Famantarana fa hoe fanahin' Atra tokoa no miaraka @tsika?

41. fahamarinana ( 12/11/2008 18:08)
coopsal:
Fa tsapako kosa ao anatiko amin'ireny fotoana anirian'ny foko mivavaka ireny ny FANAHIn' Andriamanitra mampahafantatra ahy ny vavaka tokony hataoko. Tsy haiko hazavaina aminao izay tsapako, tahaka ny tsy ahaizako manazava amin'iza na iza hoe toy ny ahoana izany tsiro hoe "mamy" izany, fa izay mihinana zavatra mamy dia afaka hahafantatra hoe "mamy".

:arrow:ka izay indrindra no nampametra-panontaniana ahy,fahatsapana ilay Fanahy ao anaty,Fangatahana ilay Fanahy ny fahamarinana,fa ilay vavaka atoraka amin'ny fanahy no tsa haiko loatra fa misaotra nanazava ny fijerinao...ilay fomba fipetraky ilay dinika nataon'ny tokinaina angaha no ndeha atao hoe tsy azoko loatra.:? (l)
42. niryna ( 12/11/2008 18:22)
tiff:

refa am pitiavana daolo ny ataonao dia fanahin Andriamanitra fitiavana zay no miarakamnao. io le Atra marina, betsaka mantsy ny Atra eo @zao tontolo zao.


Atra izany eto tsy manoro vohana e,dia ireo mibitsika manoro lalana izay ny nofo no malemy dia manaiky iny,izay izany no tsy mety ho voatohitra e.

Mino koa aho fa mahafantatra ny tsara sy ny ratsy isika e,fa ilay nofy no tsy mety anaiky hoe ratsy io sa ?
43. niryna ( 12/11/2008 18:27)
Tokinaina:

Miarahaba antsika
Fa ny fanahy no miara milaza fa zanak'Andriamanitra isika.
Ny fanahy rehatra izay manaiky an'i JESOSY ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany.
raha tsy manaiky an'i Jesosy ho tompo sy mpamonjy izany dia tsy izy ?

Donc:
Miaraka amintsika ny fanahin'Andriamanitra rehefa mahay mahatsapa heloka isika , ka miady hialan'izany.
mahay mibebaka izany rehefa nahavita ratsy na nanao ny tsy mety na mety nahatezitra olona dia mifona amin'ilay olona e,ny fanahin'Atra izany no mampahatsiahy antsika ?

Miaraka amintsika ny fanahin'Andriamanitra rehefa mbola manana safidy ianao rehefa tojo fakam-panahy.[/iquote] io cutie ilay noteneniko tery ambony tery a
[quote]
Miaraka amintsika ny fanahin'Andriamanitra rehefa ny fahamarinana no mibahana betsaka ao anatintsika.
aleloia ,isaorana anie ny Avo indrindra mampahatsiahy antsika amin'izany fahamarinana izany.

Andriamanitra dia fanahy, Ka izay miavavaka aminy dia mila mivavaka @ fanahy sy ny fahamarinana.

marina tokoa izany satria ny fanahintsika no mitady azy ary ny fanahiny koa izany no mifandray amin'ny fanahintsika e ?
misatra betsaka e.
Voninahitra anie ho Azy irery ihany ary fiadanana ho an'ny olona izay ankasitrahany .Amen

^:^
44. prime ( 14/11/2008 09:45)
Mahafinaritra ity lohahevitra nentin'i niryna ity...

Fanampin'ireo efa nambaran'ny namana rehetra ireo :

"[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. 2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; 3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy." I Jaona 4:1-3
45. fijo ( 14/11/2008 22:36)
asio amen rehefa vita ny toriteny ry zareo an
46. ikaretsaka ( 14/11/2008 23:36)
lalina ity pli vava ity ka
47. bor2lais ( 15/11/2008 10:29)
\"Famantarana fa hoe fanahin\' Atra tokoa no miaraka @ts\"
-> Ny fomba firesaka sy ny fomba fihetsika dia METY (fa tsy voatery) hamantarana Azy ihany koa ...
48. kotobekibo ( 15/11/2008 13:05)
Amiko manokana dia fantatro ref hoe fanahin' A/tra tokoa no miaraka amiko satria tena miracle b no nataony tamiko .
Zvt tsy possible nefa tena mandeha ho azy toy ny misy kodiarana .
Tsy vao indray na indroa fa efa maro b ,
Mino aho fa mbola hitohy izany ,
49. cutie ( 15/11/2008 17:59)
sambatra zany mahazo miracle bdb zany :-D
50. fijo ( 15/11/2008 22:12)
efa ho sandoka izany fa mihevera
51. Veloo ( 16/11/2008 00:01)
cutie [ Valio ] 15-11-2008 18:59:18
Lohateny : Re : Famantarana fa hoe fanahin' Atra tokoa no miaraka @tsika?
sambatra zany mahazo miracle bdb zany


sali njy, rehefa mbola manao ny tsara njy dia mbola ao aky ny fanahin'Andtra a, sambatra daholo isika izao fotsiny don;t ignore it :-* :-* :-* :-*
52. ikaretsaka ( 16/11/2008 17:07)
ka le tsara ry vello relatif be an...
ohatra zao mivarontena misy milaza hoe tsara misy milaza hoe ratsy..
tsara izy raha jerena amin'ny lafiny hoe aleony izya toy izay mangataka ohatra.. na mba manome fahafaham-po ara pilana ho an'izya mitady izany
ratsy le izy nohon'ny etiquettes maro samihafa napetraky ny fiaraha monina....


toy izany koa ny mpanao "robin des bois" ohatra

ho an'ireo tompon'entana nangalariny de hoe olon-dratsy izy

fa ho an'ireo mafy ady izarany ny entana azony dia hoe olona tsara izy satria manampy an'ireo...

dia fanahin'iza @ izay ary?
53. prime ( 17/11/2008 10:21)
Dia mbola hoy ihany koa ny Tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy." I Korintiana 6:17

"Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana," Galatiana 5:19
54. ikaretsaka ( 17/11/2008 16:43)
misy mpangalatra...sy mpivarontena..
mivavaka tsara mihitsy izy alohan'ny "handehanany miasa" an
ary efa niara niasa t@ na chaplain ana miaramila aho dia tsy vitsy ireo tireur d'elites (Snipers) mandeha any @ ady any Irak sy afganistany @ izao isika miteny izao no mivavaka alohan'ny hitifirany ilay fahavalony...

Hangalatra ireo, hijangajanga, hamono olona.... nefa Miray tanteraka amin'ny Tompo ary mangaraka @ Tompo isan'andro ho an'ny asany!
55. kotobekibo ( 17/11/2008 22:49)
cutie:

sambatra zany mahazo miracle bdb zany :-D

Izany aloha d tsy laviko e! ary isaorana Azy , fa tsy hoe izay zvt retra impossibles eo @ fihainana koa d lasa possible doly an! fa kosa tena bdb . :)

fijo:

efa ho sandoka izany fa mihevera

:/ ny aiza sa ny inn le sandoka fa tsy azoko tsara , za manko somary fohy fisainana fa aza omena tsiny :-D :-D
56. prime ( 18/11/2008 11:14)
ikaretsaka> :{
57. ikaretsaka ( 18/11/2008 16:15)
prime an... mba realiste hoa!
jereo fotsiny resaak ady baolina kitra ao amerika atsimo ao
raha manao ohatra i bresil sy argentine dia i bresil mandeha mivavaka "mba homba azy Atra"
dia i Argentine koa mivavaka mba "homba azy kao Atra"

raikitra ny baolina de mazava ho azy fa misy ny resy sy ny naresy ..dia iza no nombain'atra teo? ilay naharesy ve?

Hajanoko Kristianisma ihany ny ohatro

Ao irlandy ohatra t@ ireny adim-pinoana be ireny dia mivavaka Ny kato
dia mivavaka koa ny prot dia ny votoantin'ilay vavaka dia mitovy hoe "tahio sy hombao zahay Tompo fa hiady @ iretsy olona iretsy de omeo fandresena"

dia raikitra ny rotaka sy ny ankamono sh'avy eo.... iza no ombain'Atra??
58. niryna ( 22/11/2008 01:49)
mia:

Misaotra an'i coopsal fa tena manampy betsaka hampiorina finoana ny témoignage-nao! amiko manokana dia manosika ahy handroso lalindalina kokoa @ fiarahana @ i JESOA. Raha tsy iainana tokoa dia ho resaka misavoana fotsiny ny finoana sy fivavahana. Mila kasihin'ny Fanahy masina tokoa vao mahatakatra zavatra betsaka @ lafin'ny finoana.
marina

Ohatranao taloha mihitsy koa aho hatramizay, monologue fotsiny ny vavaka atao fa tsy tena relation sy dialogue atao @ Tompo, tsy nahay miandry izay valiny fa dia izay tiako atao fotsiny, ary mangataka zavatra no tena betsaka.
samy nandalo tamin'izay avokoa isika fa rehefa nampianarina hoe ilay Atra anie dia fanahy e,ary ny fanahintsika,ny fontsika ,ny vavantsika no miresaka ,manatona miantso azy ka toy ireny miresaka ny olona ireny koa isika dia toy izany koa no tokony ataontsika aminy ....dia teo vao nanomboka niresaka taminy tokoa ary dia nahita fihovana teo amin'ny fahalalana ny teniny koa satria miresaka antsika izy avy amin'ny alalan'ny TeniNy

Hany ka lasa very ny tena essentiel: dia ilay nouvelle naissance sy communion @ Tompo. Atao inona tokoa moa raha nahazo guérison, fahasitranana, vola, harena sns avy @ fivavahana kanefa avy eo dia ny taloha ihany no averina!
dia maro tokoa ny mitovy izany eritreritra izany ka indrindra rehefa misy mahazo vao miantso azy ,hay taty aoriana aho tsy ho voatery hitady na omeo omeo foana fa midera azy,mankalaza ny anarany ary manome voninahitra azy fa tsara izy.

Ny fanjakan'ny lanitra no tena tanjona mba tsy ho very sy ho maty fanahy intsony. Izay tarihin'ny Fanahy sy mandeha araky ny Fanahy no miaraka sy mitoetra mandrakariva @ TOMPO.



=D> ^:^
59. mia ( 23/11/2008 18:36)
Mijery ny ataontsika tokoa ny Tompo ary tena misy dikany daholo ny miseho rehefa miaraka Aminy;na ny fihetsika na fiteny izay tsy rarahintsika akory nefa mety mandratra na mampitomany olona dia efa ahafantarana na mbola ao na tsy ao intsony ilay fanahin' Atra toy ny nahazo an'i samsona voafitak'i dalila.


Isaorana ny Tompo i Niryna nametraka an'ity dinika ity satria mila kolokoloina ilay Fanahy arak'ilay tenin'i Davida hoe Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

Ny ahazaona io Fanahy io moa dia efa voalaza teo fa Jesoa Kristy ihany sy ny fibebahana,satria voalaza hoe rehefa Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, - eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no "nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana". (l)
60. prime ( 25/11/2008 08:56)
ikaretsaka> Dia iza no nombain'Andriamanitra tamin'ireo ohatra noraisinao ireo? :lol:

Raha arahana ireo ambaranao ireo dia tena tsy misy fantatrao mihitsy izany ny fomba fiasa sy ny fanahy miasa rehefa misy tranga? no sady tsy mizaha toetra fanahy izany ianao fa mandeha ho azy fotsiny ny vavaka sy ny atao...??? :{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079