KARAPANONDRO GASY IHANY

1. Ralay ( 15/10/2008 08:48)
Mba manontany aho hoe raha very ny karapanondro ve dia voatery any amin'ilay toerana nanaovana azy ihany no anoloana azy sa mety na any @ ville hafa aza? oh: natao tany Fianarantsoa ilay CI dia soloina any Tamatave
novalian'i tywa68 ny 18/10/2008 07:56
2. ssendra ( 15/10/2008 09:36)
NY ahy aloha tamin'izany andro izany efa ho folo taona lasa izay...
tany antsirabe no nanao kara-panondro dia rehefa nanolo azy tsy naintsy nande tany fa mba efa niova kosa angamba izao ny systema.
3. tslem ( 15/10/2008 10:39)
Toa mety angamba satria tadidiko zokinay very karatra idray mandeha izay dia tsy tany @ firaisana nanaovany azy t@ voalohany no nanoloany azy fa tany @ toerana vao nifindràny.Ny fanamarinam-ponenana no toa mitondra an'ilay izy.
4. tywa68 ( 15/10/2008 10:46)
Ralay : tsory ny marina hoe wain be @ ilay ngoza be taloha d hoe very :-D :-D
5. booboo ( 15/10/2008 10:59)
hihihihihihihihi
6. fahamarinana ( 15/10/2008 11:01)
:arrow: ny fieritreretako azy toa mety rehefa manana ilay attestation amin'ny fokotany ipetrahanao.Tsy haiko ny filaza azy na io na tsia aloha.. (l)
7. Noue ( 15/10/2008 14:39)
Ralay:

Mba manontany aho hoe raha very ny karapanondro ve dia voatery any amin'ilay toerana nanaovana azy ihany no anoloana azy sa mety na any @ ville hafa aza? oh: natao tany Fianarantsoa ilay CI dia soloina any Tamatave
ny mba fantatro aloha dia raha hanolo CNI ianao dia mila maka taratasy misy ny adiresinao eeee ! dia eny @ birao ny fokontany no ahazahoana an'io aaaa milaza marina fa ao @ ity adiresy ity ianao no mipetraka
ka raha ohatra ianao ka mipetraka ao Tamatave dia tsy misy olana io na dia tany Fianarantsoa aza no nanaovana azy aaaaa ! fa mila an'io ttsy avy @ fokontany io fotsiny.


8. Noue ( 15/10/2008 14:41)
fahamarinana:

:arrow: ny fieritreretako azy toa mety rehefa manana ilay attestation amin'ny fokotany ipetrahanao.Tsy haiko ny filaza azy na io na tsia aloha.. (l)
tena marina io ka!


9. endrika01 ( 15/10/2008 15:22)
Ralay : tsory ny marina hoe wain be @ ilay ngoza be taloha d hoe very :-D :-D
Raha mba ahazahoana anle kelikely kosa ve? Manahirana le ngoda be fa voatery avalona 2 foana refa atsofoka am-paosy.Zany tokoa eo ihany,fa maninona raha tsy asiana havakavaka ?Ny any aty lavitra aty,refa 18taona no miakatra mitovy avy ny halehibeazany fa tsy misy tombo sy hala(eritreritra niserana ny ahy iny) :D
10. ni81 ( 15/10/2008 16:11)
Zany tokoa eo ihany,fa maninona raha tsy asiana havakavaka ?Ny any aty lavitra aty,refa 18taona no miakatra mitovy avy ny halehibeazany fa tsy misy tombo sy hala(eritreritra niserana ny ahy iny)
tsy hoe misy avakavaka fa ireo tsy mbola nahasolo ny azy no mbola manana ilay mivalona roa :)
11. ikaretsaka ( 15/10/2008 16:25)
Ralay:

Mba manontany aho hoe raha very ny karapanondro ve dia voatery any amin'ilay toerana nanaovana azy ihany no anoloana azy sa mety na any @ ville hafa aza? oh: natao tany Fianarantsoa ilay CI dia soloina any Tamatave

ny ahy aloha nety e..

natao tao Bira dia very dia nony nifindra tana dia tsy nanana certificat de residence Bira intsony dia nety fa tadidy fotsiny ny laharany sy ny daty nanomezana azy dia iny tsary miova
12. ssendra ( 15/10/2008 16:27)
tywa68:

Ralay : tsory ny marina hoe wain be @ ilay ngoza be taloha d hoe very :-D :-D

ny ahy ilay mbola ngoda be ny aty

:-D
13. ikaretsaka ( 15/10/2008 17:24)
ary izy tia an le ngodangoda ireny foana an :wink:
14. fahamarinana ( 15/10/2008 18:00)
ni81:
tsy hoe misy avakavaka fa ireo tsy mbola nahasolo ny azy no mbola manana ilay mivalona roa

:arrow:ary ny ahy aza tamin'izany tsy nivalona roa akory fa no plastifier_na dia tena komany be marina.. :D (l)
15. ssendra ( 15/10/2008 18:07)
ikaretsaka:

ary izy tia an le ngodangoda ireny foana an :wink:




ka ireny no tsara ko! pratik

:-D ny anao ngah efa kely???? :^) :^)
16. fahamarinana ( 15/10/2008 18:09)
:arrow: ié,efa voaova tamin'ny farany tany na ny pass aza fa namoaka ity pass vaovao ity ndray ry takaka dia tsy mety ntsony e.. :( (l)
17. ssendra ( 15/10/2008 18:18)
ny ahy ny paspaoro gasy tsary hita tsotry dia tsy mety mahavita vaovao mitsy
18. ni81 ( 15/10/2008 18:20)
ny ahy ny paspaoro gasy tsary hita tsotry dia tsy mety mahavita vaovao mitsy
efa vôzà zany ka inona no olana e!
19. fahamarinana ( 15/10/2008 18:23)
:arrow: f'anagah tsy manome ry zareo raha tsy eo ilay taloha ? dia ahoana no atao amin'izany ,ary raha andramana ao am ambassade dia tsorina fa very ka atao akory aza,hamorona ny tsy misy ve ? :( (l)
20. ni81 ( 15/10/2008 18:28)
f'anagah tsy manome ry zareo raha tsy eo ilay taloha ? dia ahoana no atao amin'izany ,ary raha andramana ao am ambassade dia tsorina fa very ka atao akory aza,hamorona ny tsy misy ve ?
toa afaka manome ny ambassade aty koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848