Fanambadiana :)

1. simplex ( 10/09/2008 14:43)

Rehefa inona no azo lazaina hoe mpivady ny olona 2 eo @ finoana iray? (na tsy mpino koa aza)

* mpisipa?
* vadibe, concubinage ?
* voadiondry, fiancailles, engagement?
* soratra, mariazy civile??
* any ampiangonana? mi-cross finoana koa ve? ohatra hoe mpivady any @ kato, reconnaisse-avana ho toy ny mpivady eo @ protestant?

Aiza ho aiza no azo faritana hoe fahotana na hoe mangala-badin'ol/maniry vadin'ol/mampirafy ra miaraka @ ol iray tafiditra @ ireo cas ireo?

Ra sipa vita vodiondry t@ bandy iray ve no nojokoiko dia fahotana izay?
Ra sipa nanambady tany @ Maihlol ve no "notiaviko" dia fahotana izay?

sa ahoana?


;-)
novalian'i prime ny 23/09/2008 07:55
2. Noue ( 10/09/2008 15:27)
Rehefa inona no azo lazaina hoe mpivady ny olona 2 eo @ finoana iray? (na tsy mpino koa aza)
soratra, mariazy civile??
amiko aloha an ! dia rehefa ny soratra dia efa mpivady zany ry zareo.

nefa kosa dia misy mpivady vita soratra tsy manaiky hoe mpivady raha tsy vita ny mariazy any am-piangonana (mpino ry zareo)

raha tsy mpino dia mety hoe rehefa vita ny soratra dia efa mpivady ry zareo.

eo hanatrehan'ny mpiara-monina zany dia efa mpivady zareo fa eo hanatrehan'Andriamanitra dia miandry ny mariazy any am-piangonana .
Aiza ho aiza no azo faritana hoe fahotana na hoe mangala-badin'ol/maniry vadin'ol/mampirafy ra miaraka @ ol iray tafiditra @ ireo cas ireo?
mpisipa?
* vadibe, concubinage ?
* voadiondry, fiancailles, engagement?
* soratra, mariazy civile??
* any ampiangonana?
amiko aloha dia izy daholo ireo satria ao ny tsy fanajana an'ilay olona miaraka @ nao.

Izany ve tsy ho fahotana raha efa manana sipa ianao

efa en concubinage

vita soratra

vita mariazy civile

indrindra fa raha efa vita mariazy tany am-piangonana dia mbola sahy ihany hikoty na handrebireby vadin'olon-kafa ?
3. booboo ( 10/09/2008 15:54)
- @ protestanta reformé dia efa mpivady rehefa manana vie de couple na inona finoan'ilay olona na inona. Ny mariazy civil sy religieux dia endrika -na " officialisation " sy fitsofan-drano ilay couple eo anatrehan'ny fiaraha-monina sy ny lalana ary ny fg.
Dia maha malagasy anà indray dia ny vodiondry kounkou efa mariage fa eo anatrehan'ny fianakaviana.


- dia mampirafy raha mampiditra olona hafa ankoatra ilay nofidiana ao @ fiainan'ny mpivady. Rehefa mpivady manko dia izy roa ihany no " nikambana " sy nakambana ho iray. Dia na ilay iraika aza no mampirafy dia efa tsy roa intsony zay fa lasa misy tierce personne @ ilay tokantrano...

- tsy fantatro na fahotana ilay mijoko olona hafa efa manam-bady, fa fotsiny tokony hatao an-tsaina hoe efa vadin'olona io jokoiko io dia raha mitohy mijoko zà dia mi-assume avy teo hoe hanakorontana ilay " roa mitambatra sy natambatra ho iray ".
- hihihihihihi, na tany Mailhol aza izy no natao mariazy na teo anatrehan'ny razambe sy ny masina tsy haiko isa, dia efa vadin'oul kounkou zay dia manakorontana foana ilay " roa mitambatra sy natambatra ho iray ".


4. ikaretsaka ( 10/09/2008 16:26)
- @ protestanta reformé dia efa mpivady rehefa manana vie de couple na inona finoan'ilay olona na inona. Ny mariazy civil (sy religieux) dia endrika -na " officialisation " sy fitsofan-drano ilay couple eo anatrehan'ny fiaraha-monina sy ny lalana ary ny fg.


azafady fa nataoko ( ) :wink: satria mifangaro eto ny "reformee" sy ny civil
de ahoana raha divorce(e)?
ny divorce manko afaka manao "remarriage civil" indray rehefa milamina ny devorsa-ny
de ahoana ny fijery an'izany @ "protestanta reforme"? :?:
5. rakaroka ( 10/09/2008 16:33)
:-w :-w :-w :-$ 'Ndreeeeeiyyyyy, mahatsiaro 'lay dadabeko niventso tamiko tany ambanivohitra ity resaka (Nisento lalina izy! :cry: :cry: :cry:
"Mahagaga 'nareo ankehitriny" hoy izy: "atao makotrokotroka tahaka ny inn ny mariazy, ny ampitsoampitso anefa dia toa sahy mita "vazo" sahady.
Zahay taloha , hoy izy: teny tsotra hoe "hifankatia isika" dia lamban'akoho ka faty no hisarahana, ary tena marina tokoa fa t@ maty aza ny vadiny nofikiriny tena saika tsy voasontina ho halevina. 'Ndriiiiiyyyy :cry: :cry: :cry:
Ny ankehitriny: tena samy manana ny heveriny ho vady ny olona. Dia na mpivady indray aza dia maro no tahaka ny tsy mpivady intsony. Marina fa eo ny soratra sns fatopatotra sy endrkendrika fa ny "fond" izay maha-mpivady ny mpivady 'ngamba no base mametraka izany amiko!
6. ikaretsaka ( 10/09/2008 16:43)
ka ankehitrio afo mololo hono e
7. booboo ( 10/09/2008 16:51)
Ikaretsaka > tsy azoko ilay fanontaniana dia sao miteny² foana eo zà raha mamaly nefa tsy mifanentana @ ilay fanontaniana akory hihihihi
Ny ankehitriny: tena samy manana ny heveriny ho vady ny olona. Dia na mpivady indray aza dia maro no tahaka ny tsy mpivady intsony. Marina fa eo ny soratra sns fatopatotra sy endrkendrika fa ny "fond" izay maha-mpivady ny mpivady 'ngamba no base mametraka izany amiko!

ka ankehitrio afo mololo hono e

Tsy fantatro hoe ny ray aman-dreny ve mba miresaka @ zanany alohan'ny hanambadiany sahala ny hatao miaraka @ pasitera / môpera ireny ? Dia @ zay manko mba fantatra tsara hoe aiza no hasiana ny tongotra miditra @ zany fanambadiana zany...
8. ikaretsaka ( 10/09/2008 18:13)
booboo> ny fanontaniako dia hoe rehefa nafangaronao (na nampitovianao) ihany ny hoe civil sy \"finoana\" (reforme hoy ny filazanao azy) dia hoe ahoana ary ny fijerin\'ilay finoana io ny olona efa divorce(e) ka miverina manambady indray, raha ekena iznay araka ny lalana \"civil\"
9. booboo ( 10/09/2008 18:27)
ny tiako lazaina @ ilay reformé eto klou dia ilay firehana protestanta iraika satria marobe ny karazana protestanta fa tsy ilay @ verbe (re)former...

Dia ny an'ny protestanta tsy mitovy @ katôlika hoe sakramenta ny mariazy ( aleo ho an'ny mahay ny antony bebe kokoa no manazava ny antony fa ny fantatro dia ny batisa ary ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo ihany no sakramenta @ protestanta fa tsy 7 ). Ny fandehanana any am-pengo ouz ilay pasitera izay tsy midika hoe tsy ho rava mihitsy ny tokan-trano fa manamasina sy mitsodrano no ataon'Atra, dia raha sanatria ka rava io na efa namasinina aza dia tsy manilika Atra fa mitsodrano ny zanany foana Izy, dia mitsodrano foana koa araka zany zay tokantrano entina eo Aminy - tsy mandà ny fanaovana remariage religieux ny fg. Tsotsoriko ilay fanazavana fa en gros dia ôtra² zay. Asa na mahavaly na tsia fa zay no fahazoako azy araka ny nampianarina ahy...
10. fijo ( 10/09/2008 21:44)
mariho aloha le fanontaniana.
apetrao hoe "araka ny fisainana kristianina,sa arapanjakana ,inona na rehefa inona no azo lazaina hoe mpivady ny olona?"

raha hoan'ny mpino mantsy ,dia ny fanambadiana any ampiangonana no manamarika ny mpivady ho mpivady.ny "ortodoxa"ohatra tsy mitaky fisoratana dia efa ekeny fa mpivady.ny olona roa vavy sy lahy.

ny kato sy protes dia mila vita soratra vao manamasina rapasy na mopera

ny arapanjakana kosa dia ny fisoratana ihany no mametra ny atao hoe fanambadiana.

amin'ny fomba gasy kosa,dia ny fahavitan'ny "fomba"mety vody ondry io ao tana,mety "fiboaha"io any sudest mety misy fomba hafa koa "alafady" hoy ny tsimihety raha tsy diso aho.
11. rakaroka ( 11/09/2008 00:37)
Ka izay indrindra ...araka ny famelabelaran'i Fijo no hilazako hoe samy manana ny hiheverany ny mety antsoina hoe vady ny isanisany. Donk arakarakaraky ny sehatra isian'ilay olona izany e. Mbola tsy voalaza aza rizareo "mono" izay efa nisy namasinina tam-piangonana koa. Io moa dia arak'izay eken'ny saina eny ho eny sy any ho any wa. Ka na tsy manaiky izany ny saintsika dia ny zava-misy izany koh! :wink:
12. agoago ( 11/09/2008 09:16)
Io fanazavan'i fijo io no mahafintina azy tsara.
Fanampiny, amin'ny katolika raha misaraka ny olona iray dia tsy afaka manao fanamasinana mariageny faharoa izy raha mbola velona ny vadiny,na mbola velona koa ny an zay ampiakariny raha divorcée io.Azo atao kosa izany raha samy efa maty ny vadin izy ireo, na mbola tsy nanambady ny iray.
Ny mariagen'ny katolika koa dia tsy maintsy any ampiangonana no anamasinana azy.
13. simplex ( 11/09/2008 10:34)

eny eee,

eo @ le hoe mangalatra anie no tena foto-dresaka eee.

Ra arahana @ le kozin'i ra-fijo zany, ra olona vita soratra tany @ firaisana izany hoan'ny kato/FJ no niarahana dia tsy mangalatra vadin'ol izay satria mbola tsy mpivady ry zareo eo anatrehan'A/tra? :-w
14. prime ( 11/09/2008 13:26)
simplex:
Rehefa inona no azo lazaina hoe mpivady ny olona 2 eo @ finoana iray? (na tsy mpino koa aza)
... Raha ny rafitra FJKM, ny atao hoe mpivady dia izay vita soratra ara-panjakana ka nohamasinina teo imason'Andriamanitra tsy teo anatrehan'ny fiangonana...
simplex:
Aiza ho aiza no azo faritana hoe fahotana na hoe mangala-badin'ol/maniry vadin'ol/mampirafy ra miaraka @ ol iray tafiditra @ ireo cas ireo?
... raha ny tenin'Andriamanitra no arahana tsara, raha vao mitsiriritra vehivavy/lehilahy fotsiny na manam-bady io na tsia, ary manana filàna aminy dia efa manota izay... tsy misy resaka sipa, fofombady, vady izany fa mazava tsara araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :
"Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana." Jakoba 1:15
simplex:
Ra arahana @ le kozin'i ra-fijo zany, ra olona vita soratra tany @ firaisana izany hoan'ny kato/FJ no niarahana dia tsy mangalatra vadin'ol izay satria mbola tsy mpivady ry zareo eo anatrehan'A/tra?
... tsy ny hoe mangalatra vadin'olona ihany no atao hoe ota fa ny fijangajangana koa dia ota goavana ahitan-doza... manomboka amin'ny filàna sy fitsiriritana...
15. xxx ( 11/09/2008 15:16)
Simp, hanambady ngah njy hi!hi!hi!
d efa impiry nanota izay :b:b:b
16. simplex ( 11/09/2008 19:12)
prime:
... Raha ny rafitra FJKM, ny atao hoe mpivady dia izay vita soratra ara-panjakana ka nohamasinina teo imason'Andriamanitra tsy teo anatrehan'ny fiangonana...
ok ok zany hoe tsy mangala-badin'ol eo anatrehan'A/tra zany ra mbola tsy nohamasinina teo imason'A/tra sy ny fiangonana le ol an. Mazava!!

prime:
raha vao mitsiriritra vehivavy/lehilahy fotsiny na manam-bady io na tsia, ary manana filàna aminy dia efa manota izay...
aiza kosa eee. Mankafy ny zava-boarin'A/tra fotsiny izy @ iny.
Tsy tokony samihafa kosa ve ny intention sy ny tena hatao :roll: ;-)
Sady tsy tapitra manonta isan'andro ve izany ankamaroan'ny ol eto ambon'ny tany ra izany kle.

prime:
"Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana."
in no tena dikan'ilay filana? hoe te hanao ve sa in?
ra izany manko dia manota koa izany ny mpivady sa?
:P

prime:
... tsy ny hoe mangalatra vadin'olona ihany no atao hoe ota fa ny fijangajangana koa dia ota goavana ahitan-doza...
eny e, fa tsy mijangajanga ange ra hoe ol 1 fotsiny ny partnerany, dia tsy iza fa ilay olona manambady tsy eo anatrehan'A/tra eee :)
ny dikan'ny hoe mijangajanga ve tsy hoe miaraka @ olon-kafa nefa efa manambady ee. @ teny anglisy ilay didy iny dia mazava tsara hoe "You shall not commit adultery"... zany hoe mila manambady vao afaka mijangajanga. Ra mbola tsy manambady izany dia hoe mitady vady no hiantsoana azy :roll: :lol: :lol: :lol:

xxx,
haha
dia tsy hay intsony fa efa maromaro ihany ozy ilay tsy mahay manisa zay eee :b:b:b
non, discussion nifanaovana t@ ol le izy ka tena tsy mazava tsara hoe in no atao hoe mpivady :)
sali toi :-* :-*
17. rakaroka ( 11/09/2008 20:59)
Mazaa Bbbe kosa ny fanazavan'i Prime eo @ rafitra FJKM e!
18. ikaretsaka ( 12/09/2008 00:42)
prime...
ary ahoana raha ohatra hoe vita mariazy Loteranina t@ vadiny taloha izy ohatra de nisaraka (le niditra tribonaly ireny) de nahita vady vaovao FJKM de mikasa hiditra ampengonana any @ FJKM hatao mariazy misarom-boaly @ io vady vaovao io...
ahoana indray ny amin'izay?
19. xxx ( 12/09/2008 05:34)
booboo:


- dia mampirafy raha mampiditra olona hafa ankoatra ilay nofidiana ao @ fiainan'ny mpivady. Rehefa mpivady manko dia izy roa ihany no " nikambana " sy nakambana ho iray. Dia na ilay iraika aza no mampirafy dia efa tsy roa intsony zay fa lasa misy tierce personne @ ilay tokantrano...

=D
14 Aza mijangajanga. Eksodosy 20

- tsy fantatro na fahotana ilay mijoko olona hafa efa manam-bady, fa fotsiny tokony hatao an-tsaina hoe efa vadin'olona io jokoiko io dia raha mitohy mijoko zà dia mi-assume avy teo hoe hanakorontana ilay " roa mitambatra sy natambatra ho iray ".

=D

17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
Eksodosy 20

20. prime ( 12/09/2008 11:31)
simplex:
ok ok zany hoe tsy mangala-badin\'ol eo anatrehan\'A/tra zany ra mbola tsy nohamasinina teo imason\'A/tra sy ny fiangonana le ol an.
... Tsy mangala-badin\'olona rehefa mbola tsy nohamasinina teo imason\'Andriamanitra ilay irianao ho vady... saingy raha vao manana fitsiriritana sy filana aminy ianao dia efa manota sahady...
simplex:
aiza kosa eee. Mankafy ny zava-boarin\'A/tra fotsiny izy @ iny.
... Ny fankafizana ny zavaboaharin\'Andriamanitra tsy mampirisika hitsiriritra sy hampisy filana... raha tena mankafy ianao dia tsy mitsiriritra...
simplex:
Tsy tokony samihafa kosa ve ny intention sy ny tena hatao
... Mazava ny tenin\'Andriamanitra efa voalaza io ambony io amin\'ny anaran\'i Jesosy manao hoe :
\"Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.\" Jakoba 1:15

Tsy ilay fanaovana ilay \"actes\" no atao hoe manota fa vao manomboka any amin\'ny \"intentions\" araka ny lazainao... raha vao misy fitsiriritana sy filana eo dia efa manota izay... ny fanaovana ilay \"actes\" dia tsy manota fotsiny intsony fa efa fahafatesana mihitsy...
simplex:
Sady tsy tapitra manonta isan\'andro ve izany ankamaroan\'ny ol eto ambon\'ny tany ra izany kle.
... Indrisy fa izany mihitsy no fiainan\'ny olona saingy rehefa ambara aminy ny fitiavan\'i Kristy dia tsy mino izy satria mihevitra fa tsy miaina ao anaty ota...
simplex:
in no tena dikan\'ilay filana? hoe te hanao ve sa in?
ra izany manko dia manota koa izany ny mpivady sa?
... Ny fanamasinan\'Andriamanitra ny fanambadiana no manamasina ny fanambadiana ihany koa ka tsy ota intsony ny firaisan\'ny lahy sy vavy ao anatin\'ny fanambadiana fa fitahiana avy amin\'Andriamanitra aza satria maneho ny fifandraisan\'i Kristy sy ny fiangonana...
simplex:
ny dikan\'ny hoe mijangajanga ve tsy hoe miaraka @ olon-kafa nefa efa manambady ee. @ teny anglisy ilay didy iny dia mazava tsara hoe \"You shall not commit adultery\"... zany hoe mila manambady vao afaka mijangajanga. Ra mbola tsy manambady izany dia hoe mitady vady no hiantsoana azy
... Maro ny endriky ny atao hoe fijangajangana... tsy hoe satria ianao tsy manam-bady dia afaka manao izay tianao atao... fa ilay olona eritreretinao iarahana (na efa miaraka aminao) koa voakasiky ny fiarovan-tena amin\'ny fijangajangana... raha efa manam-bady izy dia mijangajanga ihany koa ianao... raha vao misy endrika tsy fahamasinana ny fifandraisanao aminy dia efa endrika fijangajangana avokoa izay...
ikaretsaka:
prime...
ary ahoana raha ohatra hoe vita mariazy Loteranina t@ vadiny taloha izy ohatra de nisaraka (le niditra tribonaly ireny) de nahita vady vaovao FJKM de mikasa hiditra ampengonana any @ FJKM hatao mariazy misarom-boaly @ io vady vaovao io...
ahoana indray ny amin\'izay?
... Hentitra ny lazain\'ny tenin\'Andriamanitra... na loterianina na fjkm ny vady na ekar, Andriamanitra tsy mankasitraka ny fisaraham-panambadiana...

Ny mpino vita fanamasinam-panambadiana eo imason\'Andriamanitra dia tsy manana fahafahana ny hisaraka intsony...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4321