Inona no mba nahavariana anao taty ?

61. Lejoba ( 05/11/2008 13:19)
be dia be no azo lazaina.
Resaka fahasalamàna : any @ hôpitaly tsy mila manati-bary sy garde malade. Any @ dentiste asiana anesthésie na dia soins fotsiny aza ka tsy matahotra fraise intsony ny bandy. Ny fitsaboana tout compris fa tsy misy hoe mandehàna mividy pansement, sady remboursé (ny avo ihany hono no tovonana)
Fitaterana : misy métro isaky ny 2-3mn fa tsy miandry ela be ohatry ny bus any Dago. Ny bus lazainy hoe afaka firy minitra no tonga. Dia ny chauffeur-na bus manao akanjo mitovy daholo sady atao \"bezoro mesié\". Ny aéroport ngeza be fa tsy toy ny ao Ivato. Dia ny gare koa, feno trains aby sy quais be dia be, noheveriko fa @ kilalao ihany no toa ireny
Eny an-dalana : ny 4-mi an-dry zareo miankanjo fa tsy miboridana na manao vorikitsay toy ny any @ tanàna. Gaga be aho t@ vao tonga fa ny akanjon\'ilay mpangataka milay be noho ny nanaovako :oops: ouhouhouououhhhhhh. Sady ilay akanjo avy any Dago, printemps sy automne ihany no azo anaovana fa tsy mety ankoatr\'izay. Dia ny mpamafa lalana ny azy manana finday sy baladeur MP3. Tsara be daholo ny fiaran-dry lerony sady tsisy mi-fume izany.
Dia ny arabe tsisy lavaka ka misosa fotsiny ilay fiara. Dia raja tsy mahay mandeha rehefa ririnina dia asosan\'ny verglas, sady ilay ao ambany ao tsy ampoizina. Fa ry lerony manompo alika be : misy lerany mihitsy ny famoahana azy, dia misy rayon spécial any @ grande surface. Toy ny zanaka ao an-trano eh, manoatra aza fa ny azy ny ankizy indray no alikainy.
Dia ny internet haut débit sady illimité. Dia ny téléphone koa illimité.
Sakafo : ny boissons tsisy mividy ranony fotsiny na hoe consigné ny tavoahangy fa tonga dia vidiana miaraka @ tavoahangy dia aterina any @ le borne à verres indray ny tavoahangy. Dia tsy misy mividy ny kapoaka-na nestlé na conserves hafa aty fa dia ariana any @ recyclables. Fa ny akondro lafo be, dia ny voaloboka sy ny fraise ngôza be sady tsy mora potika toy ny any @ tanàna. Fa aty tsisy composé na masikita amidy eny antsisin-dalana ka hoe hiara-hirevirevy eo.
Dia rehefa miantsena dia vidiana @ paquet ngeza be ny papier hygiénique fa tsy misy hoe anaovy safosafo 1, na hoe siramamy fefany.
Fa ny tantara be dia ilay hofantrano lafobe, sady galère be vao mahazo trano. Izany hoe tsisy mandeha manary fako @ hariva intsony fa aterina ao ambany dia ilay concièrge no mamoaka azy, avy eo mitety trano ny camion benne maka fako.
Be dia be eh
Tantarao daholo ny anareo
62. ikaretsaka ( 05/11/2008 15:36)
Fa ry lerony manompo alika be : misy lerany mihitsy ny famoahana azy, dia misy rayon spécial any @ grande surface.

misy mipetraka any dago fa "manopo alika " koa an :wink:
jereo ry zalahy ao @ alikamag sy ny acym ao :°)
63. tess ( 05/11/2008 16:45)
kelly13:

ssendra:

mba andefaso ny sarin'izany oul kely zany ary zà klou e! :?
i mamz efa nandefa sary ahy fa hummmmmmm :P


jereo ny afatra





ok mci


:wink: :-* :-*
64. niryna ( 05/11/2008 17:42)
ni81:

Ny ahy ny tena nahavariana ahy dia ny nahita ireo voromailala sy ny moineaux manatona tsy matahotra rehefa mahita sakafo :)


dia misy toerana koa feno vorona ka rehefa apetrakao eo ny fiara ,feno taimborona tsy misy toa izany
:D
65. niryna ( 05/11/2008 17:45)
tess:

tena tsy nisy tadidiko ny ahy fa ny tena nahavariana ahy dia ny be antitra na dia efa 80ans et plus aza dia mbola mi roule en voiture :°)


dia misy koa andro talata na alarobia natokana ho an'ny be antitra,mahazo reduction na fihanambidy izy rehefa mividy zavatra indrindra moa ny fanaovana volo,io no mbola mafotaka amin-dry zareo .
dia feno ny be antitra koa ny filalaovana karatra ,misy aza fiangonana manokana toerana nahaovana bingo fotsiny .
Ny nahavariana ahy koa dia manana toerana filalaovana manokana ireo be antitra,misy bus manokana mitondra azy mandeha miloka any Atlantic city saika isa-kerinandro
66. niryna ( 05/11/2008 17:49)
ni81:

Ny nahavariana sy nahafinaritra ahy koa dia ny nahita be antitra mifankatia mifampitantana izaitsisy. Toa tsy dia fahitako izany tany dago fa ny tanora no feno. :)


misy toerana koa natokana ho an'ny antitra mandiha ireny,mampianatra mandihy ny antiitra ilay olona dia variana eo aho mijery azy ireo (rehefa mafana ny andro dia mivoaka ety ivelan'ny tanana izy miaraka ny radio be dia revo tokoa anie izy ireo ,miaraka ilay sandrikely efa malazolazo sy miraraka ny nofo
:wink:
67. ssendra ( 05/11/2008 17:50)
ieeee! ny bus sy ny train mahazo avantazy ry zareo....Ny any amitsika indray dia omena toerana hajaina fotsiny fa ry zareo aty tsy de manaja antitra ndraindray
68. sakaizakely ( 05/11/2008 21:02)
oay, efa lasa lavitra be le dinika vo hitako

Lejoba> marina mitr

faha sy ni> taolana ny nify fa aza manome tsiny am le mitapô @ fitaratra =)) =)) =)) =)) =))

tess> oui, ny somera be saosy noho za tam zany de mitsiriritra ery oe nay ané ah mba soméra kou :-D :-D :-D

vale> mahalala fomba b zany ny jiron'i Noue :-P :-P

za ko anisan'ny variana am le masoandro tara fodiana am été, fa ny hiver volou tena nitsokovy mitr hatrany anatin'ny tsinaiko klé, nangatsiaka be, sady nisy lanezy nefa mantô kely manify zay no mba vovidiko tam zany, de votery no doubler-na ny patalou nasiana legging tao anatiny, bakiraro double, sous pull sy ankanjoba firy sosona. Tena GVT mitr tam zany nefa mbola nanify kely ihany :-D :-D :-D :-D Zao fatra-pifidy tsy manao mantô raha vo le mibontsimbontsina be reny vomé mampatavy :{ :{ :{ :{

ny nanaitra ahy koa de madio be ny arabe sady tsy maimbo lasantsy ny daba, miditra bus sy birao mahazo bôzour, silvouplé, inn no azoko atao anao ?Tentée saika namaly ndrai² oe ataovy bizou fa betsaka angamba ny vonona tam zany ;-) de nivanaka fa mahalala fomba sy mahay manaja oul ny vazah. Oshy ah wé ry fahendrena malagasy fa tena ambakain'ny vazah kay

ny tena nahafinaritra ahy ny mahita mpianakavy na mpianaka miaraka, de malefaka fiteny sy fihetsika be ny mamans aty fa tsy mba mikitakita zaza, am ankapobeny io an, indrindra tany am le tanana nisy ahy taloha, la classe !
69. fijo ( 05/11/2008 21:45)
ny ahy tsy nahavariana fa tena naika tsy nahatamana ahy,dia tsy nahita diavolana intsony aho.io mantsy no mba tena zavatra reviko tany mahajanga.
70. ssendra ( 05/11/2008 22:01)
oadray ry fijo dia tena tsy mbola nahita diavolana mitsy ve taty..... Hihihihih
ny ahy indray ny tsy mahatamàna ahy dia ny andro ratsy mando lava ity! raha mangatsika misy masoandro tiko satria aho mahatanty atsika ihany fa lay orana madinika lava reny tsssss :x
71. vale ( 05/11/2008 23:34)
Lejoba: mbo nahavariana ahy tokoa iny le raha vao miakatra bus enao de atao bézoro mosé ny mpitondra, mbola anay anaty bus ihany, rehefa sendra ahavoadona oul tsy nahy de manao azafady haingana, ary ilay oul voadona tsy mimenomenona ohatry ny any tanàna oe, sssh, aza mandona éééé,:-D sns,rehefa any @ poste dia ianao indray no arahabaina voalohany fa tsy ny mifamadika ohatry ny any am tanàna, oe rehefa miditra birao de tsy maintsy manajanaja be ireny. Tsy biraon'ny poste ihany fa na ny guichet ny gara, na mandeha miditra birao hafa..
Ankoatry ny fraise sy ny voaloboka, ny poivron koa gladiny be, ny concombre lavabeee fa tsy fohikely..
Mba nahavariana ahy koa ny hafanàna rehefa été, mila tsy ho zaka mihintsiny.
Fa ny oul kosa mifanaja daholo an, mahafinaritra be! fa ny tsy mahatamàna ahy koa de ny hofantrano lafo loatra, asa na ny eto parisy no lafo hofan-trano io na ny any am provence koa. Mbola nahavariana ahy koa ny fako, le atao anaty sac poubelle dia afatotra ny vavany avy eo, ary manaraka anizay aby ny oul tsy misy manao oe sssh atsipiko any ny ahy ee, fa samy mitandrina.
Fa ny tena nahavariana ahy kosa dia ny fahitan'ny vazaha ahy aty, mba mahazo complimà foana aho matetika, anefa tany dago mahazo an'le oe petakorona sns, ny mpimasy angamba ono tsy masina an-taniny? ohatrantsika taratara rehefa mahita oul na vazah lava orona, de ohatr'izay koa ry zareo, tsara sy mahafatifaty azy ny fijeriny anao, waoooooooow! hahahaha!
72. fahamarinana ( 06/11/2008 04:57)
sakaiza:
fa ny hiver volou tena nitsokovy mitr hatrany anatin'ny tsinaiko klé, nangatsiaka be, sady nisy lanezy nefa mantô kely manify zay no mba vovidiko tam zany, de votery no doubler-na ny patalou nasiana legging tao anatiny, bakiraro double, sous pull sy ankanjoba firy sosona. Tena GVT mitr tam zany nefa mbola nanify kely ihany . Zao fatra-pifidy tsy manao mantô raha vo le mibontsimbontsina be reny vomé mampatavy

:arrow:nandalovana koa ilay double double io...,:-D :-D koa ilay fitantaran'ny sakaiza azy...
tess:
ny ahy indray ny tsy mahatamàna ahy dia ny andro ratsy mando lava ity!

:arrow: ny ahy iny dia tiako be,miakatra ny fofon-tany....mampanembona ny climat tany toamasina dia mibonoka couette dia maka saina eo !! :) (l)
73. ssendra ( 06/11/2008 05:36)
fahamarinana:


tess:
ny ahy indray ny tsy mahatamàna ahy dia ny andro ratsy mando lava ity!

:arrow: ny ahy iny dia tiako be,miakatra ny fofon-tany....mampanembona ny climat tany toamasina dia mibonoka couette dia maka saina eo !! :) (l)


ka mando lava san'nanjo san'anjo nge ky de tsy misy fofotany miakatra tsony e! sady raha hisy fotoana hibonoka zany moa maninona tena hasambarana be hummmm! fa amity hazzakaza-dava ity manahirana....AMZAY ndray zao am dimy hariva defa maizina be dia mihazakazaka vao avy mirava iny hamonjy fodina fa otran'ny efa alimlbe ny andro, tsy zàtra mody maizina hihihih


74. ni81 ( 06/11/2008 06:00)
Fa tena mba nampidanàka ahy koa ilay nahita la neige t@ voalohany ka! Miraraka ilay izy dia toy ny landihazo avy any an-danitra hihi, dia tena nahafinaritra ahy anie izany e!
Dia ny mahita ilay vide grenier sy brocante koa. Mahita zavatra tena mora ary vaovao be mihitsy matetika. Fa misy zavatra efa tena ntaolo be koa aza fa dia vidian'ny olona (ohatra hoe: plaky nisy pub banania t@ 1950 hono
:lol: )
75. fahamarinana ( 06/11/2008 06:02)
:arrow: :-D :-D zà koa tia ireny plaques ireny,dia ilay frigo menamena bobota boribory iny...fa tsy halafon-javatra koa zany an.HSkely fa azafady rey olona a. (l)
76. ni81 ( 06/11/2008 06:28)
Fa ny tena nahavariana ahy kosa dia ny fahitan'ny vazaha ahy aty, mba mahazo complimà foana aho matetika, anefa tany dago mahazo an'le oe petakorona sns, ny mpimasy angamba ono tsy masina an-taniny?
mba tena mahafinaritra ny vazà ampianarina teny gasy tokoa ny mamerina io hoe PETAK'ORONA io an =))
Fa gaga koa aho fa ry zareo aty tsy mba mahandry tantana loatra e! Rehefa misy olona medameda eo aloha eo eny @ grande surface na eny @ birao, dia mitsifotsifotra toy ny fiara vaky pneu ny sasany. Dia ny sasany rehefa misy fiara eo aloha koa ka misy tsy nety ny nataony dia mi-klaxon fa tonga ilay eo aloha dia mampiakapiakatra ilay tanany eo ambony lohany, somary toa mikopaka izay (tsy haiko ny hanazavana azy) :-D :-D
77. sakaizakely ( 06/11/2008 10:14)
mitsifotsifotra toy ny fiara vaky pneu ny sasany
=)) =)) =))

=))

78. vale ( 06/11/2008 12:55)
mba tena mahafinaritra ny vazà ampianarina teny gasy tokoa ny mamerina io hoe PETAK'ORONA io an

ni> =)) =)) =)) ahatsiarovako vehivavy izay, namako de jejo ery izy fa oe ny orony maranitra fa tsy petaka de ampianariny daholo ny namanay sasany tamzany (taty ivelany ihany io a!) hoe petakorona mantsy an-janako, tss letiéeeeeee :°)
79. vale ( 06/11/2008 21:11)
vale> mahalala fomba b zany ny jiron'i Noue


sakaizakely: f'hita! =)) =)) =)) =)) =))
80. niryna ( 07/11/2008 10:19)
ni81:

Ny nahavariana sy nahafinaritra ahy koa dia ny nahita be antitra mifankatia mifampitantana izaitsisy. Toa tsy dia fahitako izany tany dago fa ny tanora no feno. :)


tess:

:-D :-D :-D :-D Marina aloha fa misy fitiavana tratra antitra ny andry zareo vazaha mbola mifampitantana mi bzou bzou be mitsy fa misy amin'izy ireny ilay couple efa samy nisaraka dia teo am faha 50ans na 60ans teo ndray vao nifampisipa sy niray trano :wink: :-D :-D :-D mmampiomé nge e!
misy mpivady izay mipetraka ety ankaikinay,isan'andro izy roa dia mandeha tongotra foana,izany anefa efa 80 sy 85 an,ilay ramatoa mbola mailam-pamindra fa ilay rangahy laozany lavitra dia somary mihodina kely indray izy maka ilay rangahy.hi,hi
tess:

ny tena nahavarina ahy koa refa mamaky gazety momba ny fitadiavana vady na sipa dia efa misy 70ans na 80ans na 60ans mbola mitady ihany hihihih tsy fahitako tany madà koa io....
hi,hi ,antitra aho ity hoy ny fiteny any vao be ny tanoara kou


:roll: :D misy tratran'ny retour d'age koa anie e :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3419