Dia inona indray aza no mba mahatamàna anao aty e?

41. ssendra ( 10/11/2008 20:31)
matetika aky le izy le cité ireny aa, le immeuble ireny ee, saika ny banlieue dol no misy azy, matetika isika vahiny dol no mipetraka amlay izy noho izy mora de mikafiry manao demande amin'iny aby ny vahiny, fa tsy milamina aloha ee, araka ny tenin'i lejoba oe tsy tian'ny sasany ny fofonkanina ny sasany etc, ny asenceur iraisana, etc..

hay ve e! ny aty aminay ndray dia ny grande ville no ahitàna ireny ary presk etranger dool no mipetraka ao, fa mal reputé be ny fandalovana harivariva eny fa manendaka hono ry zareo ny arabo sy ny maizina izany.....
42. vale ( 10/11/2008 20:37)
yee, ireny, be korontana lava ny sécurité izany aloha tsy misy firy e..
43. vale ( 10/11/2008 20:40)
(- confort any an-dasy , 4* mitaha @ rehefa milasy any M/car )

booboo: :°) iny ts hadinonjy mintsy ah! hiihihi :P
44. vale ( 10/11/2008 20:48)
ssendra:

Ka ô ry zareo ah! hoatrinona ny karaman'ny olona any aminareo raha izany, avo be noho ny karaman'i olona aty amina raha io lazainareo io hoe 1200euro ny hofatrano 8O ny aty aminay izao raha vendeuse eny am super marché izy de manodidina io 1200euro io no karamany DIA RAHA MANAMBADY izy ohatra atao hoe 2000euro ny vola raisiny dia ny hofatrano raha maka trano fa tsy appart dia eo am am 500 à 600 euro avec jardin tout et tout, dray dray dray! tena lafo tokoa izany hofantrano any izany....


ssendra: ny karama anefa saika manodidina ny 1200euros eo aby ny smic, lasa hofantrano aby ny 3/4, mampikolay, fa hitako tsara ihany lay mihataka ny ville sady milamina no mora, azo iainana ;
45. Papoose ( 10/11/2008 22:13)
raha misy ny rehetra tsy kwa mintsy! :wink:
46. ssendra ( 10/11/2008 23:58)
Papoose:

raha misy ny rehetra tsy kwa mintsy! :wink:


papoose an! tena misy ny rehetr anie aty aminay aty e! ary tsy lavitra ny grande ville, 30mn en voiture na train mitovy ihany ny faharetany defa any am ville , raha ville ny allemagne ndray kosa dia 15mn voiture 10mn train....
FA TSY BE OLONA mifamahofaho be kosa aloha an! araka ny voalazan'ni sakaizakely etsy ambony hoe mila voiture ny mipetraka somary ambanivohitra am deplacement de izay no tsy ahitàna olona mifamahofaho be otran'ny ao paris ohatra....anefa somary tiko lay mifamahofaho otran'ny eny analakely fa tsy manelingelina ahy koa ilay milamina, réposant


:-P
47. niryna ( 11/11/2008 05:22)
Any amintsika raha hividy zavatra electronique ny tena dia tena mikimpy mihitsy ,mety tsy mahatakatra raha tsy any amin'ny enimbolana any ohatra na manao trosa lavabe vao mahazo an'iny.Aty anefa raha vao mandray karama ka te hividy zavatra tonga dia mahazo.

Izay zavatra rehetra vidiana dia mifanaraka ny vola eo am-pelantanana ka na inona tianao dia mahazo foana ny volanao.

ny vidin-javatra dia mipetraka eny daholo ary afaka mampitaha vidiny hianao saingy tsy afaka miady varotra :cry:

Ity indray tsy dia aiko tsara fa raha misy zavatra tian'ilay olona ka mbola tsy manam-bola izy dia ametrahany vola ilay izy ary dia alainy afaka 20 andro eo angamba izy izay .Tsy manao trosa anio kanefa afaka mametraka vola kely hianao dia azonao iny zavatra iny
48. tslem ( 11/11/2008 07:32)
marina mintsy io tenin'i niryna io, taty zao zah simba ny cafetiere-ko dia tonga dia afaka nividy ny harivan'iny ihany fa tany dago zah tadidiko tsara mba te hividy an'ireny cafetiere éléctrique sy rice cooker ireny fa nanangombola elabe mintsy vao nahazo, tena dadany an!

dia ny tena mahatamàna aty koa dia ilay tsy mandany vola be eny @ cyber intsony vao afaka miserasera fa ato antrano ihany, aiza ve rangah taloha ka voatery tsy maintsy mivoaka ny trano refa te hitsaty , he!he!he!
49. vale ( 12/11/2008 01:11)
mahatamàna aty koa ny voankazo gladiny be. ny sakafo izay tina ho vidina voavidy dol ary tsy lafo mihoatra ny vola raisina...
50. niryna ( 12/11/2008 04:10)
tslem:

marina mintsy io tenin'i niryna io, taty zao zah simba ny cafetiere-ko dia tonga dia afaka nividy ny harivan'iny ihany fa tany dago zah tadidiko tsara mba te hividy an'ireny cafetiere éléctrique sy rice cooker ireny fa nanangombola elabe mintsy vao nahazo, tena dadany an!

dia ny tena mahatamàna aty koa dia ilay tsy mandany vola be eny @ cyber intsony vao afaka miserasera fa ato antrano ihany, aiza ve rangah taloha ka voatery tsy maintsy mivoaka ny trano refa te hitsaty , he!he!he!

tsy mandany vola koa raha tsy manana fa afaka mankany amin'ny librairy na bibliotheque. Raha mba mahazo ord toy izany tokoa moa ny any amintsika e

51. ikaretsaka ( 12/11/2008 04:18)
nena le voankazo tsy misy saison no mba noreveko tany
afaka mihinana paiso foana na ririnina na fahavaratra na somary samihafa aza ny tsirony
52. fijo ( 15/11/2008 20:46)
lafo be izany hofantrano any aminareo izany ry bokaka an
53. ikaretsaka ( 15/11/2008 21:08)
lafo tokoa a
54. mangamaso ( 18/11/2008 13:41)
Efa manomboka ny confort any Dago, nefa mbola vitsy ireo olona mahazo azy, ny fahalafosana angamba ny antony fa avy aty ivelany ny matériels.
Izaho dia tamana aty fa misy ny confort ato an-trano, mahita fanafody remboursé rehefa marary, mahafaka miditra ao hopitaly fa misy sécurité social manampy ny vidiny, ny ankizy manaraka sekoly ara-dalana, ary misy foana ny asa raha tena te hiasa, manana permis de conduire sy fiara, tsara daholo ny lalana...
Ra toy izany any Dago dia miverina any izahay ra namana .
55. tolipy ( 25/01/2009 18:29)
tsy fidiny, efa eto ny fiainana, raha azoko atao dia mizara roa ny tenako, manina foana légumes bio, anana etc.., santé no tena hijanonareo aty, kanefa d'ici 10 ans minoha aho fa miova daholo ireo, any ianao mihinana langouste, poisson tena izy! ranomasina rêve...miaritra trefle eto. Programme dia va et viens eto sy any, aza dia variana ny eto fa mandeha ny fotoana, manaova zavatra any mada, tsy voatery ao tana foana, midadasika ny tanintsika!javascript:emoticon(':wink:')
56. soanja ( 01/02/2009 13:24)
tslem:

Toy ny dinika napetrak'i nyrina dia mivadika kely indray ny fanontaniana: inona no tena mba mahatamàna anao aty ? :)


Ny mahatamana ahy aty dia ny zavakanto sy ny literatiora isan-karazany, misy isafidianana sady anitaran-tsaina tokoa.
Ny toe-tsain'olona sy fiijery misy fandanjalanjana..
Ny fitiava-namana marina.
Ny sakafo isan-karazany azo andramana, iafidianana ary ianarana

Fa ny tena goavana be amiko dia ny fahafahako miaina amin-kahalalahana amin'izay rehetra tiako atao. Tsy voavidim-bola tokoa io amiko. Isaorako Andriamanitra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3287