azafady fa fanina ny masoko
:-D :-D
11. naughtyboy ( 12/11/2008 15:50)
fa efa mbo henonareo v reto sipa b atidoha ao andrefany Afrika /Cameroon reto (vhv @ foko bakwery),tsy araky nananpoizana azy mintsiny..satria ny salan'isany vhv kely noho ny lhl (lhl 3 ho any vhv1) de bizna b tsisy otrzany miaraka @ sipa satria tsisy mety manambady ny akabeazany vhv fa b loatra reo bandy afaka mamelona ,gotriny sipa daoly ny akabeazany bandy @ zany,tena misy tsy avotra ko nge ry zalah le sipa otranzany satria lasa fivarotantena no mampanakarena b tampoka ny vhv ary aradalalana zany ao zareo..tena tsssss :-D ny aretina mo amzany tsy lazaina tsony :^)
12. sakaizakely ( 12/11/2008 16:19)
io midikiditra am ny aferan'oul io ihany de mitsaratsara fahatany shhhhhh

nahita ve enao klou sa honohonondry zalahy votsikanina fotsiny no henonao

de maninn anefa raha miasa ny loi de l'offre et de la demande ? otran'ny resaky malahelo hanina fotsiny le izy

l'argent ne fait pas le bonheur mais il y contribue

tsy za no namorona ilay fitenenana :-@ :-@ :-@ :-@
13. fijo ( 12/11/2008 22:35)
bokaka ko avy dia mametaka tehamaina be,mba milaza ny itany sy henony izy,ary marina ihany le resaka rehefa diniana ny zavamisy an,
ny sipa tsara entana,ny bandy be sosy de ok.ze fanahy sy saina any,apres iny,fa ampireveo klo ny sipa de milamina.
14. sakaizakely ( 13/11/2008 09:29)
fijo> tsy tahamaina kosa fa safosafonolontiana ka :-D :-D :-D
15. naughtyboy ( 13/11/2008 10:55)
.. :lol: tsy de azoko loatra ny mampisaritaka an'i sakaizakely androany ,fa fantatro aloha oe misy fiarovana ny toerany vhv.. de mila mahita an'i manchu pichu any peru v za vao mahalala fa misy reo sivilizasiona voatahiry aman'arivo taonany sa tsy maintsy mahita ny pyramid Gyza ao egypta vao hino fa misy ny toerana voarakitra aman'arivo taonany,ra nahakasika anao le resaka de elako tsiny fa tsisy fitsarana na kely aza fa zvmisy ireo ary afaka amanadihady ny tenananao manokana.. :D
16. naughtyboy ( 13/11/2008 12:26)
sakaizakely>ny honohono aloha de tsy fombako na marina aza fa tsy hitako de bandy cameroonese akama avy ao Bakwery no nitsoaka tao nitantara an'io teto eropa ary misy rakitry ny kolotsaina afrikana anzany azonao jerena ..
ny mitsara aloha de lavitra anah ra tsy oe efa tsaraina mialoha ny zv tsy nolazaiko angaha,na de efa nofaritanao manokana araky ny fihevitrao ny zv tsy nolazaiko
" otran'ny resaky malahelo hanina fotsiny le izy " de tsy maintsy ilaza aho fa diso fihevitra tko enao eto @ tiko ho lazaina ,nitantara zv misy aho ilazako fa misy eratany ny heriny firaisana aranofo izay tsy mifidy na lahy na vavy na mahantra na manakarena ,tsy anakana izany no antondresako na malahelo @ zany fa kosa manamafy fa ra tafahoatra izany de mitarika fahavoazana na @ fiananao na ny hafa(aretina,faharavana tokatrano,ady sns..)
na izany aza zo tsy anananao ny itsara ahy eto ra tsy mahalala ahy enao ,tsotra no azoko lazaina mpankafy hanina aho nefa misafidy tsara sy mahalala onony de ampitampitaiko @ hafa ny hafatra de azy reny ny safidy na ilainy na tsia ny hafatro...vita ny resako @ iny fa elatsiny ra lava2,ny hevitra tsy azo hono no mapihazohazo:D :-D
17. naughtyboy ( 13/11/2008 16:05)
:D B kool sakaizakely a , za ko anisany le tsy mitsoaka safosambehivavy reo ze mahalalatanana nefa tsy mankafy tehamaina tsy ialambola ;-)
18. sitlo ( 13/11/2008 17:29)
Ny fanahy sy ny toetra kosa rangaha no maha-olona fa ny vola fitady ah. Rehefa manja izy ka tsara toetra dia hisy ohatra izany indray ve.
19. naughtyboy ( 13/11/2008 18:52)
efa mitovy hevitra nge ny rehetra @ zay e , fa ny olana de misy miantehitra loatra 2 heriny vola sy ny bika ary tarehy ka anariny fiainana ihany any @ farany
20. sakaizakely ( 14/11/2008 09:47)
naughty> hevitra no ampiadiana eto fa arahintsafosafo ihany ka :-P

fa ny mandreraka né le fihatsarambelatsihinareo lhl, misy rehefa tsy mikoty ka tsy mahazo de manao taimbava fa tsy mba mahay manaiky tsotra oe tsy mety aminy za de zay zany
dia aratsiana ilay oul nosafidiany, raha sanatria ka bandy be sôsy de tondé lazaina fa le sosiny no misarika ilay vhv
raha toa ka tsy dia tsara lotra de lazaina ndrai fa ze iny ve no natakalony ah
de otrotr\'izany foana

nefa koa tsy azo odiana tsy fantatra koa fa efa hatr@ fahagolantany no fisian\'ny haitraitra, saingy arakaraky ny vanimpotoana no iovany. Taloha t@ andron\'ny cromagnon ohatra dia ny lhl matanjaka sy tomady no nifandrombahan\'ny vhv. Ny antony dia iny no azo antoka fa ahay hiahy ny ankohonany, ahay mihaza, hitondra kaly, hahay hiaro sns... Ary ny lhl dia niezaka daholo mba ho an\'isan\'ny toy izany. Ny haitraitra tam zany angamba ohatra mba nioty frez na framboaz léry de entiny mody ho an\'ny vady amanjanany irery fa tsy ho an\'ny mpiray monina. Otran\' la Guerre du feu zany raha nahita io sarimihetsika io nareo.

ankehitriny de mazava oaz fa tsy frez sy framboaz intsony no anaovana romansy fa pitsopitsony hafa ary mitovitovy ihany ny critères de virilité eo @ lhl saingy niova fotsiny manaraka ny toetrandro.

De mitombina be ny resaka saosy satria io ankehitriny no ozatrin\'ny fiainana, tsy de oé be mankaiza fa ahafahana manao pitsopitsony ankoatry ny gidraky ny fiainana andavanandro.

Zany oe lalampiainana io fa tsy tokony melohina ny oul raha voasariky ny vola, rehefa tsy adalany fotsiny, un minimum. Samy mahay mametra ny minimum ny ny maximum-ny

Fa misy fihatsarambelatsihy lehibe koa aminareo lhl, nareo koa adalambola fa mody tsy miteny fotsiny. Raha misy vhv roa, ny iray manao ankanjo zandiana sy tsotsotra manao kapakapa, ny iray manao zipo kely, t shirt moulant, kiraro talon, jejojejo fihetsika. De iza no jerenareo sy tianareo iarahana ? le misarika ny masonareo io de vola no ahafahany manao izany

Au final na lahy na vavy, samy voasariky ny vola ankehitriny satria izy no mitondra ny critères de beauté sy virilité

de ataovy fa tsy marina ny voalazako ané e :-P :-P :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0927