Ö Rey Olona ah????

1. tenagasy ( 31/10/2008 10:03)
Mankamamy!

Aleoko tsy miteny intsony raha izao no aely @ gazety!!!

"" ... mpitrindroka ... ""
"Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin’ny tanana."
http://www.madagascar-tribune.com/Miha-mahantra-i-Madagasikara,9718.html

"" ... sotrom-bidim-piainana ... ""
" ... ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. "
http://www.madagascar-tribune.com/Manjakazaka,9716.html

Izay mba hany voavakiko anio ihany ireo an!!!

Sa sao dia izaho kosa no tea efa Tenagasitaloha???

Aoka marina eh!
Nefa raha hitsikera an!! :roll:

Mirary soa!
novalian'i niryna ny 07/11/2008 10:39
2. tenagasy ( 31/10/2008 10:05)
Mila mailo ny filoha Ravalomanana, fa misy olona mpanoro vohona ao akaikiny ao
3. booboo ( 31/10/2008 12:38)
ay ay ay :-D :-D
4. xxx ( 31/10/2008 13:27)
tenagasy:

Mankamamy!

Aleoko tsy miteny intsony raha izao no aely @ gazety!!!

"" ... mpitrindroka ... ""
"Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin’ny tanana."
http://www.madagascar-tribune.com/Miha-mahantra-i-Madagasikara,9718.html


sao dia mba diso tsipelina fotsiny, mihinam-bary aza misy latsaka

tenagasy:

"" ... sotrom-bidim-piainana ... ""
" ... ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. "
http://www.madagascar-tribune.com/Manjakazaka,9716.html


torak'izany , diso tsipelina
Tokony hiditra hiasa @ asa fanaovan-gazety angamba ianao hanao asa fanitsiana


5. tenagasy ( 31/10/2008 17:58)
Mankamamy!

xxx : misaotra nanoina ny resaka! Aza misaron-tava moa e!!!!

Tsy misy maha ratsy ny fanaovan-gazety na dia tsy dia iriko loatra aza izany.
Ary tsy fitiavana manatsikafona, saingy mba tafintohina ihany ny tena izay notsotsofina vao mba nahazo salan'isa fony tany antsekoly raha mahita ny toy izao.

Nieritreritra ihany koa aho hoe mba indro kely angamba!
Nefa: angaha moa tsy mandalo ambaratonga vitsivitsy ireny lahatsoratra ireny vao avoaka?
Izany hoe olona maromaro izany no ... ... ...
Amin'izay teny firy be izao?

Eny e! Volana imaso hono tsy mba kilema, mpamaky (mpankafy) ny gazety koa aho matoa mahita ireny.
Ny marina dia toy ireny ilay fomba fiteny novoizina tao ho ao, hany ka dia soratana ara-keviny ihany koa. Sa izaho ve hoy aho no tena efa Tenagasitaloha?
Minoa ahy ianareo fa manodidina ny telompolo taona eo na latsaka kely ny olona nanoratra an'io. ((Tsy mikendry olona iray aho fa vanimpotoana))

Nisy Rahalahy iray (un cousin) efa tratran'io: nipetraka tao aminay izy dia nanoratra tany @ Raiamandreniny, dia nampamakiany anay (raha mety hoy izy).
Te-hilaza izy hoe:
"... izany no anoratako ..."
dia izao no nanoratany azy:
" ...izany no androratako ..."

Mirary soa!
6. ikaretsaka ( 31/10/2008 18:48)
misy koa anie ary tsy azo afenina ilay karazana fifaninanana masina amin-dry zalahy mpamoaka gazety miseho isan'andro ireo e.... izay mahavoaka article betsaka ny gazety no mahazo kil kokoa! dia nefa mpanao gazety 1 no asaina misahana ny sehatra maro dia tsy manam-potoana hijerevany ny tsipeliny intsony ry zalahy e! raha @ 9 alina no ora farany hanoratana ny article ohatra dia latsaka fahefany vao mitontona any ny vaovao karazany 3 ohatra dia tsy maintsy hoe ady koropaka no anoratan-dry zalahy azy fa mimenomenona ny ary @ mise en page, ny ary @ fanaovana pirinty koa mandondona dia farany lasa tsirambina ilay ambaratongan'ny mpijery tsipelina fa isika mpamaky no miezaka maminany ny tiany lazaina..
7. tenagasy ( 31/10/2008 19:11)
Mankamamy!

Marina avokoa izany rehetra izany.
Fandrindràna tsy mahomby izany???

Ny maha onena fotsiny dia ity: isika afaka maminany tsy misy olana fa ho an'ireo zaza bodo sy mbola mianatra ka mamaky azy ireny???
Ahoana hoy isika no havalin'ny mpampianatra taranja malagasy raha toa ka midrikona ry zalahy any antsekoly hoe: toy izao no nanoratan'ny gazety azy?

Andeha moa mba hatao tena matianina tokoa amin'izay e!!!

Mirary soa!

8. ikaretsaka ( 31/10/2008 19:26)
dia @ izay fotoana izay no antony anasiana sokajiny toy ny any andafy ny gazety sy ny revio.
ohatran'ny ao Frantsa izao dia tsy ataon-dry zalahy referansy ilay gazety sy revio tsotsotra mpiseho andavanandro ireny fa ilay sokajy manao analyse ireny no jeren'ny any an-tsekoly...
L'observateur, l'economist , france soir...
toy izany koa ny any Bekintana , ny NYTimes sy ny LAtimes, Newsweek..no angalana referansy fa tsy ny Playboyz ohatra na tsy haiko aby
9. sitlo ( 31/10/2008 20:23)
O ry tenagasy a,

Aleo koa atao eto imaso imaso eto fa na ireo voasoratrao ireo koa aza mba be diso be. :P

Ny tiako tenenina, tsy hoe mangina fa mba tsy mahay koa, fa hoe, aiza ary izy no hianatra raha tsy nahay izy tany an-tsekoly. Tokony asaina miverina any amin'ny sekoly ambony ve izy, sa tokony alefa ho eny amin'ny anjery manontolo? Raha ilay voaloha, ianao ihany no nilaza fa efa ho 30 taona izy. Raha ilay faharoa, dia ho raisina daholo izany izao tsy mahay rehetra izao, dia ahoana ny ho farim-pahaizan'ilay ambaratonga ambony raha izany?
10. endrika01 ( 01/11/2008 06:54)
tenagasy:

Mankamamy!

Aleoko tsy miteny intsony raha izao no aely @ gazety!!!

"" ... mpitrindroka ... ""
"Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin'ny tanana."
http://www.madagascar-tribune.com/Miha-mahantra-i-Madagasikara,9718.html

"" ... sotrom-bidim-piainana ... ""
" ... ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. "
http://www.madagascar-tribune.com/Manjakazaka,9716.html

Izay mba hany voavakiko anio ihany ireo an!!!

Sa sao dia izaho kosa no tea efa Tenagasitaloha???

Aoka marina eh!
Nefa raha hitsikera an!! :roll:

Mirary soa!



11. sipagasy ( 01/11/2008 07:34)
ikaretsaka:

misy koa anie ary tsy azo afenina ilay karazana fifaninanana masina amin-dry zalahy mpamoaka gazety miseho isan'andro ireo e.... izay mahavoaka article betsaka ny gazety no mahazo kil kokoa! dia nefa mpanao gazety 1 no asaina misahana ny sehatra maro dia tsy manam-potoana hijerevany ny tsipeliny intsony ry zalahy e! raha @ 9 alina no ora farany hanoratana ny article ohatra dia latsaka fahefany vao mitontona any ny vaovao karazany 3 ohatra dia tsy maintsy hoe ady koropaka no anoratan-dry zalahy azy fa mimenomenona ny ary @ mise en page, ny ary @ fanaovana pirinty koa mandondona dia farany lasa tsirambina ilay ambaratongan'ny mpijery tsipelina fa isika mpamaky no miezaka maminany ny tiany lazaina..



Miarahaba

Hanamafisako ny tenik'i Ikaverou dia ity misy santiona mba tsidiho kely

http://www.purplecorner.com/2008/09/14/find-real-malagasy-life-who-is-faly-rajaonarison/


12. tsiambaratelo ( 01/11/2008 10:02)
tenagasy:
Mankamamy! Aleoko tsy miteny intsony raha izao no aely @ gazety!!! \"\" ... mpitrindroka ... \"\" \"Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin\'ny tanana.\" http://www.madagascar-tribune.com/Miha-mahantra-i-Madagasikara,9718.html \"\" ... sotrom-bidim-piainana ... \"\" \" ... ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. \" http://www.madagascar-tribune.com/Manjakazaka,9716.html Izay mba hany voavakiko anio ihany ireo an!!! Sa sao dia izaho kosa no tea efa Tenagasitaloha??? Aoka marina eh! Nefa raha hitsikera an!! :roll: Mirary soa!
Mihinam-bary aza misy latraka e,aiii misy latsaka e,angamba le namana nanao appareil dentaire de ny TSY lasa TRY ohatra izy te hiteny we TSY HITAKO i TSIAMBARATELO de lasa we Try hitako i triambaratelorefa miresaka mivantana tsy miseho izay,fa rehefa manoratra izy ireny vao miseho ny tsiambara telony:-P
13. tenagasy ( 01/11/2008 12:50)
Mankamamy!

Misaotra an'i SITLO!
Dia mba azonao ahitsy ary ve aho @izay diso hitanao e!
Efa natsidiko angamba etsy ambony hoe tsy nahay aho tany antsekoly, ary izany angamba no mety anisan'ny antony tsy nipendipendenako nanaovako gazety!

Misotra mialoha raha mazoto hanitsy ahy ianao!
Raha tsy izany kosa dia ... :roll: ...

Fmr: Raha ireo ohatra narosoko ireo kosa angamba @ maso sy saina tsy miangatra dia tsy hadisoana tsipelina e!

Mirary soa!
14. deratsiferana ( 01/11/2008 14:46)
Miarahaba taompoko !
Tsy hoe manana ho tantaraina betsaka aho fa mba sendra nitovy fijery taminareo.
Amiko aloha dia ny tsy fahaizana miteny andavanandro ihany no mahatonga ny fahadisoana eo am-panoratana.Isan'izany ny fampiasana teny frantsay eny anelanelan'ny fiteny isan'andro izay maro no tsy tsy mahalala intsony ny dikany amin'ny teny malagasy.
Mba hoe ho hagasiana indray ny fampianarana dia isika malagasy ihany no manakiana hoe ho bado ny ankizy;nefa iza tamin'ny firenena heverina ho mandroso ankehitriny no nampiasa teny vahiny hamandrosoany ny fireneny tany am-piandohana?
Hiverina kely aho.
Mba mariho anie r'ise fa rehefa teny vahiny no amin'ny gazety tsy misy tsipelina diso izany e!Fa ny teny gasy ahoana?
VALALAN'AMBOA ANGAMBA NO MARINA RY AKAMA
15. endrika01 ( 01/11/2008 16:36)
sipagasy:
ikaretsaka:
misy koa anie ary tsy azo afenina ilay karazana fifaninanana masina amin-dry zalahy mpamoaka gazety miseho isan\'andro ireo e.... izay mahavoaka article betsaka ny gazety no mahazo kil kokoa! dia nefa mpanao gazety 1 no asaina misahana ny sehatra maro dia tsy manam-potoana hijerevany ny tsipeliny intsony ry zalahy e! raha @ 9 alina no ora farany hanoratana ny article ohatra dia latsaka fahefany vao mitontona any ny vaovao karazany 3 ohatra dia tsy maintsy hoe ady koropaka no anoratan-dry zalahy azy fa mimenomenona ny ary @ mise en page, ny ary @ fanaovana pirinty koa mandondona dia farany lasa tsirambina ilay ambaratongan\'ny mpijery tsipelina fa isika mpamaky no miezaka maminany ny tiany lazaina..
Miarahaba Hanamafisako ny tenik\'i Ikaverou dia ity misy santiona mba tsidiho kely http://www.purplecorner.com/2008/09/14/find-real-malagasy-life-who-is-faly-rajaonarison/
Mbola lavitra ezaka ny eto Madagascar e ! :)
16. sipagasy ( 02/11/2008 08:02)
marina ngamba fa mety mbola ho lavitr'ezaka, fa raha omena ny akora rehetra ho entina miasa izy ireo dia hahatafavoaka zavatra tsara tokoa, fa ny antsika dia ny kely ananana no ahiratra aloha e!!!!, koa tsilovy rey ry reto raha tsy ampy jiro ny sasany fa tsy dia faly hifampitsikera eto fotsiny isika ann
17. xxx ( 02/11/2008 14:48)
2. Mpandefa : booboo [ Valio ] 31-10-2008 13:38:01
Lohateny : Re : Ö Rey Olona ah????
ay ay ay
:-D :-D
18. sakaizakely ( 02/11/2008 17:37)
miray hevitra amin'i tenagasy tanteraka

tsy hoe tsy tokony mitsikera satria tsy mahay koa, fa raha izay toetsaina izay no manjaka dia ho baranahany tanteraka ny fiainana

fa @ maha mpanao gazety izay nihofana amantaonany hanao izany asa izany dia tokony tsy hanankilema @ tsipelina na dia vonjivonjena maika aza ny fotoana.

Zavatra iray voalohany tokony ho hay ny tsipelina sy fandrindrankevitra @ fiteny amoahana lahatsoratra ho an'ny mpanao gazety. Raha mbola tsy maharaka izany dia tsy tokony azo omena anjara andraikitra @ famoahana lahatsoratra.

19. sitlo ( 04/11/2008 04:00)
Izay mhitsy. Aiza moa ny olona no tsy hiteny hoe piston?

Fa ny tiako hotenenina dia hoe: efa hita ary ilay olana dia ahoana ny vahaolana, sa zary lasa kaiana fotsiny?

tenagasy> izaho koa tsy bomba fa ireto no hitako:
tea -> tena (manamafy ny tenin\'ikaretsaka)
fitiavana manatsikafona -> fitiavana hanatsikafona
antsekoly -> an-tsekoly
Rahalahy sy Raiamandreny -> ireo aloha dia be mpanoratra mihitsy fa saingy toa tsy izao no nianaranay fa rahalahy sy ray aman-dreny, efa nolazaina izahay hoe rehefa (ifanarahana) lasa anarana ilay izy dia lasa mitambatra fa ilay fifanarahana no mbola tsy henoko. Ary tsy sora-dehibe fa sora-madinika foana, sa izaho no tara?
Te-hilaza -> tia hilaza
maha onena -> maha-onena
midrikona -> midrikina
hatao -> atao
sitlo -> penina :-D

deratsiferana> Io vaolazanao io mihitsy ialy izy. Raha vao tsy mahay teny vahiny ianao dia ohatra ireny faran\'izay kentrina ireny. Ohatra ny hoe ny vazaha no hividy an\'ilay gazety.
Fa ny tena mahagaga tokoa aloha dia ny gazety amin\'ny teny vahiny no malaza kokoa noho ny amin\'ny teny gasy eh. Vao hoe: ny feon-gazety, tonga dia: Midi Madagascar, Madagascar Tribune, L\'express de Mada, Les Nouvelles, Gazette de la grande Ile
Fa ny hoe:
Gazetiko, Lakroan\'i Madagasikara, Gazety Telonohorefy toa tsy dia manana ainga firy.
20. tenagasy ( 04/11/2008 09:58)
Mankamamy!

Mankasitraka an'i Sitlo! Mahafinaritra raha miady tsara toy izao hatrany ny hevitra!

Efa naniry ny hanitsy tena tokoa aho saingy tara kely!
OHATRA : antsekoly - maha onena - midrikona - te-hilaza; ireo nahitsinao ireo koa no heveriko hoe marina. Asa anefa!

Ireo natao sora-dehibe indray dia niniako natao satria tiako ho tsindriana sady tia hanoritra ny FANAJANA koa aho! (Ekena fa diso ara-pitsipika)

Ny hoe "raiamandreny " indray, efa voaresaka matetika teto angamba io, ary raha araka ny fanazavan'ilay olona nanitsy ahy momba an'io dia efa fanapahan-kevitra teo anivon'ny Akademia malagasy izy io. (Toa anao koa aho, mbola tsy nahita mivantana ilay fifanarahana)

Tsy miombon-kevitra aminao kosa aho amin'ny hoe: - fitiavana manatsikafona - hatao.
Asa, ahoana ny fahitan'ny namana miara-midinina rehetra azy?

Ankoatr'izay: ny hoe "tea" - ... sy ny maro hafa izay fahita matetika na aiza na aiza toy ny hoe "bomba" voasoratra etsy ambony; dia ireo angamba hoy aho ilay antsoina hoe tsipelina diso, ary raha ireo ihany dia tsy tohina ka nanatsikafona sy nanokatra ny dinika aho.

Hampazava azy tsara angamba dia ireto misy teny vitsivitsy fianakavian'iretsy atsikafoko iretsy:
Anjanmanal - Anjannaôtr - vandro - tsonjo - akandro - maanjo - amena (omena) - ... , sationany maimaika ihany ireo.

Sipagasy: tsy manao tsikera bontolo aho, tsy mpidohika be fahatany ihany koa, ary heveriko fa fandraisana anjara amin'ny fanarenana izay tsy mety izao. Ny erikerika hono no maha-tondradrano! (asa io raha marina indray)
Tsy hita moa fa dia eto no hany mba sahetra ahafahan'ny tena mba maneho ny hevitra kely aloha hatramin'izao: MISAOTRA ERAM-PO ERAN-TSAINA NY MPANDRAHARAHA AN'ITONY SEHATRA ITONY!

Sitlo! Ny sasany tany aminay indray nanao hoe: Tsitlo!
:-P ;-) :-D
Mankasitraka ny mpandray anjara rehetra!
Sao lava loatra ny lahatro!

Mirary soa!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1688