Hatraiza ?
1. Noue
(
26/09/2008 06:43)
Miarahaba,
Fanontaniana mba manitikitika ny saiko ity.
Hatraiza ny famelana ? ohtra t@ Tompokolahy JP saika nisy namono iny , vitan'i Tompokolahy ny namela an'iny olona iny t@ ilay olona saika namonoany azy.
Fa isika kosa ? hatraiza (izany hoe ny degré angamba no tena azo hilazana azy) ny famelan-keloka vitantsika ?
ohatra izao: i x dia nampisaraka mpivady iray , na hoe i y naka ny vadin'i z , dia tena tafasaraka mahintsiny ilay mpivady.
ohatra koa ity: namosavin'i x i y , eny na dia hoe sitrana soamantsara aza avy eo! vitan'ny olona ve ny mamela tsy misy manarangarana ?
marina fa hoe mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka t@ nay, saingy raha toa ka tena heloka faran'izay mafy dia ahoana ? vita ve izany ?

novalian'i fijo ny 01/10/2008 20:22
2. Mandefitra
(
26/09/2008 06:50)
Raha @ mahaolombelona tsotra zao dia ho sarotra tokoa ny hamela heloka fotsiny @ zao indrindra fa nihatra aman'aina mihitsy ilay izy.
Fa rehefa mibanjina ny hazo fijalina'i Jesosy Kristy, dia mahatsiaro f'Izy aza tsy nanantsiny nanaiky hivesatra ny fahotantsika rehetra mba hamonjena antsika, koa dia tokony hamela heloka toy izany koa isika, na toy inona toy inona haben'ny heloka, kely zany raha oharina @ nentin'i Kristy.

3. xxx
(
26/09/2008 07:24)
Marina ny an'ny Mandefitra, raha kristinina ary miaina tanteraka ny tenin'Andriamanitra de mamela heloka foana na inona na inona izany! Raha mitana heloka, de tsy ho voavela koa ny helokao eo anatrehan'Andriamanitra satria efa fantatra fa tsy misy na dia iray aza marina akory! Ny dégré ny famelana de hoe "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao".
4. arialy
(
26/09/2008 07:25)
ngah refa miezaka ny manadino ny ratsy nataon'ny oul kosa ve tsy efa mamela eloka e? :roll: satria am maha oul manko toa henjana iany ny tsy ho prudent am zavatra efa nahavoa.
5. ni81
(
26/09/2008 07:30)
Raha ny tokony ho izy dia rehefa mibaboka ilay olona dia avela ny fahadisoany araka ny ohabolana malagasy manao hoe: "ny heloka ibabohana hono mody rariny".
6. ni81
(
26/09/2008 08:06)
Raha ny tokony ho izy dia rehefa mibaboka ilay olona dia avela ny fahadisoany araka ny ohabolana malagasy manao hoe: "ny heloka ibabohana hono mody rariny".kanefa kosa misy olona mody mibaboka? fa any ambadika dia mbola ataony foana ilay zavatra nibabohany iny ka mankaleo ny olona.
7. Noue
(
26/09/2008 09:12)
Ilay izy manko dia izao eeeee! niresaka t@ namako aho ary mafy ny zavatra nahazo azy teo @ fiainany! ny namany tena akaiky azy no nanao zavatra faran'izay ratsy taminy! ka nilaza izy fa mamela azy satria @ maha-kristiana azy ! saingy kosa hoy izy , marina fa mamela aho fa tsy ho hadinoko mandra-pahafatiko ny zavatra nataony ahy! dia hoy aho hoe tena namela azy tokoa ve izy ?*
ny famelana tiako lazaina eto dia famelana manarangarana ve izany? raha lazaina hoe mamela aho fa tsy ho hadino mandra-paha-faty????
ny famelana tiako lazaina eto dia famelana manarangarana ve izany? raha lazaina hoe mamela aho fa tsy ho hadino mandra-paha-faty????
8. booboo
(
26/09/2008 10:54)
Misy ve izany fanadinoina izany ? hu...tsy mino loatra aho. Tsy manadino fa kosa rehefa mamela dia efa nihoitra ilay hatezerena sy ny lolom-po t@ ilay raha...
9. ni81
(
26/09/2008 10:59)
Misy ve izany fanadinoina izany ? hu...tsy mino loatra aho. Tsy manadino fa kosa rehefa mamela dia efa nihoitra ilay hatezerena sy ny lolom-po t@ ilay raha...ka ilay izy ange toy ny fery e, ary izay no tena sarotra @ izy io, nanolatra, ary ilay holatra mijanona eo foana mandra-pahafaty fa saingy kosa tsy misy fanaintainana intsony.
10. fahamarinana
(
26/09/2008 11:14)
:arrow: ndraindray mbola manaintaina rehefa iny ratra iny no mbola goahana kouh...zà manokana aloha mety hamela ihany fa tsy hanadino.Ho fitandremako ny tenako no tsy hanadinovako azy ... :( (l)
11. ni81
(
26/09/2008 11:27)
ndraindray mbola manaintaina rehefa iny ratra iny no mbola goahana kouh...zà manokana aloha mety hamela ihany fa tsy hanadino.Ho fitandremako ny tenako no tsy hanadinovako azy ...marina mihitsy fa raha goahana dia marary indray. Dia tsy kitihana izany fa jeren'ny maso fotsiny rehefa sendra mitamberina. Fa kosa manana fiadanam-po rehefa navela ilay izy. :)
12. Rovampitia
(
26/09/2008 11:51)
Mamelà amin'ny fonao rehetra ary aza atao tratran'io masoandro mody io akory ny hatezerana! Tsy haiko na za zany no tsy norme fa ny ahy tsy misy fihatsarambelatsihy izany ny fiainana ka, rehefa mamela de zay, hadinoiko tsy rarahiko fa tena fafaiko ao an-tsaiko any fa tsy izany anareo izany hoe isaky ny mihetsika ve de tadidy! sshhhhhhhh aleo ny lasa omban'ny lasa any fa hankarary fo @ izany!
13. arialy
(
26/09/2008 11:57)
marina ny an'i n8i fa le izy toy ny fery, refa tsy manaitaina vao adino, nefa arakaraky ny fiatraikany sy ny importance-ny no anadinoina azy, lainga b zany
olona tafitohina mafy izany ka hoe hamela vetivety na de mivavaka be toy inona aza, am maha olombelona io :(
fa avy eo mety samy manana ny toetrany
olona tafitohina mafy izany ka hoe hamela vetivety na de mivavaka be toy inona aza, am maha olombelona io :(
fa avy eo mety samy manana ny toetrany
14. ni81
(
26/09/2008 12:02)
Mamelà amin'ny fonao rehetra ary aza atao tratran'io masoandro mody io akory ny hatezerana! Tsy haiko na za zany no tsy norme fa ny ahy tsy misy fihatsarambelatsihy izany ny fiainana ka, rehefa mamela de zay, hadinoiko tsy rarahiko fa tena fafaiko ao an-tsaiko any fa tsy izany anareo izany hoe isaky ny mihetsika ve de tadidy! sshhhhhhhh aleo ny lasa omban'ny lasa any fa hankarary fo @ izany!marina ny teninao fa indraindray ange ilay olona navelanao no mbola somary mampanaintaina ny ratra nentinao e!
15. bor2lais
(
26/09/2008 13:48)
Itovizako hevitra ireo izay nilaza fa
famelana = fanadinoina
Ilay famelana mantsy azo raisina ho toy fanafody mahasitrana ny tena ! Voalaza fa misy fery anaty ao, ka raha te-ho sitrana ianao dia ny fanadinoina no tsara indrindra : mba hananana fiadanana anaty.
Averiko indray (satria efa nisy fotoana niresahiko an\'io) fa tsy vitan\'ny herin\'ny tena samy irery izany (izay no mahatonga azy ho sarotra) fa tsy maintsy mangataka ny fanampian\'Andriamanitra raha Kristiana ianao : toy ny fivavahana te-ho sitrana.
Fehiny : amiko dia aretina io tsy famelana io ka mety hanimba ny fahasalamana ...

16. booboo
(
26/09/2008 13:58)
Marina fa eo ny toetra @ maha olombelona fa na izany aza ataoko hoe manana tombony isika manana an'i Jesoa ( ho an'ny kristiana ) hampianatra, hampivoatra ho @ tsara kokoa sns @ fomba samihafa hahay sy hiaina tanteraka ny dikan'ny hoe " mamela heloka " na terrible beee tahaka ny inona aza no nanjo/manjo.
17. ni81
(
26/09/2008 14:03)
Marina fa eo ny toetra @ maha olombelona fa na izany aza ataoko hoe manana tombony isika manana an'i Jesoa ( ho an'ny kristiana ) hampianatra, hampivoatra ho @ tsara kokoa sns @ fomba samihafa hahay sy hiaina tanteraka ny dikan'ny hoe " mamela heloka " na terrible beee tahaka ny inona aza no nanjo/manjo.io aloha dia tena zava-marina e! ary izay no nilazako tery ambony tery hoe: manana fiadanam-po rehefa navela ilay heloka
18. prime
(
26/09/2008 14:08)
Zavatsarotra ho an'ny olombelona ny famelan-keloka, ary mora am-pitenenana tokoa fa rehefa mihatra amin'ny tena dia sarotra tanterahana... itoviako hevitra izay lazain'ny namana rehetra fa Jesosy Kristy irery no nahazaka ny heloky ny hafa ka nahavita namela heloka araka ny didin'Andriamanitra... ary ilay didim-pitiavana rahateo dia mbola Izy ihany koa no naneho izany tamin'ny teny sy ny asa ary ny natao rehetra...
Ka raha ny hevitro dia ny firaisana sy ny fiombonana tanteraka amin'i Jesosy ihany no ahaizana mamela heloka...
Nisy fanoharana iray izay mikasika ny hoe raha nanota im-7 taminao ny rahalahinao dia impiry na ahoana no tokony hifamelana heloka... voalazan'i Kristy ao ny tsiambaratelo rehetra... nefa na izany aza hoy ny Mpitandrina iray izay dia ny rahalahy no nambara tamin'iny ary dia tena sarotra tokoa ny namela heloka azy, ka maika va tsy ho sarotra ny hamela heloka olona tsy iray rà amin'ny tena akory?!!...
Nefa dia ho amin'izany indrindra no nahatongavan'i Kristy ka na dia sarotra aza dia nihatra tamin'ny namoizany ny ainy mihitsy teo amin'ny hazofijaliana... ary eo no tena mahasarotra azy, fa raha tsy miray amin'i Kristy satria mety hihafara hatramin'ny aina ilay izy... fa ilay olona nanao "ratsy" tsy voatery hifona na hiverina aminao vao mamela heloka fa na mbola tezitra sy mifofo ny ainao aza izy dia efa nanarin'Andriamanitra ny mpino ny hamela heloka toy ny nataon'i Kristy...

19. Noue
(
26/09/2008 15:52)
ni81:eo indrindra isika zao! mba @ fomba ahoana no hilazana fa tena famelana no natao nefa io holatra io miraikitra aminao mandrakizay????
ka ilay izy ange toy ny fery e, ary izay no tena sarotra @ izy io, nanolatra, ary ilay holatra mijanona eo foana mandra-pahafaty fa saingy kosa tsy misy fanaintainana intsony.
20. Noue
(
26/09/2008 15:57)
prime:ka io anie no nolazainy eeee! @ maha kristiana ahy hoy izy dia mamela aho saingy tsy ho hadinoko mandrapahafatiko ny zavatra nataony tamiko.
Ka raha ny hevitro dia ny firaisana sy ny fiombonana tanteraka amin'i Jesosy ihany no ahaizana mamela heloka...
dia io no nanitikitika ny saiko hoe raha tsy hadino mandrapahafaty zany ve midika hoe tena namela marina ?
arakin'ny voalaza teo aloha hoe nisy holatra t@ ilay fery ka @ fomba ahoana no hanadinoana an'izany????