Gasy ve afrikanina sa ...

1. zoukimi ( 10/11/2008 23:52)
Hevitry ny maro mahataka-davitra:
Efa norantovina tany am-pianarana fony fahakely ihany ny fiavian' ny malagasy fa raha atao ary ny fandinihana dia afrikanina ny gasy sa indonesiana sa sns ...
:?:
Mankasitraka mialoha e
novalian'i Ratoa ny 14/05/2009 14:01
2. vale ( 11/11/2008 02:07)
Toa mifangaro ao dol koh, afrikana, malesiana, indoneziana,ny indiana koa aza angamba raha jerena ny trait -ny gasy sasany,ary samy misy avy any amin'ireo fihaviana ireo koa mety tsy mifangaro, ohatra afrikana pure,maleziana pure, etc... fa atao oe afrikana ny gasy satria ao anatin'ny continanta afrikana, tahaka ny arabo koa e, afrikana(na dia fotsy aza) fa avy any avaratra..
3. caprio ( 11/11/2008 12:29)
Zay no mbola mampiavaka antsika @firenena maro,fa isika gasy manana karazam-bolokoditra maro sy endrika samy hafa ohatra:ao ny manana endrika sinoa,karana ,arabo,afrikanina sns...Ka raha ny tena marina dia nohon'ny maha kaontinanta Afrika antsika dia mazava ho azy fa Afrikanina zany sika kanefa raha ny tantara no zohina dia tsy avy ao Afrika mintsy no nihaviantsika fa avy any Asia ,ka zay no hilazako we miavaka ny Malagasy :-D :-D
4. ni81 ( 11/11/2008 13:04)
Ao daholo ny karazany e! :lol:
5. finoanaranoray ( 11/11/2008 14:28)
Ary maninona no tsy maintsy tohanana ilay hevitra hoe:

"avy any ananona ny gasy"

Fa tsy mba ilay hoe ny Afrikana dia avy amin'ny gasy avy ao...

Ny Arabo dia avy amin'ny gasy avy ao ...

Ny Vazaha dia avy amin'ny gasy avy ao...

Ny sinoa dia avy amin'ny gasy avy ao Manjakandriana...

taloha be tany izany dia avy eo niverina taty ny sasatsasany tamin-dry zareo...(nanomboka teo no hitan'ny mphay tantara...)
6. ikaretsaka ( 11/11/2008 18:43)
ny an'i finoanaranoray izay koa marina

fa io akararak'izay eo akaiky eo matetika dia iny no hoe avy ary sy avy atsy....

fa minoa marimarina fa any aoriiiina elabe any dia hisy koa hanao koa hoe lasa mifamadika avy any zamerika indray ny vazaha na ny meksikanina!
7. xxx ( 11/11/2008 18:56)
Asakasakareo izay te ho afrikana fa izaho dia tsy afrikana velively mihitsy. :D
8. rakapy ( 11/11/2008 21:46)
=)) =)) =)) =)) mbola hiisy hanotany koa eto hoe "Ny gasy ve American sa...European sa Asian =)) =)) =)) =))
9. vale ( 12/11/2008 01:21)
xxx:

izaho dia tsy afrikana velively mihitsy. :D


xxx: le izy ts resak aoe te ho afrikana na tsia fa ny fiavian'ny Malagasy , sady tena marina, mandehana any am la côte enao fa tsy misy valaka amin'ny afrikana ny ankamaroan'ny oul any . zaho indray aloha tsy mampaninona ahy mihintsy ny atao oe afrikana aho ee, mitovy am olon-drehetra ihany ny afrikana koa maninnn?
:^) :^) :^)
10. finoanaranoray ( 12/11/2008 09:28)
Sao dia kosa raha ovaina kontinanta isika dia tafakatra MONDIAL ny BAREA...

i Japon Coree Chine no mpifaninana amin'izay fa tsy Côte d'ivoire sy Egypte...


Tena manohana an'io aho k'ity...raha io dia aza atao afrikana ny gasy fa ataovy asiatika...

:^) :^) ;-)
11. Vazimbatia ( 23/11/2008 18:05)
Afrikana re olona ny Malagasy fa tsy ho eropeana, na amerikana na aziatika sns velively a! Afrikana isika satria ao anatin'ny kaotinanta afrikana. Aza mitomany ho vazaha ianareo na aziatika fa afrikana isika, ary tokony hitondra ny fanevan'i Afrika ambonimbony kokoa. Raha ny fihavian'ny Malagasy no resahina, dia efa nisy ireo tompon-tany izay efa nipetraka tao Madagasikara hatry ny elabe. Nisy ihany koa ny vahiny tonga nila ravinahitra (Na avy any Afrika, Azia sns) ka nonina sy nanambady ireo tompon-tany, izay no nanome antsika Malagasy ankehitriny. Afrikana isika, ka aoka tsy ho menatra mijoro ho Afrikana. Malagasy isika satria teratany avy any Madagasikara, na avy any atsimo na avy any avaratra, na avy any andrefana na avy any atsinana, na avy any anivontany. Ny ao ambadik'izay indray dia zavatra hafa sy fiavonavonana ary fampisaraham-bazana. Misaotra indrindra!
12. kotobekibo ( 23/11/2008 21:56)
Ka raha mandà ianareo hoe tsy afrikanina isika , d ahoana no hilazana ireo anglisy sy ny manodidina azy ? ary ny ol any @ nosy isankarazany ?... :roll: :roll: :roll:
13. rakapy ( 25/11/2008 21:56)
Raha menatra tsy te ho Afrikana ianao dia voizo i Madagasikara hoa an'ny Asia na eropa na amerika dia tsy misy hiantso anao hoe Afrikanina intsony e =)) =)) =)) =))
14. sitlo ( 25/11/2008 22:33)
Tsy manana porofo aho, fa izaho kosa aloha dia tsy hino mihitsy hoe ny sinoa dia avy ao Manjakandriana izany eh. Mba lainga kosa lainga fa ny 1/3-n'ny mponina eran-tany izany kosa tsy avy amin'ny toerana gnaka kely atsy an'anona atsy.
Raha hoe ny mponin'i Manjakandriana dia tarana-tsinoa dia mba azo inona ihany. Fa ilay mifamadiaka amin'izay kosa, aoka e itsy.
15. finoanaranoray ( 29/11/2008 06:47)
Ohatrany tsy mampino e!...sarotra inoana...satria tsy hay porofoana
16. ikaretsaka ( 29/11/2008 20:36)
ary hiodinkodina any manjakanjena any njay zany rehefa na jin tao kle :wink:
17. Fanjaibe ( 09/12/2008 03:34)
Tsy fantatro aloha ny mbola hiadian-kevitra e !

Hoy ny fislasalana hoe Gasy ve ny Afrikanina sa.....

Matoa misy ny teny hoe gasy izay tsy mitovy fanoratra @ afrikanina dia tsy Afrikanina aloha izany ny Gasy

Ny fisisn'ny fitoviana @ Afrikanina na sinoa na vazaha na Peaux rouges tsy midika mihintsy hoe ireo farany ireo ny Gasy

Ny Gasy dia Gasy tsy misy fanazavana hafa, fa raha ianao no mbola mitady hoe toa misy malagasy mitovy 2 sinoa ka sao dia sinoa ary ny gasy.

Tokony havadika ny resaka hoe mitovy @ gasy iny thailandais iny, na iny indonezianina iny na iny nigeriane iny

Izay no izy e
18. xxx ( 09/12/2008 09:22)

Ny fihavian'ny malagasy no anontaniana sa ny malagasy ?
Samihafa mantsy ireo, satria efa tafiditra ao anaty kontinanta afrikana isika dia afrikana izany, fa ny fihaviana no misy tsy afrikana

Fanjaibe >>> inona ny teny afrikana ???
19. ravonjison ( 09/01/2009 13:59)
Ny mikasika ny gasy dia efa mazava @ izao fotoana izao, saingy tokony hoavahana ireto zavatra roa ireto:
- ny toerana: noho ny toerana misy ny nosintsika dia afrikana isika. Noho izany dia tokony hitondra ny faneva afrikana @ lafiny rehetra.
- ny fiaviana: raha ny fiaviana no jerena dia hita\" melange\" ny fiaviantsika ( toy i Brezil). Izany hoe : nisy ireo tonga avy any Asia ( indonesie sns..., Chine..) nisy koa ireo olona avy atsy afrika, tsy betsaka fa nisy koa ny avy any eoropa, ary tsy adino koa ny any avy Moyen Orient {
jiosy,arabo). Ireo fangaro ireo no nanome ny firenena malagasy,ny sasany betsaka,ny sasany kely.Izany dia azontsika porofoina na jerena tanteraka eo @ fomba fanaontsika na ny finoantsika. Ohatra: ny famadihana dia avy any indonesie, misy ireo foko manao famadihana any, ny teny sasany koa dia itovizana. Ny famorana kosa anefa dia fomba jiosy, ny jiosy lahy rehetra dia mifora daholo.
Raha fintinina dia izao no azo lazaina : raha geopolitika no jerena dia afrikana isika, raha kolotsaina, fomba fanao sy finoana (ny sasany @ ireo dia hita fa hafa noho ny afrikana) dia toerana maro no niaviantsika, izany hoe : afrikana avy any @ toerana samihafa isika.
20. soanja ( 11/01/2009 18:40)
zoukimi:

Hevitry ny maro mahataka-davitra:
Efa norantovina tany am-pianarana fony fahakely ihany ny fiavian' ny malagasy fa raha atao ary ny fandinihana dia afrikanina ny gasy sa indonesiana sa sns ...
:?:
Mankasitraka mialoha e


Rehefa mameno taratasy mombamomba ahy aloha aho hatramin'izao dia mbola Afrikanina ihany no ilazako ny tenako. Satria izay no zavamisy ara-politika sy jeografika. Fa raha kosa hanadihady ny rako dia mino aho fa mifangaro ilay izy.

Miankina amin'ny zavamisy eo ny hamalianao na Afrikanina ianao na hafa ka. Be zao ny aty aminay Sinoa Gasy. Tsy hilaza ny tenany ho Afrikanina mihitsy izy fa aleony aza mameno ilay hoe Sinoa izy satria izay ny momba azy, rehefa tsy resaka politika no ijerevana azy.

Tsara ny Afrikanina, aza manahy milaza an'io amin'ny hafa raha misalasala ianao!




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.203