Dànsa évanzélika

41. tywa68 ( 10/10/2008 04:48)
Hoy Ikaretsaka
rehefa ry zareo no mihitsintsinjitra de dansa voanjo alika fa rehefa ny hafa de tromba sy hidiran'izao devoly devoly izao
zay zany :lol:
42. fijo ( 10/10/2008 20:58)
le voanjo ngamba hiraisana fa le alika mety milay le aty ko.asa nefa
43. ikaretsaka ( 10/10/2008 22:35)
samihafa ny vianjon'ika sy ny vandron'alika ka
44. rhanitra ( 12/10/2008 19:59)
Ny tena marina dia izao: tsiponina izay mahafinaritra ao @ baiboly mba hanamarinana izay fihetsika atao. Ary avy eo dia arahana ara-bakiteny ilay izy!!!.

Mahita ny eto amintsika aho raha raisina hoe mila manao dance evangelika. Dia mba jereo anie ireny "sekta" manao ireny raha tsy mampiomehy. Mihorakoraka sy mampandihy voXXXX ary indrindra ny batterie sy ny horakoraka sy ny siotsioka tsy hifankahitana.
Ka ny fanontaniana dia hoe fa ilay Rythme no handihizana sa ny tononkira sy ny ranom-bavaka ???. -Raha ny rythme mantsy dia tsy maninona na ny hiran'i jaojoby aza no alefa ao satria mila mandihy fotsiny dia hoe mila midera ny hilazana azy (ka na hira misy resaka cheri cheri sns... aza tsy maninona).
- Fa raha ny tononkira indray no handihizana dia tsy hisy ho vanona koa satria ahoana no hahenoanao ny tononkira nefa ny horakoraka sy ny sioka ary ny mandeha !!!
Ka moa ve tafita ny hafatr'Andriamanitra amin'ireny fandihizana sy fampandihizana vo... sy sitsioka aty amintsika ireny ??????????????

rijadolly>>>>>>>>Raha nisy fandihizana sy fihetsiketsehana aza t@ nataon'i Davida dia efa nisy fanavaozana izany taty aoriana satria efa tonga i Jesosy.
Mbola hamafisina fa t@ Testamenta Taloha dia niresaka mivantana t@ olombelona i Andriamanitra. Ka raha fandihizana no fomba firesaka taminy tamin'izany dia ekena.

Fa aty @ testamenta Vaovao t@ fahatongavan'ny Jesosy dia efa nisy ny fanavaozana. Mba efa nahita ve isika fa nandihidihy ny olona t@ Jesosy nitory teny na nampianatra ????.

Ka eo no mila fanavahana tsara hoe:
- ilay fomba taloha ve no arahana (ohatran'i Davida mila mandihy vao mahazo fitahiana) sa ilay efa isika voavidy t@ ran'i Jesosy ka efa nanaraka ny didiny sy ny fanaony (nahazo famela-keloka tamin'ny alalany).
- ny fomba taloha ve no arahana ka mila mbola manao fanatitra (zanak'ondry sns izay vonoina dia dorana) sa ilay isika efa vitan'i Jesosy indray mandeha ny sorona t@ nanolorany ny tenany ?!?!?!?
- ny fomba taloha ve no arahana izay tsy maintsy mandoa ampahafolo-karena sa isika efa tsy eo ambany lalana intsony fa efa ambany fahasoavana ?!?!?.

Raha nisy fandihizana t@ andron'i Davida dia efa niova izany ka fidirana @ efitra mangina ary miresaka @ rainao ao @ mangingina no anisany t@ andron'i Jesosy. Izany tsy manakana ny fanaovana ny fiarahan'ny besinimaro manao fotoam-pivavahana miaraka (raha misy roa na telo......dia eo ampovoany Aho)

45. deric ( 13/10/2008 07:44)
Tsy misy mandrara ny fomba taloha ry reto ao amin'ny baiboly ka hoe tsy ho azo atao intsony amin'izao andro izao raha ny amin'io dihy io no resahina.
mbola mampirisika ny hifaly sy hihoby izy ny voasoratra. ka isan'ny fanehoana ny fifaliana ny dihy.
misy miady hevitra hoe ny rythme ve sa ny tonon-kira no andihizana, aleo mandihy amin'ny hiran'i jaojoby: tsy maintsy misy rythme aloha vao afaka handihy, ka ny tonon-kira no hahaevanjelika sy hahaevanjelika azy.
raha ny horakoraka indray enge dia raisiko ho mbola isan'ny fanehoana ny haravoana avokoa izany na dia misy siosioka aza.
na evenjelika na tsia dia mitranga ireo fomba ireo rehefa tonga ilay hoe faly sy ravo; ka tsy misy mandrara ny horaka rehafa vantesina ny tonon-kira.
miverim-berina ao amin'ny salamo ny hoe "Midera an'i Jehovah amin'ny dihy" na ny test vaovao koa aza mbola manentana ny hifalina sy ny hihobiana.
46. tywa68 ( 13/10/2008 08:53)
deric : tena tsy mandrara anao hanao zipo fotsy hampiseho an'ilay hoe ravo2 :lol: zah anisan'ilay mitehaka sy midoladola :lol:
47. ikaretsaka ( 13/10/2008 14:50)
zay manko...
de tsy misy mandrara vevavy manao pataloha sy minizipo fohy kely koa ao :^) :^)
48. fijo ( 15/10/2008 20:56)
ary raha miverina toa an'i adama sy eva mihitsy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0618