Inona no tsy nahatamana anao taty ?

1. niryna ( 07/11/2008 19:39)
Tamin'izao vao tonga taty dia mahafinaritra avokoa izay jerena,vao eny ambonin'ny fiara-manidina hianao dia toa maintso mavana avokoa izay jerena ,ilay sambokelin'ireo mpanankarena dia toa afokasika kely milahadahatra izany ,ny fiara miandry eo amin'ny port dia toa kilalaon-jaza nalahadahatra ,ilay aeroport ngezabe toa raha very dia mihodina eo ka eo ka eo ,ela vao mahita ny lalana mody.Dia tonga dia olona hafahafa daholo no hitanao ,veloma hatreo ilay tenigasy kely .Ny olona toa ngezabe daholo ,ny tena toa kely oharina aminy kanefa tany dago ny tena toa mba lava be ihany oharina ireo havana ha,ha , hay toa ataony fanoharana hoe fohifohy toa anao izao ,tss !!!!
Fa ny ahy nahatsy tamana ahy dia ireo lavi-kavana,toa tsy misy an'i dada sy i neny hiantahantana ,ny tena koa moa vao vita mariage dia lasa niala teo an-tokantranondray amandreny. Tonga dia nino ilay fitiavana niredareda ary dia isaorana an'Atra izany fa tena nahatonga ny fanambadiana matanjaka sy mateza aloha ilay lavim-pianakaviana e,ny antony dia tsy misy an'i dada sy i neny eo fa dia samy mianatra ny mamindra e .

ilay lavi-kavana ,toa tsy mba mitovy ilay fitiavana miredareda tany tanana e
Inona ny anareo no tsy nahatamana anareo ?
niryna
2. menalamba ( 07/11/2008 21:01)
Tsisy lé maskita amin'ny harivariva iny aty ka tena tsss..... :^) :-D
3. fijo ( 07/11/2008 22:53)
tsy ampy revy mihintsy aty,le revy gasy no tiako lazaina eto
4. vale ( 08/11/2008 00:54)
ny ahy le miakanjo matroka bee foana saika mandritry ny taona lasa mankaleo, été kely mandalo iny ihany vao mba miovakely de zay, tsss
tsy tiko mihintsy koa ny ahy le milahatra eo am caisse rehefa manao course iny, ny any am poste koa, ela loatra.fa ny tena ts tiko rehefa misy zvt karakaraina de ttasy efa ho 1 tonne takina aminao, njenestoooo
...
5. ainaheri ( 08/11/2008 03:58)
vale>> ny any dago kou milahatra refa avy manao course ao @ magazay ka

Ny ahy ny tsy mahatamana ahy lay tsy itovizan'ny any sy ny aty ,hafa ihany ny any antanàna refa fety zany
6. ssendra ( 08/11/2008 06:49)
fijo:

tsy ampy revy mihintsy aty,le revy gasy no tiako lazaina eto


io aloha kosa dia marina indrindra fa aty aminay aty, tsy mba misy mihitsy artista mba tonga manao specta fa any la frantsa ihany ry zareo
dia ny tena tsy mahatamàn, ny hiver lava loatra mandreraka be sy ilay humide lava manorana lava aty aminay....mankaleo tsy mahatamàna hany ka raha mba tonga ny vakansy dia ny ho any amin'ny firenena be masoandro ihany no tiana haleha...
Akoatra izay tsy misy tsy tokony tsy hatamàna ahy aty....NY FIANAKAMAS azo lazaina ho maro ihany aty.


7. ni81 ( 08/11/2008 07:10)
Ilay mangatsiaka koa no tena tsy tiako, dia misalobona anaty doudoune foana mandritry ny volana maro (ny tena koa frileuse)
Ny ahy ny tsy mahatamana ahy lay tsy itovizan'ny any sy ny aty ,hafa ihany ny any antanàna refa fety zany
:(
8. ssendra ( 08/11/2008 11:17)
ny taxe taxe aloha isaky ny mihetsika kou no tena mankaleo....
9. booboo ( 08/11/2008 11:36)
tsy hoe tsy mahatamana anà loatra fa manirikiry dia ilay taxes taxes io kounkou ! dia ny ttsy efa zato amby arivo sy iray hetsy takiana isaka izay manao truc kely ( dia nefa ndraindray mbola verezen-dry takaka ihany :^) ), dia ny kléra n'ny akanjo rehefa automne sy hiver, bouh ! ohatra nidonam-pahoriana zany aby na ny endriky ny oul aza...
10. ni81 ( 08/11/2008 12:21)
tsy hoe tsy mahatamana anà loatra fa manirikiry dia ilay taxes taxes io kounkou ! dia ny ttsy efa zato amby arivo sy iray hetsy takiana isaka izay manao truc kely ( dia nefa ndraindray mbola verezen-dry takaka ihany
dray tena mandreraka mihitsy tokoa an!
dia ny kléra n'ny akanjo rehefa automne sy hiver, bouh ! ohatra nidonam-pahoriana zany aby na ny endriky ny oul aza...
ary io no mahamaro ny olona depressif aty angamba e! tany dago ny fahantrana no nahitako olona depressif fa ny eto dia karazany mihitsy :(
11. ssendra ( 08/11/2008 13:02)
Ny kléra ny akanjo maizina ndray aloha tsy dia mampaninona ahy fa anisan'ny kléra tiko ny mainty na am été aza aho mbola mahita manao top kléra maity ihany hihihihih
12. vale ( 08/11/2008 13:43)
ainaheri:

vale>> ny any dago kou milahatra refa avy manao course ao @ magazay ka

Ny ahy ny tsy mahatamana ahy lay tsy itovizan'ny any sy ny aty ,hafa ihany ny any antanàna refa fety zany


ainaheri:
:-D :-D :-D ay moa, fa ny any anie mba afaka mandeha eny an-tsena fa aty voatery :x
13. vale ( 08/11/2008 14:05)
ts tiko mintsy rehefa sendra an'le oul miadana be eoooo, ts mba mieritreritra mints oe ny oul ao ariany miandry dol, iny tena ts tantiko mintsy,lolll
14. kelly13 ( 08/11/2008 18:35)
ny bourrage de crane kou hitako mandanderoka b eto
15. Papoose ( 09/11/2008 03:11)
ny mitebitebin'ny horohorontany
16. vale ( 09/11/2008 13:45)
Papoose: any bira koa mamptahotra ny hororhortany, ny oul mpahay siences momba ny volcan hono ts sahy matory 1alina ao,booouuuuhhhhhhhh
17. Papoose ( 09/11/2008 22:37)
enao manao trano milay be de faly fa tresahan'ny horohorontany de eo enao sy ny trano milay anao, :cry:
18. niryna ( 10/11/2008 01:47)
menalamba:

Tsisy lé maskita amin'ny harivariva iny aty ka tena tsss..... :^) :-D

hitako,fa izaho manao masikite kely kosa aloha e,vao avy nihinana vary amin'anana niaraka ny masikita izahay io androany.Ny anana fanaovana amin'anana koa dia tsy fahita tany amintsika kanefa tena mba tsara sy mampiakatra ra (kale) miaraka ny epignard kely atao madinika dia arotsaka rehefa tena ihinana azy. hmm.

Ny ahy koa ilay izay atao rehetra ka tsy manara-dalana dia vola avokoa,manary fako eo amoron'ny trano ,voasazy ny tompon-trano na ny mpanofa trano ,misava zoridira mihitsy ry le motany.
Izay aleha dia asiana vola foana ny parking, tara moa dia mandoha sazy tss .
19. niryna ( 10/11/2008 01:50)
vale:

ny ahy le miakanjo matroka bee foana saika mandritry ny taona lasa mankaleo, été kely mandalo iny ihany vao mba miovakely de zay, tsss
tsy tiko mihintsy koa ny ahy le milahatra eo am caisse rehefa manao course iny, ny any am poste koa, ela loatra.fa ny tena ts tiko rehefa misy zvt karakaraina de ttasy efa ho 1 tonne takina aminao, njenestoooo
...

ny anay indray tsy misy an'izany fa ireo mijery ireny olona manao akanjo mavo dia ambany manga dia ny ba kiraro mena ,ny satroka mainty,tss.
Dia tsy mivaky loha amin'ny akanjo anaovana .
ilay milahatra amin'ny poste io koa dia hitovizana ,miaraka ny ttsy iray ton
20. niryna ( 10/11/2008 01:52)
ainaheri:

vale>> ny any dago kou milahatra refa avy manao course ao @ magazay ka

Ny ahy ny tsy mahatamana ahy lay tsy itovizan'ny any sy ny aty ,hafa ihany ny any antanàna refa fety zany


hitako,vao zoma hariva dia efa manomboka ny fety indrindra moa izany hoe lundi de pentocote izany ,feno ny by-pass any amintsika ,aty tsy dia mba mankalaza an' izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3487