Fanambadiana :)
21. ikaretsaka
(
12/09/2008 12:04)
tsy ny nolazain'ny tenin'Atra ange no nanontaniako an'i prime fa ny decision-mpiangonanareo en general e
betsaka manko no manao an'io an, ny ireo mpivavaka FJKM lasa nifindra Apokalipsia ohatra izao misy an'iznay hoe nisaraka de nanambady olona hafa am-piangonana tany @ Apokalipsia tany dia niala tany de niverina FJKM dia nanambady olona hafa tao @ FJKM indray .. dia toa navela
efa nahita aho manko

22. fahamarinana
(
12/09/2008 12:17)
prime:
Ny mpino vita fanamasinam-panambadiana eo imason'Andriamanitra dia tsy manana fahafahana ny hisaraka intsony...
:arrow:koa raha cas iray ohatra ve ry prime hoe voadaroka efa ho faty ao ilay olona,tena mpino tanteraka,dia mbola tsy hanana fahafahana ihany ve ? sa ahoana indray ilay cas raha efa nahita ianao. ohatra ianao ? :( (l)
23. prime
(
12/09/2008 13:18)
ikaretsaka:... Ny FJKM dia mankato feno ny ambaran\'ny tenin\'Andriamanitra ary mandrara ny fisaraham-panambadian\'ny mpino samy mpino...
tsy ny nolazain\'ny tenin\'Atra ange no nanontaniako an\'i prime fa ny decision-mpiangonanareo en general e
ikaretsaka:... Tsy manaiky ny hanaovana sangisangy na kitoatoa ny fanambadiana toa izany ny FJKM raha izay no tianao ho fantatra... :)
betsaka manko no manao an\'io an, ny ireo mpivavaka FJKM lasa nifindra Apokalipsia ohatra izao misy an\'iznay hoe nisaraka de nanambady olona hafa am-piangonana tany @ Apokalipsia tany dia niala tany de niverina FJKM dia nanambady olona hafa tao @ FJKM indray .. dia toa navela
efa nahita aho manko
Raha sanatria nisy izany dia tsy ny FJKM no nametraka izany rafitra izany fa dia tompon\'andraikitra feno amin\'ny ataony ilay Mpitandrina na ilay mpanompon\'Andriamanitra nanaiky hanamasina imbetsaka fanambadian\'olona toa izany...
fahamarinana:... Maro ny fampianarana momba ny fanambadiana raha ny Soratra Masina no vakiana tsara...
koa raha cas iray ohatra ve ry prime hoe voadaroka efa ho faty ao ilay olona,tena mpino tanteraka,dia mbola tsy hanana fahafahana ihany ve ? sa ahoana indray ilay cas raha efa nahita ianao. ohatra ianao ?
Zavatra roa ihany no nampianarin\'ny lalàn\'i Mosesy sy ny testamenta vaovao (I Korintiana toko faha-7) fa mety (tsipihina tsara hoe mety) azo anekena ny fisaoram-bady na ny fisaraham-panambadiana...
- Ny iray dia ny fialan\'ilay vady raha toa ka tsy mpino izy araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'ny Tompo :
- Ny faharoa dia ny fijangajangana, raha noho ny fijangajangana dia mety (mety hoy aho) ekena ny fisarahana... izany hoe ny fialan\'ny iray amin\'ilay mijangajanga... fa hoy indrindra Kristy :
\"Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin\'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin\'ny fihavanana.\" I Korintiana 7:15
\"Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.\" Matio 19:9
Aoka hiavaka tsara ry fahamarinana ny atao hoe fanambadiana mpino sy mpino, sy ny mpino sy tsy mpino... tsy mitovy ny fijery ireo... ny mpino sy mpino dia izay no izy... tsy misy hevitra intsony fa dia vady iray mandrakizay... ary izany no maha-asamasina ny fanambadiana kristiana...
Ny zavatra mitoetra dia tsotra, tsy sitrak\'Andriamanitra ny fisarahana... tsy ny famonoana sy ny fahamamoana lava sy ny tsy fampidirana vola an-trano sy ny fampijaliana maro samihafa no anamarinana ny fisarahana... tsy Andriamanitra no nisafidy izay ho vady fa ny \"tena\"... tompon\'andraikitra ny amin\'ny tohiny feno ny mpivady... ireo antony roa ireo no voafaritry ny Soratra masina... raha toa ka maty ilay vady nentina teo amin\'Andriamanitra vao mety mba misokatra kokoa ny lalana fa raha mbola velon\'aina ilay nentinao teo amin\'Andriamanitra ka nanaovana voady masina dia mitoetra avokoa ireo nampianarin\'ny Soratra Masina ka tsy ankasitrahan\'Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana...
24. fahamarinana
(
12/09/2008 16:06)
:arrow: prime : misaotra namaly ahy.Nisy tsy takatro marina ilay voalazanao hoe :"tsy Andriamanitra no nisafidy izay ho vady fa ny "tena"... tompon'andraikitra ny amin'ny tohiny feno ny mpivady ...'.Marina tokoa izay.Ary ohatr'izay izao no hitako tokony fampianarana omena ny tanora mba hieritreretana tsara aloha....rehefa dinihana amin'ny antsipirihany dia tena izay tokoa izany ilay voady masina.. :) (l)
25. ikaretsaka
(
12/09/2008 18:02)
fahamarinana:
:arrow: prime : misaotra namaly ahy.Nisy tsy takatro marina ilay voalazanao hoe :"tsy Andriamanitra no nisafidy izay ho vady fa ny "tena"... tompon'andraikitra ny amin'ny tohiny feno ny mpivady ...'.Marina tokoa izay.Ary ohatr'izay izao no hitako tokony fampianarana omena ny tanora mba hieritreretana tsara aloha....rehefa dinihana amin'ny antsipirihany dia tena izay tokoa izany ilay voady masina.. :) (l)
dia ahoana ilay mariazy arrangee
27. fijo
(
12/09/2008 19:51)
Tsy tokony samihafa kosa ve ny intention sy ny tena hatao "
amiko raha mijanona ho "intention"fotsiny tsy misy fahotana,fahotana izy raha misy fiantomboan'ny fanatanterahana io intention io.
amiko raha mijanona ho "intention"fotsiny tsy misy fahotana,fahotana izy raha misy fiantomboan'ny fanatanterahana io intention io.
28. fahamarinana
(
12/09/2008 20:12)
prime:
raha toa ka maty ilay vady nentina teo amin'Andriamanitra vao mety mba misokatra kokoa ny lalana
:arrow:grave be raha dia haniry ilay olona ho faty mihintsy vao ho afaka zany...
prime:
fa raha mbola velon'aina ilay nentinao teo amin'Andriamanitra ka nanaovana voady masina dia mitoetra avokoa ireo nampianarin'ny Soratra Masina ka tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana...
:arrow: zany hoe : mety ho ekena ny fisarahana raha mpijanganjanga ny iray fa kosa mbola meloka eo anatrehan'Andriamanitra ? araka ny voalazan'ny prime ity :Ny faharoa dia ny fijangajangana, raha noho ny fijangajangana dia mety (mety hoy aho) ekena ny fisarahana... izany hoe ny fialan'ny iray amin'ilay mijangajanga... fa hoy indrindra Kristy :
"Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa." Matio 19:9 .
Miala tsiny fa be fanontaniana fa misy tsy fantatro tokoa kay...tena mbola mila fianarana be dia be zany tenako zany vao ho tanteraka..:( (l)
29. fijo
(
12/09/2008 20:23)
izao izany e,rehefa manambady dia hiafio ao,na dia efa mampijaly toa inona aza.efa izay no sitrapon'andriamanitra e.
30. fahamarinana
(
12/09/2008 20:37)
:arrow: tena mampieritreritra tokoa,ary tena be no meloka raha izao no dinihana...afaka mahazo famindram-po ihany ve rehefa mangataka izany ?,tsy noheveriko ho sarotra tahaka izany ity lalana noraisiko ity ,ary hitako tena misy miverina an-dalana satria misy somary manahirana ihany ... :( (l)
31. Noue
(
13/09/2008 06:27)
"prime":satria nivoady teo imason'Andriamanitra ve ?
Ny mpino vita fanamasinam-panambadiana eo imason'Andriamanitra dia tsy manana fahafahana ny hisaraka intsony...
dia ahoana ? hiaritra ny mafy ve ? (ohatra vady mamo lava , mamono , sns)
32. fahamarinana
(
13/09/2008 10:10)
:arrow: noue :efa voavalin'ny prime tamiko tao ambonimbony tao io fanontanianao io fa ivereno vakiana anie,dinika n°22 (l)
34. prime
(
16/09/2008 09:22)
ikaretsaka:... Tsy miova ny tenin'Andriamanitra... na "arrangée" na tsia (fa tena vokatry ny fitiavana teo amin'ny mpivady), safidy ny hitondra sy hanamasina izany teo amin'Andriamanitra... raha vao voamasina teo Aminy sy teo amin'ny fiangonana dia mitoetra avokoa ireo fepetra rehetra naneken'Andriamanitra sy naneken'ireo mpivady (voady masina) ny fanambadiana sy ilay nofinidy...
dia ahoana ilay mariazy arrangee
Marihin'ny tenin'Andriamanitra tsara fa raha samy mpino ireo (na "arrangée" aza) dia izay no izy fa voady mandrakizay ny fanambadiana ka tsy tapaka raha tsy noho ny fahafatesana ihany...
Fa raha tsy mpino ny iray na izy roa mihitsy nefa niala na ihany koa noho ny fijangajangan'ny iray, dia mety eken'ny fiangonana ihany ny fisaoram-bady saingy tsy mahazo maka vady intsony izy roa raha tsy tonga amin'ny fahafatesana ny iray... hentitra ny lazain'ny tenin'Andriamanitra, samy fijangajangana avokoa na ny manambady olona avy nisaorana na ny manambady olona avy nisaotra...
fijo:... Izay no fahitantsika azy fa ny hevitr'Andriamanitra dia mazava tsara... vao "intention" dia efa ota... ny fanatanterahana tsy ota intsony fa efa fahafatesana mihitsy...
Tsy tokony samihafa kosa ve ny intention sy ny tena hatao "
amiko raha mijanona ho "intention"fotsiny tsy misy fahotana,fahotana izy raha misy fiantomboan'ny fanatanterahana io intention io.
Maro ny olona manan'aina mihevitra fa velona satria miaina soamantsara fa eo imason'Andriamanitra dia efa maty avokoa ireny ary tsy manana anjara fiainana intsony satria "velona" ao amin'ny ota ary efa maty rahateo noho izany... eo angamba no tsy azonao tsara ary tsy ho azonao nefa raha tsy miray amin'Andriamanitra ianao...
fahamarinana:... Raha tena tianao ilay novadianao dia mazava ho azy tsy ny faniriana azy ho faty no vahaolana fa ny fitondrana azy eo amin'Andriamanitra mba iasan'ny Fanahy Masina ho resy lahatry ny fitiavana voalohany tao aminy fony izy nanao voady masina, ary hanolo-tena ho an'Andriamanitra ka hitia Azy sy hitia ny ankohonany araka ny halehiben'ny famindrampon'Andriamanitra, ny fitondrana azy amim-bavaka tsy miato sy fanehoana amin'ilay vady mandrakariva ny fitiavana...
grave be raha dia haniry ilay olona ho faty mihintsy vao ho afaka zany...
fijo:... Misy andraikitra goavana ao fa tsy azo atsipy amin'Andriamanitra fotsiny hoe "izay no sitrapony"...
izao izany e,rehefa manambady dia hiafio ao,na dia efa mampijaly toa inona aza.efa izay no sitrapon'andriamanitra e.
Ny tena no nifidy ny ho vady fa tsy Andriamanitra, Andriamanitra nanome safidy malalaka, nampifidy mihitsy aza toy ny nataony tamin'ny Adama fa rehefa vita ny safidy mbola safidy hafa indray ny hitondra izany ho tena masina eo amin'Andriamanitra ka hamasininy... ka raha sanatria ratsy safiy ianao dia tompon'andraikitra feno ny amin'izany fa tsy Andriamanitra indray no lazainao fa nanome ratsy ho anao ka hoe "izay no sitrapony"...
fahamarinana:... Ento eo amin'Andriamanitra dia angataho famelana aminy ary ekeo feno izay famindrampo sy fandaharana omeny anao fa Andriamanitry ny famindrampo sy fitiavana Izy... saingy manomboka amin'ny fotoana hamelany heloka anao kosa dia atolory feno ho Azy ny tena sy ny momba anao rehetra...
tena mampieritreritra tokoa,ary tena be no meloka raha izao no dinihana...afaka mahazo famindram-po ihany ve rehefa mangataka izany ?,tsy noheveriko ho sarotra tahaka izany ity lalana noraisiko ity ,ary hitako tena misy miverina an-dalana satria misy somary manahirana ihany ...
Noue> Mahereza hatrany... :)
35. fahamarinana
(
16/09/2008 11:14)
:arrow: misaotra prime,mankasitraka ny fanazavana atolotrao mandrakariva ny tenako e...misy tsy takatry ny saina tokoa fa ny eo anoloan'ny voamaso foana no banjinina :(
:arrow: ...fa na izany aza ilay fitiavana ohatra tsy ao intsony noho ny zavamisy nipoitra tsikelikely ...cas hitako maso anie izao lazaiko anareo izao zany hoe ilay olona iray tokoa tsy mpino hany ka samihafa....raha mpino daholo izany ve araky prime dia mety nisy fanafany ??? Ohatra ny mahakely finoana ihany fa fanontaniana moa iny fa dia misaotra nanazava...(l)
zà:
grave be raha dia haniry ilay olona ho faty mihintsy vao ho afaka zany...
prime:
... Raha tena tianao ilay novadianao dia mazava ho azy tsy ny faniriana azy ho faty no vahaolana fa ny fitondrana azy eo amin'Andriamanitra mba iasan'ny Fanahy Masina ho resy lahatry ny fitiavana voalohany tao aminy fony izy nanao voady masina, ary hanolo-tena ho an'Andriamanitra ka hitia Azy sy hitia ny ankohonany araka ny halehiben'ny famindrampon'Andriamanitra, ny fitondrana azy amim-bavaka tsy miato sy fanehoana amin'ilay vady mandrakariva ny fitiavana...
:arrow: ...fa na izany aza ilay fitiavana ohatra tsy ao intsony noho ny zavamisy nipoitra tsikelikely ...cas hitako maso anie izao lazaiko anareo izao zany hoe ilay olona iray tokoa tsy mpino hany ka samihafa....raha mpino daholo izany ve araky prime dia mety nisy fanafany ??? Ohatra ny mahakely finoana ihany fa fanontaniana moa iny fa dia misaotra nanazava...(l)
36. fijo
(
16/09/2008 20:29)
aiza kosa no hoe hiafiana foana ao kle,efa ita izoa ve fa mamono de mbola hoe aleo hiaretako.loza le tenin'andriamanitra raha izay
37. ikaretsaka
(
16/09/2008 23:56)
izay kosa ange ra fijo le hoe zahao toetra aloha e...
io pendipendina io ihany ro tsray nampanidina ny akooho...
tsy heo bikina ny olona ka tsy maintsy manambady na hoe 30 taona mahery ity ny sipa .... mbola tsy nisy bandy nandondom-baravarana ihany fa raiketo speed sy fandriho izay minanaka eo ...
eo ianao no raisina
(ary matetika dia ireny foana no victimen'ny fijaliana am-panambadiana an)

38. fijo
(
17/09/2008 20:42)
misy koa le mahay manafina ko.5 taona niarahana tsy nahitana inona ,fa vao vita manariazy,dia mitranga aby ny fahamamoana lava sy ny rehetra.
39. prime
(
18/09/2008 06:47)
fahamarinana:... Andriamanitra mihaino vavaka raha entina eo aminy izany... asan'ny Fanahy Masina ny fibebahana sy ny fanetren-tena ary Izy rahateo no fitiavana, ka mino aho fa raha entinao amim-bavaka izany dia miverina ary miredareda mihitsy aza ny afom-pitiavana, ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra honina amin'izany tokantrano izany...
...fa na izany aza ilay fitiavana ohatra tsy ao intsony noho ny zavamisy nipoitra tsikelikely
fahamarinana:... Raha tsy mpino ilay iray (tsy haiko moa raha ilay mpino na ilay tsy mpino no miteraka olana ao an-trano amin'ity tranganao ity) dia zony ny miala...
cas hitako maso anie izao lazaiko anareo izao zany hoe ilay olona iray tokoa tsy mpino hany ka samihafa....
Raha mpino kosa ilay mahatonga olana dia tsara ny manatona Mpitandrina na Pretra mba hampiantso sy hananantra azy mba hanaiky iasan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra...
fahamarinana:... Raha samy mpino ireo dia ny fitondrana amim-bavaka feno ilay iray mahatonga olana no sady hangatahana ny mpiara-mivavaka hitondra amam-bavaka azy no vahaolana akaiky indrindra... ny mety koa dia ny fanatonana Mpitandrina na Pretra...
raha mpino daholo izany ve araky prime dia mety nisy fanafany ??? Ohatra ny mahakely finoana ihany fa fanontaniana moa iny fa dia misaotra nanazava...
fijo:... Tsy hoe mihafy manao "croisez les bras" fa misy vahaolana tokony raisina...
aiza kosa no hoe hiafiana foana ao kle,efa ita izoa ve fa mamono de mbola hoe aleo hiaretako.loza le tenin'andriamanitra raha izay
ikaretsaka:... =D>
izay kosa ange ra fijo le hoe zahao toetra aloha e...
io pendipendina io ihany ro tsray nampanidina ny akooho...
tsy heo bikina ny olona ka tsy maintsy manambady na hoe 30 taona mahery ity ny sipa .... mbola tsy nisy bandy nandondom-baravarana ihany fa raiketo speed sy fandriho izay minanaka eo ...
eo ianao no raisina
(ary matetika dia ireny foana no victimen'ny fijaliana am-panambadiana an)
Misy ihany koa nefa tokantrano heverina ho tsara sy mendrika fa rehefa tsy miambina dia potehan'ny devoly... tsara hatrany ny mitondra amin'Andriamanitra ny tokantrano...
40. ikaretsaka
(
18/09/2008 15:09)
ka le fiambenana sy fitandremana ry prime rehefa mifankahalala tsara sy mifankazatra heo izao no tantin'ny 1 sy tsy tantiny de mifanaja @ iny dia voambina ho azy an
amiko dia "ny teriterena ihany no vao mainka miboraka"
amiko dia "ny teriterena ihany no vao mainka miboraka"