Ny tsy finoako no nahavonjy ny ahy(vavolombelona)

1. rakapy ( 01/11/2008 02:52)
Sendra naheno resaka izay nataon'ity vehivavy iray t@ namany aho raha sendra nisakafo tao @ toerana fisakafoana iray.
Nilaza izy fa raha nino sy nanao izy voalazan'ireo mpampivavaka tao @ fiangonana izay nisy azy hono izy dia efa maty tahaka ireo mpino sasany tao @ fiangonana.
Niandry ny tohon'ny resaka aho nefa toa tsy nazava tamko loatra ilay resaka.
Nohon'ny lany ny sakafoko dia nanotany azy hoe mba liana te ahafantatra ilay nanjo azy fa sendra reko ilay resaka nataony....
Ka rehefa nofitinina izay nolazainy dia izao.
Naharary azy efa ho ela hono ny kibony, ka nefa dia tsy navelan'ireo mpiandraikitra tao @ fiangonana fa hoe " ho tsaboina @ anaran'i ngahy jesosy" hono.
Nanaiky hono izy t@ voalohany fa nanda kosa nohon'ny fahitany ilay rangahy iray izay nolazainy fa maty nohon'ny ratra kely tsy dia manao ahoana loatra.
Nanantona dokotera hono izy ary hita fa nisy kista. Ary voatsabo soa aman-tsara izy avy eo.
Nilaza izy fa olona nafana fo sy nanompo an'Atra ary vavolombelona tokoa taloha fa noho io tranga io dia nilaza fa tsy mino intsony izy.



novalian'i prime ny 26/11/2008 07:22
2. rafitia ( 01/11/2008 03:46)
mbola tsy tena niditra lalina zany izy, sady mbola tsy hankasitrahan'Andriamanitra ny vavakany sady izy koa lay rangahy no jereny fa iraka fotsiny ireny :? ho an'ny dokotera mazava ho azy fa tsy maintsy mahita fomba hanazavana ara-tsiansa izy
3. hery ( 01/11/2008 07:21)
Angamba hoe "Ny tsy finoanoam-poana nataoko no nahavonjy ahy"

Satria tsy izay lazain'ny olona rehetra akory dia tokony hinoana, misy ny mpaminany sandoka. http://baiboly.katolika.org/boky/Joany%20I/4:1

Asa, raha olon'Andriamanitra marina io olona io dia ho fahagagana be ny nataony raha niteny izy hoe misy kista ianao fa mandehana mamonjy dokotera.
4. caprio ( 01/11/2008 07:59)
Rakapy:Mbola ho avy ary tsy ho ela ny andro hilan'ny zanakolombelona an'izany atao we jesosy sy Atra izany,misy zany ary betsaka ny olona mahita fiainana sambatra miaraka @Atra,fa ireo izay tsy mahita sy tsy mahalala we iza marina zany atao we Atra dia mihezaka mitady profo mandrakariva mba anoherana azy,fa amiko manokana dia tsy izay rehetra angatahanao @Atra akory dia hovaliany daholo; ny saintsika mintsy no fohy ka tsy mahatakatra alavitra ny zava-misy eo @tontolon'ny fivavahana;hoatra fotsiny we mba alefa alavitra ny saina dia manontany tena enao we:hay tokoa moa ka efa voasoratra we ny zanakolombelona dia mety maty,ka raha izay marary rehetra hivavahana ve?dia ho sitrana daholo dia hisy tsony ve zany ny fahafatesana?dia mazava be amitsika angamba zany fa misy ny sitrana hivavahana misy ny maty satria efa natao ho faty ny vatan-tsika.Dia voninahitra anie ho Atra irery hiany
5. xxx ( 01/11/2008 15:08)
Marina izany caprio a ! fa mba ny tiako hanontaniana an'i hery @ ilay tenin'i Jaona io ahoana marina ny ahalalana ny tena mpaminany marina sy diso
6. rakapy ( 01/11/2008 18:31)
Caprio> Tena marina ny voalazanao fa mety maty ny vatantsika nefa aza adino fa maro koa ny fahafatesana azo ialana sy ny arentina azo sorohina satria efa nomena ilay saina isika olombelona mba hikaroka . Matetika mantsy dia tsorina @ ilay hoe "Izay no sitrapon'A/tra"
Tsy manda aho fa mety mahasitrana ny fivavahana fa kosa firy isan-jaton'ny @ aretina an-davan'andro no sitran'ny fivavahana?
Amiko raha tena mpino ianao dia tokony hampiasa izay fitaovana sy saina nomen'ilay Nahary anao mba hanasoavana ny fiainanao sy ny fiainan'ny hafa ary ilay tontolo nomeny anao fa tsy hiandry azy foana.
Rafitia> Ahoana moa no ahalalanao fa tsy nankasitrahan'A/tra ny vavaka nataony??? Ianao angaha manana fifandraisana manokana amin'A/tra no afaka hiteny izany???

Ary ny tena mahagaga amin'ireo mitonotena fa xana dia izy ireo toa mitsipaka sy tsy mankasitraka ny siansa nefa dia izy ireo indrindra no tena mpampiasa ny vokatry ny siansa.


7. ikaretsaka ( 01/11/2008 19:12)
iombonako hevitra
8. rabilabila ( 01/11/2008 19:20)
Amiko indray dia mazava ho azy fa tsy ny fivavahana no manasitrana .Mety mampitony , mety manàla ( temporairement) ny fanaintainana par effet physiologique ( secrétion d'adrenaline , de endorphine ) sy psychologique
Ho ahy tsy mpino ohatra dia ny fihainoana mozika , ny fatoriako eo an-tratran-dreniko dia azahoako hery lehibe izay misy fiantraikany amin'ny zanakatidohako ka nanome ahy ireo effets ireo.

Firifiry tamintsika no narary nanaitaina mafy kanefa vao tonga tany amin'ny dokotera dia toa sinda teo ilay aretina?
Firifiry tamintsika no narary nanaintaina fa raha vao mahita an'i Neny mitondra dité sy mofobaolina dia toa sinda teo ilay aretina ?

Mazava ho azy fa raha aretina mila dokotera ( chirurgien na spesialista isankarazany ) dia fampitoniana fotsiny ny dité sy ny mofobaolina .

9. ikaretsaka ( 01/11/2008 19:25)
izay mantsy
10. cutie ( 01/11/2008 19:31)
za koa alou tsy mino we vavaka rano ray fotsiny de mahasitrana e. Ndrindra le hametrahan-tanana reny. Tsy mandaitra mitsy lol
11. caprio ( 01/11/2008 20:28)
Rabilabila:Nareo no tsy sitrana @vavaka ,fa misy ny olona sitrana satria mahita fitia eo imason'Atra izy ireo,ary mba avereno vakiana kely izay voasoratro fa ataoko fa mazava be angamba izay voasoaratro ao,ary averiko indray fa tsy izay rehetra mivavaka @Atra akory dia ho sitrana daholo,dia manontany anao za we:izay rehetra mankany @dokotera koa ve dia ho sitrana daholo? koa alefaso alavitra ny fisainana fa aza dia manaraka ambokony fotsiny ,fa raha sitrana daholo ny olona mivavaka dia efa lasa paradisa ny eto an-tany
12. rakapy ( 01/11/2008 20:55)
Raha resaka aretina ara-batana sy ara-tsaina no resahina dia samy mahalala fa tsy voatery ho sitrana avokoa izy ireny , na amin'ny alalan'ny vavaka izany na koa amin'ny alalan'ny dokotera(siansa)
Nefa jereo amin'ny maso tsy miangatra ny % ny hoe iza no mahasitrana sy mahatsabo ireny aretina ireny bebe kokoa.Vavaka sa siansa?
Aiza ny ankamaroan'ny olombelona no mandeha raha tojo aretina?
Tsy milaza akory aho fa tsy mandaitra ny vavaka fa io dia miankina @ tsy 1/1 sy ny psikolojikany.
Ary mbola tadidio ihany koa ilay teny malaza hoe:" Ampio aloha ny tenanao dia hanampy anao ny vavakao"
13. rakaroka ( 01/11/2008 21:41)
Ny fampianarana tsapako hoe "sadasada" mihitsy dia ilay "manakipily" tsotra" izao ireny "ensemble de valeur" ireny . Ohatra izao lazaina hoe tsy "ilaina loatra ny "...izao..." anefa tsy manana "aroso @ zany akory fa mbôla milampilampy @ izany ihany. Tahaka ny tsy manana "hôneteté @ "fond d'ésprit ny olona toa izany!
Taoko I Jesoa izay aza mbola nanao hoe "aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara fa tsy hoe rehefa mibanjina ny lanitra izao dia tsy mipe-tany 'tsony ny faladia e! :wink:
14. ikaretsaka ( 02/11/2008 02:21)
mifameno ireo ary matoa samy misy dia samy natao ho ampiasaina
dia matoa nomena saina sy safidy ny olona dia nohariana mba hampiasa izany koa.. dia asakasaky ny tsirairay
rehefa tsy mety ny havia dia havanana ampiasaina ho'zy ilay entraineur anay fahiny izay
15. prime ( 03/11/2008 10:03)
rakapy> mety nahavonjy an'ilay ramatoa tokoa vetivety satria afaka ny kista... dia avy eo ahoana???
16. niryna ( 03/11/2008 13:55)
rakapy:

Caprio> Tena marina ny voalazanao fa mety maty ny vatantsika nefa aza adino fa maro koa ny fahafatesana azo ialana sy ny arentina azo sorohina satria efa nomena ilay saina isika olombelona mba hikaroka . Matetika mantsy dia tsorina @ ilay hoe "Izay no sitrapon'A/tra"
Tsy manda aho fa mety mahasitrana ny fivavahana fa kosa firy isan-jaton'ny @ aretina an-davan'andro no sitran'ny fivavahana?
mitombona ny teninao,mety maty ny vatan-tsika.Raha nomen'Atra fahalalana ny tsi11 hoe mpampianatra (mila mianatra izany ny hafa fa misy olona ampianatra ,dokotera ,mila mitady mpitsabo izany sns.
Raha natao hoe nivavahana ilay olona ka tsy mety sitrana ?
io no atao hoe effective praying na koa hoe inona no tena vokatra azo amin'ny fivavahana,inona no mahatonga ilay olona tsy mety sitran'ny fivavahana,moa ve raha tsy sitrana ilay olona moa ve anome tsiny an'Atra isika ?
Antony mety tsy mahasitrana ny olona ?
1- tsy ampy finoana
2- mbola misy fahadisoana tsy nangatahiny famelan-keloka tao
3- tsy mino izy fa mpanasitrana J.Kristy
4-mihevaheva ilay finoany
5- mino zavatra hafa koa izy fa tsy Atra iray irery
6-raha tsy sitrana dia tsy midika hoe tsy mahay Atra mety mbola mijery ny alalin'ny finoanao koa izy
7- misy iny aretina misy azy iny mihitsy no nangalan'Atra azy dia anomene tsiny an'Atra ve izany isika ? Ny lalako tsy mba lalanareo ary ny fisainako tsy fisainanareo.
8- Jakoba izay lasa Israel dia notsindrin'Atra ny tehiny (hip) ary dia nikadringa mandra-pahafatiny izy,io no nataon'Atra ho ahatsiarovany Azy .
9-ny kristiana dia efa mahafantatra fa na sitrana na tsy sitrana dia manana an'ilay Atra manala ny fanaintainana rehetra rehefa miala ety ary tsy hisy kilema na pao-maso na malemy na marary na farofy intsony ireo olona ireo miaraka aminy ireo rahatrizay.
10 - ny fahotana no mahatonga ny aretina ary tsy ny aretina rehetra akory dia vokatry ny fahotana ,aleo hazava tsara
the wages of sin is death and the gift of God is eternal in Christ Jesus ,our Lord Rom 6:23
Fa fahafatesana no tambin'ny ota ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Atra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika

Ny dikany tsy maty ho ara-batana ihany ny olona fa maty ara-panahy na mbola velona mirijarija sy manao ny tenany ho zavatra aza ry milaza an'Atra ho tsy misy ka mitsambiky mikimpy ,oops sorry !
Izany no antony iray izarantsika izany tenin'Atra izany mba ho voavonjy ireo fanahy rehetra izay mbola tsy mandray an'Atra raha toa ka manaiky ny Zanany ho Tompo sy Mpanavotra azy(tsy mila vola na mila asa,minoa fotsiny ihany ary andramo raha mbola tsy manana mpamonjy hianao ) .


Ary ny tena mahagaga amin'ireo mitonotena fa xana dia izy ireo toa mitsipaka sy tsy mankasitraka ny siansa nefa dia izy ireo indrindra no tena mpampiasa ny vokatry ny siansa.
aza atao mahagaga izany satria iza no nanome saina ireo siantista ? tsy Atra va ?
Hoy ilay dokotera nianaraka nianatra tenin'Atra anay omaly tao am-piangonana hoe ,tena tsy zakan'ny saiko ny mijery ireo marary miala aina eo imasoko,na izany aza dia mivavaka ho azy ireo aho ary dia mangataka amin'Atra hoe hianao tompo o no nanome saina ahy anampy ity marary kanefa hianao no dokotera avo indrindra ,izay mahasoa azy tompo o no ataovy ary omeo ny fanahinao masina aho anao izay fara heriko ary ny fiainany iray manontolo kosa dia aoka mba ho tantaninao .Mivavaka ihany koa izy mba andray azy ATra .Mihaino ny fitarainan'ny oloNy tokoa Atra .

^:^ ^:^
xxx a . mitombona ny tenin'i hery io ka,aza mino ny fanahy rehetra fa zahao toetra ny fanahy
ahoana no ahalalana izany ?
1- Mino an'Atra ve aho fa nanao ny lanitra sy ny tany izy :arrow: raha tsy mino an'izany dia efa fanahy hafa izany no inoany.
2- Mino an'ATra koa ve aho izy irery ihany no ATRa (Jehovah)? raha manana an'Atra hafa akoatry ny ATra Israel dia tsy mitovy izany ilay Atra resahin'i Kristy eto sy ilay Atra hinoan'ilay olona :arrow: anjaranao no mizaha toetra anao koa eto
3- Mino ve aho araky ny filazan'ny soratra masina fa ATra koa i Kristy ?
:arrow: dia anjaranao no mamaly an'izany
4-Mino koa ve aho fa ATra Ray,Atra Zanaka,ATra Fanahy Masina dia iray ihany (trinity)? hmm ! dia valio ao am-ponao izany
5- MIno ve hianao fa Mpanavotra antsika tokoa i kristy Izy dia Izy irery ihany no lalana mankany amin'ATra ? Mpamonjy antsika ? Ny ainy no natolony hanafaka antsika amin'ny fahotana ? MIno tokoa ve hianao fa rehefa nibaboka ka nangataka famelan-keloka dia ho voavela tokoa izany satria nino ilay zanany maty noho ny helontsika hianao ?
6- Mino ny fitsanganan'ny maty ve hianao? mino tokoa ve hianao fa na dia ny fahafatesana aza dia tsy nahatohitra Azy ary dia nitsangana tamin'ny maty tokoa Izy ( mbola kristy ihany io an ?)
7-Ity no farany ,mino ve hianao fa toy ny teny rehetra efa voasoratra ao amin'ny soratra masina izay nomen'ireo mpaminany (Test Taloha) dia ho tonga ny Mpanavotra(Emmanoela),ho vonoina izy ,ary hiverina indray (Test Vaovao) .
8-Ahoana ary no ahalalako fa ity fiangonana ity dia fiangonana mino an'i kristy?
raha mampianatra zavatra mivoana ny ao anatin'ny baiboly izy (mila mamaky ny tenin'ATra izany fa tsy mamaly fahatany fotsiny isika ) ary eto amin'izay no tonga ilay Fanahy Masina a .Izy irery ihany no afaka hanazava amintsika ny Tenin'ATra koa dia mivavaha ary manomboka androany,mangataha ny fanahy masina fa miaraka amin'ireo olona marobe mino an'i kristy irery ihany izy
Manoro lalana anao andeha amin'ny fahamarinana :arrow: raha misy feo mibitsika aminao ka mahafantatra hianao fa ratsy ilay lalana atorony kanefa hianao mbola mangetaheta andeha amin'ny tsy fahamarinana (io ilay fandrika arato,nyfanahinao malemy kanefa ny nofonao mazoto mihazakazaka anao ny tsy mety ......eo hianao dia manomboka mahalala ny marina a
Anjaranao no mandray ireo teny kely ireo ka raha Eny no valiny dia miresaka aminao mangina ao am-po ny fanahy masina raha tsia dia asakasakao tsy te andray,efa nomena izay ny tenin'Atra ka aza miala pas intsony hoe tsy naheno aho ..
*** isika rehetra izany no ataoko hoe hianao io a (tafiditra amin'izany koa ny tenako)***
:-* :-*
17. ikaretsaka ( 03/11/2008 16:35)
io le ankizy ny saina no mitondra an'io an...
rehefa ho'zy ny saina hoe mahasitrana na rano madio @ paompy aza no tovozina dia izay dia sitrana...
amiko io placebo aby... fa ny saina no mitondra heo raha operation no mety ka mifantoka @ iny ny herintsaina heo tena hety tokoa de mety...
raha hametrahan-tanana no eken'ny saina fa mety dia mety
fa na atao operation in 100 aza ianao na hametrahan-tanana in 1000 rehefa ho'zy ny saina heo tsy mety mahasitrana izany... dia tsy ho sitrana ianao e!
18. rahery08 ( 03/11/2008 19:49)
« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, » (Hosea 4:6a)
misy marina ihany ny lazainareo hoe mety hahasitrana ny fivavhana, mety hahasitrana ny fitsaboana any @ doko!
raha mandinika ny bible isika, ka mijery an i paoly:
paoly dia niara niasa t@ luc izay medecin:« Luc, le médecin bien-aimé, vous salue, et Démas. » (Colossiens 4:14)
azo lazaina fa nitsbo an i paoly izy noho ny aretina izay nahazo azy toy ny areti-maso zay nahazo an i paoly,
in 3 nangataka t@ tompo paoly mba hahsitrana azy nefa hoy ny tompo ampy ho anao ny fahasoavako!
nefa i paoly na ny mouchoirany aza dia naha sitrana olona maro!
midika izany fa:
Andriamanitra no manasitrana fa ny dokotera na ny mpivavaka dia mitsabo:

19. ikaretsaka ( 03/11/2008 20:11)
donko nge zany de fifamenoana sy fahaizana mi balance ireo no tena izy fa tsy hoe mivavaka fotsiny na mitsabo fotsiny e...
izay le lazaiko heo sady mivavaka no manao fanafody... :-D :-D :-D
20. fahamarinana ( 04/11/2008 05:05)
:arrow: ny ahy koa izay no hevitro : miara-miasa daholo ny rehetra.
ika : homana fanafody fa tsy manao fanafody.:) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096