Hatraiza ?

21. ni81 ( 26/09/2008 16:10)
Azy sy Andriamanitra no sisa rehefa tsy mamela izy izany!
22. ikaretsaka ( 26/09/2008 16:40)
misy mamela fa tsy manadino an
forgive never forget hono
23. xxx ( 26/09/2008 16:55)
ikaretsaka:

misy mamela fa tsy manadino an
forgive never forget hono

marina rehefa ratsy rehetra tsy hadino, ny mamela aza mlampisalasala indrindra fa olona fopla dray dray dray

24. cutie ( 26/09/2008 21:29)
refa tia namana de vita ny mamela refa tsy tia de sady tsy mamela no tsy manadino :-D
25. xxx ( 26/09/2008 21:38)
cutie:

refa tia namana de vita ny mamela refa tsy tia de sady tsy mamela no tsy manadino :-D


ka raha namana notiavina anefa namadika anao otran'ny ireny mpamosavy malemy ireny kosa dia tsy mamela mihintsy no tsy hadino an!


:-D
26. cutie ( 26/09/2008 21:40)
jereo aza izy zany fa efa we "notiavina" :-D :-D :-D :-D
27. cutie ( 26/09/2008 21:42)
"fitiavana ihany hono maharava ny ratsy rehetra" :-D
28. ratonga ( 26/09/2008 22:41)
zany tokoamo mo izy io :-D :-D :-D
29. rakaroka ( 26/09/2008 23:10)
'za indray :roll: :-w :-w :-$ dia tsy mamela ny heloky ny olona tsy mendrika izany! Ary tena marina io. 'Ntsssss 8O 8O :-w :-w koa raha tsy inn koa hisy rano-raraka tsy azo raofina izany :roll: :roll: Efa misy "éponge" 'zao.. Ny ratsy atao amiko raha avec "conscience" no nanaovana azy, dia ho airingiriko mihitsy hoe "why", Raha tsy avec conscience, dia tokony mbô ho tsapan'ilay olona aloha wé "What deep" ny tsy mety ataony, tsapany v hoe tsy nety, fa raha mivela ftsn dia dia tsy "bénefique loatra ilay izy , tsy nisy lesona notsoahina akory! :wink:
30. ratonga ( 26/09/2008 23:20)
tsy mbola ampy fôna ve ny lesona nénarana hatramizay ry rakaroka a!!! :-D :-D :-D
31. tywa68 ( 27/09/2008 13:33)
Noue : efa betsaka ireo valiny ireo milaza fa sarotra ny manadino, d eo @ilay fotoana hanadinoana azy iny no maha-samihafa antsika !
Ao ny mora manadino satria ALZHEIMER d aoka fotsiny, tsy misy akory ny hoe nanao an'izao ka mahasosotra ahy i ranona ... fa ho an'olona milaza mamela heloka, d midika zay hoe, tsy marary fo @izany intsony izy fa nahay nanamboatra saina hoe tsy ahoako intsony ry olona ry sy ny nataony ! Fa mety tsy te-hifankahita aminy intsony aloha e (mba tsy hiverimberenana ilay sovenira nanafitohina :°))

ratonga :lol:
32. rakaroka ( 27/09/2008 20:54)
ratonga:

tsy mbola ampy fôna ve ny lesona nénarana hatramizay ry rakaroka a!!! :-D :-D :-D

Iza aza 'zany tapi-pahalalàna izany ?
Izay anie Ratonga no mampatevin-koditra ny mpanota. Vonoana amin'ny gaoma mora foana ny tsy nety. Aty misy ny antsoina "tolérance zérô!"Mihitsihitsy tsara mihitsy rehefa tratran'izany!
:-D :-D :-D
33. rijadolly ( 28/09/2008 11:47)
Nataoko ihany ny tsy hamaly ity dinika ity fa namaky fotsiny noho ny hevitra feno dia feno sy lesona maro azo tsoahina tao anatiny hevitry ny namana maro,fa ny zavatra tsy haritro sy tiako hamafisina dia ny hevitry Prime izay efa nitsidika sy cutie miaraka an\'le :-D :-D .
ny hamafisoko hoy aho dia zao:raha tena hanadino na hamela tanteraka ilay ol nanao ratsy taminao ianao dia ny fambolem-pitiavana amin\'ilay olona.Koa ra mbola tsy mitsimoka io dia aza manantena izany heo namela eloka ilay olona ianao.MATIO 5:38-48 38 Efa renareo fa voalaza hoe: \" Maso solon\'ny maso, ary nify solon\'ny nify\" (Eks.21.24).39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.40 Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.43 Efa renareo fa voalaza hoe: \" Tiava ny namanao\" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an\'izay manenjika anareo,45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin\'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin\'ny marina sy ny tsy marina.46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?48 Koa amin\'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan\'ny Rainareo Izay any an-danitra.

Sarotra araka ny tenin\'prime a!
Noue:
eo indrindra isika zao! mba @ fomba ahoana no hilazana fa tena famelana no natao nefa io holatra io miraikitra aminao mandrakizay????

Indramiko ndray ny hevitry
Bordlais:
Itovizako hevitra ireo izay nilaza fa
famelana = fanadinoina
Ilay famelana mantsy azo raisina ho toy fanafody mahasitrana ny tena ! Voalaza fa misy fery anaty ao, ka raha te-ho sitrana ianao dia ny fanadinoina no tsara indrindra : mba hananana fiadanana anaty.
Averiko indray (satria efa nisy fotoana niresahiko an\'io) fa tsy vitan\'ny herin\'ny tena samy irery izany (izay no mahatonga azy ho sarotra) fa tsy maintsy mangataka ny fanampian\'Andriamanitra raha Kristiana ianao : toy ny fivavahana te-ho sitrana.
Fehiny : amiko dia aretina io tsy famelana io ka mety hanimba ny fahasalamana ...
izay namafisin\'
boooboo:
Marina fa eo ny toetra @ maha olombelona fa na izany aza ataoko hoe manana tombony isika manana an\'i Jesoa ( ho an\'ny kristiana ) hampianatra, hampivoatra ho @ tsara kokoa sns @ fomba samihafa hahay sy hiaina tanteraka ny dikan\'ny hoe \" mamela heloka \" na terrible beee tahaka ny inona aza no nanjo/manjo.
:arrow: JESOA KRISTY :arrow: FITIAVANA :arrow: FAMELANA
34. coopsal ( 30/09/2008 11:54)
Itantarako izay iainako aloha ianareo mialoha ny hanehoako eto izay kely fantatro :
1. Nisy ramatoabe mpangataka izay nitoriako teny, nomeko vola matetika, na nilaza izy fa tsy manam-bola ka mety horoahin'ny tompon-trano, nanila fanafody dia novidiako izany. Indray mandeha hoy izy tamiko hoe hiverina any (ts tadidiko le toerana) hono izy 4 mianaka kely fa tsy mahavelona azy eto Tanà. Dia nomeko vola 2 fois ny saran-dalana taxi-brousse mankany izy miampy vatsy hafa sy bodofotsy sns. Ny Alatsinainin'io niazakazaka toa sepotsepotra izy nanatona ahy nilaza fa nisy nangaro-paosy hono dia tsy afaka nandeha indray izy. Nivavaka aho hoe inona no hataoko Tompo, dia ny finoako an'i Jesosy no nanekeko hanome azy vola latsaka kely fotsiny an'ilay nomeko azy ny sabotsy lasa teo (sady nisy rahateo tany amiko dia ninoako fa natao ho azy izany vola izany). Dia ts hitako elaela izy! Hoy ilay ramatoa izay hoe "ery @ zaridaina ery ry bebe!". Ny maha olona ahy dia nisy fahasorenana sy hambom-po hoe "ko raha tsy heverin'iny rafotsibe iny fa doma tokoa aho ko!", fa avy eo mbola nampian'ny eritreritra hoe iretsy mpitazana iretsy koa izao nihevitra ahy ho doma be!! Fa rehefa nitodika tamin'i Kristy aho dia izao no fampianaran'i Kristy (rehefa fintiniko ilay ao @ matio 5) : meteza hambakaina! Dia nanaiky aho. Tsy nosainiko izay hoe misy helok'olona tokony havela anie tao, fa ilay ramatoabe aza nampalahelo ahy satria izy efa antitra kanefa toa tsy hainy akory ity ataony. Tena tsy afaka ny nitana alahelo ho an'io ramatoabe io akory aho satria nino an'i Jesosy, ary nandray ny tenin'i Jesosy ho sérieux rehefa miteny izy fa izaho dia tokony hanaiky ambakaina (t@ izany).
Izay mino an'i Jesosy @ fony dia mahavita mamela ary na dia malahelo aza dia tsy alahelo ny tena fa alahelo fitiavana an'ilay olona
35. coopsal ( 30/09/2008 12:04)
2. Matetika rehefa tezitra amin'olona aho (ary ny fahatezerako midika fa melohiko izy noho izay nataony), dia tsaroako (satria inoako fa ampitsiahivin'ny Fanahy Masina araka ny Jaona 14:26[b]) izao tenin'i Jesosy izao : "izay tezitra amin'ny rahalahiny dia mitovy amin'ny mpamono olona"[[b]Matio 5:21,22]. Ny zavatra mibahana izany dia hoe na marina aho na diso, raha vao tezitra amin'ny rahalahiko aho dia meloka ka mialoha ny hanohizako ny resaka dia mila voavela heloka aloha aho! Dia mivavaka aho mitaraina amin' Andriamanitra mba hahatsapako mihitsy hoe voavela heloka aho. Dia izao no zavatra ataon' Andriamanitra, mampiseho amiko ireo fahotako rehetra Izy, rehefa eo vao tena mahatsiaro kokoa mila famelan-keloka aho, avy eo mampiseho amiko ny anton'ny nahatongavan'i Jesosy taty ambonin'ny tany Izy : ny hilanja ny vokatry ny heloka rehetra, koa na izaho na iza na iza dia mahazo famelan-keloka satria efa noraisin'i Kristy izany. Tahaka ny inona ny mampitony ny foko amin'izany hoy ianareo, ka tsy ananako intsony alahelo (izany hoe sady namela heloka ilay olona aho no mitady fatratra mba ho fantany fa voavela heloka koa izy.
Amin'izay, tsy mipetraka mihitsy ny hoe : efa in-3 ianao izay no namerina izany fahadisoana izany navelako, fa tsy rariny intsony izao ... Fa ny heloka izay navela dia toy ny hoe tsy naninona mihitsy ilay olona.
36. coopsal ( 30/09/2008 12:13)
3. [Jaona 8] : Indray mandeha raha niampanga vehivavy noho ny fahotany ny jiosy teo anatrehan'i Jesosy, dia izao no nataon'i Jesosy : nanoratsoratra teo amin'ny tany Izy... Tsy tohizako ny tantara fa afaka vakianao, fa ankehitriny raha misy olona mi-considérer an'i Jesosy ho Tompo marina ka hany tokony henoin-teny, dia hitondra mandrakariva eo amiNy (@ alalan'ny vavaka) izay fahatezerany amin'ny olona hitany nanao ny tsy nety, na taminy na t@ hafa (izany hoe nahatezitra na nampalahelo azy ka hahatenenany hoe : tsy rariny). Ary azoko antoka fa mbola tahaka io voasoratra tao @ Jaona 8 io no hataon'i Jesosy : hanoratsoratra ao am-pon'ilay mivavaka Izy, ary ny zavatra hosorataNy dia ny fahotan'io olona io. Ka raha mihizingizina @ alahelony io olona io dia hamerina izao teny izao Jesosy hoe : "raha tsy nanota ianao dia torahy vato izy!".
Vao tato ho ato (ary tsapako hatrizay nitokanako trano niaraka t@ vadiko), fa noho ny fiainana niainany (sy iainan'ireo vehivavy rehetra eto amin'izao tontolo izao), dia sarotra be ho azy (ataoko mihitsy hoe impossible) ny hanaiky ahy amin'ny maha lahy lohany ahy. Malahelo aho matetika amin'izany ary indraindray mahatafateny maharary azy mihitsy! Fa rehefa mivavaka aho dia averin'i Jesosy amiko fa na izaho aza, izay isan'ny Fiangonana (Fiangonana vadin'i Kristy) dia tsy mbola mahay manaiky tanteraka an'i Kristy Lohan'ny Fiangonana, koa mialoha ny zava-drehetra dia aoka aho hahavita manaiky tsara an'i Kristy amin'ny zava-drehetra, dia ho haiko avy eo ny hanala ny sombin-kazo eo imason'ilay vadiko (izay namboariNy tahaka ny endriko rahateo).
37. coopsal ( 30/09/2008 12:27)
4. Indray mandeha raha nasain'olona hisakafo tany an-tranony Jesosy dia nisy vehivavy mpivaro-tena nitomany teo @ tongony sady namafa an'izany tamin'ny volon-dohany. Sorena ilay razoky nampiantrano ka nanao tao am-pony hoe : "tena tsy mpaminany kay ilay rangahy ity satria raha fantany fa cox io sipa io dia ho tsy nanaiky izy". Mpaminany nefa Jesosy ka nahay naminany ny tao am-pony. Tsy ni-style Jesosy hoe "zah mpaminany ka haiko fa izao no eritreretinao", fa natoron'i Jesosy azy ny atao hoe voavela heloka : Izay voavela heloka betsaka dia manana fitiavana betsaka kokoa!
Ary inoako izany, fa izay nahatsapa tena fa voavela heloka goavana no afaka hamela heloka goavana.
Tsaroako fahiny ny fanenjehako an'ireny k7 sy cd pirate ireny, mba niombom-peo tamin'ireo mpanakanto mihira mitaraina aho noho ny tsifanajana ny zon'izy ireo. Fa rehefa nino an'i Jesosy aho dia nasehoNy ahy mibaribary ny haben'ny halatra efa nataoko (piratage informatique iainako @ logiciel cracké rehetra), ary nahita aho fa ngamba ny valeur-ny dia amina 50aine de millions. Ka mbola ho sahiko ve ny tsy hamela helok'olona nangalatra tamiko valeur latsak'izay? ohatra hoe 49 millions, na 50 millions aza e?
Ohatra iny, fa fantatro fa be lavitra ny efa navelan' Andriamanitra tamiko noho ny hazo fijalian'i Kristy, ary na oviana na oviana, dia kely lavitra noho izany izay ataon'olona amiko ka tsy maintsy havelako. Fa izay mino an'i Kristy amin'ny fo dia afaka hahafantatra tsara izay navelan' Andriamanitra taminy mba hanekeny hamela ny hafa.
38. coopsal ( 30/09/2008 12:37)
5. Mahafantatra vehivavy iray aho (renim-pianakaviana izy io), malaza be vava sy mpiady aman'olona, kristiana izy an. Hoy izy hoe "izaho rehefa mivavaka manao an'iny Rainay izay any an-danitra iny dia tsy mahavita manohy rehefa tonga eo amin'ny hoe mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay".
Tena raisiny ho sérieux zany ilay vavaka fa tsy tsianjery matoa tsy sahiny tononina akory ao am-pony izany. Ary na iza na iza mino marina dia ho bloqué eo amin'io point iray io farafaharatsiny! Satria raha ny famelàn'ny olona ny heloky ny namany no hamelàn' Andriamanitra ny helony dia milaza aminareo aho fa hisy heloka tsy ho voavela mihitsy. Ny heloka sasany lazaina hoe voavela fa mbola io misoratra eo daholo ihany!! Ka rehefa tonga ny fotoana hisehoan'ny zavatra rehetra (efa tsy ao anatin'ny nofo aman-drà intsony ny fanahy), dia hipetraka eo mandrakizay izany ilay hoe "nijangajanga tao am-po tamin'i ... (dia misy lisitra vehivavy aman-jatony ao" (ohatra iny). Satria izaho ve hamela anao raha nijangajanga t@ vadiko ianao? (miteny araka ny fahafahan'ny olona aho eto).
Tsia, tsy tsy possible ho voavela heloka tanteraka aho raha toa ka iny "vavaka nampianarin'ny Tompo iny no tanterahina" ... hitohy
39. coopsal ( 30/09/2008 12:37)
5. Mahafantatra vehivavy iray aho (renim-pianakaviana izy io), malaza be vava sy mpiady aman'olona, kristiana izy an. Hoy izy hoe "izaho rehefa mivavaka manao an'iny Rainay izay any an-danitra iny dia tsy mahavita manohy rehefa tonga eo amin'ny hoe mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay".
Tena raisiny ho sérieux zany ilay vavaka fa tsy tsianjery matoa tsy sahiny tononina akory ao am-pony izany. Ary na iza na iza mino marina dia ho bloqué eo amin'io point iray io farafaharatsiny! Satria raha ny famelàn'ny olona ny heloky ny namany no hamelàn' Andriamanitra ny helony dia milaza aminareo aho fa hisy heloka tsy ho voavela mihitsy. Ny heloka sasany lazaina hoe voavela fa mbola io misoratra eo daholo ihany!! Ka rehefa tonga ny fotoana hisehoan'ny zavatra rehetra (efa tsy ao anatin'ny nofo aman-drà intsony ny fanahy), dia hipetraka eo mandrakizay izany ilay hoe "nijangajanga tao am-po tamin'i ... (dia misy lisitra vehivavy aman-jatony ao" (ohatra iny). Satria izaho ve hamela anao raha nijangajanga t@ vadiko ianao? (miteny araka ny fahafahan'ny olona aho eto).
Tsia, tsy tsy possible ho voavela heloka tanteraka aho raha toa ka iny "vavaka nampianarin'ny Tompo iny no tanterahina" ... hitohy
40. coopsal ( 30/09/2008 12:48)
6. Ao @ [Matio 18:23-35] no isan'ny tena hanehoan'i Jesosy ny ami'ny famelan-keloka :
1- Ny Mpanjàka(n'ny mpanjàka, izany hoe Andriamanitra) aloha no efa namela ny helokao rehetra, izay vao manana hery ianao hamelàna ny heloky ny hafa.
2- Na toy ny ahoana no iheveranao fa haben'ny helok'izay nanota taminao, izay fahotanao tamin' Andriamanitra lehibe lavitra. Toitoy izao ilay izy : ny trosanao @Andriamanitra dia manana valeur na karamana mpiasa mandritra ny 100 taona, ny trosan'ilay namanao aminao dia manana valeur ny karamana mpiasa 1 andro.

Koa izay mahafantatra ao am-po fa ny fahotany tamin' Andriamanitra be lavitra noho izay nataon'ilay namany taminy, kanefa izy dia navelan' Andriamanitra daholo na izay efa lasa na izay mety mbola misy sy hisy! dia afaka hamela amin'ny fotoana rehetra ny heloka rehetra izay ataon'ny namany aminy.
Fa izao no fampitandreman'i Jesosy amin'io tantara io: ianao dia efa navelan' Andriamanitra 100% ny helokao rehetra, ka raha toa ianao tsy mamela izay fahadisoana nataon'ny namanao anao (izay azo antoka fa keeeely lavitra noho ny anao teo anatrehan' Andriamanitra), dia higadra any @ afobe ianao mandra-pandoanao ny trosa, dia eritrereto anie e! Raha izao eto an-tany izao ianao no ts mahavoaloha ny trosa, mety rahoviana ianao no hahaloa trosa any @ afobe? Atoan'ny olona gadra ahoana no hanefa trosa raha toa ka afaka niasa aza izy tsy nahefa izany? Izany no atao hoe mandrakizay.
Izany no itenenan'i Jesosy hoe "miambena ka mivavaha, mba tsy handosiranareo @ andro ririnina na ny sabata", sy hoe
"Aza atao tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao" ... fa ny andro ririnina dia ny fotoan-tsarotra tahaka ny eo am-pialana aina, ny andro sabata dia ny any @ fitsaharana mandrakizay, ary ny masoandro milentika dia ny fahafatesana!
Mivavaha mba hahatsiarovanareo mandrakariva ilay namelana ny heloka rehetra, ka tsy hotsaraina intsony ianareo (satria rehefa tadidinareo fa efa voavela ny heloka rehetra dia tsy hitsara ny mpanota intsony ianareo, ka tsy hotsaraina koa noho izany).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008