Fanambadiana :)

41. fijo ( 18/09/2008 20:46)
ka hoy ny gasy:" aza mitaribady tsy vita vodiondry"

hoy ny papa,"aza manao firaisana alohan'ny fanambadiana"
de aiza no hifampijerena toetra???????hiaraka hifampijery toetra 5 taona ve nefa tsy hum hum???aoka letsy;kozy e.olombelona anie fa tsy tantara an tsary e
42. ikaretsaka ( 18/09/2008 23:21)
le mba voisine ireny iznay ko....
43. prime ( 19/09/2008 08:51)
ikaretsaka:
ka le fiambenana sy fitandremana ry prime rehefa mifankahalala tsara sy mifankazatra heo izao no tantin'ny 1 sy tsy tantiny de mifanaja @ iny dia voambina ho azy an

amiko dia "ny teriterena ihany no vao mainka miboraka"
... Itoviako hevitra tanteraka... =D =D

fijo> Ka ianao aza miteny hoe tsy mino an'Andriamanitra... tsy dia azoko loatra ny tianao ahatongavana...

Raha fanambadiana kristiana no tianao resahana dia ny finoana an'Andriamanitra no voalohany tokony dinihana... raha tsy izany dia tsy dia misy antony loatra izay ambaran'ny Papa sy ny Mpitandrina sy ny Pretra sns...

Na ny fanambadiana Malagasy aza dia misy arofanina maro mba itoeran'ny fahadiovana mialoha ny fanambadiana... hahatsara sy hahamasina ny tokantrano no iarovana ny tsy isian'ny firaisana mialoha ny fanambadiana fa tsy filam-baniny tsy akory... mbola misy fizaham-pahasalamana lalina hatao koa aza fa tsy voalazanao... izany rehetra izany no anisan'ny miantoka ny fahatsaran'ny taranaka...

Ka ny fanambadiana kristiana va tokony ho latsak'izany?
44. fijo ( 19/09/2008 19:52)
le valinteny koa letsy ry ika tena tssssss
prime ka na ny mino ,na ny tsy mino anie izany samy voafetra tsy misy ahafahany mifampijery toetra e.
ny mpino feran'ny papa,ny tsy mpino raran'ny razana.aleo hidirana aloha fa tsy ho ita eo ihany ve e.ariana rehefa tena tsy zaka e
45. prime ( 23/09/2008 07:55)
fijo:
prime ka na ny mino ,na ny tsy mino anie izany samy voafetra tsy misy ahafahany mifampijery toetra e.
... ka na ianao aza miteny hoe ny toetra no ifampizahana sy ifampijerena... ka inona no mahamaika anao hanao firaisana?
fijo:
ny mpino feran'ny papa,ny tsy mpino raran'ny razana.aleo hidirana aloha fa tsy ho ita eo ihany ve e.ariana rehefa tena tsy zaka e
... Dia iza no atao ho mpandray izay narianao ry fijo? dia raha ny iray amin'ny ankohonanao koa ataon'ny olona toy izany dia ahoana hoy ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5408