Zanak'Andriamanitra sy zanaky ny devoly. ???? ngahh!!

1. niryna ( 15/09/2008 15:04)

Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,- 1 Jaona 3:11

12 tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao hianareo.

14 Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.

15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Jakoba 5
16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.

18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana


Tsy Andriamanitra daholo ve no nanao ny zanak'olombelona koa maninona no voalaza fa misy hoe zanak'Atra sy zanaky ny devoly ? Ahoana izany ?
1 Jaona 3:10[i] Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra[b] izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.

[b]Isika rehetra dia mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'ny Tompo avokoa

(l) (l) Mifankatiava ihany raha mbola velon'aina !! (l) (l)
Ho an'Andrimanitra Irery anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra,ho antsika kosa ny fahasoavaNy izay miboiboika andro aman'alina .Andramo ka zahao fa tsara Izy ary mandrakizay ny famindrampoiny.
(l) niryna
novalian'i niryna ny 20/09/2008 00:59
2. fahamarinana ( 15/09/2008 15:38)
:arrow: Amiko manokana aloha olombelona jiaby na zanak'Andriamanitra na zanaky ny devoly ary mendrika tiavina avokoa raha tsara sy lafatra ny toetra .Tsara ny mifankatia fa sarotra ihany koa ny mitia ny fahavalo na ny nanao ratsy ny tena.Zà manokana dia faran'izay olona rancuniere : je pardonne fa tsy manadino mihintsy ary mitandrina mba tsy ho voa amin'ny manaraka ary indrindra mampahatsiahy raha mbola mitonantonana aty amiko !!Toetra ratsy angambany fa hatreto aloha dia izay no misy ary miezaka ny manitsy azy,asa rahoviana angaha vao ho foana izy io....ka raha araka io voalaza io dia zanaky ny devoly aho zany...akory atao baba :( (l)
3. bor2lais ( 15/09/2008 16:16)
fahamarinana:

:arrow: Amiko manokana aloha olombelona jiaby na zanak\'Andriamanitra na zanaky ny devoly ary mendrika tiavina avokoa raha tsara sy lafatra ny toetra .Tsara ny mifankatia fa sarotra ihany koa ny mitia ny fahavalo na ny nanao ratsy ny tena.Zà manokana dia faran\'izay olona rancuniere : je pardonne fa tsy manadino mihintsy ary mitandrina mba tsy ho voa amin\'ny manaraka ary indrindra mampahatsiahy raha mbola mitonantonana aty amiko !!Toetra ratsy angambany fa hatreto aloha dia izay no misy ary miezaka ny manitsy azy,asa rahoviana angaha vao ho foana izy io....ka raha araka io voalaza io dia zanaky ny devoly aho zany...akory atao baba :( (l)


-> Ara-Kristiana ny atao hoe \"pardonner\" amiko dia \"effacer\" na \"oublier\" anefa ry Fahamarinana. Mazava ho azy fa tsy vitan\'ny herin\'ny tena samy irery izany fa asan\'ny FM !

-> Ara-pahasalamana koa dia tsara ny manadino mba ialàna @ aretim-po, fitaintainana, fiandrasana kendritohana, sns

-> Ilay hoe zanaky ny devoly ange tsy midika hoe ilay olona no devoly fa ny fanahy ratsy ao aminy, noho izany tsy ilay olona no ankahalaina fa ilay fanahy ratsy. Efa nisy fotoana niresahana an\'io raha tsy diso aho teto : tsy ny marary no tsy tiana fa ny aretina !
4. fahamarinana ( 15/09/2008 16:48)
:arrow: ka zay indrindra ry bor2lais no hilazako hoe tsy vita mora fa sarotra...ary marina ny voalazanao hoe tsy vita irery fa mila ezaka avy amin'ilay olona....
Ilay oublier vita ihany fa rehefa ilay olona efa nanao no mbola mamerina aminao dia efa tsy mila oubli intsony fa mila rappel ho azy.Ohatran'ilay hoe manota aho dia manota dia magata-pamelana dia hoe mahazo famindram-po dia iny aho dia hamerina indray satria madio ve ny saiko fa efa voavela ? Tahaka izany no tsy hi-tolerer-ko azy rehefa miverina imbetsaka...Dia mbola ho lavitrezaka ny aha-Xna ahy tanteraka izany sy mbola hamerenako hoe tsy ho tanteraka ato ho ato zà ity zalahy fa maro eky raha mila amboarina aminakà...
Mba misy Xna mahavita azy io tokoa ve ? Tena sambatra be izay mahatratra izany !!!
Tsy dia hoe miandry kendry tohana kosa ilay lazaiko e,tsy miandry mihintsy fa kosa misy olona manao taon-dasa tsy tsaroana ka na ny tenany aza tsy mahatsiaro ny nataony dia ampahatsiahiviko azy am-pitiavana hoe tsaroanao moa !!!!.Sady tsy dia hoe mitaintaina ihany koa satria tsy misy tokony hampitaintaina anie fa ny zava-misy mitranga anio no atrehina...Tsy dia hoe akory ratsy daholo ny hita sy re.
Ka raha mahavita manadino tanteraka moa dia tsara tokoa ho an'ny fahasalamana.Fa possible ve izany ?
Azoko tsara ilay zanaky ny devoly voalaza kah, ka isan'ny fanahy ratsy ny tsy manadino,d'accord ve tsika mianadahy amin'io raha io voalazan'ny niryna io no raisina ?Izay no namaranako azy hoe izay no azo iantsoana ahy zany!!! (l)
5. rakapy ( 16/09/2008 03:32)
De mampihomehy mihintsy itony mitonotena ho xana itony :-D :-D :-D
Ka ny zanak'A/tra anie ka zanaky ny devoly ihany koa e!!! :-D :-D :-D
6. bor2lais ( 16/09/2008 07:14)
rakapy:

De mampihomehy mihintsy itony mitonotena ho xana itony :-D :-D :-D
Ka ny zanak\'A/tra anie ka zanaky ny devoly ihany koa e!!! :-D :-D :-D


-> Mety ho zanaky ny devoly tokoa izy taloha fa natsangan\'Andriamanitra (adopté) ho zanany kosa ankehitriny !!! Ary izay no mahatonga ilay fifaliana ho an\'ny Kristiana !

7. ikaretsaka ( 16/09/2008 14:19)
miala any iindray le hoe zanak'i zao sy zanak'izao
8. rakapy ( 16/09/2008 18:30)
Ny tiako ho lazaina Ra bor dia hoe A/tra=devoly=A/tra.
Fa ny anareo toa amboarina arak'izay tianareo ahenona azy ilay resaka.
Taiza ko zao toi no nahita fa nanao adoption A/tra? :-D :-D :-D
9. bor2lais ( 17/09/2008 07:43)
rakapy:

Ny tiako ho lazaina Ra bor dia hoe A/tra=devoly=A/tra.
Fa ny anareo toa amboarina arak\'izay tianareo ahenona azy ilay resaka.
Taiza ko zao toi no nahita fa nanao adoption A/tra? :-D :-D :-D


-> Ny fototra mihitsy ny antsika izany no tsy mitovy (Ilay inoanay dia tsy io anao io mihitsy) : nefa dia hajaina ny finoanao na ny hevitrao !

-> Ny finoana ange Rakapy zavatra \"personnel\" : raha io famaritana omenao io no mahafaly sy mahadiavolana ny fonao dia azony ho anao samy irery satria izay no heverinao fa mahatsara anao.

-> Tiako ihany anefa ny mizara aminao ny antsoina hoe Kristiana araka ny fandraisako manokana azy ka ampijoroako ny finoako : olona manara-dia an\'i Jesoa Kristy, Izay nambaran\'ny mpaminany ao amin\'ny testamenta taloha. Manara-dia Azy araka ny fampianaraNY voarakitra ao amin\'ny Filazantsara ka nampitaiNY tamin\'ny apostoly araka ny epistily. Raha fehezina izany Rakapy ny antsoina hoe Kristiana amiko dia olona manaraka ny voalaza ao amin\'ny Baiboly manontolo (testamenta taloha, filazantsara, epistily). Ao amin\'io antsoinay hoe Baiboly io no ahitanao ny valin\'ireo fanontanianao ireo.

-> Aminay Kristiana : Io Jesoa Kristy io no Zanaka Lahitokan\'Andriamanitra (tsy misy hafa) nalefaNY (Ilay Andriamanitra resahinay io) hamonjy izao tontolo izao tamin\'ny ota : ny làlan\'ny hazo fijaliana no nofidiNY naleha mba ahatanteraka izany famonjena izany. Efa vita io famonjena io. Ny anjarantsika dia ny mandray amin\'ny alàlan\'ny finoana izany famonjena vitaNY izany.

-> Izay rehetra nandray Azy dia nahazo hery ka tonga zanak\'Andriamanitra (io antsoinay hoe Baiboly io no mirakitra izany), izany hoe lasa rahalahiNY sy anabaviNY : io ilay antsoiko ery ambony hoe \"adopté\".

Fanazavana no nentiko ho anao fa tsy hoe fandresen-dahatra akory. Raha hoy ianao hoe amboamboarinay araka ny tianay ilay resaka dia azonao hamarinina amin\'ny alàlan\'io antsoinay hoe Baiboly io izay voalaza.

Mirary soa ho anao ny tenako.

10. Mandefitra ( 17/09/2008 09:58)
Mazava tsara fa misaotra an i bor2lais.

Ika:
miala any iindray le hoe zanak'i zao sy zanak'izao

Fandinihan-tena isan'andro io ra Ika a.
Hoy ny fihirana FFPM hoe :
Aiza ny lanitra moa ianao ry zanak'olona o?
Moa mba efa tafiditra ao sa ao ivelany.

Fanontaniana mipetraka isan andro ho an'ny mpino ny hoe mbola mitoetra ao antranon'Andriamanitra aho sa tsia?
Mafana aho sa mangatsiaka @ fanompoana an'Andriamanitra?
Ndrao manompo Tompo roa aho? etc ...
11. ikaretsaka ( 17/09/2008 16:37)
Mandefitra:

Mazava tsara fa misaotra an i bor2lais.

miala any iindray le hoe zanak'i zao sy zanak'izao

Fandinihan-tena isan'andro io ra Ika a.
Hoy ny fihirana FFPM hoe :
Aiza ny lanitra moa ianao ry zanak'olona o?
Moa mba efa tafiditra ao sa ao ivelany.

Fanontaniana mipetraka isan andro ho an'ny mpino ny hoe mbola mitoetra ao antranon'Andriamanitra aho sa tsia?
Mafana aho sa mangatsiaka @ fanompoana an'Andriamanitra?
Ndrao manompo Tompo roa aho? etc ...


ka le hoe tsy rehefa any ivelany akory de zana-dranona de rehefa ao anatiny de zana-dranona...
io le tonga de fametrahana etiquette io no tsy mety ary efa nolavin'i jesoa t@ lazainy hoe tsy ho avy ho an'ny olomarina izy fa ho an'ny mpanota..
ary hita @ tantarany kao fa ny ao anatiny (na ireo mihevi-tena fa ao) no any ivelany ary ny any ivelany no notaominy ho ao anatiny
(jereo ny tantaran'ny jiosy sy ny samaritanina ohatra na ny mpamory hetra sy ny fariseo... sy ny fiheveran'ny jiosy sy ny etiquette napetraka t@ ireny)
mandiniha tena @ izay ary @ ireo idee vitsivitsy ireo
12. rakapy ( 17/09/2008 21:55)
Bor2> Mazava tsara ny valiteninao. Ary tsy hitsara anao @ izay finoanao aho satria tena marina ny teninao fa personnel tokoa io finoana io. Fa ny niatombohan'ny resaka dia ilay hoe "zanak'A/tra sy zana-devoly".
Nahoana ary IZA moa ianao no afaka ny hilaza sy hitsara fa i ranona dia zanak'A/tra ary i ranona dia zana-devoly?
Eo no tsy mampitombina ilay kabarinao hoe "Ny finoana dia personnel".Satria dia mitsabaka any @ hafa ianao raha mitsara toy io ataon'i nyrina io.
Ny mampalahelo dia maro @ xana no manana io fomba fijery sy fiaina io.
Amiko dia personnel io ary tsy competition na fisarihana vahoaka koa.
Ohatrany hoe raha ravitoto sy hena-kisoa ve no sakafo tena tianao. Ny ahy kosa dia ravim-bomanga sy voanjo. Dia hilaza ve izaho na ianao fa ratsy ny kisoa na ny voanjo? mety tsy tia voanjo ianao ka nefa tsy midika izany fa mitovy aminao daholo ny olombelona.

Ary raha raisina ny tenin'Ika momba ilay fariseo sy jiosy dia efa lesona iray lehibe tokony ho fantatr'ireo izay mihevitena fa xana zanak'A/tra.
13. Mandefitra ( 18/09/2008 10:44)
ika:
ka le hoe tsy rehefa any ivelany akory de zana-dranona de rehefa ao anatiny de zana-dranona...

nga moa misy ny eo anelanelany?
"Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamona hianareo"

Dia raha zanak'Andriamanitra dia toy izao no tokony ho fiainany :
"Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra"

Dia mazotoa homana ary e
:)
14. ikaretsaka ( 18/09/2008 13:56)
le fitsarana tsy nisy nanendry no tiako lazaina amin;io

ahoana ary IZA moa ianao no afaka ny hilaza sy hitsara fa i ranona dia zanak'A/tra ary i ranona dia zana-devoly?
Eo no tsy mampitombina ilay kabarinao hoe "Ny finoana dia personnel".Satria dia mitsabaka any @ hafa ianao raha mitsara toy io ataon'i nyrina io.

15. cutie ( 19/09/2008 20:11)
mbola tsy naheno an'zany zanak'i devoly zany ndray za fa zanak'Atra no efa henoko :)
16. fijo ( 19/09/2008 20:26)
ao ary fa za hilatsaka no zanak'i devoly e.tia maizina sy alina.
17. niryna ( 20/09/2008 00:01)
fahamarinana:

:arrow: Amiko manokana aloha olombelona jiaby na zanak'Andriamanitra na zanaky ny devoly ary mendrika tiavina avokoa raha tsara sy lafatra ny toetra .Tsara ny mifankatia fa sarotra ihany koa ny mitia ny fahavalo na ny nanao ratsy ny tena.

marina tanteraka izany, hoy ny SM hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao ,dia hoy ihany koa ny Teny hoe tiava ny fahavalonao .

Zà manokana dia faran'izay olona rancuniere : je pardonne fa tsy manadino mihintsy ary mitandrina mba tsy ho voa amin'ny manaraka ary indrindra mampahatsiahy raha mbola mitonantonana aty amiko !!
hi,hi, ahoana aky no tenenin-dry? =))

dia Toetra ratsy angambany fa hatreto aloha dia izay no misy ary miezaka ny manitsy azy,asa rahoviana angaha vao ho foana izy io....ka raha araka io voalaza io dia zanaky ny devoly aho zany...akory atao baba :( (l)
aiza kosa ry fahamarinana ..mamela heloka izany hianao ? tsara izany,mbola mahatsiaro ireo nanao ratsy taminao ? tsy fahotana izany,raha toa ka tsy namela ilay olona no fahotana fa raha natadidy ny ratsy nataony ,inona no olona amin'izany ?



:D
18. niryna ( 20/09/2008 00:20)
fahamarinana:

:arrow: Amiko manokana aloha olombelona jiaby na zanak'Andriamanitra na zanaky ny devoly ary mendrika tiavina avokoa raha tsara sy lafatra ny toetra .Tsara ny mifankatia fa sarotra ihany koa ny mitia ny fahavalo na ny nanao ratsy ny tena.Zà manokana dia faran'izay olona rancuniere : je pardonne fa tsy manadino mihintsy ary mitandrina mba tsy ho voa amin'ny manaraka ary indrindra mampahatsiahy raha mbola mitonantonana aty amiko !!Toetra ratsy angambany fa hatreto aloha dia izay no misy ary miezaka ny manitsy azy,asa rahoviana angaha vao ho foana izy io....ka raha araka io voalaza io dia zanaky ny devoly aho zany...akory atao baba :( (l)
[quote=bor2lais]

-> Ara-Kristiana ny atao hoe "pardonner" amiko dia "effacer" na "oublier" anefa ry Fahamarinana. Mazava ho azy fa tsy vitan'ny herin'ny tena samy irery izany fa asan'ny FM !

izay mantsy,mamela heloka satria ny teny koa miteny fa raha tsy mamela heloka ny hafa isika dia tsy amela ny helontsika koa Andriamanitra

-> Ara-pahasalamana koa dia tsara ny manadino mba ialàna @ aretim-po, fitaintainana, fiandrasana kendritohana, sns

marina izany fa araka ny tenin'i fahamarinana dia tsy mora ary tena tsy mora tokoa raha tsy miaraka amin'Atra isika,mivavaka mamela ny tenantsika aloha dia mangataka ny famelana ireo nanao ratsy tamintsika,ka na dia tadidy aza ireny ka miteny amin'ilay olona dia efa hafa ilay fo miteny an'ilay olona noho ny tena mbola tezitra aminy

-> Ilay hoe zanaky ny devoly ange tsy midika hoe ilay olona no devoly fa ny fanahy ratsy ao aminy, noho izany tsy ilay olona no ankahalaina fa ilay fanahy ratsy .



mitovy hevitra aminao koa aho
misaotra e


19. niryna ( 20/09/2008 00:43)
fahamarinana:


ka zay indrindra ry bor2lais no hilazako hoe tsy vita mora fa sarotra...ary marina ny voalazanao hoe tsy vita irery fa mila ezaka avy amin'ilay olona....
Ilay oublier vita ihany fa rehefa ilay olona efa nanao no mbola mamerina aminao dia efa tsy mila oubli intsony fa mila rappel ho azy.Ohatran'ilay hoe manota aho dia manota dia magata-pamelana dia hoe mahazo famindram-po dia iny aho dia hamerina indray satria madio ve ny saiko fa efa voavela ? Tahaka izany no tsy hi-tolerer-ko azy rehefa miverina imbetsaka...Dia mbola ho lavitrezaka ny aha-Xna ahy tanteraka izany sy mbola hamerenako hoe tsy ho tanteraka ato ho ato zà ity zalahy fa maro eky raha mila amboarina aminakà...
Mba misy Xna mahavita azy io tokoa ve ? Tena sambatra be izay mahatratra izany !!!


tena sarotra tokoa ka ,izay no antony iray hianarana ny tenin'Atra ka raha vao miverina ilay toetra kely tezitezitra iny dia mivavaka,vokisana ny tenin'Atra ny fanahy,dinihina ny tenin'ilay Kristy Mpamonjy antsika niteny hoe tiava ny fahavalona,tsy ho anao ny famaliana fa Ahy,raha tsy mamela ny heloky ny hafa ao dia tsy hamela ny heloko koa ilay Ray.
Dia mianatra koa ny tsy miteny ao anatin'ny fahatezerana fa manjary miteniteny foana dia manenina avy eo.
Andramo anie e,tsy mora ary tena tsy mora fa mila fanandramana,mila mianatra ny mandefitra,mila mianatra ny mamadika ny zavatra ho positive attitude ilay negative attitude. Mivavaka ary miantso an'Atra Irery fa tena tsy vitako ity fa hianao no efa nanome toky fa tsy ho amela ahy irery hianao na andaho ahy ,dia mandeha daholo amin'izany ny vavaka toram-po,izay no tena ilay ilay vavaka mivantana satria hianao sy Izy irery no miresaka eto fa tsy mila mpanelanelana .Satria Atra dia telo izay iramy,ny fanahy masina koa no mampianatra anao andefitra,hanova ny fonao .
20. niryna ( 20/09/2008 00:46)
fahamarinana:

Tsy dia haoe miandry kendry tohana kosa ilay lazaiko e,tsy miandry mihintsy fa kosa misy olona manao taon-dasa tsy tsaroana ka na ny tenany aza tsy mahatsiaro ny nataony dia ampahatsiahiviko azy am-pitiavana hoe tsaroanao moa !!!!.Sady tsy dia hoe mitaintaina ihany koa satria tsy misy tokony hampitaintaina anie fa ny zava-misy mitranga anio no atrehina...Tsy dia hoe akory ratsy daholo ny hita sy re.
tsy maninona izany amiko raha izay no mampa afaka ny alahelonao amin'ilay olona ka ,diniho koa anie ny fihetsiny fa indraindray tsy nampaninona azy akory ilay izy na mety tsy noheverina nahatezitra antsika ilay izy na koa tena adinony tokoa,tadidio koa anefa fa toy ny olona tenenintsika dia mitamberina ao an-tsainy ilay teny noteneninao na nampahatsiahivinao azy.Nly aza atao fotsiny dia ny manao an-dolom-po fa isika ihany no marary eo ,ilay olona mantsy indraindray mahatsiaro ary indraindray tena manadino tokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008