"ny tena finoana dia..."

21. prime ( 06/11/2008 10:08)
fijo> Averiko mazava tsara ny nambarako : ny finoana tsy an'ny hafa fa an'ny tena... :)

ikaretsaka> Sao tsy ianao no tsara mametraka fanontaniana? :roll:
22. ikaretsaka ( 06/11/2008 16:36)
satria nahoana?
sao ho tsy voavalin'i prime ve?? :-D
23. rakaroka ( 06/11/2008 19:14)
Ika < efa wé :-@ :-@ :-@ hono ianao, fa sao lasa mino tampoka ny fanontanianao i Prime :-D :-D :-D
24. ikaretsaka ( 06/11/2008 19:16)
andraso aho hivarotra glacholet ary fa tsary mahazo manao domy trotry :-D :-D :-D
25. ikaretsaka ( 06/11/2008 19:23)
rakaroka> tsy zakan'ny sainy le miala @ ignorance ve? ianao efa mino ny fanontaniako de aleo ianao no anontaniana :-P :-P
26. fijo ( 06/11/2008 21:48)
prime ,azoko ka,tsy prime no teneniko eto fa le miolakolan abe ao ambony ao.
27. rakaroka ( 07/11/2008 01:30)
ikaretsaka:

rakaroka> tsy zakan'ny sainy le miala @ ignorance ve? ianao efa mino ny fanontaniako de aleo ianao no anontaniana :-P :-P

Ny tena asa "GOAVANA" aloha dia ity "ad @ "Ignorance" ity!
Ny olana fototra angamba, dia ny "conception de base mihitsy hoe
"Nahatrana tao @ fitaizana ny gasy mpino maro ny hoe "Atra na ny baiboly na i Jesoa" ho fototry ny zavatra rehetra. Dia rehefa misy zavatra anontaniana
dia ireo ihany koa ny valinteny!
Ka inn kosa aza ry Ika no hoforonina eo raha tsy izay nasesika tao an-doha ihany roll: :?: Rahateo ny saina mihevitra efa nodomboina ihany koa hoe "fahalalan'olombelona ihany tsy tokony itokisana loatra fa minoa ftsn ihany! " Ny "helo aloha tsy hitako sy tsy inoako fa raha FAHAVEREZANA tsy mihoata ity marina!
28. prime ( 07/11/2008 07:25)
aho:
ikaretsaka> Sao tsy ianao no tsara mametraka fanontaniana?
ikaretsaka:
satria nahoana?
sao ho tsy voavalin'i prime ve??
:-D :-D handeha atao tokoa hoe sao tsy voavaliko... :-D

Hazavaiko ny nambarako... "sao tsy ianao no tsara mametraka fanontaniana..." satria ianao aza no tokony hamaly sy hitondra fanazavana... satria ianao "mpandinika" hoy ianao ary tsy miteny raha tsy voadinikao tsara ny ambony sy ny ambany, ny anoloana sy ny ivohony sns... :wink: raha hoy ianao :
ianao:
define "tenin'Andriamanitra"
... ka kristiana manam-pahalalana toa anao ve hanontany sy hangataka toa io? :lol:

Sa tsy hainao mandrak'ity ny androany ny atao hoe "Tenin'Andriamanitra"? (tsy mino an'izay nefa aho) :)
29. prime ( 07/11/2008 07:58)
rakaroka> Handeha atao hoe mety ho zava-misy ny ambaranao, saingy tsy fahamarinana satria tsy mitombina amin\'ny ankapobeny...

Izaho ohatra dia anisan\'ny olona tsy niraika tamin\'ny fivavahana saingy tena nifototra tamin\'ny fifandraisana tamin\'ny tontolon\'ny fanahy hatramin\'ny fahazazako... ny RAR\'niko dia anisan\'ny olona tia fianarana ary nampirisika ho amin\'izany rahateo, raha ny Raiko mandrak\'ity ny androany (efa tena antitra) tsy mitsahatra ny \"mianatra\" (manao asa fikarohana maro sy mandalina) sy mampianatra amin\'ny oniversite maro...

Izaho dia anisan\'ny resy lahatra fahiny fa ny fahaizana sy ny fahalalàna no fototry ny harena sy ny fahasambarana satria hitako teo amin\'ireo RAR izany ary tsy niraika mihitsy tamin\'ny fivavahana... ka nahazoako (taty aoriana vao fantatro ny lalana tian\'Andriamanitra nitondrana ahy) fitahiana hianatra ho tonga amin\'ny mendrika indrindra na teto na tany ivelany...

Nefa dia miteny aminao aho fa zava-poana izany teo imason\'Andriamanitra... tsy nanana anjara tamiko na dia iray dia tamin\'ny famonjena ahy ny fahaizako sy fahalalàko... ary nabaribarin\'i Jesosy tamiko izany tamin\'ny tranga maro teo amin\'ny fiainako... fa Izy irery ihany no tena lalana sy fahamarinana ary fiainana...

Ny asam-pamonjen\'i Jesosy dia tsy mangataka na dia voatsinapy aza, aminao sy amiko... efa vitany avokoa ny zavatra rehetra... ny iantsoany ahy sy ianao dia ny mino ny asany... ary rehefa mino ny asany dia manohy izany rahateo...

Fa tsy mitondra famonjena na dia iray dia aza ny fahalalana sy ny fahaizana...

Ny tonon-kira rehetra ao amin\'ny Soratra Masina, manambara ny fahambonian\'ny fahalalàna sy ny fahendrena dia mitodika amin\'Andriamanitra avokoa fa tsy ilay fahalalàna sy fahendrena eto amin\'izao tontolo izao velively...

Raha niteny Andriamanitra fa ny \"fahatahorana Azy no voaloham-pahendrena\"... \"ny fahatahorana Azy no fiandoham-pahalalana\"... dia mifandraika amin\'izany avokoa ny hira ao amin\'ny Ohabolana sy ny Salamo sns... mikasika ny fahalalàna marina an\'Andriamanitra, fahatahorana an\'Andriamanitra, fahendrena ao amin\'Andriamanitra... fa tsy miresaka velively ny fahalalàna sy fahendrena eto amin\'izao tontolo izao... :)

Efa vohin-kevitra ela, nentin\'ny \"Gnostique\" sy mifandrohy aminy io ambaranao io... ary efa nampitandrina sy nampiambina ny Apostoly sy ny Fiangonana efa hatramin\'ny voalohany ny momba izany ny Tompo, fa tsy zava-baovao akory ny ambaranao io... na Kristy mbola velona aza dia efa maro no namily ny fampianarany ary vao maika aza nirongatra ireo rehefa niakatra tany an-danitra Kristy ka ny Apostoly no niandraikitra ny Fiangonana... vao manomboka ny boky rehetra avy amin\'i Lioka, Petera, Paoly, Jaona, Jakoba sns... ao amin\'ny testamenta vaovao, dia ireo fivavahana noheverina ho \"kristiana\" mihitsy no ventin-dresaka nefa nitondra fampianaran-diso... ireo nivohy ny hevitra gnostika indrindra no voalohany tamin\'izany...
30. ikaretsaka ( 07/11/2008 15:11)
Hazavaiko ny nambarako... "sao tsy ianao no tsara mametraka fanontaniana..." satria ianao aza no tokony hamaly sy hitondra fanazavana...
azo atao ny mamaly sy mitondra fanazavana @ alalan'ny fametrahana fanontaniana ange..
izany aza mampihetsika ny kitapon'eritreritra sy mampandini-tena kokoa momba ilay foto-kevitra iny ary mampangetaheta hitady fanazavana noho ilay zatra fahanana be fahatany fotsiny toy ny fataonao
31. fijo ( 07/11/2008 21:45)
prime an,aleo kosa aloha hazava fa tsy izay teny lazaina fa masina dia azo sokajiana hoe "tenin'andriamanitra"na dia hoanareo mpino aza.
marina n voalazan'i rakaroka hoe"inona mo ano hoavaliny eo,fa tsy izay nasesika tao aminy"ary tena izay no misy matetika
32. rakaroka ( 07/11/2008 22:36)
[quote=prime]

Nefa dia miteny aminao aho fa zava-poana izany teo imason\'Andriamanitra... tsy nanana anjara tamiko na dia iray dia tamin\'ny famonjena ahy ny fahaizako sy fahalalàko...
.

Ny "conseil d'amie" lazaiko an'i Prime an : "alaviro ny resaka misy "contradictoire" toa izao satria "tsy hita izay handraisana izany!"
Lazaina fa tsy manana anjara t@ famonjena anao, anefa ny "fahalalana azonao t@ vakinteny 'gné no nentinao nivoy ny soratra ao anaty baiboly tatatanao tsy mitsahatra io. Ary à chaque "verset" dia miafotra ao ambadika ilay "fahalalana namaky teny izay tsy hoe "kâdô" nomen'Atra anao fa vokatry ny "ezaka". Ka tsy tsinotsiniavina zany satria hoe "nahay" ianao fandrao hino tokoa y sasany hoe "tsy ilaina izany" , ary rahateo maro ny mandray ambolony izay teneninareo. Ka hamafisiko ihany ny hoe "aza mampianatra toa izany e!" . Teny napetraka mazava anie ny hoe "aoka hazava eo imason'ny olona ianareo" Ka raha manivaiva ny zava-misy ianareo anefa miaina tsara ao anatin'izany: "hafahafa!"




Fa tsy mitondra famonjena na dia iray dia aza ny fahalalana sy ny fahaizana...


Ny fampianarana toa izao no "FAMPIANARANA SANDOKA"
Aza aely intsony ! TENA TSY METY FA MITORY MIHITSY "contradictoire "TANTERAKA" eo @ fhm.
Fa nahoana kay no alefa mianatra sy hanaovana "investissement" be ny fianarana?....raha toa "NAHAVONJY TOKOA" ny famonjena tsy nilana izany?...
Ka lasa misabaka ny "ankizy noho ny fampianaranareo tahaka ny hoe "ny ety an-tany tsy tahaka ny any an-danitra koh :roll: :roll: 8O 8O

33. fijo ( 07/11/2008 22:57)
jereo foan any fiainana eto e,ny finoana tsy ratsy izany,fa aza hadino fa mbole eto isika
34. ikaretsaka ( 07/11/2008 23:00)
Fa tsy mitondra famonjena na dia iray dia aza ny fahalalana sy ny fahaizana...



aaaaaaan 8O aoka letsy le!

de aiza no "ahalalanao " sy "hahaizanao" fa ho voavonjy ianao??? raha tsy nisy "fahalalana" sy "fahaizana" norantovina aloha????

ataovy serieux le!

marina ny an-drakaroka hoe alaviro ny resaka contradictoire..io le flip flop lazaiko anareo foana ange e :?
35. soanja ( 09/11/2008 14:11)
fijo:

maro ianareo mpino no milaza ,na mampiasa io fomba fiteny io.
ny tianareo ambara ve izany dia hoe"izay tsy mino toa anay dia tsy izy?"tsory raha izay dia ahngina izahay fa efa anareo ambongadiny ny fahamarinana.


Mino aho Fijo fa mpino ianao ka ny tsy finoana no inoanao! hihihihi
Isakarazany ny fisehon'ny finoana fa ao ny mino ilay nahary sy ilay hery ambonimbony kokoa noho ny azy, ary ao kosa ireo izay mino ny herin-tsainy sy herim-batany ary ny fifandraisan'ny fiarahamonina iainany. Izy nareo ka!!!! :-* :-* :-* Miasa amin'ny fomba hafa Andriamanitra inoako aminareo.

Izay indray ary fa mazotoa indray. Soa.


36. finoanaranoray ( 09/11/2008 15:06)
taraiky be aho fa arosoko ihany ny fanontaniako...

Ny tena finoana amin'inona...?

Raha amin'Andriamanitra mantsy dia fahatokiana ny zavatra antenaina ary fanehoana ny zavatra tsy hita...

Raha ny tena finoana amin'ny tsy finoana mantsy dia ny tsy mino an'Andriamanitra...

Ary ny tena finoana amin'ny finoana dia miankina amin'ny inoana...(miantehitra amin'ny inoana)...

sa ilay fanontaniana hoe: ny tena fivavahana marina?
raha izay indray dia resaka hafa...satria samy manana ny eritreretiny ho marina...dia mifandresy lahatra eo...ka raha misy tsy resy lahatra mihitsy, dia tohizana ihany ny fandresen-dahatra ny andaniny sy ny ankilany... dia samy miandry ny farany fotsiny dia hiteny ny iray amin'izay hoe "hitanao fa ny ahy no marina..."dia hoy ilay iray hoe "tena diso tokoa ny ahy k'ity'...
37. fijo ( 10/11/2008 22:44)
hihiiiih milay koa ity farany ity ka
38. prime ( 14/11/2008 11:34)
fijo:
prime an,aleo kosa aloha hazava fa tsy izay teny lazaina fa masina dia azo sokajiana hoe "tenin'andriamanitra"na dia hoanareo mpino aza.
... Inona no masina ary izany aminao? :)

Manana ny famaritana mazava ny atao hoe tenin'Andriamanitra... ary fantatr'ika io fa mba mody anontaniany dia izay no nahatonga ahy niteny hoe ianao nanontany io no tokony hitondra fanazavana...
fijo:
marina n voalazan'i rakaroka hoe"inona mo ano hoavaliny eo,fa tsy izay nasesika tao aminy"ary tena izay no misy matetika
... ka raha izay lazain'i rakaroka no lazainao ho fahamarinana dia inona moa no azo ambara?

Fa raha Kristy no miteny hoe : "Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo," Asan'ny Apostoly 3:19... tsy hanaiky sy hino izany ianao satria izay ve ohatra no nasesika tao amin'i prime? :(

Hadinoy i prime fa Kristy ilay tia anao jerena fa mbola andro fiverenana ao Aminy izao...
fijo:
jereo foan any fiainana eto e,ny finoana tsy ratsy izany,fa aza hadino fa mbole eto isika
... Ny fandraisana an'i Kristy kosa angaha ry fijo tsy fijerena ny "fiainana eto"? sa misy kristiana tsy mijery ny "fiainana eto"? raha misy mantsy izany dia efa any an-danitra avokoa ny kristiana, saingy Kristy mihitsy no maniraka ny kristiana aza ho eto hanatanteraka ny asany rehefa nahazo famonjena... :)
39. prime ( 14/11/2008 12:42)
rakaroka:
Ny \"conseil d\'amie\" lazaiko an\'i Prime an : \"alaviro ny resaka misy \"contradictoire\" toa izao satria \"tsy hita izay handraisana izany!\"
Lazaina fa tsy manana anjara t@ famonjena anao, anefa ny \"fahalalana azonao t@ vakinteny \'gné no nentinao nivoy ny soratra ao anaty baiboly tatatanao tsy mitsahatra io. Ary à chaque \"verset\" dia miafotra ao ambadika ilay \"fahalalana namaky teny izay tsy hoe \"kâdô\" nomen\'Atra anao fa vokatry ny \"ezaka\". Ka tsy tsinotsiniavina zany satria hoe \"nahay\" ianao fandrao hino tokoa y sasany hoe \"tsy ilaina izany\" , ary rahateo maro ny mandray ambolony izay teneninareo. Ka hamafisiko ihany ny hoe \"aza mampianatra toa izany e!\" . Teny napetraka mazava anie ny hoe \"aoka hazava eo imason\'ny olona ianareo\" Ka raha manivaiva ny zava-misy ianareo anefa miaina tsara ao anatin\'izany: \"hafahafa!\"
... Misaotra amin\'ny torohevitra...

Angamba tsara kokoa hoe dinihinao tsara ny ambaranao fa ilay lazainao sy ny ao antsainao no misy \"contradictoire\"... ambaranao indray etoana fa tsy \"kadô\" ny fahalalàna hamaky teny fa vokatry ny ezaka nefa etsy ambony ianao milaza fa nomen\'Andriamanitra avokoa izany, na ny saina na ny hery...

Tsy iray na roa ny olona nandray ny famonjen\'i Kristy nefa tsy nahay namaky teny sy nanoratra... anisan\'ny iray tamin\'izany i Nenilava... averiko indray fa tsy miankina amin\'ny fahalalàna sy ny fahaizana sy ny fahendrena eto amin\'izao tontolo izao ny famonjena avy amin\'Andriamanitra...

Tsy izay manam-pahaizana sy manam-pahalalàna sy manam-pahendrena eto amin\'izao tontolo izao no lazain\'i Kristy amin\'ny hoe \"mazava\" fa Izy tenany... ary izay manana Azy, na heverinao ho dondrona sy tsy manam-pahalalàna toa anao aza nefa no irahiny hoe : \"aoka hazava ianareo...\", rehefa nandray an\'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy...

Hoy ny tenin\'Andriamanitra indrindra manamarina izany amin\'ny anaran\'ny Tompo : \"fa ny adala amin\'izao tontolo izao no nofidin\'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin\'izao tontolo izao no nofidin\'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;\" I Korintiana 1:27
rakaroka:
Ny fampianarana toa izao no \"FAMPIANARANA SANDOKA\"
Aza aely intsony ! TENA TSY METY FA MITORY MIHITSY \"contradictoire \"TANTERAKA\" eo @ fhm.
Fa nahoana kay no alefa mianatra sy hanaovana \"investissement\" be ny fianarana?....raha toa \"NAHAVONJY TOKOA\" ny famonjena tsy nilana izany?...
Ka lasa misabaka ny \"ankizy noho ny fampianaranareo tahaka ny hoe \"ny ety an-tany tsy tahaka ny any an-danitra koh
... :)

Ny atao hoe fampianarana sandoka dia izay ambaran\'ny Tenin\'Andriamanitra momba izany... :)
Ianao izao no anontaniako : sady mpikaroka no manam-pahaizana no manam-pahalalàna... voavonjy va hianao? :lol:

Anananao antoka ve fa voavonjy ianao satria manam-pahaizana, manam-pahalalàna, manam-pahendrena? :wink:

Ary rehefa mandinika Soratra Masina dia mba diniho ifotony... fa ny vavaka nampianarin\'ny Tompo tsy vavaka mangataka ny itovian\'ny lanitra sy ny tany... fa mivavaka mba ho tanterahana ny [color]sitrapon\'Andriamanitra[/color] ety an-tany tahaka ny anatanterahana izany any an-danitra... fankatoavana ny sitrapon\'Andriamanitra tsara araka ny mahaIzy Azy no iorenan\'ny vavaka fahaefatra ao amin\'ny vavaka nampianarin\'ny Tompo nanao hoe : \"Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.\" Matio 6:10

Io mantsy ilay fahazaran-dratsy... tsy misy \"point\" sy \"virgule\" io vavaka io fa dia novana hoe, \"hatao anie ny sitraponao, ety an-tany \"ho\" tahaka ny any an-danitra\"... dia raisina am-bolony arak\'izay... aza ovana ny tenin\'Andriamanitra...

Aza maika ny hamariparitra sy hitsara izay sandoka sy tsy sandoka fa mbola handalo eo anoloan\'Izy Mpanjaka Lehibe, Jesosy Kristy, avokoa isika...
40. fijo ( 14/11/2008 22:50)
misy tokoa kristianina tsy mijery intsony ny fiainanan teo ry prime.

ny masina amiko,dia izay hiarahan'ny rehetra manaiky fa "masina"misy soratra tsy noraisina tao anaty baiboly,nefa dia fantara hoe evanjily ko.ary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084